1 ULB Hoy aho: "Mihainoa ankehitriny, ianareo ry mpitarik'i Jakoba sy mpanapaka ny taranak'Israely: Moa ve tsy mety aminareo ny mahatakatra ny fahamarinana? BSB BSB: Then I said: “Hear now, O leaders of Jacob, you rulers of the house of Israel. Should you not know justice?
2 ULB Ianareo izay mankahala ny tsara sy tia ny ratsy, ianareo izay manendaka ny hoditr'izy ireo, ny nofon'izy ireo amin'ny taolany— BSB BSB: You hate good and love evil. You tear the skin from my people and strip the flesh from their bones.
3 ULB ianareo izay mihinana ny nofon'ny oloko ihany koa, ary manendaka ny hodiny, manapaka ny taolany, ary mamakivaky azy ireo, tahaka ny hena atao ao am-bilany, tahaka ny hena atao ao amin'ny fandrahoan-kena. BSB BSB: You eat the flesh of my people after stripping off their skin and breaking their bones. You chop them up like flesh for the cooking pot, like meat in a cauldron.”
4 ULB Dia hiantso mafy an'i Yaveh ianareo mpanapaka, nefa tsy hamaly anareo Izy. Hanafina ny tavany aminareo Izy amin'izany fotoana izany, satria efa nanao asa ratsy ianareo." BSB BSB: Then they will cry out to the LORD, but He will not answer them. At that time He will hide His face from them because of the evil they have done.
5 ULB Izao no lazain'i Yaveh momba ireo mpaminany izay nampirenireny ny oloko: "Ho an'izay namahana azy ireo dia hilaza izy ireo hoe: 'Hisy fanambinana.' Fa ho an'izay tsy nanisy na inona na inona ao am-bavany, dia hanomboka hiady aminy izy ireo. BSB BSB: This is what the LORD says: “As for the prophets who lead My people astray, who proclaim peace while they chew with their teeth, but declare war against one who puts nothing in their mouths:
6 ULB Noho izany, dia ho alina ho anareo izany ary tsy hisy fahitana ho anareo; ho maizina izany mba tsy hanaovanareo sikidy. Hilentika amin'ireo mpaminany ny masoandro, ary ho maizina amin'izy ireo ny andro. BSB BSB: Therefore night will come over you without visions, and darkness without divination. The sun will set on these prophets, and the daylight will turn black over them.
7 ULB Ho menarina ireo mpahita, ary ho very hevitra ireo mpisikidy. Hanampina ny molony izy rehetra, satria tsy misy valiny avy aty Amiko." BSB BSB: Then the seers will be ashamed and the diviners will be disgraced. They will all cover their mouths because there is no answer from God.”
8 ULB Fa raha ny amiko, dia feno hery noho ny Fanahin'i Yaveh aho, sady feno fahamarinana sy faherezana, mba hanambara amin'i Jakoba ny helony, sy amin'Israely ny fahotany. BSB BSB: As for me, however, I am filled with power by the Spirit of the LORD, with justice and courage, to declare to Jacob his transgression and to Israel his sin.
9 ULB Mihainoa izao, ianareo mpitarika ny taranak'i Jakoba, sy mpanapaka ny taranak'Israely, ianareo izay mankahala fahamarinana, sy manodina ny zava-marina rehetra. BSB BSB: Now hear this, O leaders of the house of Jacob and rulers of the house of Israel, who despise justice and pervert all that is right,
10 ULB Manangana an'i Ziona amin'ny rà sy Jerosalema amim-pahotana ianareo. BSB BSB: who build Zion with bloodshed and Jerusalem with iniquity.
11 ULB Mitsara noho ny kolikoly ireo mpitsaranareo, mampianatra noho ny tamby ireo mpisoronareo, ary maminany noho ny vola ireo mpaminaninareo. Nefa ianareo miankina amin'i Yaveh ka manao hoe: "Moa tsy momba antsika ve Yaveh? Ka dia tsy hisy ratsy hahazo antsika." BSB BSB: Her leaders judge for a bribe, her priests teach for a price, and her prophets practice divination for money. Yet they lean upon the LORD, saying, “Is not the LORD among us? No disaster can come upon us.”
12 ULB Noho izany, noho ianao, dia hasaina toy ny saha i Ziona, ho korontam-bato i Jerosalema, ary ho tahaka ny havoana rakotr'ala ny havoan'ny tempoly. BSB BSB: Therefore, because of you, Zion will be plowed like a field, Jerusalem will become a heap of rubble, and the temple mount a wooded ridge.