1 ULB Rehefa ren'i Jabina, mpanjakan'i Hazora izany, dia nandefa hafatra ho an'i Jobaba, mpanjakan'i Madona, sy ny mpanjakan'i Simrona, ary ny mpanjakan'i Aksafa izy. BSB BSB: Now when Jabin king of Hazor heard about these things, he sent word to Jobab king of Madon; to the kings of Shimron and Achshaph;
2 ULB Nalefany tany amin'ireo mpanjaka izay any amin'ny tany havoana avaratra, sy tany amin'ny lohasaha amin'ny reniranon'i Jordana any atsimon'i Kinerota, sy tany amin'ny tany lemaka, ary tany amin'ny tany havoan'i Dora mankany andrefana ihany koa ilay hafatra. BSB BSB: to the kings of the north in the mountains, in the Arabah south of Chinnereth, in the foothills, and in Naphoth-dor to the west;
3 ULB Nandefa hafatra tany amin'ireo Kananita mankany atsinanana sy andrefana, sy tany amin'ireo Amorita, ireo Hetita, ireo Perizita, ireo Jebosita any amin'ny tany havoana, sy tany amin'ireo Hivita any amin'ny Tendrombohitra Hermona any amin'ny tanin'i Mizpa ihany koa izy. BSB BSB: to the Canaanites in the east and west; to the Amorites, Hittites, Perizzites, and Jebusites in the hill country; and to the Hivites at the foot of Hermon in the land of Mizpah.
4 ULB Nivoaka niaraka tamin'izy ireo avokoa ny tafik'izy ireo rehetra, miaramila maro an'isa, toy ny fasika eny amoron-dranomasina. Nanana soavaly sy kalesy maro an'isa izy ireo. BSB BSB: So these kings came out with all their armies, a multitude as numerous as the sand on the seashore, along with a great number of horses and chariots.
5 ULB Nihaona tamin'ny ora voatondro ireo mpanjaka rehetra ireo, ary nitoby teo amin'ny ranon'i Meroma mba hiady amin'Israely. BSB BSB: All these kings joined forces and encamped at the waters of Merom to fight against Israel.
6 ULB Hoy Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Aza matahotra eo amin'ny fanatrehan'izy ireo, satria rahampitso amin'izao fotoana izao dia manolotra azy ireo amin'Israely rehetra tahaka ny olona maty Aho. Ho vonoinao ny soavalin'izy ireo, ary ho doranao ny kalesin'izy ireo." BSB BSB: Then the LORD said to Joshua, “Do not be afraid of them, for by this time tomorrow I will deliver all of them slain before Israel. You are to hamstring their horses and burn up their chariots.”
7 ULB Dia tonga Josoa sy ireo lehilahy mpiady rehetra. Tonga tampoka tany amin'ny ranon'i Meroma izy ireo, ka nanafika ny fahavalo. BSB BSB: So by the waters of Merom, Joshua and his whole army came upon them suddenly and attacked them,
8 ULB Natolotr'i Yaveh teo an-tanan'Israely ny fahavalo, ary namely azy ireo tamin'ny sabatra sy nanenjika azy ireo tany Sidona, Misrefota-maima, sy tany amin'ny Lohasahan'i Mizpa any atsinanana izy ireo. Namono azy ireo izy mandra-paha tsy nisy na dia iray aza sisa tavela. BSB BSB: and the LORD delivered them into the hand of Israel, who struck them down and pursued them all the way to Greater Sidon and Misrephoth-maim, and eastward as far as the Valley of Mizpeh. They struck them down, leaving no survivors.
9 ULB Nataon'i Josoa tamin'izy ireo arak'izay nolazain'i Yaveh taminy. Nataony nandringa ireo soavaly ary nodorany ireo kalesy. BSB BSB: Joshua treated them as the LORD had told him; he hamstrung their horses and burned up their chariots.
11 ULB Novonoin'izy ireo tamin'ny sabatra ny zava-manan'aina rehetra izay tao, ary natokany ho ravàna ireo, ka dia tsy nisy zava-manan'aina tavela. Avy eo nodorany i Hazora. BSB BSB: The Israelites put everyone in Hazor to the sword, devoting them to destruction. Nothing that breathed remained, and Joshua burned down Hazor itself.
12 ULB Lasan'i Josoa avokoa ny tanànan'ireo mpanjaka rehetra ireo. Nosamboriny ihany koa ny mpanjakan'ireo rehetra ary notsatohiny tamin'ny sabatra. Naringany tanteraka tamin'ny sabatra izy ireo, araka ny nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh. BSB BSB: Joshua captured all these kings and their cities and put them to the sword. He devoted them to destruction, as Moses the LORD’s servant had commanded.
13 ULB Tsy nandoro ireo tanàna niorina teny amin'ny dongon-tany i Israely, afa-tsy Hazora. Io ihany no nodoran'i Josoa. BSB BSB: Yet Israel did not burn any of the cities built on their mounds, except Hazor, which Joshua burned.
14 ULB Nalain'ny tafik'Israely ny babo rehetra avy amin'ireo tanàna ireo niaraka tamin'ny biby fiompy mba ho azy ireo. Novonoin'izy ireo tamin'ny sabatra ny zanak'olombelona rehetra mandra-pahafatin'ny rehetra. BSB BSB: The Israelites took for themselves all the plunder and livestock of these cities, but they put all the people to the sword until they had completely destroyed them, not sparing anyone who breathed.
15 ULB Tsy nisy zava-manan'aina navelan'izy ireo ho velona. Araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy mpanompony, dia tahaka izany koa, no nandidian'i Mosesy an'i Josoa, ka nataon'i Josoa izany. Tsy nisy zavatra navelany tsy ho vita izay rehetra nandidian'i Yaveh ho atao. BSB BSB: As the LORD had commanded His servant Moses, so Moses commanded Joshua. That is what Joshua did, leaving nothing undone of all that the LORD had commanded Moses.
16 ULB Nalain'i Josoa avokoa izany tany rehetra izany, ny tany havoana, Negeva iray manontolo, ny tanin'i Gosena iray manontolo, ireo lemaka amoron-tsiraka, lohasahan'ny Renirano Jordana, ny tany havoan'Israely, ary ireo tany lemaka. BSB BSB: So Joshua took this entire region: the hill country, all the Negev, all the land of Goshen, the western foothills, the Arabah, and the mountains of Israel and their foothills,
17 ULB Hatrany amin'ny tendrombohitra Halaka akaikin'i Edoma, sy nianavaratra lavitra toa an'i Bala-gada tany amin'ny lohasaha akaikin'i Libanona ambanin'ny Tendrombohitra Hermona, dia nosamboriny avokoa ny mpanjakan'izy ireo ary novonoiny. BSB BSB: from Mount Halak, which rises toward Seir, as far as Baal-gad in the Valley of Lebanon at the foot of Mount Hermon. He captured all their kings and struck them down, putting them to death.
18 ULB Efa ela Josoa no niady tamin'ireo mpanjaka rehetra. BSB BSB: Joshua waged war against all these kings for a long period of time.
19 ULB Tsy nisy tanàna nanao fihavanana tamin'ny tafik'Israely ankoatra ireo Hivita izay nonina tany Gibeona. Lasan'Israely avokoa ireo tanàna sisa tavela an'ady. BSB BSB: No city made peace with the Israelites except the Hivites living in Gibeon; all others were taken in battle.
20 ULB Satria Yaveh no nanamafy ny fon'izy ireo dia niady nanohitra an'Israely izy ireo, mba hahafahany mamotika tanteraka azy ireo tsy misy indrafo, araka ny nandidiany an'i Mosesy. BSB BSB: For it was of the LORD to harden their hearts to engage Israel in battle, so that they would be set apart for destruction and would receive no mercy, being annihilated as the LORD had commanded Moses.
21 ULB Avy eo tonga Josoa tamin'izany fotoana izany ka nopotehiny i Anakima. Nataony tany amin'ny tany havoana, tany Hebrona, Debira, Anaba, ary ireo tany havoan'i Joda rehetra izany, sy tany amin'ny tany havoan'Israely rehetra. Nopotehin'i Josoa tanteraka izy ireo sy ireo tanàna. BSB BSB: At that time Joshua proceeded to eliminate the Anakim from the hill country of Hebron, Debir, and Anab, and from all the hill country of Judah and of Israel. Joshua devoted them to destruction, along with their cities.
22 ULB Tsy nisy Anakita tavela teo amin'ilay tanin'Israely ankoatra an'i Gaza, Gata, ary Asdoda. BSB BSB: No Anakim were left in the land of the Israelites; only in Gaza, Gath, and Ashdod did any survive.
23 ULB Noho izany dia lasan'i Josoa avokoa ny tany iray manontolo, araka ny nolazain'i Yaveh an'i Mosesy. Nomen'i Josoa ho lovan'Israely izany, notendrena ho an'ireo foko tsirairay. Avy eo ilay tany nitsahatra tamin'ny ady. BSB BSB: So Joshua took the entire land, in keeping with all that the LORD had spoken to Moses. And Joshua gave it as an inheritance to Israel according to the allotments to their tribes. Then the land had rest from war.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.