1 ULB Ary andro mialohan'ny firavoravoan'ny Paska izao. Fantatr'i Jesosy fa tonga ny ora hialany eto amin'izao tontolo izao ka handeha any amin'ny Ray. Rehefa nitia ny mpiara-dia taminy teto amin'izao tontolo izao Izy, dia nitia azy ireo hatramin'ny farany. BSB BSB: It was now just before the Passover Feast, and Jesus knew that His hour had come to leave this world and return to the Father. Having loved His own who were in the world, He loved them to the very end.
2 ULB Ary ny devoly dia efa nametraka izao tao an-tsain'i Jodasy Iskariota zanak'i Simona, dia ny hamadihana an'i Jesosy. BSB BSB: The evening meal was underway, and the devil had already put into the heart of Judas, the son of Simon Iscariot, to betray Jesus.
3 ULB Izy dia nahafantatra fa ny zavatra rehetra dia efa napetrakin'ny Ray teo am-pelatanany ary Izy dia avy amin'Andriamanitra ary hiverina any amin' Andriamanitra. BSB BSB: Jesus knew that the Father had delivered all things into His hands, and that He had come from God and was returning to God.
4 ULB Nitsangana Izy teo am-pisakafoana ary nanala ny akanjony ivelany. Avy eo Izy naka lamba ary nisalotra izany. BSB BSB: So He got up from the supper, laid aside His outer garments, and wrapped a towel around His waist.
5 ULB Avy eo nandraraka rano tao anaty siny Izy dia nanomboka nanasa ny tongotr'ireo mpianatra ary namafa azy ireo tamin'ilay lamba nisalorany. BSB BSB: After that, He poured water into a basin and began to wash the disciples’ feet and dry them with the towel that was around Him.
6 ULB Nanatona an'i Simona Petera Izy, ary hoy Petera taminy hoe: "Tompo, hanasa ny tongotro ve Ianao?" BSB BSB: He came to Simon Peter, who asked Him, “Lord, are You going to wash my feet?”
7 ULB Jesosy namaly ary niteny taminy hoe: "Izay ataoko dia mbola tsy ho azonao izao ny heviny, fa ho azonao ihany izany any aoriana." BSB BSB: Jesus replied, “You do not realize now what I am doing, but later you will understand.”
8 ULB Hoy Petera taminy hoe: "Tsy hanasa ny tongotro mihintsy Ianao." Jesosy namaly azy hoe: "Raha tsy manasa ny tongotrao Aho, dia tsy manana anjara ato amiko ianao." BSB BSB: “Never shall You wash my feet!” Peter told Him. Jesus answered, “Unless I wash you, you have no part with Me.”
9 ULB Hoy Simona Petera taminy hoe: "Tompo, aza ny tongotro ihany no sasana, fa ny tanako sy ny lohako ihany koa." BSB BSB: “Then, Lord,” Simon Peter replied, “not only my feet, but my hands and my head as well!”
10 ULB Hoy Jesosy taminy hoe: "Izay efa nandro dia tsy mila izany, afa-tsy ny manasa tongony ihany, fa izy dia efa madio tanteraka; ianao dia madio, fa tsy ny rehetra nefa." BSB BSB: Jesus told him, “Whoever has already bathed needs only to wash his feet, and he will be completely clean. And you are clean, though not all of you.”
11 ULB (Satria efa fantatr'i Jesosy hoe iza ilay hamadika Azy; izany no antony nilazany hoe: "Tsy ianareo rehetra no madio.") BSB BSB: For He knew who would betray Him. That is why He said, “Not all of you are clean.”
12 ULB Ka rehefa avy nanasa ny tongotr'izy ireo Jesosy sy naka ireo lambany ka nipetraka indray, dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Fantatrareo ve ny nataoko ho anareo? BSB BSB: When Jesus had washed their feet and put on His outer garments, He reclined with them again and asked, “Do you know what I have done for you?
13 ULB Antsoinareo Aho hoe 'mpampianatra' sy 'Tompo,' ary marina ny voalazanareo, satria izany tokoa Aho. BSB BSB: You call Me Teacher and Lord, and rightly so, because I am.
14 ULB Kanefa raha Izaho, sady Tompo no mpampianatra, no nanasa ny tongotrareo, ianareo ihany koa dia tokony hifanasa ny tongotrareo. BSB BSB: So if I, your Lord and Teacher, have washed your feet, you also should wash one another’s feet.
15 ULB Satria efa nanome ohatra ho anareo Aho ka mba tokony hanao toy izay nataoko ho anareo ihany koa ianareo. BSB BSB: I have set you an example so that you should do as I have done for you.
16 ULB Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa ny mpanompo dia tsy lehibe kokoa noho ny tompony; na koa ny mpitondra hafatra dia tsy lehibe kokoa noho ilay naniraka azy. BSB BSB: Truly, truly, I tell you, no servant is greater than his master, nor is a messenger greater than the one who sent him.
17 ULB Raha fantatrareo ireo zavatra ireo, dia ho tahiana ianareo raha manatanteraka izany. BSB BSB: If you know these things, you will be blessed if you do them.
18 ULB Tsy ianareo rehetra no resahiko; fantatro ireo izay nofidiako—fa izany dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: 'Izay mihinana ny mofoko dia nanandratra ny vodi-tongony hamadika Ahy.' BSB BSB: I am not speaking about all of you; I know whom I have chosen. But this is to fulfill the Scripture: ‘The one who shares My bread has lifted up his heel against Me.’
19 ULB Lazaiko aminareo izao izany mialohan'ny hitrangany mba rehefa mitranga izany, dia mety hino ianareo fa Izaho no Izy. BSB BSB: I am telling you now before it happens, so that when it comes to pass, you will believe that I am He.
20 ULB Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa izay mandray izay nirahiko, dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy, dia mandray Azy izay naniraka Ahy." BSB BSB: Truly, truly, I tell you, whoever receives the one I send receives Me, and whoever receives Me receives the One who sent Me.”
21 ULB Rehefa nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny fanahiny. Nanambara Izy ary nilaza hoe: "Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa fa hisy iray aminareo hamadika Ahy." BSB BSB: After Jesus had said this, He became troubled in spirit and testified, “Truly, truly, I tell you, one of you will betray Me.”
22 ULB Nifampijery ireo mpianatra, nanontany tena hoe iza izany nolazainy izany. BSB BSB: The disciples looked at one another, perplexed as to which of them He meant.
23 ULB Nisy iray tamin'ireo mpianany, izay tian'i Jesosy, nipetraka teo amin'ny latabatra ampitan'i Jesosy. BSB BSB: One of His disciples, the one whom Jesus loved, was reclining at His side.
24 ULB Nanatona io mpianatra io Simona Petera ary nilaza hoe: "Anontanio Azy hoe iza izany lazainy izany." BSB BSB: So Simon Peter motioned to him to ask Jesus which one He was talking about.
25 ULB Ka niverina niankina tamin'i Jesosy izy ary nilaza taminy hoe: "Tompo, iza izany?" BSB BSB: Leaning back against Jesus, he asked, “Lord, who is it?”
26 ULB Avy eo Jesosy namaly hoe: "Ilay iray izay handonako sy homeko ity mofo ity izany." Ka rehefa nolomany ny mofo, dia nomeny an'i Jodasy zanak'i Simona Iskariota izany. BSB BSB: Jesus answered, “It is the one to whom I give this morsel after I have dipped it.” Then He dipped the morsel and gave it to Judas son of Simon Iscariot.
27 ULB Ary taorian'ny mofo, dia niditra tao aminy satana, ka hoy Jesosy taminy hoe: "Izay ataonao, ataovy aingana izany." BSB BSB: And when Judas had taken the morsel, Satan entered into him. Then Jesus said to Judas, “What you are about to do, do quickly.”
28 ULB Tamin'izay ireo rehetra teo an-databatra tsy nisy nahalala ny antony nilazan'i Jesosy azy izany. BSB BSB: But no one at the table knew why Jesus had said this to him.
29 ULB Ny sasany nieritreritra hoe, satria Jodasy no nitazona ny kitapom-bola, no nilazan'i Jesosy taminy hoe: "Vidio ny zavatra rehetra ilaintsika amin'ny andro firavoravoana," na hoe tokony hanome zavatra ho an'ny mahantra izy. BSB BSB: Since Judas kept the money bag, some thought that Jesus was telling him to buy what was needed for the feast, or to give something to the poor.
30 ULB Raha vao avy nandray ny mofo Jodasy, dia lasa nivoaka avy hatrany izy. Alina ny andro tamin'izay. BSB BSB: As soon as he had received the morsel, Judas went out into the night.
31 ULB Rehefa lasa Jodasy, dia hoy Jesosy hoe: "Ankehitriny dia omem-boninahitra ny Zanak'Olona, ary Andriamanitra dia omem-boninahitra ao aminy. BSB BSB: When Judas had gone out, Jesus said, “Now the Son of Man is glorified, and God is glorified in Him.
32 ULB Andriamanitra dia hanome voninahitra Azy ao amin'ny tenany, ary Izy hanome voninahitra Azy avy hatrany. BSB BSB: If God is glorified in Him, God will also glorify the Son in Himself—and will glorify Him at once.
33 ULB Ry ankizy madinika, fotoana fohy sisa no hiarahako aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary araka izay nolazaiko tamin'ny Jiosy hoe: 'Izay alehako, tsy azonareo aleha.' Ary lazaiko aminareo koa izany ankehitriny. BSB BSB: Little children, I am with you only a little while longer. You will look for Me, and as I said to the Jews, so now I say to you: ‘Where I am going, you cannot come.’
35 ULB Amin'izany no hahafantaran'ny rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia ianareo." BSB BSB: By this everyone will know that you are My disciples, if you love one another.”
36 ULB Hoy Simona Petera taminy hoe: "Tompo, fa andeha ho aiza Ianao?" Namaly Jesosy hoe: "Izay alaehako, dia tsy afaka hanarahanareo Ahy izao, fa hanaraka ianareo any aoariana." BSB BSB: “Lord, where are You going?” Simon Peter asked. Jesus answered, “Where I am going, you cannot follow Me now, but you will follow later.”
37 ULB Dia hoy Petera taminy hoe: "Tompo, nahoana aho no tsy afaka manaraka Anao izao? Hafoiko ho Anao ny aiko." BSB BSB: “Lord,” said Peter, “why can’t I follow You now? I will lay down my life for You.”
38 ULB Dia namaly Jesosy hoe: "Hafoinao ho Ahy ve ny ainao? Lazaiko aminao, marina, dia marina tokoa, fa mbola tsy haneno akory ny akoho dia efa handà Ahy in-telo ianao." BSB BSB: “Will you lay down your life for Me?” Jesus replied. “Truly, truly, I tell you, before the rooster crows, you will deny Me three times.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.