1 ULB Hoy Yaveh tamin'i Josoa: "Aza matahotra; aza kivy. Ento miaraka aminao ny vahoaka mpiady rehetra. Mandehana miakatra any Ay. Indro, efa natolotro eo am-pelan-tananao ny mpanjakan'ny Ay, ny vahokany, ny tanànany, sy ny taniny. BSB BSB: Then the LORD said to Joshua, “Do not be afraid or discouraged. Take the whole army with you, and go up and attack Ai. See, I have delivered into your hand the king of Ai, his people, his city, and his land.
2 ULB Hataovy toy ny nanaovanareo an'ny Jeriko sy ny mpanjakany no hanaovanareo an'ny Ay sy ny mpanjakany, saingy halainareo ho anareo ny babo sy ny biby fiompy. Ametraho mpanafika miafina ao ambadiky ny tanàna." BSB BSB: And you shall do to Ai and its king as you did to Jericho and its king, except that you may carry off their plunder and livestock for yourselves. Set up an ambush behind the city.”
3 ULB Koa dia nitsangana i Josoa ary naka an'ireo lehilahy mpiady rehetra hiakatra ho any Ay. Avy eo i Josoa nifidy lehilahy telo alina—lehilahy mahery be herim-po—ary nalefany izy ireo ny alina. BSB BSB: So Joshua and the whole army set out to attack Ai. Joshua chose 30,000 mighty men of valor and sent them out at night
4 ULB Nibaiko azy ireo izy hoe: "Indro, hanao fanafihana miafina ny tanàna ianareo, ao ambadik'izany. Aza manalavitra ny tanàna, fa samia mivonona ianareo rehetra. BSB BSB: with these orders: “Pay attention. You are to lie in ambush behind the city, not too far from it. All of you must be ready.
5 ULB Izaho sy ireo lehilahy miaraka amiko dia hanakaiky ny tanàna, ary rehefa mivoaka hanafika antsika izy ireo, dia handositra azy ireo toy ny teo aloha isika. BSB BSB: Then I and all the troops with me will advance on the city. When they come out against us as they did the first time, we will flee from them.
6 ULB Hanenjika avy aoriantsika izy ireo mandra-pitarintsika azy ireo lavitra ny tanàna. Hilaza izy ireo hoe: 'Mandositra lavitra antsika izy ireo toy ny nataon'izy ireo tamin'ny farany.' Koa handositra hanalavitra azy ireo isika. BSB BSB: They will pursue us until we have drawn them away from the city, for they will say, ‘The Israelites are running away from us as they did before.’ So as we flee from them,
7 ULB Avy eo dia hivoaka amin'ny toeram- pierenareo ianareo, ary hambabo ny tanàna. Hanome izany eny am-pelan-tananareo Yaveh Andriamanitrareo. BSB BSB: you are to rise from the ambush and seize the city, for the LORD your God will deliver it into your hand.
8 ULB Rehefa azonareo ny tanàna, dia ho doranareo izany. Hataonareo izany rehefa mankatoa ny didy izay nomena tamin'ny tenin'i Yaveh. Indro, efa nandidy anareo aho." BSB BSB: And when you have taken the city, set it on fire. Do as the LORD has commanded! See, I have given you orders.”
9 ULB Nalefan'i Josoa izy ireo, ka lasa tany amin'ny toeram-piafenana izy ireo, ary niafina teo anelanelan'i Betela sy Ay tao andrefan'i Ay. Fa natory teo amin'ny vahoaka i Josoa ny alin'iny. BSB BSB: So Joshua sent them out, and they went to the place of ambush and lay in wait between Bethel and Ai, to the west of Ai. But Joshua spent that night among the people.
10 ULB Nifoha maraina i Josoa ka nanomana ireo miaramilany, Josoa sy ireo loholon'Israely, ka nanafika ireo vahoakan'i Ay izy ireo. BSB BSB: Joshua got up early the next morning and mobilized his men, and he and the elders of Israel marched before them up to Ai.
11 ULB Niakatra ireo lehilahy mpiady rehetra izay niaraka taminy ka nanatona ny tanàna. Tonga nanakaiky ny tanàna izy ireo ary nitoby teo avaratr'i Ay. Ary nisy lohasaha iray no manelanelana azy ireo sy Ay. BSB BSB: Then all the troops who were with him marched up and approached the city. They arrived in front of Ai and camped to the north of it, with the valley between them and the city.
12 ULB Naka lehilahy teo amin'ny dimy arivo teo izy ary nandefa azy ireo tao amin'ilay fiafenana andrefan'ny tanàna teo anelanelan'ny Betela sy Ay. BSB BSB: Now Joshua had taken about five thousand men and set up an ambush between Bethel and Ai, to the west of the city.
13 ULB Nalahatr'izy ireo ny miaramila rehetra, ny tafika lehibe nankao avaratry ny tanàna, ary ny mpiandry vodi-lalana tao andrefan'ny tanàna. Nandeha tao amin'ny lohasaha i Josoa ny alin'iny. BSB BSB: So the forces were stationed with the main camp to the north of the city and the rear guard to the west of the city. And that night Joshua went into the valley.
14 ULB Ary raha vao nahita an'izany ny mpanjakan'i Ay, dia nifoha maraina izy sy ny tafiny ary nivoaka mba hanafika an'Israely tany amin'ny toerana tandrifin'ny lohasahan'ny Reniranon'i Jordana. Tsy fanatany fa nisy fandrika niandry hanafika avy ao ambadiky ny tanàna izy. BSB BSB: When the king of Ai saw the Israelites, he hurried out early in the morning with the men of the city to engage them in battle at an appointed place overlooking the Arabah. But he did not know that an ambush had been set up against him behind the city.
15 ULB Namela ny tenan'izy ireo ho resy teo anoloan'izy ireo i Josoa sy ny Israely rehetra, ary nandositra tany amin'ny tany efitra izy ireo. BSB BSB: Joshua and all Israel let themselves be beaten back before them, and they fled toward the wilderness.
16 ULB Ny olona rehetra izay tao an-tanàna dia nifampiantso hanenjika azy ireo, koa nanenjika taorian'i Josoa izy ireo ka voaroaka lavitra ny tanàna. BSB BSB: Then all the men of Ai were summoned to pursue them, and they followed Joshua and were drawn away from the city.
17 ULB Tsy nisy ny ambin'ny lehilahy tany Ay sy Betela izay tsy mbola nivoka nanenjika an'Israely. Nandao ny tanàna izy ireo ary namela izany hivoha raha nanenjika an'Israely. BSB BSB: Not a man was left in Ai or Bethel who did not go out after Israel, leaving the city wide open while they pursued Israel.
18 ULB Hoy i Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Atondroy eo amin'i Ay ny lefona izay eo an-tananao, fa hatolotro eo am-pelan-tananao i Ay." Nohazonin'i Josoa nanandrify ny tanàna ilay lefona izay teny an-tanànany. BSB BSB: Then the LORD said to Joshua, “Hold out your battle lance toward Ai, for into your hand I will deliver the city.” So Joshua held out his battle lance toward Ai,
19 ULB Ireo miaramila niafina tao amin'ny fandrika dia nirohatra faingana nivoaka ny toerany raha naninjitra ny tanany izy. Nihazakazaka izy ireo ary niditra tao an-tanàna ary naka izany. Nodoran'izy ireo faingana ny tanàna. BSB BSB: and as soon as he did so, the men in ambush rose quickly from their position. They rushed forward, entered the city, captured it, and immediately set it on fire.
20 ULB Nitodika ireo olon'i Ay ary nijery. Nahita setroka avy tao an-tanàna izy ireo izay niakatra nankany amin'ny lanitra, ary tsy afaka nandositra izy ireo na tetsy na teroa. Fa ireo miaramilan'Israely izay nandositra tany an-tany efitra dia niverina hiatrika ireo olona izay nanenjika azy ireo. BSB BSB: When the men of Ai turned and looked back, the smoke of the city was rising into the sky. They could not escape in any direction, and the troops who had fled to the wilderness now turned against their pursuers.
21 ULB Rehefa hitan'i Josoa sy Israely rehetra fa efa azon'ilay tafika miafina ny tanàna niaraka tamin'ny setroka miakatra, dia niverina teo izy ireo ary namono ny olon'i Ay. BSB BSB: When Joshua and all Israel saw that the men in ambush had captured the city and that smoke was rising from it, they turned around and struck down the men of Ai.
22 ULB Ireo miaramilan'Israely hafa, ireo izay nivoaka ny tanàna, dia nivoaka hanafika azy ireo. Ka tratra tao anelanelan'ny tafik'Israely ireo olon'i Ay, ny sasany avy ao andaniny ary ny sasany avy ao ankilany. Notafihan'Israely ny olon'i Ay; tsy nisy na dia iray tamin'izy ireo velona na nandositra. BSB BSB: Meanwhile, those in the ambush came out of the city against them, and the men of Ai were trapped between the Israelite forces on both sides. So Israel struck them down until no survivor or fugitive remained.
23 ULB Nalain'izy ireo ny mpanjakan'i Ay, izay nosamborin'izy ireo velona, ary nentin'izy ireo teo amin'i Josoa izy. BSB BSB: But they took the king of Ai alive and brought him to Joshua.
24 ULB Rehefa tapitra namono ireo mponin'ny Ay rehetra tany an-tsaha akaikin'ny tany efitra izay nanenjehan'izy ireo azy Israely, ary rehefa lavo tamin'ny lelan-tsabatra izy rehetra, hatramin'ny farany indrindra, dia niverina tany Ay ny Israely rehetra. Notafihan'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatra izany. BSB BSB: When Israel had finished killing all the men of Ai who had pursued them into the field and wilderness, and when every last one of them had fallen by the sword, all the Israelites returned to Ai and put it to the sword as well.
25 ULB Ireo rehetra izay maty tamin'io andro io, lehilahy sy vehivavy mitambatra, dia roa arivo sy iray alina, izay vahoaka rehetra tao Ay. BSB BSB: A total of twelve thousand men and women fell that day—all the people of Ai.
26 ULB Tsy nampihemotra ny tanany izay nahinjiny rehefa nitazona ilay lefony i Josoa, mandra-pandringanany tanteraka ny vahoaka rehetra tao Ay. BSB BSB: Joshua did not draw back the hand that held his battle lance until he had devoted to destruction all who lived in Ai.
27 ULB Ny biby fiompy sy ny zavatra babo tao an-tanàna ihany no nalain'Israely ho azy ireo, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Josoa. BSB BSB: Israel took for themselves only the cattle and plunder of that city, as the LORD had commanded Joshua.
28 ULB Nodoran'i Josoa i Ay ary navadiny ho antontan-trano rava mandrakizay izany. Lasa toerana haolo izany hatramin'izao. BSB BSB: So Joshua burned Ai and made it a permanent heap of ruins, a desolation to this day.
29 ULB Nahantony teo amin'ny hazo ny mpanjakan'i Ay mandra-pahariva. Rehefa nilentika ny masoandro, dia nanome ny didy i Josoa ka nalain'izy ireo hidina amin'ny hazo ny fatin'ny mpanjaka ary natsipin'izy ireo teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna. Teo no nananganan'izy ireo antontam-bato lehibe teo ambonin'izany. Mbola mitoetra eo izany antontan-bato izany hatramin'izao. BSB BSB: He hung the king of Ai on a tree until evening, and at sunset Joshua commanded that they take down the body from the tree and throw it down at the entrance of the city gate. And over it they raised a large pile of rocks, which remains to this day.
32 ULB Teo, teo anatrehan'ny vahoakan'Israely, dia nanoratra ny dika mitovy tamin'ny lalàn'i Mosesy teo amin'ny vato izy. BSB BSB: And there in the presence of the Israelites, Joshua inscribed on the stones a copy of the law of Moses, which he had written.
33 ULB Ireo Israely rehetra, ireo loholona, ireo manam-pahefana, sy ireo mpitsaran'izy ireo dia nijoro teo amin'ny lafin'ilay fiara roa teo anoloan'ireo mpisorona sy Levita izay nitondra ny fiaran'ny fifaneken'i Yaveh—ny vahiny tahaka ny tompon-tany—dia nijoro teo anoloan'ny tendrombohitr'i Gerzima ny atsasak'izy ireo ary nijoro teo anoloan'ny tendrombohitr'i Ebala ny atsasany iray hafa. Nitso-drano ny vahoaka an'Israely izy ireo, araka ny nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh azy ireo tamin'ny voalohany. BSB BSB: All Israel, foreigners and citizens alike, with their elders, officers, and judges, stood on both sides of the ark of the covenant of the LORD facing the Levitical priests who carried it. Half of the people stood in front of Mount Gerizim and half of them in front of Mount Ebal, as Moses the servant of the LORD had commanded earlier, to bless the people of Israel.
34 ULB Taorian'izany, dia novakian'i Josoa ireo tenin'ny lalàna rehetra, ireo fitahiana sy ozona, araka izay efa voasoratr'izy ireo ao amin'ny bokin'ny lalàn. BSB BSB: Afterward, Joshua read aloud all the words of the law—the blessings and the curses—according to all that is written in the Book of the Law.
35 ULB Tsy nisy na dia teny iray aza tsy novakian'i Josoa tamin'ireo nandidian'i Mosesy teo anatrehan'ny fivondronan'Israely, anisan'izany ireo vehivavy, ireo zazakely, ary ireo vahiny izay nipetraka teo amin'izy ireo. BSB BSB: There was not a word of all that Moses had commanded that Joshua failed to read before the whole assembly of Israel, including the women, the little ones, and the foreigners who lived among them.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.