1 ULB Ary tonga tamin'i Jona fanindroany indray ny tenin'i Yaveh nanao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to Jonah a second time:
2 ULB "Mitsangàna, mandehana mankany Ninive, ilay tanàna lehibe, ary torio aminy ny hafatra izay andidiako anao." BSB BSB: “Get up! Go to the great city of Nineveh and proclaim to it the message that I give you.”
3 ULB Ary dia nitsangana Jona ka nankany Ninive tamin'ny fankatoavana ny tenin'i Yaveh. Ary Ninive dia tanàna lehibe tokoa, iray amin'ireo lalana hateloana. BSB BSB: This time Jonah got up and went to Nineveh, in accordance with the word of the LORD. Now Nineveh was an exceedingly great city, requiring a three-day journey.
4 ULB Nanomboka niditra ny tanàna i Jona ary taorian'ny lalana iray andro dia niantso mafy izy ary niteny hoe: "Horavana i Ninive ao anatin'ny efapolo andro." BSB BSB: On the first day of his journey, Jonah set out into the city and proclaimed, “Forty more days and Nineveh will be overturned!”
5 ULB Nino an'Andriamanitra ny vahoaka tao Ninive ary niantso fifadian-kanina izy ireo. Nanao lamba fisaonana avokoa izy rehetra, hatramin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny kely indrindra amin'izy ireo. BSB BSB: And the Ninevites believed God. They proclaimed a fast and dressed in sackcloth, from the greatest of them to the least.
6 ULB Tsy ela dia tonga teo amin'ny mpanjakan'i Ninive ilay vaovao. Dia nitsangana avy teo amin'ny seza fiandrianany izy, nanaisotra ny akanjom-boninahiny, ka nanarona ny tenany tamin'ny lamba fisaonana, ary nipetraka teo an-davenona. BSB BSB: When word reached the king of Nineveh, he got up from his throne, took off his royal robe, covered himself with sackcloth, and sat in ashes.
7 ULB Nandefa fanambarana izy nilaza hoe: "Eto Ninive, amin'ny fahefan'ny mpanjaka sy ny olo-manan-kajany, aoka tsy hisy olona na biby, omby na ondry aman'osy, hanendry zavatra. Aoka tsy hihinana izy ireo, na hisotro rano. BSB BSB: Then he issued a proclamation in Nineveh: “By the decree of the king and his nobles: Let no man or beast, herd or flock, taste anything at all. They must not eat or drink.
8 ULB Fa aoka ny biby sy ny olona hisarona lamba fisaonana ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin'Andriamanitra. Aoka ny tsirairay samy hiala amin'ny lalan-dratsiny sy amin'ny herisetra izay eo an-tanany. BSB BSB: Furthermore, let both man and beast be covered with sackcloth, and have everyone call out earnestly to God. Let each one turn from his evil ways and from the violence in his hands.
9 ULB Iza no mahalala? Mety hanenina ihany Andriamanitra ka hiova hevitra ary hiala amin'ny fahavinirany ka tsy ho ringana isika." BSB BSB: Who knows? God may turn and relent; He may turn from His fierce anger, so that we will not perish.”
10 ULB Hitan'Andriamanitra ny nataon'izy ireo, fa niala tamin'ny lalan-dratsiny izy ireo. Noho izany dia niova hevitra Andriamanitra ny amin'ny famaizana izay nolazainy hataony amin'izy ireo, ka tsy nataony izany. BSB BSB: When God saw their actions—that they had turned from their evil ways—He relented from the disaster He had threatened to bring upon them.