3 ULB Jesosy namaly hoe: "Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa natao izao mba hanehoana aminy ny asan'Andriamanitra. BSB BSB: Jesus answered, “Neither this man nor his parents sinned, but this happened so that the works of God would be displayed in him.
4 ULB Tsy maintsy manao ny asan'izay naniraka Ahy isika raha mbola mazava. Fa ho avy ny alina izay tsy afahan'iza na iza miasa intsony. BSB BSB: While it is daytime, we must do the works of Him who sent Me. Night is coming, when no one can work.
5 ULB Raha mbola eto amin'izao tontolo izao Aho, dia Izaho no fahazavan'izao tontolo izao." BSB BSB: While I am in the world, I am the light of the world.”
6 ULB Rehefa avy niteny izany Jesosy, dia nandrora tamin'ny tany, ary nanao feta tamin'ilay rora, ka nanosotra ny fotaka tamin'ny mason'ilay lehilahy. BSB BSB: When Jesus had said this, He spit on the ground, made some mud, and applied it to the man’s eyes.
8 ULB Ary nifampanontany ireo olona mpiray vody rindrina tamin-dralehilahy sy ireo izay nahita azy nangataka taloha nanao hoe: "Tsy ity ve ilay lehilahy nipetraka nangataka teto?" BSB BSB: At this, his neighbors and those who had formerly seen him begging began to ask, “Isn’t this the man who used to sit and beg?”
9 ULB Ny sasany nanao hoe: "Izy io." Ary ny hafa nilaza hoe: "Tsia, fa mitovy aminy ihany izy." Fa izy kosa nanao hoe: "Izaho ity." BSB BSB: Some claimed that he was, but others said, “No, he just looks like him.” But the man kept saying, “I am the one.”
10 ULB Hoy izy ireo taminy hoe: "Koa ahoana ary no nahiratan'ny masonao?" BSB BSB: “How then were your eyes opened?” they asked.
11 ULB Namaly izy hoe: "Ilay lehilahy antsoina hoe Jesosy no nanao feta ary nonosotra izany tamin'ny masoko ka niteny tamiko hoe: 'Mandehana any Siloama ary sasao ny masonao.' Dia nandeha aho ary nanasa izany, ka nahiratra." BSB BSB: He answered, “The man they call Jesus made some mud and anointed my eyes, and He told me to go to Siloam and wash. So I went and washed and received my sight.”
12 ULB Hoy izy ireo taminy hoe: "Aiza Izy?" Dia novaliany hoe: "Tsy fantatro." BSB BSB: “Where is He?” they asked. “I do not know,” he answered.
13 ULB Nentin'izy ireo teo amin'ny fariseo ilay lehilahy izay jamba taloha. BSB BSB: They brought to the Pharisees the man who had been blind.
14 ULB Tamin'ny andro Sabata moa no nanaovan'i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny masony. BSB BSB: Now the day on which Jesus had made the mud and opened his eyes was a Sabbath.
15 ULB Ary nanontany azy indray ireo Fariseo ny amin'ny fomba nahiratany. Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Nasiany feta ny masoko, nosasako, ka mahita aho izao." BSB BSB: So the Pharisees also asked him how he had received his sight. The man answered, “He put mud on my eyes, and I washed, and now I can see.”
16 ULB Ny sasany tamin'ireo fariseo niteny hoe: "Tsy avy amin'Andriamanitra ity lehilahy ity satria tsy mba manaja ny andro Sabata." Ny hafa nanao hoe: "Ahoana no afahan'ny olona mpanota manao famantarana lehibe tahaka izao?" Ka dia nisy fizarazarana teo amin'izy ireo. BSB BSB: Because of this, some of the Pharisees said, “This man is not from God, for He does not keep the Sabbath.” But others said, “How can a sinful man perform such signs?” And there was division among them.
17 ULB Ka dia niverina nanontany ilay lehilahy jamba indray izy ireo hoe: "Inona no hambaranao momba Azy, hatramin'ny nampahiratany ny masonao?" Hoy ilay lehilahy jamba hoe: "Mpaminany Izy." BSB BSB: So once again they asked the man who had been blind, “What do you say about Him, since it was your eyes He opened?” “He is a prophet,” the man replied.
18 ULB Ary mbola tsy nino ny momba azy ihany ireo Jiosy hoe izy dia efa jamba ka nahiratra raha tsy niantso ny ray aman-drenin'ilay lehilahy nahiratra izy ireo. BSB BSB: The Jews still did not believe that the man had been blind and had received his sight until they summoned his parents
19 ULB Nanontany ireo ray aman-dreny izy ireo hoe: "Ity ve ilay zanakareo izay lazainareo fa hoe teraka jamba? Koa ahoana ary no ahitany izao?" BSB BSB: and asked, “Is this your son, the one you say was born blind? So how is it that he can now see?”
20 ULB Ary dia novalian'ireo ray aman-deniny izy ireo hoe: "Fantatray fa zanakay io sady teraka jamba izy. BSB BSB: His parents answered, “We know he is our son, and we know he was born blind.
21 ULB Saingy ny amin'ny nahitany, tsy fantatray, ary izay nampahiratra ny masony, tsy fantatray. Anontanio azy, efa lehibe izy. Afaka milaza ho an'ny tenany izy." BSB BSB: But how he can now see or who opened his eyes, we do not know. Ask him. He is old enough to speak for himself.”
22 ULB Nilaza izany ireo ray aman-dreniny, satria natahotra ireo jiosy izy ireo. Satria efa nifanaiky ireo jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy, dia ho roahina hiala ao amin'ny synagoga izy. BSB BSB: His parents said this because they were afraid of the Jews. For the Jews had already determined that anyone who confessed Jesus as the Christ would be put out of the synagogue.
23 ULB Nohon'ny amin'izany, no nilazan'ireo ray aman-dreniny hoe: "Efa lehibe izy, izy no anontanio." BSB BSB: That was why his parents said, “He is old enough. Ask him.”
24 ULB Ary niantso ilay lehilahy jamba taloha fanindroany indray izy ireo dia niteny taminy hoe: "Omeo voninahitra Andriamanitra. Fantatray fa mpanota izany lehilahy izany." BSB BSB: So a second time they called for the man who had been blind and said, “Give glory to God! We know that this man is a sinner.”
25 ULB Avy eo dia namaly ilay lehilahy hoe: "Tsy fantatro aloha raha mpanota Izy. Ny hany fantatro dia izao: efa jamba aho taloha, fa ankehitriny aho mahita." BSB BSB: He answered, “Whether He is a sinner I do not know. There is one thing I do know: I was blind, but now I see!”
26 ULB Avy eo dia hoy izy ireo taminy hoe: "Fa inona no nataony taminao? Ahoana ny fomba nampahiratany ny masonao?" BSB BSB: “What did He do to you?” they asked. “How did He open your eyes?”
27 ULB Dia namaly izy hoe: "Efa nambarako taminareo, fa tsy nihaino ianareo! Ka nahoana ianareo no te-hihaino izany indray? Te-ho isan'ny mpianany ihany koa ve ianareo, sa tsy izany?" BSB BSB: He replied, “I already told you, and you did not listen. Why do you want to hear it again? Do you also want to become His disciples?”
28 ULB Naneso azy izy ireo ka niteny hoe: "Ianao no mpianany, fa izahay mpianatr'i Mosesy. BSB BSB: Then they heaped insults on him and said, “You are His disciple; we are disciples of Moses.
29 ULB Fantatray fa efa niresaka tamin'i Mosesy Andriamanitra, fa raha izany lehilahy izany dia tsy fantatray izay nihaviany." BSB BSB: We know that God spoke to Moses, but we do not know where this man is from.”
30 ULB Dia namaly ilay lehilahy ka nanao tamin'izy ireo hoe: "Mahagaga izany, tsy fantatrareo izay niaviany, kanefa nampahiratra ny masoko Izy. BSB BSB: “That is remarkable indeed!” the man said. “You do not know where He is from, and yet He opened my eyes.
31 ULB Fantatsika fa tsy mihaino ireo mpanota Andriamanitra, fa raha misy mazoto mivavaka sy manao ny sitrapony, dia mihaino azy Izy. BSB BSB: We know that God does not listen to sinners, but He does listen to the one who worships Him and does His will.
32 ULB Hatramin'ny niantombohan'izao tontolo izao dia tsy mbola re mihintsy hoe nisy nampahiratra ny mason'izay teraka jamba. BSB BSB: Never before has anyone heard of opening the eyes of a man born blind.
33 ULB Koa raha tsy avy amin'Andriamanitra izany lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona." BSB BSB: If this man were not from God, He could do no such thing.”
34 ULB Ary dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: "Tena teraka tamin'ny ota ianao, dia ianao indray ve no hampianatra anay?" Avy eo dia noroahin'izy ireo hivoaka izy. BSB BSB: They replied, “You were born in utter sin, and you are instructing us?” And they threw him out.
35 ULB Ren'i Jesosy fa noroahin'izy ireo tao amin'ny synagoga izy. Ary Izy nahita azy dia niteny hoe: "Mino ny Zanak'Olona ve ianao?" BSB BSB: When Jesus heard that they had thrown him out, He found the man and said, “Do you believe in the Son of Man?”
36 ULB Namaly izy hoe: "Iza moa no Izy, Tompo, mba hinoako Azy?" BSB BSB: “Who is He, Sir?” he replied. “Tell me so that I may believe in Him.”
37 ULB Jesosy nanao taminy hoe: "Efa nahita Azy ianao, ary ilay iray izay miresaka aminao izao izany." BSB BSB: “You have already seen Him,” Jesus answered. “He is the One speaking with you.”
38 ULB Hoy ilay lehilahy hoe: "Tompo, mino aho." ary dia nidera Azy izy. BSB BSB: “Lord, I believe,” he said. And he worshiped Jesus.
39 ULB Jesosy nilaza hoe: "Fa fitsarana no nahatongavako eto amin'izao tontolo izao mba hahiratra ireo izay jamba ary mba ho tonga jamba ireo izay mahiratra." BSB BSB: Then Jesus declared, “For judgment I have come into this world, so that the blind may see and those who see may become blind.”
40 ULB Nandre izany ny sasany tamin'ireo Fariseo izay niaraka taminy ka nanontany Azy hoe: "Ary izahay ihany koa ve jamba?" BSB BSB: Some of the Pharisees who were with Him heard this, and they asked Him, “Are we blind too?”
41 ULB Fa Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka, fa ianareo kosa ankehitriny milaza hoe: 'Mahiratra izahay,' dia mbola mitoetra ny helokareo." BSB BSB: “If you were blind,” Jesus replied, “you would not be guilty of sin. But since you claim you can see, your guilt remains.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.