1 ULB Dia Josoa zanaka lahin'i Nona naniraka roa lahy mangingina avy any Sitima toy ny mpitsikilo. Hoy izy hoe: "Mandehana, zahao ny tany, indrindra fa Jeriko." Dia lasa izy ireo ary tonga tao an-tranon'ny mpivaro-tena iray antsoina hoe Rahaba, dia nipetraka tao izy ireo. BSB BSB: Then Joshua son of Nun secretly sent two spies from Shittim, saying, “Go, inspect the land, especially Jericho.” So they went and entered the house of a prostitute named Rahab and stayed there.
2 ULB Nolazaina tamin'ny mpanjakan'i Jeriko hoe: "Indro, tonga eto ny lehilahin'Israely mba hitsikilo ny tany." BSB BSB: And it was reported to the king of Jericho: “Behold, some men of Israel have come here tonight to spy out the land.”
3 ULB Dia nandefa hafatra tamin'i Rahaba ilay mpanjakan'i Jeriko ary nanao hoe: "Ento mivoaka ireo lehilahy izay tonga teo aminao sy niditra tao an-tranonao ireo, satria tonga mba hitsikilo ny tany iray manontolo izy ireo." BSB BSB: So the king of Jericho sent to Rahab and said, “Bring out the men who came to you and entered your house, for they have come to spy out the whole land.”
4 ULB Fa nalain-dravehivavy ireo roa lahy ka nafeniny. Namaly izy hoe: "Eny, tonga tato amiko ireo lehilahy, saingy tsy nahafantatra izay niavian'izy ireo aho. BSB BSB: But the woman had taken the two men and hidden them. So she said, “Yes, the men did come to me, but I did not know where they had come from.
5 ULB Lasa izy ireo nony hariva, tamin'ny fotoana nihidian'ny vavahadin'ny tanàna. Tsy fantatro izay nalehan'izy ireo. Mety ho tratranao izy ireo raha manaraka faingana azy ireo ianao." BSB BSB: At dusk, when the gate was about to close, the men went out, and I do not know which way they went. Pursue them quickly, and you may catch them!”
6 ULB Kanefa nampiakariny tao an-tafon-trano izy ireo ary nafeniny tao amin'ireo tahon-drongony izay efa novelariny teo amin'ilay tafon-trano. BSB BSB: (But Rahab had taken them up to the roof and hidden them among the stalks of flax that she had laid out there.)
7 ULB Koa dia nanenjika azy ireo teny an-dalana nankany amin'ny lakan-dranon'ny Jordana ireo lehilahy. Vao tafavoaka ireo mpanenjika dia nihidy ny vavahady. BSB BSB: So the king’s men set out in pursuit of the spies along the road to the fords of the Jordan, and as soon as they had gone out, the gate was shut.
8 ULB Tsy mbola natory ireo lehilahy ny alina, rehefa tonga niakatra tao amin'izy ireo tao an-tafon-trano ilay vehivavy. BSB BSB: Before the spies lay down for the night, Rahab went up on the roof
9 ULB Hoy izy hoe: "Fantatro fa nomen'i Yaveh anareo ny tany ary tonga teto aminay ny tahotra anareo. Halemy eo anatrehanareo ireo rehetra mipetraka eto amin'ny tany. BSB BSB: and said to them, “I know that the LORD has given you this land and that the fear of you has fallen on us, so that all who dwell in the land are melting in fear of you.
10 ULB Renay ny fomba nanamainan'i Yaveh an'ilay Ranomasina Mena ho anareo rehefa nivoaka avy tao Egypta ianareo. Renay ihany koa ny nataonareo tamin'ireo mpanjakan'ny Amorita roa teny ampitan'i Jordana—dia Sihona sy Oga—izay naringanareo tanteraka. BSB BSB: For we have heard how the LORD dried up the waters of the Red Sea before you when you came out of Egypt, and what you did to Sihon and Og, the two kings of the Amorites across the Jordan, whom you devoted to destruction.
11 ULB Vantany vao renay izany, dia nalemy ny fonay ary tsy nisy herim-po tavela tao amin'iza na iza—fa Yaveh Andriamanitrareo, dia Andriamanitra any an-danitra ambony any sy ety an-tany ambany ety. BSB BSB: When we heard this, our hearts melted and everyone’s courage failed because of you, for the LORD your God is God in the heavens above and on the earth below.
12 ULB Ankehitriny ary, mba ianiano amiko amin'ny alalan'i Yaveh re, halemy fanahy amin'ny ankohonan-draiko ianareo, araka ny hatsaram-panahiko taminareo ihany. Omeo famantarana azo antoka aho BSB BSB: Now therefore, please swear to me by the LORD that you will indeed show kindness to my family, because I showed kindness to you. Give me a sure sign
13 ULB fa hamindra fo amin'ny ain'ny raiko, ny reniko, ireo anadahiko, anabaviko, sy ny fianakaviany rehetra ianareo, ary hanavotra anay amin'ny fahafatesana." BSB BSB: that you will spare the lives of my father and mother, my brothers and sisters, and all who belong to them, and that you will deliver us from death.”
14 ULB Dia hoy ireo lehilahy taminy hoe: "Ho takalo amin'ny ainareo ny ainay, na dia ho amin'ny fahafatesana aza! Raha tsy miresaka momban'ny raharahanay ianao, dia ho feno famindram-po sy hahatoky anareo izahay rehefa omen'i Yaveh anay ity tany ity." BSB BSB: “Our lives for your lives!” the men agreed. “If you do not report our mission, we will show you kindness and faithfulness when the LORD gives us the land.”
15 ULB Dia namela azy ireo hidina hivoaka teo amin'ny varavaran-kely tamin'ny fampiasana tady izy. Niorina teo amin'ny mandan'ilay tanàna ilay trano izay nonenany. BSB BSB: Then Rahab let them down by a rope through the window, since the house where she lived was built into the wall of the city.
16 ULB Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mandehana eny amin'ny havoana ary miafena raha tsy izany ho hitan'ireo mpanenjika ianareo. Miafena any mandritra ny telo andro mandra-piverin'ireo mpanenjika. Avy eo dia tohizo ny lalanareo." BSB BSB: “Go to the hill country,” she said, “so that your pursuers will not find you. Hide yourselves there for three days until they have returned; then go on your way.”
17 ULB Hoy ireo lehilahy taminy hoe: "Tsy ho voafatotra amin'ny fampanantenan'ilay fianianana izay nasainao nianiananay izahay, raha toa ka tsy manao izao ianao. BSB BSB: The men said to her, “We will not be bound by this oath you made us swear
18 ULB Rehefa tonga eto amin'ny tany izahay, dia tsy maintsy fatoranao eo am-baravarakely ity tady mena izay hampidinanao anay ity, ary hangoninao ato an-trano ny rainao sy ny reninao, ireo anadahinao sy ny ankohonan'ny rainao rehetra. BSB BSB: unless, when we enter the land, you have tied this scarlet cord in the window through which you let us down, and unless you have brought your father and mother and brothers and all your family into your house.
19 ULB Na iza na iza mivoaka ny varavaran'ny tranonao ho eny an-dalna, dia ho eo an-dohan'izy ireo manokana ny ràny ary tsy ho meloka izahay. Fa raha misy tanana mitsotra eo amin'izay rehetra miaraka aminao ato an-trano, dia ho eo an-dohanay ny ràny. BSB BSB: If anyone goes out the door of your house into the street, his blood will be on his own head, and we will be innocent. But if a hand is laid on anyone with you in the house, his blood will be on our heads.
20 ULB Fa raha miresaka momba ny raharahanay ianao, dia ho afaka amin'ilay fianianana izay nampianiananao anay izahay." BSB BSB: And if you report our mission, we will be released from the oath you made us swear.”
21 ULB Dia namaly Rahaba hoe: "Hatao anie izay voalazanareo." Nalefany izy ireo ka lasa. Avy eo namatotra ilay tady mena teo am-baravarankely izy. BSB BSB: “Let it be as you say,” she replied, and she sent them away. And when they had gone, she tied the scarlet cord in the window.
22 ULB Lasa izy ireo ary nandeha niakatra tany amin'ireo havoana ka nijanona teny nandritra ny telo andro mandra-piverin'ireo mpanenjik'izy ireo. Nitady nanerana ny lalana rehetra ireo mpanenjika ary tsy nahita na inona na inona. BSB BSB: So the spies went out into the hill country and stayed there three days, until their pursuers had returned without finding them, having searched all along the road.
23 ULB Dia niverina ireo lehilahy roa ary niampita ka tafaverina tany amin'i Josoa zanak'i Nona, dia nolazain'izy ireo taminy ny zavatra rehetra izay nitranga tamin'izy ireo. BSB BSB: Then the two men started back, came down from the hill country, and crossed the river. So they came to Joshua son of Nun and reported all that had happened to them.
24 ULB Hoy izy ireo tamin'i Josoa hoe: "Efa natolotr'i Yaveh antsika tokoa io tany io. Malemy avokoa ireo mponina rehetra ao amin'ilay tany noho ny amintsika." BSB BSB: “The LORD has surely delivered the entire land into our hands,” they said to Joshua. “Indeed, all who dwell in the land are melting in fear of us.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.