1 ULB Ary ireo lohany tamin'ny fokon'ireo Levita nanatona an'i Eleazara mpisorona, an'i Josoa zanak'i Nona, sy ireo mpitarika ireo fianakavian'ny razamben'izy ireo teo amin'ny vahoakan'Israely. BSB BSB: Now the family heads of the Levites approached Eleazar the priest, Joshua son of Nun, and the heads of the other tribes of Israel
2 ULB Tao Silo tany amin'ny tany Kanana dia hoy izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Nandidy anareo tamin'ny tanan'i Mosesy i Yaveh mba hanome anay tanàna honenana, miaraka amin'ny tanim-bilona ho an'ireo biby fiompinay." BSB BSB: at Shiloh in the land of Canaan and said to them, “The LORD commanded through Moses that we be given cities in which to live, together with pasturelands for our livestock.”
3 ULB Nohon'ny baikon'i Yaveh, dia natolotry ny vahoakan'Israely avy amin'ny lovan'izy ireo ireto tanàna manaraka ireto, miaraka amin'ny tanim-bilon'izy ireo, ho an'ireo Levita. BSB BSB: So by the command of the LORD, the Israelites gave the Levites these cities and their pasturelands out of their own inheritance:
4 ULB Ny an-tsapaka teo amin'ireo fokon'ny Kehatita dia nanome izao vokatra izao: Ireo mpisorona__ireo taranak'i Arona izay avy amin'ireo Levita__dia nahazo tanàna telo ambin'ny folo avy amin'ny fokon'i Joda, avy amin'ny fokon'i Simeona, ary avy amin'ny fokon'i Benjamina. BSB BSB: The first lot came out for the Kohathite clans. The Levites who were descendants of Aaron the priest received thirteen cities by lot from the tribes of Judah, Simeon, and Benjamin.
5 ULB Ny sisa tamin'ireo fokon'ny Kehatita dia nahazo tanàna folo tamin'ny an-tsapaka avy tamin'ny isam-pianakavian'ireo fokon'i Efraima, Dana, ary avy amin'ny an-tsasaky ny fokon'i Manase. BSB BSB: The remaining descendants of Kohath received ten cities by lot from the tribes of Ephraim, Dan, and the half-tribe of Manasseh.
6 ULB Avy eo ny taranaka avy amin'i Gersona nomena, tamin'ny an-tsapaka, tanàna telo ambin'ny folo avy amin'ny isam-pianakavian'ireo fokon'i Isakara, Asera, Naftaly, ary ny antsasaky ny fokon'i Manase any Basana. BSB BSB: The descendants of Gershon received thirteen cities by lot from the tribes of Issachar, Asher, Naphtali, and the half-tribe of Manasseh in Bashan.
7 ULB Ireo vahoaka izay taranaka avy amin'i Merary kosa dia nahazo tanàna roa ambin'ny folo avy amin'ireo fokon'i Robena, Gada, ary Zebolona. BSB BSB: And the descendants of Merari received twelve cities from the tribes of Reuben, Gad, and Zebulun.
8 ULB Noho izany dia nomen'ny vahoakan'Israely an'ireo levita, tamin'ny antsapaka, ireo tanàna ireo (miaraka amin'ireo tanim-bilony), araka izay efa nandidian'i Yaveh tamin'ny tanan'i Mosesy. BSB BSB: So the Israelites allotted to the Levites these cities, together with their pasturelands, as the LORD had commanded through Moses.
9 ULB Avy amin'ireo fokon'i Joda sy Simeona, dia nanendry tany araka ireto tanàna manaraka ireto izy ireo, tanisana eto araka ny anarana. BSB BSB: From the tribes of Judah and Simeon, they designated these cities by name
10 ULB Ireo tanàna ireo dia nomena ny taranak'i Arona, izay anisan'ireo fokon'ny Kehatita, izay avy amin'ny fokon'i Levy kosa. Satria nitontona tao amin'izy ireo ny an-tsapaka voalohany. BSB BSB: to the descendants of Aaron from the Kohathite clans of the Levites, because the first lot fell to them:
11 ULB Dia nomen'ireo Israelita azy ireo i Kiriat-arba (Arba no rain'i Anaka), ilay tanàna mitovy amin'i Hesbona, ao amin'ny tany havoan'i Joda, miaraka amin'ireo tanim-bilona manodidina izany. BSB BSB: They gave them Kiriath-arba (that is, Hebron), with its surrounding pasturelands, in the hill country of Judah. (Arba was the father of Anak.)
12 ULB Fa ireo sahan'ny tanàna sy ireo zana-bohiny kosa dia efa nomena an'i Kaleba zanak'i Jefone, mba ho fananany. BSB BSB: But they had given the fields and villages around the city to Caleb son of Jephunneh as his possession.
13 ULB Ho an'ireo taranak'i Arona mpisorona dia nomen'izy ireo miaraka amin'ireo tanim-bilony Hebrona__izay tanàna iray fandosiran'ireo izay namono olona tsy nahy__ary Libna miaraka amin'ireo tanim-bilony, BSB BSB: So to the descendants of Aaron the priest they gave these cities, together with their pasturelands: Hebron, a city of refuge for the manslayer, Libnah,
14 ULB Jatira miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Estemoa miaraka amin'ireo tanim-bilony. BSB BSB: Jattir, Eshtemoa,
15 ULB Nomen'izy ireo koa Holona miaraka amin'ireo tanim-bilony, Debira miaraka amin'ireo tanim-bilony, BSB BSB: Holon, Debir,
16 ULB Aina miaraka amin'ireo tanim-bilony, Jota miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Beti-semesy miaraka amin'ireo tanim-bilony. Sivy ireo tanàna izay azo avy amin'ireo foko roa ireo. BSB BSB: Ain, Juttah, and Beth-shemesh—nine cities from these two tribes, together with their pasturelands.
17 ULB Avy tamin'ny fokon'i Benjamina no nahazoana an'i Gibeona miaraka amin'ireo tanim-bilony, Geba miaraka amin'ireo tanim-bilony, BSB BSB: And from the tribe of Benjamin they gave them Gibeon, Geba,
18 ULB Anatota miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Almona miaraka amin'ireo tany manodidina azy__tanàna efatra. BSB BSB: Anathoth, and Almon—four cities, together with their pasturelands.
19 ULB Ireo tanàna izay nomena ireo mpisorona kosa, ireo taranak'i Arona, dia tanàna telo ambin'ny folo raha atambatra, ao anisan'izany ireo tanim-bilon'izy ireo. BSB BSB: In all, thirteen cities, together with their pasturelands, were given to the priests, the descendants of Aaron.
20 ULB Raha ny sisa amin'ny fianakavian'i Kehata__ireo Levita izay an'ny fianakavian'i Kehata__dia nomena azy ireo tamin'ny an-tsapaka ireo tanàna avy amin'ny fokon'i Efraima. BSB BSB: The remaining Kohathite clans of the Levites were allotted these cities: From the tribe of Ephraim
21 ULB Izy ireo no nanomezana an'i Sekema miaraka amin'ireo tanim-bilony tao amin'ny tany havoan'i Efraima__tanàna iray fandosiran'ireo izay namono olona tsy nahy__Gazera miaraka amin'ireo tanim-bilony, BSB BSB: they were given Shechem in the hill country of Ephraim (a city of refuge for the manslayer), Gezer,
22 ULB Kibzaima miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Beti-horona miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna efatra ny fitambarany. BSB BSB: Kibzaim, and Beth-horon—four cities, together with their pasturelands.
23 ULB Avy tamin'ny fokon'i Dana, no nanomezana hoan'ny fokon'i Kehata an'i Elteke miaraka amin'ireo tanim-bilony, Gibetona miaraka amin'ireo tanim-bilony, BSB BSB: From the tribe of Dan they were given Elteke, Gibbethon,
24 ULB Aialona miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Gata-rimona miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna efatra ny fitambarany BSB BSB: Aijalon, and Gath-rimmon—four cities, together with their pasturelands.
25 ULB Avy amin'ny an-tsasaky ny fokon'i Manase, no nanomezana hoan'ny fokon'i Kehata an'i Tanaka miaraka amin'ireo tanim-bilony sy Gata-rimona miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna roa. BSB BSB: And from the half-tribe of Manasseh they were given Taanach and Gath-rimmon—two cities, together with their pasturelands.
26 ULB Tanàna folo raha atambatra ny an'ireo fokon'i Kehatita sisa, anisan'izany ny tanim-bilon'izy ireo. BSB BSB: In all, ten cities, together with their pasturelands, were given to the rest of the Kohathite clans.
27 ULB Avy amin'ny an-tsasaky ny fokon'i Manase, hoan'ireo fokon'ny Gersona, ireo dia fokon'ny Levita hafa koa, ary izy ireo nanome an'i Golana tao Basana miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna iray fandosiran'izay nahafaty olona tsy nahy, mbamin'i Bestera miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna roa ny fitambarany. BSB BSB: This is what the Levite clans of the Gershonites were given: From the half-tribe of Manasseh they were given Golan in Bashan, a city of refuge for the manslayer, and Beeshterah—two cities, together with their pasturelands.
28 ULB Ho an'ireo fokon'i Gersona dia nomen'izy ireo avy amin'ny fokon'i Isakara koa i Kisiona, mbamin'ireo tanim-bilony, Daberata mbamin'ireo tanim-bilony, BSB BSB: From the tribe of Issachar they were given Kishion, Daberath,
29 ULB Jarmota mbamin'ireo tanim-bilony, ary Enganima mbamin'ireo tanim-bilony__tanàna efatra. BSB BSB: Jarmuth, and En-gannim—four cities, together with their pasturelands.
30 ULB Avy amin'ny fokon'i Asera, dia nomen'izy ireo Misala miaraka amin'ireo tanim-bilony, Abdona miaraka amin'ireo tanim-bilony, BSB BSB: From the tribe of Asher they were given Mishal, Abdon,
31 ULB Helkata miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Rehoba miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna efatra ny fitambarany. BSB BSB: Helkath, and Rehob—four cities, together with their pasturelands.
32 ULB Avy amin'ny fokon'i Naftaly, no nanomezan'izy ireo an'i Gersona Kadesy any Galilia miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna iray fandosiran'izay nahafaty olona tsy nahy; Hamotadora miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Kartana miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna telo ny fitambarany. BSB BSB: And from the tribe of Naphtali they were given Kedesh in Galilee (a city of refuge for the manslayer), Hammoth-dor, and Kartan—three cities, together with their pasturelands.
33 ULB Tanàna telo ambin'ny folo raha atambatra, avy amin'ireo fokon'i Gersona, miaraka amin'ireo tanim-bilony. BSB BSB: In all, thirteen cities, together with their pasturelands, were given to the Gershonite clans.
34 ULB Ho an'ireo levita sisa__ireo fokon'i Merary__no nanomezana avy amin'ny fokon'i Zebolona: an'i Jokneama miaraka amin'ireo tanim-bilony, Karta miaraka amin'ireo tanim-bilony, BSB BSB: This is what the Merarite clan (the rest of the Levites) were given: From the tribe of Zebulun they were given Jokneam, Kartah,
35 ULB Dimnà miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Nahalola miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna efatra ny fitambarany. BSB BSB: Dimnah, and Nahalal—four cities, together with their pasturelands.
36 ULB Ireo fokon'i Merary dia nahazo avy amin'ny fokon'i Robena: dia i Bezera miaraka amin'ireo tanim-bilony, Jahaza miaraka amin'ireo tanim-bilony, BSB BSB: From the tribe of Reuben they were given Bezer, Jahaz,
37 ULB Kedemota miaraka amin'ireo tanim-bilony, ary Mefata miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna efatra. BSB BSB: Kedemoth, and Mephaath—four cities, together with their pasturelands.
38 ULB Ankoatry ny fokon'i Gada dia nomena azy ireo Ramota any Gileada miaraka amin'ireo tanim-bilony__tanàna iray fandosiran'izay nahafaty olona tsy nahy__ary Mahanaima miaraka amin'ireo tanim-bilony. BSB BSB: And from the tribe of Gad they were given Ramoth in Gilead, a city of refuge for the manslayer, Mahanaim,
39 ULB Ireo fokon'i Merary dia nahazo an'i Hesbona ihany koa miaraka amin'ireo tanim-bilony, sy Jazera miaraka amin'ireo tanim-bilony. Tanàna efatra ireo raha atambatra. BSB BSB: Heshbon, and Jazer—four cities in all, together with their pasturelands.
40 ULB Ireo rehetra ireo dia tanànan'ireo foko maroben'i Merary, izay avy amin'ny fokon'i Levy__tanàna roa ambin'ny folo raha atambatra no nomena azy ireo tamin'ny antsapaka. BSB BSB: In all, twelve cities were allotted to the clans of Merari, the remaining Levite clans.
41 ULB Ireo tanànan'ireo Levita nalaina avy tao afovoan'ny tany azon'ny vahoakan'Israely dia tanàna valo amby efapolo, miaraka amin'ireo tanim-bilony. BSB BSB: For the Levites, then, there were forty-eight cities in all, together with their pasturelands, within the territory of the Israelites.
42 ULB Ireo tanàna tsirairay ireo dia samy manana ny tanim-bilony manodidina azy. Dia tahaka izany ireo tanàna rehetra ireo. BSB BSB: Each of these cities had its own surrounding pasturelands; this was true for all the cities.
43 ULB Noho izany dia nomen'i Yaveh an'Israely ny tany rehetra izay nianianany homena ireo razany. Dia nandova izany ireo Israelita ka nonina tao. BSB BSB: Thus the LORD gave Israel all the land He had sworn to give their fathers, and they took possession of it and settled in it.
44 ULB Dia nomen'i Yaveh fitsaharana amin'ny manodidina rehetra izy ireo, araka izay nianianany tamin'ireo razany. Na dia iray tamin'ireo fahavalony aza dia tsy nisy afaka naharesy azy ireo. Dia natolotr'i Yaveh teo am-pelantanan'izy ireo ny fahavalony rehetra. BSB BSB: And the LORD gave them rest on every side, just as He had sworn to their fathers. None of their enemies could stand against them, for the LORD delivered all their enemies into their hand.
45 ULB Na dia iray tamin'ireo teny fampanantenana tsara izay nolazain'i Yaveh tamin'ny taranak'Israely aza dia tsy nisy tsy tanteraka. Tanteraka avokoa izy rehetra. BSB BSB: Not one of all the LORD’s good promises to the house of Israel had failed; everything was fulfilled.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.