1 ULB Loza ho an'izay mamoron-keloka, ho an'izay mandrafitra ny hanao ratsy eo am-pandriany. Amin'ny maraina no anaovan'izy ireo izany satria manana fahefana izy ireo. BSB BSB: Woe to those who devise iniquity and plot evil on their beds! At morning’s light they accomplish it because the power is in their hands.
2 ULB Maniry saha izy ireo ka giazany izany; maniry trano izy ireo ka maka izany. Mampahory olona sy ny ankohonany izy ireo, ary olona sy ny lovany. BSB BSB: They covet fields and seize them; they take away houses. They deprive a man of his home, a fellow man of his inheritance.
3 ULB Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh hoe: "Indro, efa mitondra loza hamely izany fianakaviana izany Aho, izay tsy hanalanareo ny tendanareo. Tsy handeha amim-piavonavonana ianareo, satria dia ho fotoana ratsy izany. BSB BSB: Therefore this is what the LORD says: “I am planning against this nation a disaster from which you cannot free your necks. Then you will not walk so proudly, for it will be a time of calamity.
4 ULB Amin'izany andro izany dia hiventy hira momba anareo ireo fahavalonareo, ary hisaona amin'ny hira fisaonana. Izy ireo hihira hoe: 'Rava tanteraka izahay Israelita; Yaveh manova ny faritanin'ny vahoakako. Ahoana no hanesorany izany amiko? Mizara ireo sahanay ho an'ireo mpamadika Izy!'" BSB BSB: In that day they will take up a proverb against you and taunt you with this bitter lamentation: ‘We are utterly ruined! He has changed the portion of my people. How He has removed it from me! He has allotted our fields to traitors.’”
5 ULB Noho izany, ianareo ry mpanan-karena dia tsy mba hanana taranaka hizara ny faritany amin'ny loka ao amin'ny fiangonan'i Yaveh. BSB BSB: Therefore, you will have no one in the assembly of the LORD to divide the land by lot.
6 ULB "Aza maminany," hoy izy ireo. "Aoka izy ireo tsy haminany ireo zavatra ireo; aoka tsy ho tonga ny fahafam-baraka." BSB BSB: “Do not preach,” they preach. “Do not preach these things; disgrace will not overtake us.”
7 ULB Ry taranak'i Jakoba, moa tokony tenenina tokoa ve izao hoe: "Tezitra ve ny Fanahin'i Yaveh? Moa tena asany ve ireo?" Moa tsy mampahatsara an'izay mandeha mahitsy ve ny teniko? BSB BSB: Should it be said, O house of Jacob, “Is the Spirit of the LORD impatient? Are these the things He does?” Do not My words bring good to him who walks uprightly?
8 ULB Any aoriana kely dia hitsangana tahaka ny fahavalo ny vahoakako. Manala ny tohitena, ny akanjo, eny amin'izay mandalo tsy amim-piahiahiana ianareo, tahaka ireo miaramila miverina avy any an'ady ho any amin'izay heveriny fa mandry fahalemana. BSB BSB: But of late My people have risen up like an enemy: You strip off the splendid robe from unsuspecting passersby like men returning from battle.
9 ULB Alainareo amin'ireo trano mahafinaritra azy ireo ny vehivavin'ny vahoakako; sintoninareo amin'ny zanak'izy ireo mandrakizay ny fitahiako. BSB BSB: You drive the women of My people from their pleasant homes. You take away My blessing from their children forever.
10 ULB Mitsangàna ka mialà, fa tsy toerana ahafahanareo mitoetra ity, noho ny fahalotoany; nopotehina tamin'ny fahapotehana tanteraka ity. BSB BSB: Arise and depart, for this is not your place of rest, because its defilement brings destruction—a grievous destruction!
11 ULB Raha misy olona tonga any aminareo amin'ny fanahin'ny fandaingana sy lainga ka manao hoe: "Haminany aminao momba ny divay sy zava-pisotro mahery aho," dia heverina ho mpaminany ho an'izany vahoaka izany izy. BSB BSB: If a man of wind were to come and say falsely, “I will preach to you of wine and strong drink,” he would be just the preacher for this people!
12 ULB Hanangona anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba. Hanangona ny sisa amin'Israely tokoa Aho. Hitondra azy ireo miaraka tahaka ny ondry ao amin'ny andiany, tahaka ny andian'ondry eo afovoan'ny fihinanam-bilony Aho. Hisy feo avo noho ny fahamaroan'ny vahoaka. BSB BSB: I will surely gather all of you, O Jacob; I will collect the remnant of Israel. I will bring them together like sheep in a pen, like a flock in the midst of its pasture—a noisy throng.
13 ULB Izay olona mamaky dia manokatra ny lalan'izy ireo ho azy ireo ka handeha eo alohan'izy ireo. Handeha hamaky ny vavahady izy ireo ka hivoaka; ny mpanjakan'izy ireo no handeha eo anoloany. Yaveh no ho mpitarika azy ireo. BSB BSB: One who breaks open the way will go up before them; they will break through the gate, and go out by it. Their King will pass through before them, the LORD as their leader.