1 ULB Fa amin'ny andro farany dia hiorina eo amin'ireo tendrombohitra hafa ny tendrombohitry ny tranon'i Yaveh. Hasandratra ambonin'ireo havoana izany, ary hitanjozotra hankany amin'izany ireo vahoaka. BSB BSB: In the last days the mountain of the house of the LORD will be established as the chief of the mountains; it will be raised above the hills, and the peoples will stream to it.
2 ULB Handeha ireo firenena maro ka hanao hoe: "Avia, andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Yaveh, any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba. Hampianatra antsika ireo fombany Izy, ary handeha amin'ireo lalany isika." Fa avy ao Ziona no ivoahan'ny lalàna, ary avy ao Jerosalema ny tenin'i Yaveh. BSB BSB: And many nations will come and say: “Come, let us go up to the mountain of the LORD, to the house of the God of Jacob. He will teach us His ways, so that we may walk in His paths.” For the law will go forth from Zion and the word of the LORD from Jerusalem.
4 ULB Fa kosa, hametraka ny olona tsirairay ambanin'ny voalobony sy ambanin'ny hazon'aviaviny izy ireo. Tsy hisy olona hampitahotra azy ireo, fa ny vavan'i Yaveh Tompon'ny maro no efa niteny. BSB BSB: And each man will sit under his own vine and under his own fig tree, with no one to frighten him. For the mouth of the LORD of Hosts has spoken.
5 ULB Fa ny vahoaka rehetra dia mandeha, ny tsirairay, amin'ny anaran'ny andriamaniny. Fa isika dia handeha amin'ny anaran'i Yaveh Andriamanitsika mandrakizay doria. BSB BSB: Though all the nations may walk in the name of their gods, yet we will walk in the name of the LORD our God forever and ever.
6 ULB "Amin'izany andro izany" hoy Yaveh dia "Hanangona ny malemy sy hamory ireo voaroaka Aho, dia ireo izay nampahoriako. BSB BSB: “On that day,” declares the LORD, “I will gather the lame; I will assemble the outcast, even those whom I have afflicted.
7 ULB Hataoko ho sisa tavela ny malemy, ary ho firenena matanjaka ireo izay voaroaka, ary Izaho, Yaveh, no hanjaka amin'izy ireo ao an-Tendrombohitr'i Ziona, ankehitriny ary mandrakizay. BSB BSB: And I will make the lame into a remnant, the outcast into a strong nation. Then the LORD will rule over them in Mount Zion from that day and forever.
8 ULB Ary ianao, ry tilikambo fiambenana ny ondry aman'osy, havoan'ny zanakavavin'i Ziona— dia ho tonga aminao izany, haverina ny fanapahanao taloha, dia ny fanjakana izay an'ny zanakavavin'i Jerosalema. BSB BSB: And you, O watchtower of the flock, O stronghold of the Daughter of Zion—the former dominion will be restored to you; sovereignty will come to the Daughter of Jerusalem.”
9 ULB Ankehitriny, nahoana no mihiaka mafy ianao? Tsy misy mpanjaka ve eo aminao? Maty ve ny mpanolotsainao? Izany ve no mahatonga ny fanaintainana mahazo anao tahaka ny an'ny vehivavy eo am-piterahana? BSB BSB: Why do you now cry aloud? Is there no king among you? Has your counselor perished so that anguish grips you like a woman in labor?
10 ULB Aoka hanaintaina ary hihetsi-jaza raha hiteraka, ry zanakavavin'i Ziona, tahaka ny vehivavy miteraka. Fa ankehitriny ianao dia hivoaka ny tanàna, hitoetra any an-tsaha, ary handeha any Babylona. Any no hanavotana anao. Any no hanavotan'i Yaveh anao eo an-tanan'ireo fahavalonao. BSB BSB: Writhe in agony, O Daughter of Zion, like a woman in labor. For now you will leave the city and camp in the open fields. You will go to Babylon; there you will be rescued; there the LORD will redeem you from the hand of your enemies!
11 ULB Ankehitriny mivondrona hanohitra anao ireo firenena maro; hoy izy ireo: 'Aoka ho voaloto izy; aoka ny masontsika hifaly amin'i Ziona.'" BSB BSB: But now many nations have assembled against you, saying, “Let her be defiled, and let us feast our eyes on Zion.”
12 ULB Hoy ny mpaminany: '"Tsy fantatr'izy ireo ny eritreritr'i Yaveh, sady tsy takany ny fikasany, fa efa namory azy ireo tahaka ny amboara ho eo am-pamoloana Izy." BSB BSB: But they do not know the thoughts of the LORD or understand His plan, for He has gathered them like sheaves to the threshing floor.
13 ULB Hoy Yaveh: "Mitsangàna ka miveleza, ry zanakavavin'i Ziona, fa hataoko vy ny tandrokao, ary hataoko varahina ny kitronao. Hanorotoro vahoaka maro ianao. Izaho hanokana ireo hareny tsy ara-drariny ho an'ny tenako, Yaveh, ny fananan'izy ireo ho Ahy, ilay Tompon'ny tany manontolo." BSB BSB: Rise and thresh, O Daughter of Zion, for I will give you horns of iron and hooves of bronze to break to pieces many peoples. Then you will devote their gain to the LORD, their wealth to the Lord of all the earth.