1 ULB Tamin'izany fotoana izany Josoa dia niantso ireo Robenita, Gadit, ary ny antsasa-pokon'i Manase. BSB BSB: Then Joshua summoned the Reubenites, the Gadites, and the half-tribe of Manasseh
2 ULB Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Efa tanterakareo avokoa izay nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh anareo. Nankatoa ny feoko ianareo tamin'izay rehetra nandidiako anareo. BSB BSB: and told them, “You have done all that Moses the servant of the LORD commanded you, and you have obeyed my voice in all that I commanded you.
3 ULB Tsy nandao ny rahalahinareo ianareo nandritra izay andro maro izay, mandrak'androany, ary tanterakareo ireo andraikitra izay notakiana tamin'ny alalan'ny didin'i Yaveh Andriamanitrareo. BSB BSB: All this time you have not deserted your brothers, up to this very day, but have kept the charge given you by the LORD your God.
4 ULB Ankehitriny nomen'i Yaveh Andriamanitrareo fitsaharana ireo rahalahinao, araka izay nampanantenany azy ireo. Noho izany miverena ary mandehana any amin'ny lainareo any amin'ny tany anananareo, izay nomen'i Mosesy ilay mpanompon'i Yaveh anareo any ampitan'i Jordana. BSB BSB: And now that the LORD your God has given your brothers rest as He promised them, you may return to your homes in the land that Moses the servant of the LORD gave you across the Jordan.
5 ULB Fa tandremo tsara mba ho voatandrina ireo didy sy lalàna izay nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh anareo, dia ny hitiavana an'i Yaveh Andriamanitrareo, ny handehanana amin'ny lalany rehetra, ny hitandremana ny didiny, ary ny hifikirana aminy sy ny hanompoana azy amin'ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo." BSB BSB: But be very careful to observe the commandment and the law that Moses the servant of the LORD gave you: to love the LORD your God, to walk in all His ways, to keep His commandments, to hold fast to Him, and to serve Him with all your heart and with all your soul.”
6 ULB Dia nitso-drano sy nampody azy ireo i Josoa, ary niverina tany amin'ny lainy izy ireo. BSB BSB: So Joshua blessed them and sent them on their way, and they went to their homes.
7 ULB Ary ny antsasa-pokon'i Manase dia efa nomen'i Mosesy lova tany Basana, fa ny antsasany hafa kosa nomen'i Josoa lova tany akaikin'ireo rahalahiny tany amin'ny tany andrefan'ny Jordana. Josoa nampody azy ireo tany amin'ny lainy; nitso-drano azy ireo izy BSB BSB: (To the half-tribe of Manasseh Moses had given land in Bashan, and to the other half Joshua gave land on the west side of the Jordan among their brothers.) When Joshua sent them to their homes he blessed them,
8 ULB ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Miverena any amin'ny lainareo miaraka amin'ny vola be, sy biby fiompy maro dia maro, sy volafotsy sy volamena, sy varahina sy vy, ary fitafiana maro dia maro. Zarao amin'ireo rahalahinareo ny babo tamin'ireo fahavalonareo." BSB BSB: saying, “Return to your homes with your great wealth, with immense herds of livestock, with silver, gold, bronze, iron, and very many clothes. Divide with your brothers the spoil of your enemies.”
9 ULB Ary ny taranak'i Robena, ny taranak'i Gada, ary ny antsasa-pokon'i Manase niverina nody, nandao ny vahoakan'Israely tao Silo, izay tany amin'ny Kanana. Niainga ho any amin'ny faritanin'i Gileada, any amin'ny tanin'izy ireo, izay fananany, tamin'ny fankatoavana ny didin'i Yaveh, tamin'ny alalan'ny tanan'i Mosesy izy ireo. BSB BSB: So the Reubenites, the Gadites, and the half-tribe of Manasseh left the Israelites at Shiloh in the land of Canaan to return to their own land of Gilead, which they had acquired according to the command of the LORD through Moses.
10 ULB Rehefa tonga tao Jordana izay tao amin'ny tany Kanana izy ireo, ny Robenita sy ny Gadita ary ny atsasa-pokon'i Manase dia nanorina altara nanakaiky an'ny Jordana, alitara tena lehibe sy nalaza. BSB BSB: And when they came to Geliloth near the Jordan in the land of Canaan, the Reubenites, the Gadites, and the half-tribe of Manasseh built an imposing altar there by the Jordan.
11 ULB Ny vahoakan'Israely nahare izany ka nanao hoe: "Indro! ny vahoakan-dRobena, Gada, ary ny antsasa-pokon'i Manase nanorina alitara teo anoloan' ny tany Kanana, any Gelilota, any amin'ny faritra akaikin'i Jordana, amin'ny ilany izay an'ny vahoakan'Israely." BSB BSB: Then the Israelites received the report: “Behold, the Reubenites, the Gadites, and the half-tribe of Manasseh have built an altar on the border of the land of Canaan, at Geliloth near the Jordan on the Israelite side.”
12 ULB Rehefa nahare izany ny vahoakan'Israely, dia niara-niangona tao Silo ny fiangonan'ny vahoakan'Israely manontolo mba hiakatra hamorona ady hanoerana azy ireo. BSB BSB: And when they heard this, the whole congregation of Israel assembled at Shiloh to go to war against them.
13 ULB Ary ny vahoakan'Israely nandefa mpitondra hafatra ho any amin'ny Robenita, ny Gadita, ary ny antsasa-pokon'ny Manase, any amin'ny tany Gileada. Nandefa an'i Fineasy zanaka lahin'i Eleazara ihany koa izy ireo, ilay mpisorona, BSB BSB: The Israelites sent Phinehas son of Eleazar the priest to the land of Gilead, to the Reubenites, the Gadites, and the half-tribe of Manasseh.
14 ULB ary mpitarika folo niaraka taminy, iray isaky ny razambem-pianakavian'Israely, ary izy ireo tsirairay avy dia efa lohan' ny fianakaviana tao amin'ny vahoakan'Israely. BSB BSB: With him they sent ten chiefs—one family leader from each tribe of Israel, each the head of a family among the clans of Israel.
15 ULB Tonga tany amin'ny vahoakan'i Robena, Gada, ary ny antsasa-pokon'i Manase, tany amin'ny tanin'ny Gileada izy ireo, ary hoy izy ireo taminy: BSB BSB: They went to the Reubenites, the Gadites, and the half-tribe of Manasseh in the land of Gilead and said to them,
16 ULB "Izao no lazain'ny fiangonan'i Yaveh manontolo: 'Inona izao fivadiham-pitokisana nataonareo tamin'i Andriamanitr'Israely izao, niala tamin'ny fanarahana an'i Yaveh ianareo ankehitriny amin'ny alalan'ny fanorenanareo alitara tamim-pikomiana tamin'i Yaveh tamin'ity andro ity? BSB BSB: “This is what the whole congregation of the LORD says: ‘What is this breach of faith you have committed today against the God of Israel by turning away from the LORD and building for yourselves an altar, that you might rebel against the LORD this day?
17 ULB Tsy ampy antsika ve ny fahotantsika tao Peora? Izay mbola tsy nahadiovantsika ny tenantsika tamin'izany akory. Ary izany fahotana izany no nampisy areti-mandringana tao amin'ny fiangonan'i Yaveh. BSB BSB: Was not the sin of Peor enough for us, from which we have not cleansed ourselves to this day? It even brought a plague upon the congregation of the LORD.
18 ULB Tsy maintsy hiala amin'ny fanarahana an'i Yaveh ihany koa ve ianareo amin'ity andro androany ity? Raha mikomy amin'i Yaveh ihany koa ianareo androany, dia ho tezitra amin'ny fiangonan'Israely manontolo Izy rahampitso. BSB BSB: And now, would you turn away from the LORD? If you rebel today against the LORD, tomorrow He will be angry with the whole congregation of Israel.
19 ULB Raha voaloto ny tany izay anananareo, dia tokony hiampita amin'ny tany izay misy ny tabernakelin'i Yaveh ianareo ary makà fananana ho anareo ao aminay. Aza mikomy amin'i Yaveh fotsiny, na mikomy aminay amin'ny fanorenana alitara hafa ho anareo ankoatra ny alitaran'i Yaveh Andriamanitsika. BSB BSB: If indeed the land of your inheritance is unclean, then cross over to the land of the LORD’s possession, where the LORD’s tabernacle stands, and take possession of it among us. But do not rebel against the LORD or against us by building for yourselves an altar other than the altar of the LORD our God.
20 ULB Moa ve Akana zanaka lahin'i Zera tsy efa nandrava finoana tamin-javatra izay efa voatokana ho an'Andriamanitra? Moa ve tsy niraraka tamin'ny vahoakan'Israely rehetra ny fahatezerana? Ary tsy io lehilahy io irery no maty noho ny helony.'" BSB BSB: Was not Achan son of Zerah unfaithful regarding what was set apart for destruction, bringing wrath upon the whole congregation of Israel? Yet it was not only Achan who perished because of his sin!’”
21 ULB Ary ny fokon'i Robena, Gada, ary ireo atsasa-pokon'i Manase namaly ireo loham-pianakavian'Israely hoe: BSB BSB: Then the Reubenites, the Gadites, and the half-tribe of Manasseh answered the leaders of the clans of Israel:
22 ULB "Ilay Tsitoha, Andriamanitra, Yaveh! Ilay Tsitoha, Andriamanitra, Yaveh! —Izy mahalala, ary ny Israely aoka hahalala! Raha tamim-pikomiana na tamin'ny fivadiam-pitokisana tamin'i Yaveh izany, dia aza hamindrana fo izahay amin'ity andro ity BSB BSB: “The LORD, the Mighty One, is God! The LORD, the Mighty One, is God! He knows, and may Israel also know. If this was in rebellion or breach of faith against the LORD, do not spare us today.
23 ULB ny amin'ny nanorenanay alitara mba hialanay amin'ny fanarahana an'i Yaveh. Raha nanorina ny alitara mba hahafahana manolotra fanatitra dorana, fanatitra hohanina, na fanati-pihavanana izahay, dia aoka Yaveh hampanefa anay ny amin'izany. BSB BSB: If we have built for ourselves an altar to turn away from Him and to offer burnt offerings and grain offerings on it, or to sacrifice peace offerings on it, may the LORD Himself hold us accountable.
24 ULB Tsia! Tahotra no nanaovanay izao satria rahatrizay dia mety hanontany ny zanakay ny zanakareo hoe: 'Moa mifaninona amin'i Yaveh ianareo, ilay Andriamanitr'Israely? BSB BSB: But in fact we have done this for fear that in the future your descendants might say to ours, ‘What have you to do with the LORD, the God of Israel?
25 ULB Fa Yaveh efa nanao an'i Jordana ho faritra manelalanelana antsika sy ianao. Ianareo ry vahoakan'i Robena sy vahoakan'i Gada, tsy anao na inona na inona amin'i Yaveh ianareo.' Noho izany ny zanakareo dia mety hampitsahatra ny zanakay amin'ny fanompoana an'i Yaveh. BSB BSB: For the LORD has made the Jordan a border between us and you Reubenites and Gadites. You have no share in the LORD!’ So your descendants could cause ours to stop fearing the LORD.
26 ULB Ka hoy izahay hoe: 'Mamelà anay hanangana alitara ankehitriny, tsy ho an'ny fanatitra dorana na sorona, BSB BSB: That is why we said, ‘Let us take action and build an altar for ourselves, but not for burnt offerings or sacrifices.
27 ULB fa mba ho vavolombelona eo aminay sy ianareo, ary ireo eo amin'ny taranaka fara-mandimbintsika, fa hanatanteraka ny fanompoana an'i Yaveh alohany isika, amin'ny alalan'ny fanatitra doran, sy sorona ary fanati-pihavanana ataontsika, ka mba tsy hitenenan'ny zanakareo amin'ny zanakay rahatrizay hoe: "Tsy manana anjara ao amin'i Yaveh ianareo.'" BSB BSB: Rather, let it be a witness between us and you and the generations to come, that we will worship the LORD in His presence with our burnt offerings, sacrifices, and peace offerings.’ Then in the future, your descendants cannot say to ours, ‘You have no share in the LORD!’
28 ULB Ary hoy izahay hoe: 'Raha tahiany ka lazaina aminay na amin'ireo taranakay rahatrizay izany, dia hataonay hoe: "Indro! Ity no dika mitovy amin'ny alitaran'i Yaveh, izay namboarin'ny razambenay, tsy ho an'ny fanatitra dorana, na sorona, fa ho vavolombelona teo aminay sy ianareo." BSB BSB: Therefore we said, ‘If they ever say this to us or to our descendants, we will answer: Look at the replica of the altar of the LORD that our fathers made, not for burnt offerings or sacrifices, but as a witness between us and you.’
29 ULB Sanatriavinay anie ny hikomy amin'i Yaveh, sy hiala amin'ny fanarahana Azy androany amin'ny alalan'ny fanorenana alitara ho an'ny fanatitra dorana, ny fanatitra hohanina, na sorona, hafa ankoatra ny alitaran'i Yaveh Andriamanitsika izay eo anoloan'ny tabernakeliny.'" BSB BSB: Far be it from us to rebel against the LORD and turn away from Him today by building an altar for burnt offerings, grain offerings, or sacrifices, other than the altar of the LORD our God, which stands before His tabernacle.”
30 ULB Rehefa ren'i Fineasa ilay mpisorona sy ireo mpitarika ny vahoaka, izay, loham-pianakavian'ny Israely niaraka taminy, dia nahare ireo teny nolazain'ny vahoakan'ny Robena, Gada, ary Manase, dia tsara tamin'izy ireo izany. BSB BSB: When Phinehas the priest and the chiefs of the congregation—the heads of Israel’s clans who were with him—heard what the descendants of Reuben, Gad, and Manasseh had to say, they were satisfied.
31 ULB Dia hoy Fineasy zanaka lahin'i Eleazara ilay mpisorona tamin'ny vahoakan'ny Robena, Gada, ary Manase hoe: "Fantatray ankehitriny fa eto amintsika i Yaveh, satria ianao tsy nanao izany fivadiham-panekena izany taminy. Ankehitriny ianao nanavotra ny vahoakan'Israely tamin'ny tanan'i Yaveh ianao." BSB BSB: Phinehas son of Eleazar the priest said to the descendants of Reuben, Gad, and Manasseh, “Today we know that the LORD is among us, because you have not committed this breach of faith against Him. Consequently, you have delivered the Israelites from the hand of the LORD.”
32 ULB Ary Fineasa zanak'i Eleazara mpisorona, sy ireo mpitarika niverina avy tany amin'ireo Robenita sy ireo Gadita, tao amin'ny tanin'i Gileada ho any amin'ny tany Kanana, ho any amin'ny vahokan'Israely, ary nitondra valin-teny tamin'izy ireo. BSB BSB: Then Phinehas son of Eleazar the priest, together with the other leaders, returned to the Israelites in the land of Canaan and brought back a report regarding the Reubenites and Gadites in the land of Gilead.
33 ULB Nety tamin'ny vahoakan'ny Israely ny tatitr'izy ireo. Nisaotra an'Andriamanitra ny vahoakan'Israely ary tsy niresaka ny hiady amin'ny Robenita sy ny Gadita intsony, mba hamotehana ny tany izay nitoeran'izy ireo BSB BSB: The Israelites were satisfied with the report, and they blessed God and spoke no more about going to war against them to destroy the land where the Reubenites and Gadites lived.
34 ULB "Vavolombelona" no nataon'ny Robenita sy ny Gadita anaran'ilay alitara, satria hoy izy ireo hoe: "Io no vavolombelona eo aminay fa Yaveh no Andriamanitra." BSB BSB: So the Reubenites and Gadites named the altar Witness, for they said, “It is a witness between us that the LORD is God.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.