1 ULB Taorian'ireo zavatra ireo Jesosy dia nandeha tany Galilia, fa tsy te-ho any Jodia anefa Izy noho ireo Jiosy mitady hamono Azy. BSB BSB: After this, Jesus traveled throughout Galilee. He did not want to travel in Judea, because the Jews there were trying to kill Him.
2 ULB Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy ny Tabernakely. BSB BSB: However, the Jewish Feast of Tabernacles was near.
3 ULB Noho izany ireo rahalahiny niteny taminy hoe: "Mialà amin'ity toerana ity ary mandehàna any Jodia, mba hafahan'ireo mpianatrao mahita ireo asa ataonao ihany koa. BSB BSB: So Jesus’ brothers said to Him, “Leave here and go to Judea, so that Your disciples there may see the works You are doing.
4 ULB Tsy misy olona manao zavatra miafina izany raha izy tenany ary te-ho fantatra ampahibemaso. Raha manao ireo zavatra ireo ianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao." BSB BSB: For no one who wants to be known publicly acts in secret. Since You are doing these things, show Yourself to the world.”
6 ULB Noho izany Jesosy niteny azy ireo hoe: "Mbola tsy tonga ny fotoako, fa ny fotoanareo kosa dia vonona lalandava. BSB BSB: Therefore Jesus told them, “Although your time is always at hand, My time has not yet come.
7 ULB Tsy afaka ny hankahala anareo izao tontolo izao, fa Izaho no halany satria manambara fa ratsy ireo asany. BSB BSB: The world cannot hate you, but it hates Me, because I testify that its works are evil.
8 ULB Ianareo miakara any amin'ny firavoravoana; fa Izaho kosa tsy handeha amin'izany satria tsy mbola tonga ny fotoako." BSB BSB: Go up to the feast on your own. I am not going up to this feast, because My time has not yet come.”
9 ULB Taorian'ny nitenenany ireo zavatra ireo azy ireo, dia nijanona tao Galilia Izy. BSB BSB: Having said this, Jesus remained in Galilee.
10 ULB Fa rehefa niakatra tany amin'ny firavoravoana ireo rahalahiny, dia niakatra tany ihany koa Izy avy eo, tsy nisehoseho fa niafina. BSB BSB: But after His brothers had gone up to the feast, He also went—not publicly, but in secret.
11 ULB Nitady azy tany amin'ny firavoravoana ireo Jiosy ary niteny hoe: "Aiza Izy?" BSB BSB: So the Jews were looking for Him at the feast and asking, “Where is He?”
12 ULB Nisy resaka be dia be momba Azy teo anivon'ireo vahoaka. Ny sasany milaza fa: "Lehilahy tsara Izy." Ireo hafa miteny hoe: "Tsia, mitarika ny vahoaka any amin'ny fahaverezana Izy." BSB BSB: Many in the crowds were whispering about Him. Some said, “He is a good man.” But others replied, “No, He deceives the people.”
13 ULB Ary tsy nisy sahy niresaka ampahibemaso momba Azy nohon'ny fatahorana ireo Jiosy. BSB BSB: Yet no one would speak publicly about Him for fear of the Jews.
14 ULB Rehefa nisasaka ny firavoravoana, dia niakatra tany amin'ny Tempoly Jesosy ary nanomboka nampianatra. BSB BSB: About halfway through the feast, Jesus went up to the temple courts and began to teach.
16 ULB Jesosy namaly azy ireo ary nanao hoe: "Tsy Ahy ny fampianarako, fa avy amin'Izy izay naniraka Ahy. BSB BSB: “My teaching is not My own,” Jesus replied. “It comes from Him who sent Me.
17 ULB Raha misy olona maniry hanao ny sitrapony, dia hahafantatra momban'io fampianarana io izy, na avy amin'Andriamanitra izany, na Izaho no miteny avy amin'ny tenako. BSB BSB: If anyone desires to do His will, he will know whether My teaching is from God or whether I speak on My own.
18 ULB Na iza na iza miteny avy amin'ny tenany dia mitady ny voninahitry ny tenany manokana, fa na iza na iza mitady ny voninahitr'izay naniraka azy, dia io olona io no marina, ary tsy misy tsy fahamarinana ao aminy. BSB BSB: He who speaks on his own authority seeks his own glory, but He who seeks the glory of the One who sent Him is a man of truth; in Him there is no falsehood.
19 ULB Tsy nomen'i Mosesy anareo ve ny lalàna? Kanefa tsy misy aminareo mitandrina ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy?" BSB BSB: Has not Moses given you the law? Yet not one of you keeps it. Why are you trying to kill Me?”
20 ULB Namaly ny vahoaka hoe: "Ianao dia misy demonia. Iza koa no mitady hamono anao?" BSB BSB: “You have a demon,” the crowd replied. “Who is trying to kill You?”
21 ULB Jesosy namaly ka niteny azy ireo hoe: "Asa iray no nataoko, ary dia gaga noho izany avokoa ianareo. BSB BSB: Jesus answered them, “I did one miracle, and you are all amazed.
22 ULB Nomen'i Mosesy ny famoràna ianareo (tsy hoe avy amin'i Mosesy izany, fa avy amin'ireo razana), ary amin'ny Sabata dia mamora olona ianareo. BSB BSB: But because Moses gave you circumcision, you circumcise a boy on the Sabbath (not that it is from Moses, but from the patriarchs.)
23 ULB Raha amin'ny Sabata no amoràna ny olona mba tsy ho voadika ny lalàn'i Mosesy, dia nahoana ianareo no tezitra amiko raha nanasitrana tanteraka olona iray tamin'ny Sabata Aho? BSB BSB: If a boy can be circumcised on the Sabbath so that the law of Moses will not be broken, why are you angry with Me for making the whole man well on the Sabbath?
24 ULB Aza mitsara amin'ny endrika ivelany, fa mitsarà am-pahamarinana." BSB BSB: Stop judging by outward appearances, and start judging justly.”
25 ULB Nisy sasany tamin'ireo avy any Jerosalema niteny hoe: "Tsy ity ve ilay tadiavin'izy ireo ho vonoina?" BSB BSB: Then some of the people of Jerusalem began to say, “Isn’t this the man they are trying to kill?
26 ULB Jereo, miresaka miharihary Izy, ary tsy misy miteny na inona na inona Azy izy ireo. Dia ho fantatrin'ny mpitondra tokoa ve fa Izy no Kristy, sa ahoana? BSB BSB: Yet here He is, speaking publicly, and they are not saying anything to Him. Have the rulers truly recognized that this is the Christ?
27 ULB Efa fantantsika hoe avy aiza io lehilahy io. Fa rehefa tonga ilay Kristy, dia tsy hisy hahafantatra hoe avy aiza Izy." BSB BSB: But we know where this man is from. When the Christ comes, no one will know where He is from.”
28 ULB Avy eo nihiaka mafy Jesosy tao an-Tempoly, nampianatra ary niteny hoe: "Ianareo dia samy mahafantatra ny tenako ary mahalala ny fihaviko. Tsy tonga nohon'ny tenako manokana Aho, fa ilay naniraka Ahy dia marina, ary tsy fantatrareo Izy. BSB BSB: Then Jesus, still teaching in the temple courts, cried out, “You know Me, and you know where I am from. I have not come of My own accord, but He who sent Me is true. You do not know Him,
29 ULB Fantatro Izy satria Izaho dia avy aminy ary Izy no naniraka Ahy". BSB BSB: but I know Him, because I am from Him and He sent Me.”
30 ULB Niezaka ny hisambotra Azy izy ireo, fa tsy nisy naninji-tanana taminy satria tsy mbola tonga ny fotoany. BSB BSB: So they tried to seize Him, but no one laid a hand on Him, because His hour had not yet come.
31 ULB Kanefa maro tamin'ireo vahoaka no nino Azy, ary hoy izy ireo hoe: "Rehefa tonga ilay Kristy, moa hanao famantarana maro noho ny vitan'io lehilahy io ve Izy?" BSB BSB: Many in the crowd, however, believed in Him and said, “When the Christ comes, will He perform more signs than this man?”
32 ULB Nandre ny vahoaka nibitsibitsika ireo zavatra momban'i Jesosy ireo ny Fariseo, ary ny lohan'ny mpisorona sy ireo Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha hisambotra Azy. BSB BSB: When the Pharisees heard the crowd whispering these things about Jesus, they and the chief priests sent officers to arrest Him.
33 ULB Hoy Jesosy avy eo hoe: "Kely sisa ny fotoana hiarahako aminareo, dia handeha ho any amin'ilay naniraka Ahy Aho. BSB BSB: So Jesus said, “I am with you only a little while longer, and then I am going to the One who sent Me.
34 ULB Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita Ahy; izay halehako, tsy ho azonareo aleha." BSB BSB: You will look for Me, but you will not find Me; and where I am, you cannot come.”
35 ULB Noho izany ireo Jiosy dia nifampiresaka hoe: "Fa handeha ho aiza io lehilahy io no tsy ho vitantsika ny hitady Azy? Handeha ho any amin'ireo izay niparitaka nakany amin'i Grika dia hananatra ireo Grika ve? BSB BSB: At this, the Jews said to one another, “Where does He intend to go that we will not find Him? Will He go where the Jews are dispersed among the Greeks, and teach the Greeks?
36 ULB Ary inona ny dikan'ny teny nolazainy hoe: 'Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita Ahy; izay haleako, tsy ho azonareo aleha'?" BSB BSB: What does He mean by saying, ‘You will look for Me, but you will not find Me,’ and, ‘Where I am, you cannot come’?”
37 ULB Ary tamin'ny farany, andro lehibe amin'ny firavoravona, dia nitsangana Jesosy ary niteny mafy, manao hoe: "Raha misy mangetaheta, avelao izy hanatona Ahy ary hisotro. BSB BSB: On the last and greatest day of the feast, Jesus stood up and called out in a loud voice, “If anyone is thirsty, let him come to Me and drink.
38 ULB Izay mino Ahy, araka ny voalazan'ny Soratra Masina, dia hikoriana avy ao an-kibony ny onin'ny rano velona." BSB BSB: Whoever believes in Me, as the Scripture has said: ‘Streams of living water will flow from within him.’”
39 ULB Fa izao no ambarany momban'ny Fanahy, ireo izay nino Azy no handray; ilay Fanahy dia tsy mbola nomena satria tsy mbola nahazo voninahitra Jesosy. BSB BSB: He was speaking about the Spirit, whom those who believed in Him were later to receive. For the Spirit had not yet been given, because Jesus had not yet been glorified.
40 ULB Ny sasany tamin'ireo vahoaka, rehefa nandre ireo teny ireo, dia niteny hoe: "Ity tokoa ilay mpaminany." BSB BSB: On hearing these words, some of the people said, “This is truly the Prophet.”
41 ULB Ireo hafa nilaza hoe: "Ity ilay Kristy." Fa ny sasany niteny hoe: "Fa angaha Kristy avy any Galilia? BSB BSB: Others declared, “This is the Christ.” But still others asked, “How can the Christ come from Galilee?
42 ULB Tsy voalazan'ny Soratra Masina ve fa Kristy dia ho avy amin'ny taranak'i Davida ary avy ao Betlehema, ilay tanàna izay nisy an'i Davida?" BSB BSB: Doesn’t the Scripture say that the Christ will come from the line of David and from Bethlehem, the village where David lived?”
43 ULB Ka nisy fizarana teo amin'ny vaohaka noho Izy. BSB BSB: So there was division in the crowd because of Jesus.
44 ULB Ny sasany tamin'izy ireo te-hisambotra Azy, fa tsy nisy naninji-tanana taminy. BSB BSB: Some of them wanted to seize Him, but no one laid a hand on Him.
45 ULB Avy eo ireo mpiandry raharaha niverina tany amin'ireo lohan'ny mpisorona sy ireo Fariseo, izay nilaza tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy?" BSB BSB: Then the officers returned to the chief priests and Pharisees, who asked them, “Why didn’t you bring Him in?”
46 ULB Namaly ireo mpiandry raharaha hoe: "Tsy mbola nisy niresaka tahaka izany mihintsy." BSB BSB: “Never has anyone spoken like this man!” the officers answered.
47 ULB Noho izany ireo Fariseo namaly azy ireo hoe: "Voafitaka ihany koa ve ianareo? BSB BSB: “Have you also been deceived?” replied the Pharisees.
48 ULB Moa nisy tamin'ireo mpanapaka mba nino Azy, na tamin'ireo Fariseo? BSB BSB: “Have any of the rulers or Pharisees believed in Him?
49 ULB Fa ireo vahoaka ireo dia tsy mahalala ny lalàna, voaozona ireo." BSB BSB: But this crowd that does not know the law—they are under a curse.”
50 ULB Nikodemosy (iray amin'ireo Fariseo, izay tonga mialoha teo aminy), nilaza hoe: BSB BSB: Nicodemus, who had gone to Jesus earlier and who himself was one of them, asked,
51 ULB "Moa ve ny lalàntsika mitsara olona mialohan'ny handrenesana azy ka ahafantarana izay nataony?" BSB BSB: “Does our law convict a man without first hearing from him to determine what he has done?”
52 ULB Namaly izy ireo ary niteny taminy hoe: "Avy any Galilia koa angaha ianao? Mikaroha ary jereo fa tsy misy mpaminany avy any Galilia." BSB BSB: “Aren’t you also from Galilee?” they replied. “Look into it, and you will see that no prophet comes out of Galilee.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.