1 ULB Ary rehefa fantatr'i Jesosy hoe ren'ireo Fariseo fa nahazo sy nanao batisa mpianatra maro noho Jaona Izy BSB BSB: When Jesus realized that the Pharisees were aware He was gaining and baptizing more disciples than John
2 ULB (na dia tsy Jesosy tenany aza no nanao batisa, fa ireo mpianany), BSB BSB: (although it was not Jesus who baptized, but His disciples),
3 ULB dia niala tao Jodia Izy ary niverina nankany Galilia indray. BSB BSB: He left Judea and returned to Galilee.
4 ULB Fa ilainy ny mamakivaky an'i Samaria. BSB BSB: Now He had to pass through Samaria.
5 ULB Ka dia tonga tao amin'ny tanàna iray ao Samaria Izy, antsoina hoe Sykara, akaikin'ilay ampahan-tany izay nomen'i Jakoba an'i Josefa zanany. BSB BSB: So He came to a town of Samaria called Sychar, near the plot of ground that Jacob had given to his son Joseph.
6 ULB Teo ilay fatsakan'i Jakoba. Nahatsiaro sasatra tamin'ny diany Jesosy ka nipetraka teo amin'ilay fatsakana. Tokony teo amin'ny ora fahenina teo. BSB BSB: Since Jacob’s well was there, Jesus, weary from His journey, sat down by the well. It was about the sixth hour.
7 ULB Nisy vehivavy samaritana iray tonga hatsaka rano, ka hoy Jesosy taminy hoe: "Mba omeo rano Aho ho sotroiko." BSB BSB: When a Samaritan woman came to draw water, Jesus said to her, “Give Me a drink.”
8 ULB Fa ireo mpianany efa lasa any an-tanàna mba hividy hanina. BSB BSB: (His disciples had gone into the town to buy food.)
9 ULB Avy eo hoy ilay vehivavy samaritana taminy hoe: "Ahoana ianao, izay Jiosy, no mangataka amiko, izay vehivavy samaritana, rano ho sotroina?" Fa ireo Jiosy tsy misy hifandraisana amin'ny Samaritana. BSB BSB: “You are a Jew,” said the woman. “How can You ask for a drink from me, a Samaritan woman?” (For Jews do not associate with Samaritans.)
10 ULB Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: "Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra, sy izay miteny aminao hoe: 'Omeo aho ho sotroiko,' dia ianao indray no ho nangataka taminy, ka omeny rano velona." BSB BSB: Jesus answered, “If you knew the gift of God and who is asking you for a drink, you would have asked Him, and He would have given you living water.”
11 ULB Hoy ilay vehivavy taminy hoe: "Tompoko, Ianao dia tsy manana fanovozana ary ny fatsakana lalina. Koa aiza no hahazoanao rano velona? BSB BSB: “Sir,” the woman replied, “You have nothing to draw with and the well is deep. Where then will You get this living water?
12 ULB Ianao dia tsy lehibe, moa va, noho Jakoba razambentsika, izay nanome anay ny fatsakana sy nisotro tamin'izany ny tenany, tahaka ny nataon'ireo zanany sy ireo bibiny?" BSB BSB: Are You greater than our father Jacob, who gave us this well and drank from it himself, as did his sons and his livestock?”
13 ULB Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: "Izay rehetra misotro amin'ity rano ity dia mbola hangetaheta indray, BSB BSB: Jesus said to her, “Everyone who drinks this water will be thirsty again.
14 ULB fa na iza na iza misotro amin'ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay. Fa kosa, ny rano izay homeko azy dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny, izay mitondra any amin'ny fiainana mandrakizay." BSB BSB: But whoever drinks the water I give him will never thirst. Indeed, the water I give him will become in him a fount of water springing up to eternal life.”
15 ULB Hoy ravehivavy taminy hoe: "Tompoko, omeo izany rano izany aho mba tsy hangetaheta sy ho tonga hatsaka eto intsony." BSB BSB: The woman said to Him, “Sir, give me this water so that I will not get thirsty and have to keep coming here to draw water.”
16 ULB Hoy Jesosy tamin-dravehivavy hoe: "Mandehana, antsoy ny vadinao, dia miverena aty." BSB BSB: Jesus told her, “Go, call your husband and come back.”
17 ULB Namaly ilay vehivavy ka niteny taminy hoe: "Tsy manambady aho." Namaly Jesosy hoe: "Marina ny voalazanao hoe: 'Tsy manambady aho,' BSB BSB: “I have no husband,” the woman replied. Jesus said to her, “You are correct to say that you have no husband.
18 ULB fa efa nanambady indimy ianao, ary ilay iray izay hipetrahanao ankehitriny dia tsy mbola vadinao. Marina izay voalazanao." BSB BSB: In fact, you have had five husbands, and the man you now have is not your husband. You have spoken truthfully.”
19 ULB Hoy ravehivavy taminy hoe: "Tompoko, itako fa mpaminany Ianao. BSB BSB: “Sir,” the woman said, “I see that You are a prophet.
21 ULB Hoy Jesosy taminy hoe: "Minoa Ahy, ravehivavy, fa ho avy ny andro izay hideranareo ny Ray ka sady tsy amin'ity an-tendrombohitra ity no tsy any Jerosalema. BSB BSB: “Believe Me, woman,” Jesus replied, “a time is coming when you will worship the Father neither on this mountain nor in Jerusalem.
23 ULB Kanefa, ho avy ny andro, ary tonga ankehitriny, rehefa hidera ny Ray amin'ny fanahy sy fahamarinana ireo tena mpivavaka, satria ny Ray dia mitady olona tahaka izany ho mpidera Azy. BSB BSB: But a time is coming and has now come when the true worshipers will worship the Father in spirit and in truth, for the Father is seeking such as these to worship Him.
24 ULB Andriamanitra dia Fanahy, ary ny olona izay midera Azy dia tsy maintsy midera amin'ny fanahy sy fahamarinana." BSB BSB: God is Spirit, and His worshipers must worship Him in spirit and in truth.”
25 ULB Hoy ilay vehivavy taminy hoe: "Fantatro fa ho avy ny Mesia (ilay antsoina hoe Kristy). Ary rehefa tonga Izy, dia hanazava amintsika ny zavatra rehetra." BSB BSB: The woman said, “I know that Messiah” (called Christ) “is coming. When He comes, He will explain everything to us.”
26 ULB Hoy Jesosy taminy hoe: "Izaho izay miresaka aminao, no Izy." BSB BSB: Jesus answered, “I who speak to you am He.”
27 ULB Tamin'izany fotoana izany dia niverina ireo mpianany. Ary nanontany tena izy ireo hoe nahoana Izy no miresaka amin'ny vehivavy, fa tsy nisy niteny hoe: "Inona no tadiavinao?" na hoe: "Nahoana Ianao no miresaka aminy?" BSB BSB: Just then His disciples returned and were surprised that He was speaking with a woman. But no one asked Him, “What do You want from her?” or “Why are You talking with her?”
28 ULB Noho izany dia namela ny sininy ravehivavy, ka nandeha niverina tany an-tanàna, ary nilaza tamin'ny olona hoe: BSB BSB: Then the woman left her water jar, went back into the town, and said to the people,
29 ULB "Handeha, hizaha ilay lehilahy izay nilaza ny vitako rehetra. Tsy ho Kristy izany, sa ve Izy?" BSB BSB: “Come, see a man who told me everything I ever did. Could this be the Christ?”
30 ULB Dia niala teo an-tanàna izy ireo ka nankeo Aminy. BSB BSB: So they left the town and made their way toward Jesus.
31 ULB Nandritr'izany, namporisika Azy ireo mpianatra, manao hoe: "Raby, mihinàna." BSB BSB: Meanwhile the disciples urged Him, “Rabbi, eat something.”
32 ULB Fa hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Izaho dia manana hanin-ko hanina izay tsy fantatrareo." BSB BSB: But He told them, “I have food to eat that you know nothing about.”
33 ULB Ka nifampiteny ireo mpianatra hoe: "Tsy nisy olona nitondra zavatra ho hanina ho Azy, sa ve nisy?" BSB BSB: So the disciples asked one another, “Could someone have brought Him food?”
34 ULB Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Ny sakafoko dia ny manao ny sitrapon'Ilay naniraka Ahy ary manao ny asany. BSB BSB: Jesus explained, “My food is to do the will of Him who sent Me and to finish His work.
35 ULB Moa Ianao tsy milaza hoe: "Efa-bolana sisa dia ho avy ny fararano?' Lazaiko aminareo, hatopazo ny masonareo dia jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka ary ho jinjaina ireo! BSB BSB: Do you not say, ‘There are still four months until the harvest’? I tell you, lift up your eyes and look at the fields, for they are ripe for harvest.
36 ULB Izay minjinja dia mandray karama sy manangona vokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay, ka hiara-paly ny mpamafy sy ny mpinjinja. BSB BSB: Already the reaper draws his wages and gathers a crop for eternal life, so that the sower and the reaper may rejoice together.
37 ULB Fa amin'izany dia marina ilay teny manao hoe: 'Ny iray mamafy, ary ny iray kosa minjinja,' BSB BSB: For in this case the saying ‘One sows and another reaps’ is true.
38 ULB Naniraka anareo hinjinja izay tsy nisasaranareo Aho. Ireo hafa no nisasatra, ary ianareo no niditra teo amin'izay nisasarany." BSB BSB: I sent you to reap what you have not worked for; others have done the hard work, and now you have taken up their labor.”
39 ULB Maro tamin'ireo samaritana tao amin'izany tanàna izany no nino Azy nohon'ny tatitr'ilay vehivavy izay manambara hoe: "Nolazainy tamiko avokoa izay nataoko rehetra." BSB BSB: Many of the Samaritans from that town believed in Jesus because of the woman’s testimony, “He told me everything I ever did.”
40 ULB Ka rehefa nanatona Azy ireo samaritana, dia nangataka Azy mba hijanona hiaraka amin'izy ireo, dia nijanona tao roa andro Izy. BSB BSB: So when the Samaritans came to Him, they asked Him to stay with them, and He stayed two days.
41 ULB Maro hafa no nino nohon'ny teniny. BSB BSB: And many more believed because of His message.
42 ULB Hoy izy ireo tamin-dravehivavy hoe: "Tsy noho izay voalazanao intsony no hinoanay, fa izahay mihitsy no efa nandre, ary fantatray fa Izy tokoa no ilay Mpamonjy an'izao tontolo izao." BSB BSB: They said to the woman, “We now believe not only because of your words; we have heard for ourselves, and we know that this man truly is the Savior of the world.”
43 ULB Taorian'ireo roa andro ireo, dia niala avy tao Izy hakany Galilia. BSB BSB: After two days, Jesus left for Galilee.
44 ULB Fa Jesosy mihintsy no nanambara fa ny mpaminany dia tsy manan-danja ao amin'ny taniny manokana. BSB BSB: Now He Himself had testified that a prophet has no honor in his own hometown.
45 ULB Rehefa tonga tao Galilia Izy, dia nandray Azy ireo Galiliana. Izy ireo dia nahita ny zavatra rehetra izay nataony tao Jerosalema tamin'ny andro firavoravoana, satria nandeha tany amin'ny andro firavoravoana ihany koa izy ireo. BSB BSB: Yet when He arrived, the Galileans welcomed Him. They had seen all the great things He had done in Jerusalem at the feast, for they had gone there as well.
46 ULB Ary tonga tao Kana ao Galilia indray Izy, izay toerana nampodiany ny rano ho divay. Nisy tandapa iray izay nanana zanaka lahy marary tao Kapernaony. BSB BSB: So once again He came to Cana in Galilee, where He had turned the water into wine. And there was a royal official whose son lay sick at Capernaum.
47 ULB Rehefa reny fa avy any Jodia ho any Galilia Jesosy, dia nankeo amin'i Jesosy izy ary nangataka taminy mba hidina ary hanasitrana ny zanany lahy, izay efa ho faty. BSB BSB: When he heard that Jesus had come from Judea to Galilee, he went and begged Him to come down and heal his son, who was about to die.
48 ULB Avy eo Jesosy nilaza taminy hoe: "Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, tsy mba hino mihintsy." BSB BSB: Jesus said to him, “Unless you people see signs and wonders, you will never believe.”
49 ULB Hoy ilay tandapa taminy hoe: "Tompoko, midina re mialohan'ny hafatesan'ny zanako." BSB BSB: “Sir,” the official said, “come down before my child dies.”
50 ULB Hoy Jesosy taminy hoe: "Mandehàna. Velona ny zanakao." Nino ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy ilay lehilahy, ka dia lasa izy. BSB BSB: “Go,” said Jesus. “Your son will live.” The man took Jesus at His word and departed.
51 ULB Raha iny izy nidina iny, dia nitsena azy ireo mpanompony, nilaza fa velona ny zanany. BSB BSB: And while he was still on the way, his servants met him with the news that his boy was alive.
52 ULB Ka nanontany azy ireo ny ora izay nanaretany izy. Namaly azy izy ireo hoe: "Omaly tamin'ny ora fahafito no nialàn'ny tazo taminy." BSB BSB: So he inquired as to the hour when his son had recovered, and they told him, “The fever left him yesterday at the seventh hour.”
53 ULB Fantatr'ilay ray avy eo fa tamin'io ora io no nilazan'i Jesosy azy hoe: "Velona ny zanakao." Ka dia nino ny tenany sy ireo ankohonany rehetra. BSB BSB: Then the father realized that this was the very hour in which Jesus had told him, “Your son will live.” And he and all his household believed.
54 ULB Izany no famantarana faharoa nataon'i Jesosy fony Izy niala tao Jodia ho any Galilia. BSB BSB: This was now the second sign that Jesus performed after coming from Judea into Galilee.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.