2 ULB Misy efitra maro ao an-tranon'ny Raiko. Raha toa ka tsy izany, dia efa niteny taminareo Aho, fa hanomana toerana ho anareo. BSB BSB: In My Father’s house are many rooms. If it were not so, would I have told you that I am going there to prepare a place for you?
3 ULB Raha handeha Aho ary hanomana toerana ho anareo, dia hiverina indray Aho ary handray anareo ato Amiko, ka izay misy Ahy dia hisy anareo koa. BSB BSB: And if I go and prepare a place for you, I will come back and welcome you into My presence, so that you also may be where I am.
4 ULB Ianareo mahalala izay alehako." BSB BSB: You know the way to the place where I am going.”
5 ULB Hoy Tomasy tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, tsy fantatray izay alehanao, ahoana no hahafantaranay ny lalana?" BSB BSB: “Lord,” said Thomas, “we do not know where You are going, so how can we know the way?”
7 ULB Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia tokony ho nahafantatra ny Raiko koa. Manomboka izao dia fantatrareo Izy ary efa hitanareo." BSB BSB: If you had known Me, you would know My Father as well. From now on you do know Him and have seen Him.”
8 ULB Hoy Filipo tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izany." BSB BSB: Philip said to Him, “Lord, show us the Father, and that will be enough for us.”
10 ULB Tsy mino ve ianareo fa ao amin'ny Ray Aho ary ny Ray ato amiko? Ireo teny izay lazaiko aminareo dia tsy lazaiko avy amin'ny fahefako manokana, fa ilay Ray velona ato anatiko no manao ny asany. BSB BSB: Do you not believe that I am in the Father and the Father is in Me? The words I say to you, I do not speak on My own. Instead, it is the Father dwelling in Me, performing His works.
11 ULB Minoa Ahy fa Izaho dia ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko, raha tsy izany dia minoa noho ireo asa manokana. BSB BSB: Believe Me that I am in the Father and the Father is in Me—or at least believe on account of the works themselves.
12 ULB Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, izay mino Ahy dia hanao ny asa izay ataoko, ary hanao asa lehibe mihoatra noho ireny izy satria ho any amin'ny Ray Aho. BSB BSB: Truly, truly, I tell you, whoever believes in Me will also do the works that I am doing. He will do even greater things than these, because I am going to the Father.
13 ULB Na inona na inona angatahinareo amin'ny Anarako, dia tanterahiko izany mba hanomezam-boninahitra ny Ray ao amin'ny Zanaka. BSB BSB: And I will do whatever you ask in My name, so that the Father may be glorified in the Son.
14 ULB Raha mangataka zavatra amin'ny anarako ianareo, dia ho tanterahiko izany. BSB BSB: If you ask Me for anything in My name, I will do it.
17 ULB ny Fanahin'ny fahamarinana. Tsy afaka mandray Azy izao tontolo izao satria tsy mahita na mahafantatra Azy. Fa ianareo kosa mahalala Azy, satria mitoetra miaraka aminareo Izy ary ho ao anatinareo. BSB BSB: the Spirit of truth. The world cannot receive Him, because it neither sees Him nor knows Him. But you do know Him, for He abides with you and will be in you.
18 ULB Tsy hamela anareo ho irery Aho; mbola hiverina aty aminareo Aho. BSB BSB: I will not leave you as orphans; I will come to you.
19 ULB Afaka fotoana vitsy monja dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao, fa ianareo mahita Ahy. Satria velona Aho, dia ho velona ihany koa ianareo. BSB BSB: In a little while the world will see Me no more, but you will see Me. Because I live, you also will live.
20 ULB Ary amin'izay andro izay dia ho fantatrareo fa ao amin'ny Raiko Aho, ary ianareo ato Amiko, ary Izaho ao aminareo. BSB BSB: On that day you will know that I am in My Father, and you are in Me, and I am in you.
21 ULB Izay manana ireo didiko ka mitandrina ireny dia izy ilay tia Ahy, ary izay tia Ahy dia ho tiavin'ny Raiko koa, ary Izaho hitia azy sy hiseho aminareo." BSB BSB: Whoever has My commandments and keeps them is the one who loves Me. The one who loves Me will be loved by My Father, and I will love him and reveal Myself to him.”
22 ULB Hoy Jodasy (tsy Iskariota) tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, nahoana ianao no hiseho aminay fa tsy amin'izao tontolo izao?" BSB BSB: Judas (not Iscariot) asked Him, “Lord, why are You going to reveal Yourself to us and not to the world?”
24 ULB Fa izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko. Ny teny izay renareo dia tsy avy amiko fa avy amin'ny Ray izay naniraka Ahy. BSB BSB: Whoever does not love Me does not keep My words. The word that you hear is not My own, but it is from the Father who sent Me.
25 ULB Efa noteneniko taminareo ireo zavatra ireo, raha mbola nijanona niaraka taminareo Aho. BSB BSB: All this I have spoken to you while I am still with you.
29 ULB Ary noteneniko anareo dieny mbola tsy mitranga izany, mba hino ianareo, rehefa mitranga izany. BSB BSB: And now I have told you before it happens, so that when it does happen, you will believe.
30 ULB Tsy hilaza betsaka aminareo intsony Aho, fa efa ho avy ny mpanapaka izao tontolo izao. Tsy manana fahefana Amiko izy, BSB BSB: I will not speak with you much longer, for the prince of this world is coming, and he has no claim on Me.
31 ULB fa mba hahafantaran'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, dia ataoko tahaka ny nandidian'ny Ray Ahy. Andeha hitsangana isika ary hiala ety." BSB BSB: But I do exactly what the Father has commanded Me, so that the world may know that I love the Father. Get up! Let us go on from here.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.