1 ULB Nankany an-tendrombohitr'i Oliva Jesosy. BSB BSB: But Jesus went to the Mount of Olives.
2 ULB Vao maraina dia nakeny an-tempoly indray Izy, ary ny olona rehetra nanatona Azy; nipetraka Izy ary nampianatra azy ireo. BSB BSB: Early in the morning He went back into the temple courts. All the people came to Him, and He sat down to teach them.
3 ULB Ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo dia nitondra vehivavy iray tratra nijangajanga. Napetrak'izy ireo teo afovoany izy. BSB BSB: The scribes and Pharisees, however, brought to Him a woman caught in adultery. They made her stand before them
4 ULB Avy eo hoy izy ireo taminy hoe: "Ry mpampianatra ô, ity vehivavy ity dia tratra teo am-pijangajangana. BSB BSB: and said, “Teacher, this woman was caught in the act of adultery.
5 ULB Ary ao amin'ny lalàna, Mosesy nibaiko anay mba hitora-bato ny olona tahaka izany; inona no ambaranao momba azy?" BSB BSB: In the Law Moses commanded us to stone such a woman. So what do You say?”
6 ULB Nolazain'izy ireo hamandrihana Azy fotsiny anefa izany mba afahan'izy ireo manameloka Azy, fa Jesosy kosa niondrika ary nanoratra tamin'ny tany tamin'ny ratsan-tanany. BSB BSB: They said this to test Him, in order to have a basis for accusing Him. But Jesus bent down and began to write on the ground with His finger.
7 ULB Rehefa nametraka fanontaniana taminy hatrany izy ireo, dia nitsangana Izy ka niteny azy ireo hoe: "Izay tsy nanota taminareo, aoka izy no hitora-bato azy voalohany." BSB BSB: When they continued to question Him, He straightened up and said to them, “Let him who is without sin among you be the first to cast a stone at her.”
8 ULB Dia niondrika indray Izy, ary nanoratra tamin'ny tany tamin'ny ratsan-tanany. BSB BSB: And again He bent down and wrote on the ground.
9 ULB Rehefa nandre izany izy ireo, dia niala tsirairay, nanomboka tamin'ny zokiny indrindra. Ary ny farany dia Jesosy irery ihany sisa no tavela teo, niaraka tamin'ilay vehivavy izay teo afovoany. BSB BSB: When they heard this, they began to go away one by one, beginning with the older ones, until only Jesus was left, with the woman standing there.
10 ULB Nitsangana Jesosy ka nilaza taminy hoe: "Ravehivavy, fa lasa aiza ireo mpanameloka anao? Tsy misy manameloka anao ve?" BSB BSB: Then Jesus straightened up and asked her, “Woman, where are your accusers? Has no one condemned you?”
11 ULB Hoy izy hoe: "Tsy misy, Tompoko." Ary hoy Jesosy hoe: "Tsy manameloka anao Aho. Mandehana ary aza manota intsony." BSB BSB: “No one, Lord,” she answered. “Then neither do I condemn you,” Jesus declared. “Now go and sin no more.”
12 ULB Niteny tamin'izy ireo indray Jesosy, manao hoe: "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy dia tsy handeha amin'ny haizina fa hanana ny fahazavan'ny fiainana." BSB BSB: Once again, Jesus spoke to the people and said, “I am the light of the world. Whoever follows Me will never walk in the darkness, but will have the light of life.”
13 ULB Hoy ireo fariseo taminy hoe: "Ianao dia manambara ny tenanao; tsy marina ny fanambaranao." BSB BSB: So the Pharisees said to Him, “You are testifying about Yourself; Your testimony is not valid.”
14 ULB Jesosy namaly ka nanao tamin'izy ireo hoe: "Na dia manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny fanambarako. Fantatro ny nihaviako sy ny lalana alehako, fa ianareo kosa tsy mahafantatra izay nihaviako na izay alehako. BSB BSB: Jesus replied, “Even if I testify about Myself, My testimony is valid, because I know where I came from and where I am going. But you do not know where I came from or where I am going.
15 ULB Ianareo dia mitsara araky ny nofo; fa Izaho tsy mitsara na iza na iza. BSB BSB: You judge according to the flesh; I judge no one.
16 ULB Na dia mitsara aza Aho; dia marina ny fitsarako satria tsy irery Aho, fa miaraka amin'ny Ray izay naniraka Ahy. BSB BSB: But even if I do judge, My judgment is true, because I am not alone; I am with the Father who sent Me.
17 ULB Eny, ary ao amin'ny lalànareo dia voasoratra fa marina ny fijoroan'ny olon-droa vavolombelona. BSB BSB: Even in your own Law it is written that the testimony of two men is valid.
18 ULB Izaho no manambara ny tenako, ary ny Ray izay naniraka Ahy ihany koa dia manambara Ahy." BSB BSB: I am One who testifies about Myself, and the Father, who sent Me, also testifies about Me.”
19 ULB Hoy izy ireo taminy hoe: "Aiza ny rainao?" Jesosy namaly hoe: "Tsy fantatrareo na Izaho na ny Raiko; raha nahafantatra Ahy ianareo, dia mahafantatra ny Raiko ihany koa." BSB BSB: “Where is Your Father?” they asked Him. “You do not know Me or My Father,” Jesus answered. “If you knew Me, you would know My Father as well.”
20 ULB Teo akaikin'ny fandatsahan-drakitra Izy no nilaza izany teny izany raha iny Izy nampianatra teo amin'ny tempoly iny, ary tsy nisy nisambotra Azy satria tsy mbola tonga ny orany. BSB BSB: He spoke these words while teaching in the temple courts, near the treasury. Yet no one seized Him, because His hour had not yet come.
21 ULB Ary hoy indray Izy tamin'izy ireo hoe: "Andeha Aho; hitady Ahy ianareo ary ho faty amin'ny fahotanareo. Izay alehako, dia tsy ho azonareo haleha." BSB BSB: Again He said to them, “I am going away, and you will look for Me, but you will die in your sin. Where I am going, you cannot come.”
22 ULB Hoy ireo Jiosy hoe: "Hamono tena ve Izy? Izany ve no antony nilazany hoe: 'Izay alehako, dia tsy azonareo haleha'?" BSB BSB: So the Jews began to ask, “Will He kill Himself, since He says, ‘Where I am going, you cannot come’?”
23 ULB Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Avy ety ambany ianareo; Izaho kosa avy any ambony. Avy amin'izao tontolo izao ianareo; fa Izaho tsy avy amin'izao tontolo izao. BSB BSB: Then He told them, “You are from below; I am from above. You are of this world; I am not of this world.
24 ULB Noho izany, nambarako taminareo fa ho faty ao amin'ny fahotanareo ianareo. Fa raha tsy mino ianareo fa IZAHO NO IZY, dia ho faty amin'ny fahotanareo ianareo." BSB BSB: That is why I told you that you would die in your sins. For unless you believe that I am He, you will die in your sins.”
25 ULB Noho izany dia hoy izy ireo taminy hoe: "Iza moa Ianao?" Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Araka izay voalazako taminareo hatrany am-boalohany. BSB BSB: “Who are You?” they asked. “Just what I have been telling you from the beginning,” Jesus replied.
26 ULB Manana zavatra betsaka ho lazaina sy hitsaràna momba anareo Aho. kanefa, Izy izay naniraka Ahy dia marina; ary ireo zavatra izay reko avy taminy, dia hambarako amin'izao tontolo izao." BSB BSB: “I have much to say about you and much to judge. But the One who sent Me is truthful, and what I have heard from Him, I tell the world.”
27 ULB Tsy azon'izy ireo anefa fa Izy dia niresaka tamin'izy ireo momba ny Ray. BSB BSB: They did not understand that He was telling them about the Father.
28 ULB Hoy Jesosy hoe: "Rehefa asandratrareo ny Zanak'Olona, dia ho fantatrareo fa izaho no IZY, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho. Araka ny nampianarin'ny Ray Ahy, no hilazako ireo zavatra ireo. BSB BSB: So Jesus said, “When you have lifted up the Son of Man, then you will know that I am He, and that I do nothing on My own, but speak exactly what the Father has taught Me.
29 ULB Izy izay naniraka Ahy dia miaraka amiko, ary tsy namela Ahy ho irery Izy, noho Izaho manao izay ankasitrahany mandrakariva." BSB BSB: He who sent Me is with Me. He has not left Me alone, because I always do what pleases Him.”
30 ULB Raha nilaza ireo zavatra ireo Jesosy, dia betsaka no nino Azy. BSB BSB: As Jesus spoke these things, many believed in Him.
31 ULB Jesosy niteny tamin'ireo Jiosy izay nino Azy hoe: "Raha mitoetra amin'ny teniko ianareo, dia ho tena mpianatro; BSB BSB: So He said to the Jews who had believed Him, “If you continue in My word, you are truly My disciples.
32 ULB ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo." BSB BSB: Then you will know the truth, and the truth will set you free.”
33 ULB Ary izy ireo namaly Azy hoe: "Taranak'i Abrahama izahay ary tsy mbola nandevozin'iza na iza hatrizay; koa ahoana no hilazanao hoe: 'Ho afaka ianareo'?" BSB BSB: “We are Abraham’s descendants,” they answered. “We have never been slaves to anyone. How can You say we will be set free?”
34 ULB Jesosy namaly azy ireo hoe: "Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa ireo izay manota dia andevon'ny ota. BSB BSB: Jesus replied, “Truly, truly, I tell you, everyone who sins is a slave to sin.
35 ULB Ny andevo dia tsy mitoetra ao an-trano mandrakizay; fa ny zanaka no mitoetra mandrakizay. BSB BSB: A slave does not remain in the house forever, but a son remains forever.
36 ULB Noho izany, raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. BSB BSB: So if the Son sets you free, you will be free indeed.
37 ULB Fantatro fa taranak'i Abrahama ianareo; mitady izay hahafaty Ahy satria tsy manana toerana ao aminareo ny teniko. BSB BSB: I know you are Abraham’s descendants, but you are trying to kill Me because My word has no place within you.
38 ULB Milaza izay hitako niaraka tamin'ny Raiko Aho, ary ianareo koa manao izay renareo tamin'ny rainareo." BSB BSB: I speak of what I have seen in the presence of the Father, and you do what you have heard from your father.”
39 ULB Namaly izy ireo ka nilaza taminy hoe: "Abrahama no rainay." Jesosy niteny azy ireo hoe: "Raha zanak'i Abrahama ianareo, dia hanao ny asan'i Abrahama. BSB BSB: “Abraham is our father,” they replied. “If you were children of Abraham,” said Jesus, “you would do the works of Abraham.
40 ULB Kanefa, ankehitriny ianareo mitady hamono Ahy, izay lehilahy nilaza taminareo ny marina izay reko tamin'Andriamanitra. Abrahama tsy nanao izany. BSB BSB: But now you are trying to kill Me, a man who has told you the truth that I heard from God. Abraham never did such a thing.
41 ULB Ianareo dia manao ny asan'ny rainareo." Hoy izy ireo taminy hoe: "Tsy teraka tamin'ny fijangajangana izahay; iray ihany ny Rainay: dia Andriamanitra." BSB BSB: You are doing the works of your father.” “We are not illegitimate children,” they declared. “Our only Father is God Himself.”
42 ULB Jesosy niteny azy ireo hoe: "Raha Andriamaitra no rainareo, dia tokony ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nandehanako aty; fa tsy tonga ho azy Aho, fa Izy no naniraka Ahy. BSB BSB: Jesus said to them, “If God were your Father, you would love Me, for I have come here from God. I have not come on My own, but He sent Me.
43 ULB Nahoana no tsy azonareo ny teniko? Izany dia satria tsy afaka hanaiky ny teniko ianareo. BSB BSB: Why do you not understand what I am saying? It is because you are unable to accept My message.
45 ULB kanefa, satria milaza ny marina Aho, dia tsy mino Ahy ianareo. BSB BSB: But because I speak the truth, you do not believe Me!
46 ULB Iza aminareo no manameloka Ahy amin'ny fahotana? Raha milaza ny marina Aho, nahoana no tsy hinoanareo? BSB BSB: Which of you can prove Me guilty of sin? If I speak the truth, why do you not believe Me?
47 ULB Izay avy amin'Andriamanitra dia mandre ny tenin' Andriamanitra; tsy mandre izany ianareo satria tsy avy amin'Andriamanaitra." BSB BSB: Whoever belongs to God hears the words of God. The reason you do not hear is that you do not belong to God.”
48 ULB Namaly ireo Jiosy ka niteny taminy hoe: "Moa ve tsy milaza ny marina izahay fa Samaritana Ianao ary misy demonia?" BSB BSB: The Jews answered Him, “Are we not right to say that You are a Samaritan and You have a demon?”
49 ULB Jesosy namaly hoe: "Tsy misy demonia aho, fa manome voninahitra ny Raiko, ary ianareo tsy manome voninahitra Ahy. BSB BSB: “I do not have a demon,” Jesus replied, “but I honor My Father, and you dishonor Me.
50 ULB Tsy mitady ny voninahitro Aho; misy iray mitady sy mitsara. BSB BSB: I do not seek My own glory. There is One who seeks it, and He is the Judge.
51 ULB Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy." BSB BSB: Truly, truly, I tell you, if anyone keeps My word, he will never see death.”
52 ULB Hoy ireo jiosy taminy hoe: "Ankehitriny fantatray fa manana demonia Ianao. Efa maty Abrahama sy ireo mpaminany; kanefa ianao milaza hoe: 'Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy.' BSB BSB: “Now we know that You have a demon!” declared the Jews. “Abraham died, and so did the prophets, yet You say that anyone who keeps Your word will never taste death.
53 ULB Tsy lehibe noho ny rainay Abrahama izay efa maty Ianao, sa ve lehibe? Ireo mpaminany ihany koa dia maty. Manao ny tenanao ho Iza moa Ianao?" BSB BSB: Are You greater than our father Abraham? He died, as did the prophets. Who do You claim to be?”
54 ULB Jesosy namaly hoe: "Raha mankalaza ny tenako Aho, dia ho tsinotsinona ny voninahitro; ny Raiko izay ataonareo ho Andriamanitra no mankalaza Ahy. BSB BSB: Jesus answered, “If I glorify Myself, My glory means nothing. The One who glorifies Me is My Father, of whom you say, ‘He is our God.’
55 ULB Tsy fantatrareo Izy, fa Izaho mahafantatra Azy. Raha milaza Aho hoe: 'Tsy mahafantatra Azy Aho,' dia ho tahaka anareo, mpandainga. Kanefa, fantatro Izy ka mitandrina ny teniny Aho. BSB BSB: You do not know Him, but I know Him. If I said I did not know Him, I would be a liar like you. But I do know Him, and I keep His word.
57 ULB Hoy ireo Jiosy taminy hoe: "Mbola tsy misy dimampolo taona akory Ianao, ka dia ho efa nahita an'i Abrahama ve?" BSB BSB: Then the Jews said to Him, “You are not yet fifty years old, and You have seen Abraham?”
59 ULB Avy eo dia naka vato hatoraka Azy izy ireo, fa Jesosy kosa niery ka nivoaka ny tempoly. BSB BSB: At this, they picked up stones to throw at Him. But Jesus was hidden and went out of the temple area.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.