1 ULB Taorian'izany dia nisy firavoravoan'ny Jiosy, ary niakatra ho any Jerosalema Jesosy. BSB BSB: Some time later there was a feast of the Jews, and Jesus went up to Jerusalem.
3 ULB Maro ireo olona marary, jamba, malemy, na tsy afa-mihetsika natory tao. BSB BSB: On these walkways lay a great number of the sick, the blind, the lame, and the paralyzed.
5 ULB Ary nisy lehilahy anankiray teo izay efa narary valo amby telo-polo taona. BSB BSB: One man there had been an invalid for thirty-eight years.
6 ULB Rehefa hitan'i Jesosy nandry teo izy, sy taorian'ny nahatsapany fa efa an-taona maro izy no teo, dia hoy Izy taminy hoe: "Te-ho sitrana ve ianao?" BSB BSB: When Jesus saw him lying there and realized that he had spent a long time in this condition, He asked him, “Do you want to get well?”
7 ULB Namaly ilay lehilahy marary hoe: "Tompoko, tsy manana na iza na iza aho handroboka ahy ao anaty farihy rehefa mihetsika ny rano. Rehefa mandeha aho, dia misy misosoka eo alohako." BSB BSB: “Sir,” the invalid replied, “I have no one to help me into the pool when the water is stirred. While I am on my way, someone else goes in before me.”
8 ULB Hoy Jesosy taminy hoe: "Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana." BSB BSB: Then Jesus told him, “Get up, pick up your mat, and walk.”
9 ULB Avy hatrany dia sitrana ilay lehilahy, ka noraisiny ny fandriany dia nandeha izy. Ary Sabata izay andro izay. BSB BSB: Immediately the man was made well, and he picked up his mat and began to walk. Now this happened on the Sabbath day,
10 ULB Dia hoy ireo Jiosy tamin'ilay sitrana hoe: "Sabata ny andro dia tsy mahazo mitondra ny fandrianao ianao". BSB BSB: so the Jews said to the man who had been healed, “This is the Sabbath! It is unlawful for you to carry your mat.”
11 ULB Namaly izy hoe: "Ilay nanasitrana ahy no niteny tamiko hoe: 'Ento ny fandrianao ka mandehana.'" BSB BSB: But he answered, “The man who made me well told me, ‘Pick up your mat and walk.’”
12 ULB Ary nanontany azy izy ireo hoe: "Iza ilay lehilahy niteny taminao hoe: 'Ento ny fandrianao ka mandehana'?" BSB BSB: “Who is this man who told you to pick it up and walk?” they asked.
13 ULB Kanefa, ilay sitrana tsy nahalala Azy satria niala moramora Jesosy fa nisy vahoaka teo an-toerana. BSB BSB: But the man who was healed did not know who it was, for Jesus had slipped away while the crowd was there.
14 ULB Nony avy eo, hitan'i Jesosy tao an-tempoly izy ka hoy Izy taminy hoe: "Indro, sitrana ianao! Aza manota intsony, mba tsy hitranga aminao ny zavatra ratsy noho ny teo." BSB BSB: Afterward, Jesus found the man at the temple and said to him, “See, you have been made well. Stop sinning, or something worse may happen to you.”
15 ULB Avy eo dia lasa ralehilahy ka nitatitra tamin'ireo Jiosy fa Jesosy no nanasitrana azy. BSB BSB: And the man went away and told the Jews that it was Jesus who had made him well.
16 ULB Ary noho ireo zavatra ireo dia nanenjika an'i Jesosy ireo Jiosy, satria nanao ireo zavatra ireo tamin'ny Sabata Izy. BSB BSB: Now because Jesus was doing these things on the Sabbath, the Jews began to persecute Him.
17 ULB Ary namaly azy ireo Jesosy hoe: "Ny Raiko dia miasa eny fa na ankehitriny aza, ary Izaho, ihany koa, dia miasa." BSB BSB: But Jesus answered them, “To this very day My Father is at His work, and I too am working.”
19 ULB Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: "Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa ny Zanaka dia tsy afaka manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray ihany, fa na inona na inona ataon'ny Ray, dia ataon'ny Zanaka ihany koa ireo zavatra ireo. BSB BSB: So Jesus replied, “Truly, truly, I tell you, the Son can do nothing by Himself, unless He sees the Father doing it. For whatever the Father does, the Son also does.
20 ULB Fa ny Ray tia ny Zanaka ka nampiseho azy ny zavatra rehetra izay nataon'ny tenany, ary hampiseho azy zavatra lehibe mihoatra noho ireo Izy mba ho gaga ianareo. BSB BSB: The Father loves the Son and shows Him all He does. And to your amazement, He will show Him even greater works than these.
21 ULB Fa tahaka ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany ihany koa no ameloman' ny Zanaka izay tiany. BSB BSB: For just as the Father raises the dead and gives them life, so also the Son gives life to whom He wishes.
22 ULB Fa ny Ray dia tsy mitsara na iza na iza, fa nomeny ny Zanaka ny fitsarana rehetra BSB BSB: Furthermore, the Father judges no one, but has assigned all judgment to the Son,
23 ULB mba hanajan'ny rehetra ny Zanaka tahaka ny hanajan'izy ireo ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ilay Ray naniraka Azy. BSB BSB: so that all may honor the Son just as they honor the Father. Whoever does not honor the Son does not honor the Father who sent Him.
24 ULB Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa izay mandre ny teniko sy mino izay naniraka Ahy dia manana ny fiainana mandrakizay ka tsy ho helohina, fa niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy. BSB BSB: Truly, truly, I tell you, whoever hears My word and believes Him who sent Me has eternal life and will not come under judgment. Indeed, he has crossed over from death to life.
25 ULB Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa avy ny ora, ary tonga izany ankehitriny, rehefa handre ny feon'ny Zanak'Andriamanitra ny maty, ary ho velona ireo izay mandre. BSB BSB: Truly, truly, I tell you, the hour is coming and has now come when the dead will hear the voice of the Son of God, and those who hear will live.
26 ULB Fa tahaka ny Ray manana fiainana ao Aminy, no nanomezana ny zanaka ihany koa mba hananany fiainana ao Aminy, BSB BSB: For as the Father has life in Himself, so also He has granted the Son to have life in Himself.
27 ULB ary nomen'ny Ray fahefana hitsara ny Zanaka noho Izy Zanak'olona. BSB BSB: And He has given Him authority to execute judgment, because He is the Son of Man.
29 ULB ka hivoaka: ireo izay nanao ny tsara dia ho any amin'ny fitsanganana ho amin'ny fiainana, fa ireo izay nanao ny ratsy kosa dia ho any amin'ny fitsanganana ho amin'ny fitsarana. BSB BSB: and come out—those who have done good to the resurrection of life, and those who have done evil to the resurrection of judgment.
30 ULB Tsy afaka manao na inona na inona raha Izaho ihany. Araka izay reko, no itsarako, ary ny fitsarako dia marina satria tsy mitady ny sitrapoko manokana Aho fa ny sitrapon'Izy izay naniraka Ahy. BSB BSB: I can do nothing by Myself; I judge only as I hear. And My judgment is just, because I do not seek My own will, but the will of Him who sent Me.
31 ULB Raha tokony hanambara ny momban'ny tenako Aho, dia tsy marina ny fanambarako. BSB BSB: If I testify about Myself, My testimony is not valid.
32 ULB Misy iray hafa izay manambara ny momba Ahy, ary fantatro fa marina ny fanambarana izay lazainy momba Ahy. BSB BSB: There is another who testifies about Me, and I know that His testimony about Me is valid.
33 ULB Nirahina tany amin'i Jaona ianareo, ary nanambara ny marina izy. BSB BSB: You have sent to John, and he has testified to the truth.
34 ULB Kanefa ny fanambarana izay raisiko dia tsy avy amin'ny olona. Milaza izany zavatra izany Aho mba mety ho voavonjy ianareo. BSB BSB: Even though I do not accept human testimony, I say these things so that you may be saved.
35 ULB Jaona dia jiro nirehitra sy nanazava, ary ianareo naniry ny hifaly vetivety tao amin'ny fahazavany. BSB BSB: John was a lamp that burned and gave light, and you were willing for a season to bask in his light.
36 ULB Kanefa ny fanambarako dia mbola lehibe noho ny an'i Jaona, fa ireo asa nomen'ny Ray ho tanterahiko, ireo asa izay ataoko ireo, no manambara ny momba Ahy fa nirahin'ny Ray Aho. BSB BSB: But I have testimony more substantial than that of John. For the works that the Father has given Me to accomplish—the very works I am doing—testify about Me that the Father has sent Me.
37 ULB Ny Ray Izay naniraka Ahy mihintsy no nanambara Ahy. Tsy mbola nandre ny feony na nahita ny tavany ianareo. BSB BSB: And the Father who sent Me has Himself testified about Me. You have never heard His voice nor seen His form,
38 ULB Ary ny teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo, satria tsy mino ilay nirahiny ianareo. BSB BSB: nor does His word abide in you, because you do not believe the One He sent.
39 ULB Mitady ny Soratra Masina ianareo satria heverinareo fa ao amin'ireo no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireo Soratra Masina ireo ihany no manambara momba Ahy, BSB BSB: You pore over the Scriptures because you presume that by them you possess eternal life. These are the very words that testify about Me,
40 ULB kanefa tsy vonona ny hanatona Ahy ianareo mba hanananareo fiainana. BSB BSB: yet you refuse to come to Me to have life.
41 ULB Tsy mandray laza avy amin'ny olona Aho, BSB BSB: I do not accept glory from men,
42 ULB satria fantatro fa tsy misy fitiavana an'Andriamanitra ao aminareo. BSB BSB: but I know you, that you do not have the love of God within you.
43 ULB Tonga amin'ny anaran'ny Raiko Aho, nefa tsy raisinareo. Raha misy hafa tonga amin'ny anarany manokana, dia ho raisinareo izy. BSB BSB: I have come in My Father’s name, and you have not received Me; but if someone else comes in his own name, you will receive him.
44 ULB Ahoana no hinoanareo, ianareo izay mandray laza avy amin'ny olon-kafa kanefa tsy mitady ny laza izay avy amin'Andriamanitra tokana? BSB BSB: How can you believe if you accept glory from one another, yet do not seek the glory that comes from the only God?
45 ULB Aza mieritreritra hoe Izaho no hiampanga anareo anatrehan'ny Ray. Ilay iray miampanga anareo dia Mosesy, izay nametrahanareo ny fanantenanareo. BSB BSB: Do not think that I will accuse you before the Father. Your accuser is Moses, in whom you have put your hope.
47 ULB Raha tsy mino ireo nosoratany ianareo, dia ataonareo ahoana no hino ny teniko? BSB BSB: But since you do not believe what he wrote, how will you believe what I say?”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.