1 ULB Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Mika Morastita tamin'ny andron'i Jotama, Ahaza, sy Hezekia, ireo mpanjakan'ny Joda, ny teny izay hitany nahakasika an'i Samaria sy Jerosalema. BSB BSB: This is the word of the LORD that came to Micah the Moreshite in the days of Jotham, Ahaz, and Hezekiah, kings of Judah—what he saw regarding Samaria and Jerusalem:
2 ULB Mihainoa, ianareo ry vahoaka. Mihainoa, ry tany, sy izay rehetra eo aminao. Aoka ny Tompo Yaveh no ho vavolombelona hanohitra anareo, ny Tompo avy ao amin'ny tempoliny masina. BSB BSB: Hear, O peoples, all of you; listen, O earth, and everyone in it! May the Lord GOD bear witness against you, the Lord from His holy temple.
3 ULB Indro, Yaveh mivoaka avy ao amin'ny fitoerany; hidina Izy ary handia eny amin'ireo fitoerana avon'ny tany. BSB BSB: For behold, the LORD comes forth from His dwelling place; He will come down and tread on the high places of the earth.
4 ULB Ireo tendrombohitra hiempo eo ambaniny; ireo lohasaha hitsonika tahaka ny savoka anoloan'ny afo, tahaka ny rano izay arotsaka any amin'ny hantsana. BSB BSB: The mountains will melt beneath Him, and the valleys will split apart, like wax before the fire, like water rushing down a slope.
5 ULB Izany rehetra izany dia noho ny fikomian'i Jakoba, ary noho ireo fahotan'ny taranak'Israely. Inona no anton'ny fikomian'i Jakoba? Moa tsy i Samaria ve? Inona no anton'ireo fitoerana avon'i Joda? Moa tsy i Jerosalema ve? BSB BSB: All this is for the transgression of Jacob and the sins of the house of Israel. What is the transgression of Jacob? Is it not Samaria? And what is the high place of Judah? Is it not Jerusalem?
6 ULB "Hanao an'i Samaria ho korontam-bato eny an-tsaha Aho, tahaka ny toerana fambolem-boaloboka. Hanosika ireo orim-batony ho eny an-dohasaha Aho; ka hampiharihary ireo fanambaniny. BSB BSB: Therefore I will make Samaria a heap of rubble in the open field, a planting area for a vineyard. I will pour her stones into the valley and expose her foundations.
7 ULB Ho voatorotoro ireo sarin-javatra voasokiny rehetra; ary ho may avokoa ireo fanomezany. Ireo sampiny rehetra hopotehiko. Satria avy amin'ireo fanomezana ho an'ny fijangajangany no nanangonany ireny, ary tamin'ny saran'ny fivarotan-tena no hiverenan'ireny." BSB BSB: All her carved images will be smashed to pieces; all her wages will be burned in the fire, and I will destroy all her idols. Since she collected the wages of a prostitute, they will be used again on a prostitute.
8 ULB Noho izany antony izany dia hitaraina sy hidradradradra aho; handeha tsy misy kapa aho ary mitanjaka; hidradradradra tahaka ny amboadia aho ary hisaona tahaka ny vorondolo. BSB BSB: Because of this I will lament and wail; I will walk barefoot and naked. I will howl like a jackal and mourn like an ostrich.
9 ULB Fa tsy ho sitrana intsony ny feriny, satria avy any Joda izany. Efa nahatratra ny vavahadin'ny vahoakako izany, dia any Jerosalema. BSB BSB: For her wound is incurable; it has reached even Judah; it has approached the gate of my people, as far as Jerusalem itself.
10 ULB Aza milaza ny momba izany any Gata; aza mitomany akory. Ao Beti-le-afra aho no manosim-bovoka ny tenako. BSB BSB: Do not tell it in Gath; do not weep at all. Roll in the dust in Beth-leaphrah.
11 ULB Mandalova amim-pitanjahana sy henatra, ry mponin'i Safira. Aza mivoaka ry mponin'i Zanana. Aoka hisaona i Beti-haezela, satria nesorina ny fiarovan'izy ireo. BSB BSB: Depart in shameful nakedness, O dwellers of Shaphir. The dwellers of Zaanan will not come out. Beth-ezel is in mourning; its support is taken from you.
12 ULB Fa miandry amim-pitaintainana ny vaovao mahafaly ireo mponin'i Marota, satria nilatsaka avy tamin'i Yaveh ho ao amin'ny vavahadin'i Jerosalema ny loza. BSB BSB: For the dwellers of Maroth pined for good, but calamity came down from the LORD, even to the gate of Jerusalem.
13 ULB Fehezo amin'ny andian-tsoavaly haingam-pandeha ny kalesy, ry mponin'i Lakisy. Ianao, ry Lakisy, no fiandoham-pahotana ho an'ny zanaka vavin'i Ziona, satria hita tany aminao ireo fahalotoan'Israely. BSB BSB: Harness your chariot horses, O dweller of Lachish. You were the beginning of sin to the Daughter of Zion, for the transgressions of Israel were found in you.
14 ULB Ka dia homenao taratasy fisaorana i Moresetagata; ny renivohitr'i Akziba handiso fanantenana ireo mpanjakan'Israely. BSB BSB: Therefore, send farewell gifts to Moresheth-gath; the houses of Achzib will prove deceptive to the kings of Israel.
15 ULB Hitondra mpandresy ho any aminareo indray Aho, ry mponin'i Maresa; ho tonga any amin'i Adolama ny famirapiratr'Israely. BSB BSB: I will again bring a conqueror against you, O dweller of Mareshah. The glory of Israel will come to Adullam.
16 ULB Harato ny lohanareo ary tapaho ny volonareo ho an'ireo zanakareo izay ankasitrahanareo. Solao tahaka ny voromahery ny tenanareo, fa ireo zanakareo handeha hatao sesi-tany hiala ao aminareo. BSB BSB: Shave yourselves bald and cut off your hair in mourning for your precious children; make yourselves as bald as an eagle, for they will go from you into exile.