1 ULB Fa tsy nahafaly an'i Jona izany ka nanjary tezitra mafy izy. BSB BSB: Jonah, however, was greatly displeased, and he became angry.
2 ULB Noho izany dia nivavaka tamin'i Yaveh i Jona ary nanao hoe: "Oh ry Yaveh, tsy izao ve no efa nolazaiko taminao rehefa tafaverina tany amin'ny fireneko aho? Izany no antony nihetsehako voalohany sy niezahako handositra tany Tarsisy—satria fantatro fa Andriamanitra manan-karem-pahasoavana, mahari-po, malain-ko tezitra, feno fahatokiana, ary manenina amin'ny fandefasana loza Ianao. BSB BSB: So he prayed to the LORD, saying, “O LORD, is this not what I said while I was still in my own country? This is why I was so quick to flee toward Tarshish. I knew that You are a gracious and compassionate God, slow to anger, abounding in loving devotion—One who relents from sending disaster.
3 ULB Koa ankehitriny ary, ry Yaveh, mitalaho aminao aho, esory amiko ny aiko, fa tsara ho ahy ny ho faty toy izay ho velona." BSB BSB: And now, O LORD, please take my life from me, for it is better for me to die than to live.”
4 ULB Hoy i Yaveh hoe: "Mety ve izao fahatezeranao loatra izao?" BSB BSB: But the LORD replied, “Have you any right to be angry?”
5 ULB Dia nivoaka ny tanàna i Jona ary nipetraka teny amin'ny ilany antsinanan'ny tanàna. Tany no nanaovany fialofana ka nipetraka teo ambanin'ny alok'izany izy mba hahitany izay mety hanjo ny tanàna. BSB BSB: Then Jonah left the city and sat down east of it, where he made himself a shelter and sat in its shade to see what would happen to the city.
7 ULB Saingy nanomana kankana Andriamanitra tamin'ny fiposahan'ny masoandro ny ampitso maraina. Namely ny hazo izany ka dia maina ilay hazo. BSB BSB: When dawn came the next day, God appointed a worm that attacked the plant so that it withered.
8 ULB Ary rehefa niposaka ny masoandro ny ampitso maraina, dia nanomana rivo-mahamay avy any antsinanana Andriamanitra. Ary koa, namely ny lohan'i Jona ny masoandro hany ka lany hery izy. Dia naniry ny hahafatesany i Jona. Hoy izy tamin'ny tenany hoe: "Aleoko maty toy izay ho velona." BSB BSB: As the sun was rising, God appointed a scorching east wind, and the sun beat down on Jonah’s head so that he grew faint and wished to die, saying, “It is better for me to die than to live.”
9 ULB Ary hoy Andriamanitra tamin'i Jona: "Mety ve izao fahatezeranao lehibe ny amin'ilay hazo izao?" Dia hoy i Jona hoe: "Mety ny fahatezerako, na ho amin'ny fahafatesana aza." BSB BSB: Then God asked Jonah, “Have you any right to be angry about the plant?” “I do,” he replied. “I am angry enough to die!”