1 ULB Ity no zara-tanin'ny fokon'i Manase (izay lahimatoan'i Josefa) —izany hoe, ho an'i Makira, izay lahimatoan'i Manase sy ny tenany izay rain'i Gileada. Ny tanin'i Gileada sy Basana dia notendrena ho an'ireo taranak'i Makira, satria Makira dia lehilahin'ady. BSB BSB: Now this was the allotment for the tribe of Manasseh as Joseph’s firstborn son, namely for Machir the firstborn of Manasseh and father of the Gileadites, who had received Gilead and Bashan because Machir was a man of war.
2 ULB Ny tany dia notendrena ho an'ny ambin'ny fokon'i Manase, nomena ireo fokon'izy ireo—dia i Abi-ezera, Heleka, Asriela, Sekema, Hefera, ary Semida. Ireo no taranaka lahin'i Manase zanaka lahin'i Josefa, natolotr'ireo fokon'izy ireo. BSB BSB: So this allotment was for the rest of the descendants of Manasseh—the clans of Abiezer, Helek, Asriel, Shechem, Hepher, and Shemida. These are the other male descendants of the clans of Manasseh son of Joseph.
3 ULB Ary Tselofehada zanaka lahin'i Hefera zanak'i Gileada zanak'i Makira zanak'i Manase dia tsy nanan-janaka lahy, fa zanaka vavy fotsiny ihany. Ireto avy ny anaran'ireo zanany vavy: Mahala, Noha, Hogla, Milka, ary i Tiriza. BSB BSB: But Zelophehad son of Hepher (the son of Gilead, the son of Machir, the son of Manasseh) had no sons but only daughters. These are the names of his daughters: Mahlah, Noah, Hoglah, Milcah, and Tirzah.
4 ULB Nanatona an'i Eleazara ilay mpisorona, Josoa zanaka lahin'i Nona, sy ireo loholona izy ireo, ary hoy izy ireo hoe: '"Yaveh no nandidy an'i Mosesy hanome antsika lova miaraka amin'ireo rahalahintsika." Noho izany, ny fanarahana ireo didin'i Yaveh, no nanomezany lova ho an'ireo vehivavy ireo teo amin'ireo rahalahin-drain'izy ireo. BSB BSB: They approached Eleazar the priest, Joshua son of Nun, and the leaders, and said, “The LORD commanded Moses to give us an inheritance among our brothers.” So Joshua gave them an inheritance among their father’s brothers, in keeping with the command of the LORD.
5 ULB Ny tsinjaran- tany folo tao Gileada sy Basana dia notendrena ho an'i Manase, izay eny am-pitan'i Jordana, BSB BSB: Thus ten shares fell to Manasseh, in addition to the land of Gilead and Bashan beyond the Jordan,
6 ULB satria ireo zanaka vavin'i Manase dia nandray lova niaraka tamin'ireo zanany lahy. Ny tanin'i Gileada dia notendrena ho an'ny ambin'ny fokon'i Manase. BSB BSB: because the daughters of Manasseh received an inheritance among his sons. And the land of Gilead belonged to the rest of the sons of Manasseh.
7 ULB Ny faritanin'i Manase dia tonga hatrany Asera ka hatrany Mikmetata, izay any antsinanan'i Sekema. Ary ny sisin-tany dia nandeha nianatsimo nankany amin'ireo izay mipetraka akaikin'ny faritanin'i Topoa. BSB BSB: Now the border of Manasseh went from Asher to Michmethath near Shechem, then southward to include the inhabitants of En-tappuah.
8 ULB (Ny tanin'i Topoa dia an'i Manase, saingy ny tanàn-dehiben'i Topoa eo amin'ny sisin-tanin'i Manase kosa dia an'ny fokon'i Efraima.) BSB BSB: The region of Tappuah belonged to Manasseh, but Tappuah itself, on the border of Manasseh, belonged to Ephraim.
9 ULB Ny faritany dia midina mankany amin'ny lohasahan-driakan'i Kana. Ireo tanàna atsimon'ny lohasahan-driaka eo amin'ny tanàn-dehiben'i Manase dia an'i Efraima. Ny faritanin'i Manase dia any avaratry ny lohasahan-driaka, ary mifarana any amin'ny ranomasina. BSB BSB: From there the border continued southward to the Brook of Kanah. There were cities belonging to Ephraim among the cities of Manasseh, but the border of Manasseh was on the north side of the brook and ended at the Sea.
10 ULB Ny tany any atsimo dia an'i Efraima, ary ny tany any avaratra dia an'i Manase; ny ranomasina no faritany. Any amin'ny sisiny avaratr'i Asera, ka hatrany amin'ny atsinanana, dia i Isakara. BSB BSB: Ephraim’s territory was to the south, and Manasseh’s was to the north, having the Sea as its border and adjoining Asher on the north and Issachar on the east.
11 ULB Any Isakara sy any Asera ihany koa, Manase dia nanana an'i Beti-sana sy ireo tanànany, Ibleama sy ireo tanànany, ireo mponin'i Dora sy ny tanànany, ireo mponin'i En-dora sy ny tanànany, ireo mponin'i Tanaka sy ny tanànany, ary ireo mponin'i Megido sy ny tanànany (ary ny tanàna fahatelo dia i Naftea). BSB BSB: Within Issachar and Asher, Manasseh was assigned Beth-shean, Ibleam, Dor (that is, Naphath), Endor, Taanach, and Megiddo, each with their surrounding settlements.
12 ULB Mbola tsy afaka maka ho fananana an'ireo tanàna ireo ny fokon'i Manase, satria ireo Kananita dia mbola mipetraka ao amin'io tany io. BSB BSB: But the descendants of Manasseh were unable to occupy these cities, because the Canaanites were determined to stay in this land.
13 ULB Rehefa niha-natanjaka ny vahoakan'Israely, dia noteren'izy ireo hiasa ireo Kananita, fa tsy noroasiny tanteraka. BSB BSB: However, when the Israelites grew stronger, they put the Canaanites to forced labor; but they failed to drive them out completely.
14 ULB Avy eo ireo taranak'i Josefa niteny tamin'i Josoa, nanao hoe: "Nahoana no asan'ny tany iray ihany no natolotrao ho anay ary tsinjara iray amin'ny lova, kanefa vahoaka be an'isa izahay, ary efa notahian'i Yaveh izahay rehetra? BSB BSB: Then the sons of Joseph said to Joshua, “Why have you given us only one portion as an inheritance? We have many people, because the LORD has blessed us abundantly.”
15 ULB Hoy Josoa tamin'izy ireo: "Raha vahoaka be an'isa ianareo, dia miakara any anaty ala ny tenanareo ary tapaho ireo hazo ao amin'ny tanin'i Perizita sy Refaita any. Ataovy izany, satria ny havoan'ny firenen'i Efraima dia kely ho anareo." BSB BSB: Joshua answered them, “If you have so many people that the hill country of Ephraim is too small for you, go to the forest and clear for yourself an area in the land of the Perizzites and the Rephaim.”
16 ULB Hoy ireo taranak'i Josefa: "Tsy ampy anay ny havoana. Fa ireo Kananita izay mipetraka any amin'ny lohasaha dia manana kalesy vy, ireo any Beti-sana sy ny tanànany, ary ireo izay any amin'ny lohasahan'i Jezirela. BSB BSB: “The hill country is not enough for us,” they replied, “and all the Canaanites who live in the valley have iron chariots, both in Beth-shean with its towns and in the Valley of Jezreel.”
17 ULB Ary hoy i Josoa tamin'ny ankohonan'i Josefa-tamin'i Efraima sy Manase: "Vahoaka be an'isa ianareo, ary manana hery lehibe. Tsy tokony ho zaran-tany iray ihany no notendrena ho anareo. BSB BSB: So Joshua said to the house of Joseph—to Ephraim and Manasseh—“You have many people and great strength. You shall not have just one allotment,
18 ULB Ny havoana ihany koa dia ho anareo. Na ny alan'izany, dia ho tapahanareo ka ataovy fananana hatrany amin'ny sisiny lavitra indrindra izany. Hamoaka ireo Kananita ianareo, na dia manana kalesy vy aza izy ireo, na dia matanjaka aza izy ireo." BSB BSB: because the hill country will be yours as well. It is a forest; clear it, and its farthest limits will be yours. Although the Canaanites have iron chariots and although they are strong, you can drive them out.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.