1 ULB Rehefa afaka andro maromaro, rehefa nanome fitsaharana ho an'ny Israely avy ao amin'ireo fahavalony rehetra izay nanodidina azy ireo Yaveh, ary antitra sy nandroso taona Josoa. BSB BSB: A long time after the LORD had given Israel rest from all the enemies around them, when Joshua was old and well along in years,
2 ULB Dia nampiantso ny Israely rehetra Josoa—ireo loholony, ireo mpitariny, ireo mpitsarany, ary ireo manam-boninahiny—ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Tena antitra aho. BSB BSB: he summoned all Israel, including its elders, leaders, judges, and officers. “I am old and well along in years,” he said,
3 ULB Efa hitanareo ny zavatra rehetra izay nataon'i Yaveh Andriamanitrareo tamin'ireo firenena rehetra noho ianareo, fa Yaveh Andriamanitrareo no niady ho anareo. BSB BSB: “and you have seen everything that the LORD your God has done to all these nations for your sake, because it was the LORD your God who fought for you.
4 ULB Indro! Efa notendreko ho anareo ireo firenena izay mbola ho resena ho lovan'ireo fokonareo, miaraka amin'ireo firenena rehetra efa naringako, nanomboka tao Jordana ka hatrany amin'ny Ranomasina Lehibe any andrefana. BSB BSB: See, I have allotted as an inheritance to your tribes these remaining nations, including all the nations I have already cut off, from the Jordan westward to the Great Sea.
5 ULB Handroaka azy ireo Yaveh Andriamanitrareo. Hanosika azy ireo hiala aminareo Izy. Halainy ny tanin'izy ireo, ary haka ny tanin'izy ireo ho fanananareo ianareo, arak'izay nampanantenain'i Yaveh Andriamanitrareo anareo. BSB BSB: The LORD your God will push them out of your way and drive them out before you, so that you can take possession of their land, as the LORD your God promised you.
6 ULB Koa matanjaha, mba hitandremanareo sy hanaovanareo ny rehetra izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, tsy hiala amin'izany mihitsy na miankavanana na miankavia, BSB BSB: Be very strong, then, so that you can keep and obey all that is written in the Book of the Law of Moses, not turning aside from it to the right or to the left.
7 ULB mba tsy hifangaroanareo amin'ireo firenena izay mijanona ho aminareo na hanonona ireo anaran'ny andriamanitr'izy ireo, mianiana amin'izy ireo, nanompo azy ireo, na miankohoka amin'izy ireo. BSB BSB: So you are not to associate with these nations that remain among you. You must not call on the names of their gods or swear by them, and you must not serve them or bow down to them.
8 ULB Fa kosa, mifikira amin'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo tahaka izay efa nataonareo mandraka ankehitriny. BSB BSB: Instead, you shall hold fast to the LORD your God, as you have done to this day.
9 ULB Fa Yaveh nandroaka teo anoloanareo ireo firenena lehibe, matanjaka. Fa ho anareo, tsy misy afaka mitsangana eo anoloanareo mandraka androany. BSB BSB: The LORD has driven out great and powerful nations before you, and to this day no one can stand against you.
10 ULB Ny lahy tokana amin'ny isanareo dia hahatonga ny arivo hitsoaka, satria Yaveh Andriamanitrareo, no Ilay miady ho anareo, tahaka ny nampanantenainy anareo. BSB BSB: One of you can put a thousand to flight, because the LORD your God fights for you, just as He promised.
11 ULB Mitandrema tsara, mba hitiavanareo an'i Yaveh Andriamanitrareo. BSB BSB: Therefore watch yourselves carefully, that you love the LORD your God.
12 ULB Nefa raha miverina sy mifikitra amin'ireo izay sisa velon'ireo firenena izay mijanona eo aminareo ianareo, na raha mifanambady amin'izy ireo, na raha miaraka amin'izy ireo ianareo ary izy ireo miaraka aminareo, BSB BSB: For if you turn away and cling to the rest of these nations that remain among you, and if you intermarry and associate with them,
13 ULB dia fantaro tokoa fa Yaveh Andriamanitrareo tsy handroaka ireo firenena ireo hiala aminareo intsony. Fa kosa, ho lasa fandrika sy tonta ho anareo izy ireo, karavasy ao an-damosinareo ary tsilo eo amin'ny masonareo, mandra-pahafatinareo eto amin'ity tany soa izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ity. BSB BSB: know for sure that the LORD your God will no longer drive out these nations before you. Instead, they will become for you a snare and a trap, a scourge in your sides and thorns in your eyes, until you perish from this good land that the LORD your God has given you.
14 ULB Izao dia handeha amin'ny lalan'ny tany rehetra aho, ary fantatrareo amin'ny fonareo sy ny fanahinareo manontolo fa tsy misy teny iray tsy ho tanteraka tamin'ireo zavatra tsara rehetra izay nampanantenain'i Yaveh Andriamanitrareo anareo. Ireo zavatra rehetra ireo dia efa ho tonga ho anareo. Tsy misy iray amin'izy ireo ho latsaka. BSB BSB: Now behold, today I am going the way of all the earth, and you know with all your heart and soul that not one of the good promises the LORD your God made to you has failed. Everything was fulfilled for you; not one promise has failed.
15 ULB Fa tahaka ny teny rehetra nampanantenain'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ka tanteraka, dia hitondra aminareo ireo zavatra ratsy rehetra Yaveh mandra-pandringanany anareo tsy ho eto amin'ity tany tsara izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ity. BSB BSB: But just as every good thing the LORD your God promised you has come to pass, likewise the LORD will bring upon you the calamity He has threatened, until He has destroyed you from this good land He has given you.
16 ULB Hataony izany raha mandika ny faneken'i Yaveh Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo mba hotandremana ianareo. Raha mandeha sy manompo ireo andriamanin-kafa ary miankohoka amin'izany ianareo, dia hirehitra aminareo ny hatezeran'i Yaveh, ary ho faty haingana tsy ho eo amin'ny tany soa izay nomeny anareo ianareo." BSB BSB: If you transgress the covenant of the LORD your God, which He commanded you, and go and serve other gods and bow down to them, then the anger of the LORD will burn against you, and you will quickly perish from this good land He has given you.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.