1 ULB Ary ireo mpanjaka rehetra izay niaina tany an-dafin'ny Jordana tany amin'ny tany havoana, sy tany amin'ireo lemaka amoron-dranomasin'ny Ranomasina Lehibe tandrifin'i Libanona—ireo Hitita, Amorita, Kananita, Perizita, Hivita, ary reo Jebosita— BSB BSB: Now when news of this reached all the kings west of the Jordan—those in the hill country, the foothills, and all along the coast of the Great Sea toward Lebanon (the Hittites, Amorites, Canaanites, Perizzites, Hivites, and Jebusites)—
2 ULB ireo dia niray hina ho eo ambany fifehezana iray, mba hanangana ady amin'i Josoa sy Israely. BSB BSB: they came together to wage war against Joshua and Israel.
3 ULB Rehefa henon'ireo mponin'i Gibeona izay nataon'i Josoa tamin'i Jeriko sy tamin'i Ay, BSB BSB: But the people of Gibeon, having heard what Joshua had done to Jericho and Ai,
4 ULB dia nanao tetika an-kafetsena izy ireo. Nandeha ho iraka izy ireo. Nitondra kitapo tonta izy ireo ary nasampiny tamin'ny borikin'izy ireo izany. Nitondra siny hoditra izay tonta, rovitra, sy efa namboarina ihany koa izy ireo. BSB BSB: acted deceptively and set out as envoys, carrying on their donkeys worn-out sacks and old wineskins, cracked and mended.
5 ULB Kapa tonta sy nitampina no teny an-tongotr'izy ireo, ary nitafy tranainy, fitafiana tonta. Ireo mofo rehetra tao amin'ny fitoeram-batsin'izy ireo dia kina sy bobongolo. BSB BSB: They put worn, patched sandals on their feet and threadbare clothing on their bodies, and their whole supply of bread was dry and moldy.
6 ULB Dia nandeha tany amin'i Josoa tany an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin'ireo lehilahin'Israely hoe: "Efa nandeha avy any amin'ny firenena tena lavitra izahay, ka ankehitriny manaova fifanekena aminay." BSB BSB: They went to Joshua in the camp at Gilgal and said to him and the men of Israel, “We have come from a distant land; please make a treaty with us.”
7 ULB Hoy ireo lehilahin'Israely tamin'ireo Hivita hoe: "Angamba ianareo monina akaiky anay ihany. Hataonay ahoana ny hanao fifanekena aminareo?" BSB BSB: But the men of Israel said to the Hivites, “Perhaps you dwell near us. How can we make a treaty with you?”
8 ULB Hoy izy ireo tamin'i Josoa: "Mpanomponao izahay." Josoa namaly azy ireo hoe: "Fa iza ianareo? Avy aiza no niavianareo?" BSB BSB: “We are your servants,” they said to Joshua. Then Joshua asked them, “Who are you and where have you come from?”
9 ULB Hoy izy ireo taminy: "Tonga avy tany amin'ny tany tena lavitra ireto mpanomponao, noho ny anaran'i Yaveh Andriamanitrareo. Renay ny tatitra momba Azy sy momba izay rehetra nataony tany Egypta— BSB BSB: “Your servants have come from a very distant land,” they replied, “because of the fame of the LORD your God. For we have heard the reports about Him: all that He did in Egypt,
10 ULB ary izay rehetra nataony tamin'ireo mpanjakan'ny Amorita roa tany andafin'ny Jordana—tamin'i Sihona mpanjakan'i Hesbona, sy tamin'i Oga mpanjakan'i Basana izay tany Astarta. BSB BSB: and all that He did to the two kings of the Amorites beyond the Jordan—Sihon king of Heshbon and Og king of Bashan, who reigned in Ashtaroth.
11 ULB Hoy ireo loholonay sy ireo mponina rehetra tany amin'ny firenenay taminay hoe: 'Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho amin'ny dia. Mandehana mihaona amin'izy ireo ary lazao izy ireo hoe: "Mpanomponareo izahay. Manaova fifanekena aminay." BSB BSB: So the elders and inhabitants of our land told us, ‘Take provisions for your journey; go to meet them and say to them: We are your servants. Please make a treaty with us.’
12 ULB Ity ny mofonay, mbola nafana ity tamin'izahay naka azy ity tany an-tranonay tamin'ny andro niainganay hankaty aminareo. Kanefa izao, indro, maina sy bobongolo ity. BSB BSB: This bread of ours was warm when we packed it at home on the day we left to come to you. But look, it is now dry and moldy.
13 ULB Ireto kitapo hoditra ireto dia vaovao tamin'ny namenoanay azy ireo, dia indro, mitete izy ireo ankehitriny. Ireo fitafinay sy ireo kapanay dia simba nohon'ny dia tena lavitra.'" BSB BSB: These wineskins were new when we filled them, but look, they are cracked. And these clothes and sandals are worn out from our very long journey.”
14 ULB Dia naka sasany tamin'ny vatsiny ireo Israelita, nefa tsy naka hevitra tamin'i Yaveh izy ireo ho fitarihana. BSB BSB: Then the men of Israel sampled their provisions but did not seek the counsel of the LORD.
15 ULB Josoa nihavana tamin'izy ireo sy nanao fifanekena tamin'izy ireo, mba hamelàna azy ireo ho velona. Ireo mpitarika ny vahoaka ihany koa dia nanao voady tamin'izy ireo. BSB BSB: And Joshua made a treaty of peace with them to let them live, and the leaders of the congregation swore an oath to them.
16 ULB Telo andro taorian'ny nanaovan'ireo Isrelita izany fifanekena izany tamin'izy ireo, dia fantatr'izy ireo fa hay mpifanolo-bodirindrina izy ireo ary nonina nifanakaiky teo. BSB BSB: Three days after they had made the treaty with the Gibeonites, the Israelites learned that they were neighbors, living among them.
17 ULB Avy eo dia niainga ny vahoakan'Israely ary tonga tany amin'ny tanànan'izy ireo tamin'ny andro fahatelo. Ny tanànan'izy ireo dia Gibeona, Kefira, Berota, ary Kiriata Jearima. BSB BSB: So the Israelites set out and on the third day arrived at their cities—Gibeon, Chephirah, Beeroth, and Kiriath-jearim.
18 ULB Tsy nanafika azy ireo ny vahoakan'Israely satria ireo mpitarika azy ireo dia efa nanao fianianana momba azy teo anatrehan'i Yaveh, Andriamanitr'Israely. Nimonomononan'ireo Israelita rehetra ireo mpitarika azy ireo. BSB BSB: But the Israelites did not attack them, because the leaders of the congregation had sworn an oath to them by the LORD, the God of Israel. And the whole congregation grumbled against the leaders.
19 ULB Ka hoy ireo mpitarika rehetra tamin'ny vahoaka manontolo: "Nanao fianianana nahakasika azy ireo tamin'i Yaveh, Andriamanitr'Israely izahay, ary tsy afaka hanao ratsy azy ireo isika ankehitriny. BSB BSB: All the leaders answered, “We have sworn an oath to them by the LORD, the God of Israel, and now we cannot touch them.
20 ULB Izao no hataontsika amin'izy ireo: Mba hialana amin'ny fahatezerana izay mety hitranga amintsika noho ny fianianana nianianantsika tamin'izy ireo, dia avelantsika ho velona izy ireo." BSB BSB: This is how we will treat them: We will let them live, so that no wrath will fall on us because of the oath we swore to them.”
21 ULB Hoy ireo mpitarika tamin'ny vahoakan'izy ireo: "Avelao izy ireo ho velona." Noho izany, ireo Gibeonita dia lasa mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ireo Israelita rehetra, araka izay nolazain'ireo mpitarika momba azy ireo. BSB BSB: They continued, “Let them live, but let them be woodcutters and water carriers for the whole congregation.” So the leaders kept their promise.
22 ULB Niantso azy ireo Josoa ka niteny hoe: "Nahoana ianareo no namitaka anay raha niteny hoe: 'Tena lavitra anareo izahay,' nefa ianareo monina eto aminay? BSB BSB: Then Joshua summoned the Gibeonites and said, “Why did you deceive us by telling us you live far away from us, when in fact you live among us?
23 ULB Ankehitriny, noho izany, dia voaozona ianareo ary ny sasany aminareo dia ho andevo foana, ireo izay manapaka hazo sy mantsaka rano ho an'ny tranon'Andriamanitro." BSB BSB: Now therefore you are under a curse and will perpetually serve as woodcutters and water carriers for the house of my God.”
24 ULB Namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: "Satria nolazaina tamin'ireto mpanomponao fa Yaveh Andriamanitrao nandidy an'i Mosesy mpanompony mba hanome anao ny tany rehetra, ary handringana ireo mponin'ny tany rehetra eo anatrehanao— noho izany dia natahotra mafy ny amin'ny ainay izahay noho ianao. Izany no nahatonga anay nanao izao zavatra izao. BSB BSB: The Gibeonites answered, “Your servants were told clearly that the LORD your God had commanded His servant Moses to give you all the land and wipe out all its inhabitants before you. So we greatly feared for our lives because of you, and that is why we have done this.
25 ULB Ankehitriny, indro, tananao amin'ny fahefanao izahay. Na inona na inona toa tsara sy marina aminao hatao aminay, dia ataovy izany." BSB BSB: Now we are in your hands. Do to us whatever seems good and right to you.”
26 ULB Dia izao no nataon'i Josoa ho azy ireo: nesoriny tsy ho eo ambany fifehezan'ny vahoakan'Israely izy ireo, ary tsy novonoin'ireo Israelita. BSB BSB: So Joshua did this and delivered them from the hands of the Israelites, and they did not kill the Gibeonites.
27 ULB Nataon'i Josoa mpanapaka hazo sy mpantsaka rano ho an'ny fiarahamonina, sy ho an'ny alitaran'i Yaveh ireo Gibeonita tamin'io andro io, mandrak'androany, eo amin'ny toerana izay safidian'i Yaveh. BSB BSB: On that day he made them woodcutters and water carriers, as they are to this day for the congregation of the LORD and for the altar at the place He would choose.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.