1 ULB Taorian'ireo zavatra ireo, dia lasa niampita ny ranomasin'i Galilia Jesosy, antsoina ihany koa hoe ranomasin'i Tiberiasy. BSB BSB: After this, Jesus crossed to the other side of the Sea of Galilee (that is, the Sea of Tiberias).
2 ULB Nisy vahoaka maro nanaraka Azy satria hitan'izy ireo ny famantarana izay nataony tamin'ireo narary. BSB BSB: A large crowd followed Him because they saw the signs He was performing on the sick.
3 ULB Niakatra an-tendrimbohitra Jesosy ary nipetraka teny niaraka tamin'ireo mpianany Izy. BSB BSB: Then Jesus went up on the mountain and sat down with His disciples.
4 ULB (Ary ny Paska, ilay andro firavoravoan'ny Jiosy, dia efa akaiky.) BSB BSB: Now the Jewish Feast of the Passover was near.
5 ULB Rehefa nijery ambony Jesosy ka nahita vahoaka maro be nanatona Azy, dia hoy Izy tamin'i Filipo hoe: "Aiza no hividianantsika mofo mba hafahan'izy ireo mihinana?" BSB BSB: When Jesus looked up and saw a large crowd coming toward Him, He said to Philip, “Where can we buy bread for these people to eat?”
6 ULB (Fa Jesosy niteny izany mba hitsapana an'i Filipo, fa efa fantany izay ho ataony.) BSB BSB: But He was asking this to test him, for He knew what He was about to do.
7 ULB Ary Filipo namaly Azy hoe: "Na dia mofo roanjato dinaria aza tsy ho ampy ho an'ny tsirairay na dia kely avy aza." BSB BSB: Philip answered, “Two hundred denarii would not buy enough bread for each of them to have a small piece.”
8 ULB Iray tamin'ireo mpianatra, Andrea, rahalahin'i Simona Petera, nilaza tamin'i Jesosy hoe: BSB BSB: One of His disciples, Andrew, Simon Peter’s brother, said to Him,
9 ULB "Misy lehilahy iray eto manana mofo dimy sy hazandrano roa, fa inona ireo manoloana ireto olona maro?" BSB BSB: “Here is a boy with five barley loaves and two small fish. But what difference will these make among so many?”
10 ULB Ary Jesosy nilaza hoe: "Asaivo mipetraka ny olona" (Ary feno ahitra teo amin'ilay toerana.) Ka dia nipetraka ireo olona, teo amin'ny dimy arivo teo ny isany. BSB BSB: “Have the people sit down,” Jesus said. Now there was plenty of grass in that place, so the men sat down, about five thousand of them.
11 ULB Avy eo Jesosy naka ireo mofo ka rehefa avy nisaotra, dia nizara izany tamin'ireo izay nipetraka teo. Tahaka izany ihany koa no nataony tamin'ny hazandrano, maro araka izay nilain'izy ireo. BSB BSB: Then Jesus took the loaves and the fish, gave thanks, and distributed to those who were seated as much as they wanted.
12 ULB Rehefa voky ny olona, dia hoy Izy tamin'ireo mpianany hoe: "Angony ireo sombintsombiny tavela, mba tsy hisy ho very." BSB BSB: And when everyone was full, He said to His disciples, “Gather the pieces that are left over, so that nothing will be wasted.”
13 ULB Ka dia nangonin'izy ireo izany ka nahafeno harona roa ambin'ny folo ny sombintsombina mofo dimy sisa navelan'ireo nihinana. BSB BSB: So they collected them and filled twelve baskets with the pieces of the five barley loaves left over by those who had eaten.
15 ULB Rehefa hitan'i Jesosy fa ho avy izy ireo haka Azy sy hanandratra Azy an-keriny ho mpanjaka, dia niverina teny an-tendrimbohitra irery indray Izy. BSB BSB: Then Jesus, realizing that they were about to come and make Him king by force, withdrew again to a mountain by Himself.
16 ULB Rehefa ariva ny andro, dia nidina teny amin'ny ranomasina ireo mpianany. BSB BSB: When evening came, His disciples went down to the sea,
17 ULB Nankao anaty sambokely izy ireo, ka niampita ny ranomasina ho any Kapernaomy. Efa maizina tamin'izay, ary Jesosy mbola tsy tonga teo amin'izy ireo ihany. BSB BSB: got into a boat, and started across the sea to Capernaum. It was already dark, and Jesus had not yet gone out to them.
18 ULB Nisy rivotra nitsoka mafy, ary niha-nahery ny ranomasina. BSB BSB: A strong wind was blowing, and the sea grew agitated.
19 ULB Rehefa nivoy teo amin'ny dimy amby roapolo na telopolo stadio teo izy ireo, dia nahita an'i Jesosy nandeha teo amin'ny ranomasina ary nanakaiky ny sambokely, ka dia natahotra izy ireo. BSB BSB: When they had rowed about three or four miles, they saw Jesus approaching the boat, walking on the sea—and they were terrified.
20 ULB Fa hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Izao ihany ity! Aza matahotra." BSB BSB: But Jesus spoke up: “It is I; do not be afraid.”
21 ULB Avy eo dia vonona ny handray Azy tao amin'ilay sambokely izy ireo, ary teo no eo dia tonga teny amin'ilay toerana alehan'izy ireo ilay sambokely. BSB BSB: Then they were willing to take Him into the boat, and at once the boat reached the shore where they were heading.
22 ULB Ny ampitso, hitan'ireo vahoaka izay nitsangana teny ampitan'ny ranomasina fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy ilay iray ihany, ary Jesosy tsy niditra tao niaraka tamin'ireo mpianany fa nandeha irery ireo mpianany. BSB BSB: The next day, the crowd that had remained on the other side of the sea realized that only one boat had been there, and that Jesus had not boarded it with His disciples, but they had gone away alone.
23 ULB Kanefa, nisy sambokely maromaro avy any Tiberiasy teo akaikin'ilay toerana izay nihinanan'izy ireo ny mofo rehefa avy nisaotra ny Tompo. BSB BSB: However, some boats from Tiberias landed near the place where the people had eaten the bread after the Lord had given thanks.
24 ULB Rehefa hitan'ny vahoaka fa tsy teo na Jesosy na ireo mpianany, dia niditra tao anaty sambokely izy ireo ary nakeny Kapernaomy hitady an'i Jesosy. BSB BSB: So when the crowd saw that neither Jesus nor His disciples were there, they got into the boats and went to Capernaum to look for Him.
25 ULB Rehefa hitan'izy ireo teny ampitan'ny renirano Izy, dia hoy izy ireo taminy hoe: "Raby, oviana Ianao no tonga teto?" BSB BSB: When they found Him on the other side of the sea, they asked Him, “Rabbi, when did You get here?”
26 ULB Jesosy namaly azy ireo, nanao hoe: "Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa mitady Ahy ianareo, tsy nohon' ny nahitanareo famantarana, fa nohon'ny nihinanareo ny mofo ka voky. BSB BSB: Jesus replied, “Truly, truly, I tell you, it is not because you saw these signs that you are looking for Me, but because you ate the loaves and had your fill.
27 ULB Aza miasa ho an'ny hanina mety levona, fa miasà ho an'ny hanina izay maharitra ho an'ny fiainana mandrakizay izay homen'ny Zanak'Olona anareo, satria Andriamanitra Ray no nanisy tombo-kase taminy." BSB BSB: Do not work for food that perishes, but for food that endures to eternal life, which the Son of Man will give you. For on Him God the Father has placed His seal of approval.”
28 ULB Avy eo dia hoy izy ireo taminy hoe: "Inona no tsy maintsy hataonay, mba hanaovanay ireo asan' Andriamanitra?" BSB BSB: Then they inquired, “What must we do to perform the works of God?”
29 ULB Jesosy namaly ka nanao tamin'izy ireo hoe: "Izao no asan'Andriamanitra: dia ny hinoanareo ilay iray izay nirahiny." BSB BSB: Jesus replied, “The work of God is this: to believe in the One He has sent.”
30 ULB Ka hoy izy ireo taminy hoe: "Inona ary no famantarana ho ataoano, mba hahitanay sy hinoanay anao? Inona no ho ataonao? BSB BSB: So they asked Him, “What sign then will You perform, so that we may see it and believe You? What will You do?
31 ULB Ny raibenay nihinana ny mana tany an'efitra, araky ny voasoratra hoe: 'Nomeny mofo avy any an-danitra izy ireo hoanina.'" BSB BSB: Our fathers ate the manna in the wilderness, as it is written: ‘He gave them bread from heaven to eat.’”
32 ULB Avy eo Jesosy namaly azy ireo hoe: "Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra. BSB BSB: Jesus said to them, “Truly, truly, I tell you, it was not Moses who gave you the bread from heaven, but it is My Father who gives you the true bread from heaven.
33 ULB Satria ny mofon'Andriamanitra dia ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an'izao tontolo izao." BSB BSB: For the bread of God is He who comes down from heaven and gives life to the world.”
34 ULB Ka hoy izy ireo taminy hoe: "Tompoko, omeo anay mandrakariva izany mofo izany." BSB BSB: “Sir,” they said, “give us this bread at all times.”
35 ULB Dia hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Izaho no mofon'ny fiainana; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta intsony. BSB BSB: Jesus answered, “I am the bread of life. Whoever comes to Me will never hunger, and whoever believes in Me will never thirst.
36 ULB Kanefa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino. BSB BSB: But as I stated, you have seen Me and still you do not believe.
39 ULB Ary izao no sitrapon'Izy izay naniraka Ahy, dia ny tsy hanariako izay rehetra nomeny Ahy, fa hanangana azy ireo amin'ny andro farany. BSB BSB: And this is the will of Him who sent Me, that I shall lose none of those He has given Me, but raise them up at the last day.
40 ULB Satria izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny mba hahazoan'ny rehetra izay mahita ny Zanaka sy mino Azy ny fiainana mandrakizay ary ho hatsangako amin'ny andro farany izy. BSB BSB: For it is My Father’s will that everyone who looks to the Son and believes in Him shall have eternal life, and I will raise him up at the last day.”
41 ULB Avy eo nimonomonona momba Azy ireo Jiosy satria Izy nilaza hoe: "Izaho no mofo nidina avy any an-danitra." BSB BSB: At this, the Jews began to grumble about Jesus because He had said, “I am the bread that came down from heaven.”
42 ULB Ary hoy izy ireo hoe: "Tsy ilay Jesosy zanak'i Josefa ve io, izay fantatsika ny ray aman-dreniny? Ahoana ary no ilazany hoe: 'Nidina avy any an-danitra Aho'?" BSB BSB: They were asking, “Is this not Jesus, the son of Joseph, whose father and mother we know? How then can He say, ‘I have come down from heaven’?”
43 ULB Jesosy namaly ka nanao tamin'izy ireo hoe: "Ajanony ny fimonomononana eo anivonareo. BSB BSB: “Stop grumbling among yourselves,” Jesus replied.
44 ULB Tsy misy olona afaka manatona Ahy raha tsy ny Ray izay naniraka Ahy no mitaona azy, ary ho hatsangako izy amin'ny andro farany. BSB BSB: “No one can come to Me unless the Father who sent Me draws him, and I will raise him up at the last day.
45 ULB Izany dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpaminany hoe: 'Hampianarin'Andriamanitra izy rehetra.' Izay rehetra nandre sy nianatra tamin'ny Ray no manatona Ahy. BSB BSB: It is written in the Prophets: ‘And they will all be taught by God.’ Everyone who has heard the Father and learned from Him comes to Me—
46 ULB Tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra, izy no nahita ny Ray. BSB BSB: not that anyone has seen the Father except the One who is from God; only He has seen the Father.
47 ULB Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa izay mino no manana fiainana mandrakizay. BSB BSB: Truly, truly, I tell you, he who believes has eternal life.
48 ULB Izaho no mofon'ny fiainana. BSB BSB: I am the bread of life.
49 ULB Ny Raibenareo nihinana ny mana tany an'efitra, ary maty izy ireo. BSB BSB: Your fathers ate the manna in the wilderness, yet they died.
50 ULB Ity no mofo nidina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana amin'izany. BSB BSB: This is the bread that comes down from heaven, so that anyone may eat of it and not die.
51 ULB Izaho no mofo velona nidina avy any an-danitra. Raha misy olona mihinana amin'ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy. Ny mofo izay homeko no nofoko ho an'ny fiainan'izao tontolo izao." BSB BSB: I am the living bread that came down from heaven. If anyone eats of this bread, he will live forever. And this bread, which I will give for the life of the world, is My flesh.”
52 ULB Niha-tezitra ireo Jiosy ka nanomboka niady hevitra, nanao hoe: "Ahoana no afahan'io lehilahy io manome antsika ny nofony hoanina?" Ary hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: BSB BSB: At this, the Jews began to argue among themselves, “How can this man give us His flesh to eat?”
53 ULB "Lazaiko aminareo marina, dia marina tokoa, fa raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'Olona ianareo sy misotro ny ràny, dia tsy hanana fiainana ao aminareo. BSB BSB: So Jesus said to them, “Truly, truly, I tell you, unless you eat the flesh and drink the blood of the Son of Man, you have no life in you.
54 ULB Na iza na iza mihinana ny nofoko sy misotro ny ràko dia manana fiainana mandrakizay, ary hatsangako izy amin'ny andro farany. BSB BSB: Whoever eats My flesh and drinks My blood has eternal life, and I will raise him up at the last day.
55 ULB Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny ràko no tena fisotro. BSB BSB: For My flesh is real food, and My blood is real drink.
56 ULB Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny ràko no mitoetra ao Amiko, ary Izaho ao aminy. BSB BSB: Whoever eats My flesh and drinks My blood remains in Me, and I in him.
57 ULB Tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, sy tahaka ny hivelomako nohon'ny Ray, izay mihinana Ahy, dia ho velona ihany koa nohon'ny Amiko. BSB BSB: Just as the living Father sent Me and I live because of the Father, so also the one who feeds on Me will live because of Me.
58 ULB Ity ilay mofo nidina avy any an-danitra, tsy tahaka ny Raibe nihinana ka maty. Izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay." BSB BSB: This is the bread that came down from heaven. Unlike your fathers, who ate the manna and died, the one who eats this bread will live forever.”
60 ULB Ary maro tamin'ireo mpianany izay nandre izany no nilaza hoe: "Fampianarana sarotra izany; iza no afaka anaiky izany?" BSB BSB: On hearing it, many of His disciples said, “This is a difficult teaching. Who can accept it?”
61 ULB Jesosy, noho Izy nahalala tao aminy fa nimonomonona tamin'izany ireo mpianany, nilaza azy ireo hoe: "Manafitohina anareo ve izany? BSB BSB: Aware that His disciples were grumbling about this teaching, Jesus asked them, “Does this offend you?
62 ULB Koa ahoana raha tokony hahita ny Zanak'Olona miakatra any amin'ny nitoerany taloha ianareo? BSB BSB: Then what will happen if you see the Son of Man ascend to where He was before?
63 ULB Ny Fanahy no manome fiainana; ny nofo tsy ahazoana na inona na inona. Ireo teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy, ary fiainana ireo. BSB BSB: The Spirit gives life; the flesh profits nothing. The words I have spoken to you are spirit and they are life.
64 ULB Mbola misy sasany aminareo tsy mino." Fa Jesosy efa nahalala hatramin'ny voalohany izay tsy hino sy izay hamadika Azy. BSB BSB: However, there are some of you who do not believe.” (For Jesus had known from the beginning which of them did not believe and who would betray Him.)
65 ULB Hoy Izy hoe: "Noho izany no nilazaiko taminareo fa tsy misy olona afaka manatona Ahy raha tsy nomen'ny Ray Azy izany." BSB BSB: Then Jesus said, “This is why I told you that no one can come to Me unless the Father has granted it to him.”
67 ULB Dia hoy Jesosy tamin'ireo roa ambin'ny folo hoe: "Tsy te-andeha koa ve ianareo, sa tsia?" BSB BSB: So Jesus asked the Twelve, “Do you want to leave too?”
68 ULB Ary Simona Petera namaly Azy hoe: "Tompo, ho any amin'iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay, BSB BSB: Simon Peter replied, “Lord, to whom would we go? You have the words of eternal life.
69 ULB ary nino izahay ka manatona mba hahalala fa Ianao no ilay Masin'Andriamanitra." BSB BSB: We believe and know that You are the Holy One of God.”
70 ULB Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Tsy Izaho ve no nifidy anareo, roa ambin'ny folo, ary ny iray aminareo dia devoly?" BSB BSB: Jesus answered them, “Have I not chosen you, the Twelve? Yet one of you is a devil!”
71 ULB Ary Jodasy zanak'i Simona Iskariota no resahany, satria izy, ilay iray amin'izy roa ambin'ny folo, izay hamadika an'i Jesosy. BSB BSB: He was speaking about Judas, the son of Simon Iscariot. For although Judas was one of the Twelve, he was later to betray Jesus.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.