2 ULB Dia raiki-tahotra tanteraka ny vahoakan'i Jerosalema satria Gibeona dia tanàna lehibe, toy ny iray amin'ireo tanànan'andriana. Lehibe noho i Ay izany, ary ny lehilahiny dia mpiady mahery avokoa. BSB BSB: So Adoni-zedek and his people were greatly alarmed, because Gibeon was a great city, like one of the royal cities; it was larger than Ai, and all its men were mighty.
3 ULB Noho izany Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, dia nandefa hafatra tany amin'i Hohama, mpanjakan'i Hebrona, tany amin'i Pirama, mpanjakan'i Jarmota, tany amin'i Jafia, mpanjakan'i Lakisy, ary tany amin'i Debira, mpanjakan'i Eglona hoe: BSB BSB: Therefore Adoni-zedek king of Jerusalem sent word to Hoham king of Hebron, Piram king of Jarmuth, Japhia king of Lachish, and Debir king of Eglon, saying,
4 ULB "Miakara aty amiko ary ampio aho. Andeha hotafihantsika i Gibeona satria izy ireo dia efa nihavana tamin'i Josoa sy tamin'ny vahoakan'Israely." BSB BSB: “Come up and help me. We will attack Gibeon, because they have made peace with Joshua and the Israelites.”
5 ULB Ireo mpanjaka dimin'ny Amorita, ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona dia niakatra, izy ireo sy ireo tafiny rehetra. Nametraka ny rafitra hanoherana an'i Gibeona izy ireo, ary nanafika izany. BSB BSB: So the five kings of the Amorites—the kings of Jerusalem, Hebron, Jarmuth, Lachish, and Eglon—joined forces and advanced with all their armies. They camped before Gibeon and made war against it.
7 ULB Niakatra avy tany Gilgala i Josoa, izy sy ireo lehilahy mpiady rehetra niaraka taminy, ary ireo lehilahy mpanafika rehetra. BSB BSB: So Joshua and his whole army, including all the mighty men of valor, came from Gilgal.
8 ULB Ary Yaveh niteny tamin'i Josoa hoe: "Aza matahotra azy ireo. Efa nomeko ho eo am-pelan-tananao izy ireo. Tsy hisy na iray amin'izy ireo hahasakana ny fanafihanao." BSB BSB: The LORD said to Joshua, “Do not be afraid of them, for I have delivered them into your hand. Not one of them shall stand against you.”
9 ULB Tonga tampoka teo amin'izy ireo i Josoa, rehefa nandeha nandritra ny alina tontolo avy any Gilgala. BSB BSB: After marching all night from Gilgal, Joshua caught them by surprise.
10 ULB Nasafotofoton'i Yaveh teo anoloan'Israely ny fahavalo, ary Israely namono azy ireo tamin'ny famonoana lehibe tao Gibeona ary nanenjika azy ireo tamin'ny lalana miakatra mankany Beti-horona, ary izy ireo namono azy ireo teny an-dalana mankany Azeka sy Makeda. BSB BSB: And the LORD threw them into confusion before Israel, who defeated them in a great slaughter at Gibeon, pursued them along the ascent to Beth-horon, and struck them down as far as Azekah and Makkedah.
13 ULB Dia nijanona ny masoandro, ary nitsaha-nihetsika ny volana mandra-pamalifatin'ny firenena ireo fahavalony. Tsy voasoratra ao anaty Bokin'i Jasara ve izany? Ny masoandro nijanona teo afovoan'ny habakabaka; tsy nilentika efa ho iray andro maninjitra izany. BSB BSB: So the sun stood still and the moon stopped until the nation took vengeance upon its enemies. Is this not written in the Book of Jashar? “So the sun stopped in the middle of the sky and delayed going down about a full day.”
14 ULB Tsy nisy andro hafa tahaka izany taloha na taorian'io, rehefa nankatoa ny feon'ny olona i Yaveh. Satria Yaveh dia niady ho an'Israely. BSB BSB: There has been no day like it before or since, when the LORD listened to the voice of a man, because the LORD fought for Israel.
15 ULB Niverina tany an-toby tany Gilgala i Josoa sy ireo Israely rehetra niaraka taminy. BSB BSB: Then Joshua returned with all Israel to the camp at Gilgal.
16 ULB Ireo mpanjaka dimy nandositra sy nanafina ny tenany tao anaty lava-bato tao Makeda. BSB BSB: Now the five kings had fled and hidden in the cave at Makkedah.
17 ULB Dia nolazaina tamin'i Josoa izany hoe: "Efa hita izy ireo! —miafina ao anaty lava-bato ao Makeda ireo mpanjaka dimy!" BSB BSB: And Joshua was informed: “The five kings have been found; they are hiding in the cave at Makkedah.”
18 ULB Hoy Josoa hoe: "Manakodiava vato lehibe eo am-bavan'ilay lava-bato ary mametraha miaramila ao mba hiambina azy ireo. BSB BSB: So Joshua said, “Roll large stones against the mouth of the cave, and post men there to guard them.
19 ULB Fa aza mijanona ianareo. Enjeho ny fahavalonareo ary tafiho avy ao aoriana izy ireo. Aza avela hiditra ny tanànany izy ireo, satria Yaveh Andriamanitrareo efa nanolotra azy ireo ho eo an-tananareo." BSB BSB: But you, do not stop there. Pursue your enemies and attack them from behind. Do not let them reach their cities, for the LORD your God has delivered them into your hand.”
20 ULB Josoa sy ireo zanak'Israely efa nandringana azy ireo tamin'ny famonoana lehibe, mandra-paharingana azy ireo tanteraka; ireo izay sisa velona ihany no afa-nandositra namonjy ny tanàna mimanda. BSB BSB: So Joshua and the Israelites continued to inflict a terrible slaughter until they had finished them off, and the remaining survivors retreated to the fortified cities.
21 ULB Ary ny miaramila manontolo niverina am-pilaminana tany amin'i Josoa tao an-toby tao Makeda. Tsy nisy na iray sahy niteny teny manohitra ny vahoakan'Israely. BSB BSB: The whole army returned safely to Joshua in the camp at Makkedah, and no one dared to utter a word against the Israelites.
22 ULB Ary Josoa niteny hoe: "Sokafy ny lava-bato ary ento mivoaka avy ao eto amiko ireo mpanjaka dimy." BSB BSB: Then Joshua said, “Open the mouth of the cave and bring those five kings out to me.”
23 ULB Dia nataon'izy ireo araka izay nolazainy. Nentin'izy ireo avy tao an-dava-bato ho eo aminy ireo mpanjaka dimy—ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona. BSB BSB: So they brought the five kings out of the cave—the kings of Jerusalem, Hebron, Jarmuth, Lachish, and Eglon.
24 ULB Rehefa tongan'izy ireo teo amin'i Josoa ireo mpanjaka, dia niantso ny lehilahin'Israely rehetra izy. Niteny tamin'ireo mpifehy ny miaramila izay niaraka taminy tany an'ady izy hoe: "Apetraho eo amin'ny vozony ny tongotrao." Dia niakatra izy ireo ary nametraka ny tongony teo amin'ny vozon'ireo. BSB BSB: When they had brought the kings to Joshua, he summoned all the men of Israel and said to the army commanders who had accompanied him, “Come here and put your feet on the necks of these kings.” So the commanders came forward and put their feet on their necks.
25 ULB Ary hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Aza matahotra ary aza mivadi-po. Mahereza sy matanjaha. Izao no hataon'i Yaveh amin'ireo fahavalonao rehetra izay andehananao hiady." BSB BSB: “Do not be afraid or discouraged,” Joshua said. “Be strong and courageous, for the LORD will do this to all the enemies you fight.”
26 ULB Ary Josoa namely sy namono ireo mpanjaka dimy. Nahantony tamin'ny hazo dimy izy ireo. Nihantona teo amin'ny hazo izy ireo mandra-pahariva ny andro. BSB BSB: After this, Joshua struck down and killed the kings, and he hung their bodies on five trees and left them there until evening.
27 ULB Raha ilay mody masoandro iny, dia nanome baiko i Josoa, ka nampidinin'izy ireo avy eo amin'ny hazo ireo ary natsipiny tao anatin'ilay lava-bato izay niafenany. Nasian'izy ireo vato lehibe ny vavan'ilay lava-bato. Mbola ao ireo vato ireo mandrak'androany. BSB BSB: At sunset Joshua ordered that they be taken down from the trees and thrown into the cave in which they had hidden. Then large stones were placed against the mouth of the cave, and the stones are there to this day.
28 ULB Toy izany, no nambaboan'i Josoa an'i Makeda tamin'izany andro izany, sy namonoany ny olon-drehetra tao tamin'ny sabatra, anisan'izany ny mpanjakany. Naringany tanteraka izy ireo sy ireo zava-miaina rehetra tao. Tsy nisy navelany ho velona. Tahaka ny nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko ihany no nataony tamin'ny mpanjakan'i Makeda. BSB BSB: On that day Joshua captured Makkedah and put it to the sword, along with its king. He devoted to destruction everyone in the city, leaving no survivors. So he did to the king of Makkedah as he had done to the king of Jericho.
29 ULB Niainga avy tao Makeda ho any Libna i Josoa sy ireo Israely rehetra. Dia niady tamin'i Libna izy. BSB BSB: Then Joshua and all Israel with him moved on from Makkedah to Libnah and fought against Libnah.
30 ULB Nomen'i Yaveh ho eo an-tanan'Israely ihany koa izany—hatramin'ny mpanjakany. Josoa namely ny zava-miaina rehetra tao tamin'ny sabatra. Tsy namelàny niangana tao. Tahaka ny nanaovany ny mpanjakan'i Jeriko ihany no nanaovany ny mpanjaka. BSB BSB: And the LORD also delivered that city and its king into the hand of Israel, and Joshua put all the people to the sword, leaving no survivors. And he did to the king of Libnah as he had done to the king of Jericho.
31 ULB Ary niainga avy ao Libna ho any Lakisy i Josoa sy ireo Israely rehetra niaraka taminy. Nitoby tao izy ary niady taminy. BSB BSB: And Joshua and all Israel with him moved on from Libnah to Lachish. They laid siege to it and fought against it.
32 ULB Dia natolotr'i Yaveh teo an-tanan'Israely i Lakisy. Tamin'ny andro faharoa no nambaboan'i Josoa azy. Naringany tamin'ny sabatra ny zava-miaina rehetra tao, tahaka ny nanaovany an'i Libna. BSB BSB: And the LORD delivered Lachish into the hand of Israel, and Joshua captured it on the second day. He put all the people to the sword, just as he had done to Libnah.
33 ULB Ary Horama, mpanjakan'i Gazera, niakatra mba hanampy an'i Lakisy. Fa Josoa namely azy sy ny tafiny mandra-paha tsy nisy niangana intsony na dia iray aza. BSB BSB: At that time Horam king of Gezer went to help Lachish, but Joshua struck him down along with his people, leaving no survivors.
34 ULB Ary Josoa sy ireo Israely rehetra niaraka taminy niainga avy tao Lakisy ho any Eglona. Nitoby tao sy niady taminy izy ireo, BSB BSB: So Joshua moved on from Lachish to Eglon, and all Israel with him. They laid siege to it and fought against it.
35 ULB ary nambabo azy tamin'io andro io ihany. Namely izany tamin'ny sabatra izy ireo ary nandringana tanteraka ny olona rehetra tao, tahaka ny nanaovan'i Josoa an'i Lakisy. BSB BSB: That day they captured Eglon and put it to the sword, and Joshua devoted to destruction everyone in the city, just as he had done to Lachish.
36 ULB Ary niainga avy ao Eglona Josoa sy ireo Israely rehetra ho any Hebrona. Niady taminy izy ireo. BSB BSB: Then Joshua and all Israel with him went up from Eglon to Hebron and fought against it.
37 ULB Nambabo azy izy ireo ary namely ny olona rehetra tao tamin'ny sabatra, anisan'izany ny mpanjaka sy ireo zana-bohitra rehetra manodidina. Naringan'izy ireo tanteraka ny zava-miaina rehetra tao, tsy nisy navela niangana, tahaka ny nanaovan'i Josoa an'i Eglona. Naringany tanteraka izany, sy ireo zava-miaina rehetra tao aminy. BSB BSB: They captured it and put to the sword its king, all its villages, and all the people. Joshua left no survivors, just as he had done at Eglon; he devoted to destruction Hebron and everyone in it.
38 ULB Dia niverina Josoa, sy ny tafik'Israely rehetra niaraka taminy, ka nankany Debira izy ireo ary niady taminy. BSB BSB: Finally Joshua and all Israel with him turned toward Debir and fought against it.
39 ULB Nambabo izany sy ny mpanjakany izy, ary ireo zana-bohitra nanaiky rehetra. Namely azy ireo tamin'ny sabatra izy ireo, ary nandringana tanteraka ireo zava-miaina rehetra tao aminy. Tsy nisy navelan'i Josoa hiangana, tahaka ny nanaovany an'i Hebrona sy ny mpanjakany, sy tahaka ny nanaovany an'i Libna sy ny mpanjakany. BSB BSB: And they captured Debir, its king, and all its villages. They put them to the sword and devoted to destruction everyone in the city, leaving no survivors. Joshua did to Debir and its king as he had done to Hebron and as he had done to Libnah and its king.
40 ULB Josoa nandresy ny tany rehetra, ny tany havoana, Negeva, ireo tany iva, ary ireo fototr'havoana. Tsy nisy navelany hiangana na dia iray tamin'ireo mpanjakany rehetra. Naringany tanteraka ireo zava-miaina rehetra, tahaka ny efa nandidian'i Yaveh, Andriamanitr'Israely. BSB BSB: So Joshua conquered the whole region—the hill country, the Negev, the foothills, and the slopes, together with all their kings—leaving no survivors. He devoted to destruction everything that breathed, just as the LORD, the God of Israel, had commanded.
41 ULB Josoa namely azy ireo tamin'ny sabatra nanomboka tao Kadesy-barnea ka hatrany Gaza, sy ny tanànan'ny Gosena rehetra ka hatrany Gibeona. BSB BSB: Joshua conquered the area from Kadesh-barnea to Gaza, and the whole region of Goshen as far as Gibeon.
42 ULB Josoa nambabo indray mandeha ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny satria Yaveh, Andriamanitr'Israely, no niady ho an'Israely. BSB BSB: And because the LORD, the God of Israel, fought for Israel, Joshua captured all these kings and their land in one campaign.
43 ULB Ary Josoa, sy ireo Israely rehetra niaraka taminy, dia niverina tany amin'ny toby tao Gilgala. BSB BSB: Then Joshua returned with all Israel to the camp at Gilgal.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.