1 ULB Ary nisy Fariseo iray antsoina hoe Nikodemosy, mpitarika Jiosy. BSB BSB: Now there was a man of the Pharisees named Nicodemus, a leader of the Jews.
2 ULB Nanatona an'i Jesosy tamin'ny andro alina io lehilay io ary niteny taminy hoe: "Raby, fantatray fa mpampianatra izay avy amin'Andriamanitra Ianao, satria tsy misy mahavita ireo famantarana ataonao raha tsy miaraka aminy Andriamanitra." BSB BSB: He came to Jesus at night and said, “Rabbi, we know that You are a teacher who has come from God. For no one could perform the signs You are doing if God were not with him.”
3 ULB Dia namaly azy Jesosy nanao hoe: "Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy hahita ny fanjakan' Andriamanitra izy." BSB BSB: Jesus replied, “Truly, truly, I tell you, no one can see the kingdom of God unless he is born again.”
4 ULB Nikodemosy niteny taminy hoe: "Amin'ny fomba ahoana no hahateraka ny olona iray raha efa antitra izy? Tsy afaka hiditra fanindroany ao an-kibon-dreniny izy ary hateraka, sa ve afaka?" BSB BSB: “How can a man be born when he is old?” Nicodemus asked. “Can he enter his mother’s womb a second time to be born?”
5 ULB Namaly Jesosy hoe: "Lazaiko aminao marina, dia marina tokoa, fa raha tsy nateraka tamin'ny rano sy ny fanahy ny zanak'olona, dia tsy afaka hiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. BSB BSB: Jesus answered, “Truly, truly, I tell you, no one can enter the kingdom of God unless he is born of water and the Spirit.
6 ULB Izay ateraky ny nofo dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. BSB BSB: Flesh is born of flesh, but spirit is born of the Spirit.
7 ULB Aza gaga amin'izay nolazaiko anao hoe: 'Tsy maintsy hateraka indray ianareo.' BSB BSB: Do not be amazed that I said, ‘You must be born again.’
8 ULB Ny rivotra mitsoka na aiza na aiza iriany; renao ny feony, fa tsy fantatrao izay niaviany na izay alehany. Tahaka izany avokoa izay ateraky ny Fanahy." BSB BSB: The wind blows where it wishes. You hear its sound, but you do not know where it comes from or where it is going. So it is with everyone born of the Spirit.”
9 ULB Namaly Nikodemosy ka niteny taminy hoe: "Ahoana ny fomba hahatanterahan'izany zavatra izany?" BSB BSB: “How can this be?” Nicodemus asked.
10 ULB Jesosy namaly ka niteny taminy hoe: "Mpampianatra an'Israely ve ianao, dia mbola tsy azonao ihany izany zavatra izany? BSB BSB: “You are Israel’s teacher,” said Jesus, “and you do not understand these things?
11 ULB Lazaiko aminao, marina, dia marina tokoa, fa izay fantatray no resahanay, ary izahay manambara ny momba izay hitanay. Kanefa mbola tsy manaiky ny fanambaranay ianareo. BSB BSB: Truly, truly, I tell you, we speak of what we know, and we testify to what we have seen, and yet you people do not accept our testimony.
12 ULB Raha nanambara taminareo ny zavatra tety an-tany Aho nefa tsy hinoanareo, amin'ny fomba ahoana no hinoanareo Ahy raha hitantara aminareo ny zava-misy any an-danitra Aho? BSB BSB: If I have told you about earthly things and you do not believe, how will you believe if I tell you about heavenly things?
13 ULB Tsy nisy niakatra any an-danitra afa-tsy Ilay nidina avy tany, dia Ilay zanak'Olona izany. BSB BSB: No one has ascended into heaven except the One who descended from heaven—the Son of Man.
14 ULB Ary toy ny nanandratan'i Mosesy ny bibilava tany an'efitra, no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona, BSB BSB: Just as Moses lifted up the snake in the wilderness, so the Son of Man must be lifted up,
15 ULB mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. BSB BSB: that everyone who believes in Him may have eternal life.
17 ULB Fa Andriamanitra tsy naniraka ilay Zanaka lahy ho amin'izao tontolo izao mba hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao amin'ny alalany. BSB BSB: For God did not send His Son into the world to condemn the world, but to save the world through Him.
18 ULB Izay mino Azy dia tsy helohina, fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka sahady satria tsy nino ny anaran'ilay Zanaka lahy iray sy tokan'Andiamanitra. BSB BSB: Whoever believes in Him is not condemned, but whoever does not believe has already been condemned, because he has not believed in the name of God’s one and only Son.
19 ULB Izao no anton'ny fitsaràna: tonga teto amin'izao tontolo izao ny fahazavana, nefa dia naleon'ny olombelona ny haizina toy izay ny mazava satria ratsy ireo asa nataony. BSB BSB: And this is the verdict: The Light has come into the world, but men loved the darkness rather than the Light because their deeds were evil.
20 ULB Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava ary tsy manatona izany mba tsy ho hita miharihary ireo asany. BSB BSB: Everyone who does evil hates the Light, and does not come into the Light for fear that his deeds will be exposed.
21 ULB Kanefa, izay manao ny marina dia manatona ny mazava mba ho hita tsara fa ireo asany dia natao arakan'Andriamanitra." BSB BSB: But whoever practices the truth comes into the Light, so that it may be seen clearly that what he has done has been accomplished in God.”
22 ULB Taorian'izay, dia nandeha tany Jodia Jesosy sy ireo ny mpianany. Nitoetra fotoana vitsy tao niaraka tamin'izy ireo Izy ary nanao batisa. BSB BSB: After this, Jesus and His disciples went into the Judean countryside, where He spent some time with them and baptized.
23 ULB Ary Jaona koa nanao batisa tany Ainona akaikin'i Saleima satria betsaka ny rano tany. Nanatona azy ny vahoaka ary natao batisa, BSB BSB: Now John was also baptizing at Aenon near Salim, because the water was plentiful there, and people kept coming to be baptized.
24 ULB fa tsy mbola nalefa any an-trano maizina Jaona. BSB BSB: (For John had not yet been thrown into prison.)
25 ULB Avy eo nisy fifandirana tamin'ny sasany amin'ireo mpianatr'i Jaona sy Jiosy iray momban'ny andro fisasana. BSB BSB: Then a dispute arose between John’s disciples and a certain Jew over the issue of ceremonial washing.
26 ULB Nanatona an'i Jaona izy ireo ka niteny taminy hoe: "Raby, Ilay iray niaraka taminao tany ampitan'ny reniranon'i Joridana, izay nambaranao, indro, manao batisa izy, ary manatona azy avokoa izy rehetra." BSB BSB: So John’s disciples came to him and said, “Look, Rabbi, the One who was with you beyond the Jordan, the One you testified about—He is baptizing, and everyone is going to Him.”
27 ULB Ary Jaona namaly hoe: "Tsy afaka mandray na inona na inona ny olona iray raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany. BSB BSB: John replied, “A man can receive only what is given him from heaven.
28 ULB Ianareo ihany dia efa afaka ny vavolombelona amin'ny lazaiko hoe: 'Tsy ilay Kristy aho,' fa kosa: 'Nirahina talohany.' BSB BSB: You yourselves can testify that I said, ‘I am not the Christ, but am sent ahead of Him.’
29 ULB Ny ampakarina dia an'ny mpampakatra. Ary ny sakaizan'ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra nohon'ny amin'ny fahenoana ny feon'ny mpampakatra. Izany, ary, no mameno ny hafaliako. BSB BSB: The bride belongs to the bridegroom. The friend of the bridegroom stands and listens for him, and is overjoyed to hear the bridegroom’s voice. That joy is mine, and it is now complete.
30 ULB Tsy maintsy mitombo Izy, fa izaho kosa tsy maintsy mihena. BSB BSB: He must increase; I must decrease.
31 ULB Izy izay avy any ambony dia ambonin'ny zava-drehetra. Izy izay avy eto an-tany dia avy eto an-tany ary miresaka momban'ny eto an-tany. Izay avy any an-danitra dia ambonin'ny zava-drehetra. BSB BSB: The One who comes from above is above all. The one who is from the earth belongs to the earth and speaks as one from the earth. The One who comes from heaven is above all.
32 ULB Izy dia manambara ny momba izay hitany sy reny, kanefa dia tsy misy mandray ny fanambarany. BSB BSB: He testifies to what He has seen and heard, yet no one accepts His testimony.
33 ULB Izay nandray ny fanambarany kosa dia nanamafy fa marina Andriamanitra. BSB BSB: Whoever accepts His testimony has certified that God is truthful.
34 ULB Fa ilay iray nirahin'Andriamanitra dia milaza ny tenin'Andriamanitra. Satria tsy nasiany fetra ny fanomezana ny Fanahy. BSB BSB: For the One whom God has sent speaks the words of God, for God gives the Spirit without limit.
35 ULB Ny Ray tia ilay zanaka lahy ary nametraka ny zava-drehetra teo ampelan-tanany. BSB BSB: The Father loves the Son and has placed all things in His hands.
36 ULB Izay mino ilay Zanaka lahy dia manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mankàto ilay zanaka lahy kosa dia tsy hahita fiainana, fa hitoeran'ny hatezeran'Andriamanitra." BSB BSB: Whoever believes in the Son has eternal life. Whoever rejects the Son will not see life. Instead, the wrath of God remains on him.”