1 ULB Rehefa tafita an'i Jordana ny olona rehetra, dia niteny tamin'i Josoa i Yaveh hoe: BSB BSB: When the whole nation had finished crossing the Jordan, the LORD said to Joshua,
2 ULB "Misafidiana ianao lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny vahoaka, lehilahy iray avy isaky ny foko. BSB BSB: “Choose twelve men from among the people, one from each tribe,
3 ULB Omeo azy ireo ity didy ity: 'Mangalà vato roa ambin'ny folo avy ao afovoan'ny Jordana izay ijoroan'ireo mpisorona eo amin'ny tany maina, ary ento manaraka anareo izany ary apetraho eo amin'ny toerana izay hatorianareo anio alina.'" BSB BSB: and command them: ‘Take up for yourselves twelve stones from the middle of the Jordan where the priests were standing, carry them with you, and set them down in the place where you spend the night.’”
4 ULB Ary nantsoin'i Josoa ireo lehilahy roa ambin'ny folo izay efa nosafidiany teo amin'ireo fokon'Israely, iray isaky ny foko. BSB BSB: So Joshua summoned the twelve men he had appointed from the Israelites, one from each tribe,
5 ULB Hoy Josoa tamin'izy ireo hoe: "Mandehana mialohan'ny fiaran'i Yaveh Andriamanitrareo ao afovoan'i Jordana. Hilanja vato eny amin'ny sorony avy ianareo tsirairay, araka ny isan'ireo fokon'ny vahoakan'Israely BSB BSB: and said to them, “Cross over before the ark of the LORD your God into the middle of the Jordan. Each of you is to take a stone upon his shoulder, according to the number of the tribes of Israel,
6 ULB Izany dia ho famantarana eo aminareo rehefa hanontany anareo ny zanakareo amin'ireo andro ho avy hoe: 'Inona no dikan'ireo vato ireo aminareo?' BSB BSB: to serve as a sign among you. In the future, when your children ask, ‘What do these stones mean to you?’
7 ULB Ary hoy ianareo amin'izy ireo hoe: 'Novakiana teo anatrehan'ny fiaran'ny fifaneken'i Yaveh ny ranon'ny Jordana. Rehefa nandalo teo amin'i Jordana izany, dia vaky ny ranon'ny Jordana. Koa ho fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny vahoakan'Israely ireo vato ireo.'" BSB BSB: you are to tell them, ‘The waters of the Jordan were cut off before the ark of the covenant of the LORD. When it crossed the Jordan, the waters were cut off.’ Therefore these stones will be a memorial to the Israelites forever.”
8 ULB Ny vahoakan'Israely dia nanao araka izay nandidian'i Josoa azy, ka naka vato roa ambin'ny folo teo afovoan'ny Jordana izy ireo, araka ny nolazain'i Yaveh an'i Josoa. Nampiakarin'izy ireo araka ny isan'ireo fokon'i Israely ny isan'ireo vato. Nolanjain'izy ireo niaraka tamin'izy ireo ny vato, nankany amin'ny toerana izay nitobian'izy ireo ary napetrany teo ambany teo. BSB BSB: Thus the Israelites did as Joshua had commanded them. They took up twelve stones from the middle of the Jordan, one for each tribe of Israel, just as the LORD had told Joshua; and they carried them to the camp, where they set them down.
9 ULB Avy eo Josoa nametraka vato roa ambin'ny folo teo afovoan'ny Reniranon'ny Jordana, teo amin'ny toerana izay nijoroan'ny tongotr'ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fifanekena. Any izany fahatsiarovana izany mandrak'ankehitriny. BSB BSB: Joshua also set up twelve stones in the middle of the Jordan, in the place where the priests who carried the ark of the covenant stood. And the stones are there to this day.
10 ULB Ireo mpisorona izay nilanja ny fiara dia nijoro teo afovoan'ny Jordana mandra-pahatanteraky ny zavatra rehetra nandidian'i Yaveh ho lazain'i Josoa tamin'ireo vahoaka, araka ireo rehetra efa nandidian'i Mosesy an'i Josoa. Niampita faingana ireo vahoaka. BSB BSB: Now the priests who carried the ark remained standing in the middle of the Jordan until the people had completed everything the LORD had commanded Joshua to tell them, just as Moses had directed Joshua. The people hurried across,
11 ULB Rehefa tapitra niampita daholo ny olona, dia niampita teo anoloan'ny vahoaka ny fiaran'i Yaveh sy ireo mpisorona. BSB BSB: and after everyone had finished crossing, the priests with the ark of the LORD crossed in the sight of the people.
12 ULB Ny fokon'i Robena, ny fokon'i Gada, ary ny atsasaky ny fokon'i Manase dia nandalo mialohan'ny nilaharan'ireo vahoakan'Israely toy ny miaramila, araka ny nolazain'i Mosesy tamin'izy ireo. BSB BSB: The Reubenites, the Gadites, and the half-tribe of Manasseh crossed over before the Israelites, armed for battle as Moses had instructed them.
13 ULB Lehilahy voaomana hiady tokony ho efatra arivo no nandalo teo anoloan'i Yaveh, mba hiady eny amin'ny tany lemak'i Jeriko. BSB BSB: About 40,000 troops armed for battle crossed over before the LORD into the plains of Jericho.
14 ULB Tamin'io andro io dia nataon'Andriamanitra lehibe teo imason'ny vahoakan'Israely rehetra i Josoa. Nanome voninahitra azy izy ireo—tahaka ny nanomezan'izy ireo voninahitra an'i Mosesy—nandritra ny androm-piainany. BSB BSB: On that day the LORD exalted Joshua in the sight of all Israel, and they revered him all the days of his life, just as they had revered Moses.
15 ULB Ary niresaka tamin'i Josoa i Yaveh hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Joshua,
16 ULB "Omeo baiko ireo mpisorona izay nilanja ny fiaran'ny vavolombelona mba hiala avy ao Jordana." BSB BSB: “Command the priests who carry the ark of the Testimony to come up from the Jordan.”
17 ULB Koa dia nanome baiko ireo mpisorona i Josoa hoe: "Mivoaha ao Jordana." BSB BSB: So Joshua commanded the priests, “Come up from the Jordan.”
18 ULB Rehefa nivoaka avy tao afovoan'ny Jordana ireo mpisorona nilanja ilay fiaran'ny fifaneken'i Yaveh, ary niakatra teny amin'ny tany maina ny faladian-tongotr'izy ireo, dia niverina tamin'ny toerany ary nihoatra ny morony ny ranon'ny Jordana, tahaka ny tamin'ny efatra andro mialoha. BSB BSB: When the priests carrying the ark of the covenant of the LORD came up out of the Jordan and their feet touched the dry land, the waters of the Jordan returned to their course and overflowed all the banks as before.
19 ULB Nivoaka avy tao Jordana ireo vahoaka tamin'ny andro fahafolon'ny volana voalohany. Nijanona tao Gilgala izy ireo, atsinanan'ny Jeriko. BSB BSB: On the tenth day of the first month the people went up from the Jordan and camped at Gilgal on the eastern border of Jericho.
20 ULB Ireo vato roa ambin'ny folo izay nalain'izy ireo avy tao Jordana, dia napetrak'i Josoa tao Gilgala. BSB BSB: And there at Gilgal Joshua set up the twelve stones they had taken from the Jordan.
21 ULB Hoy izy tamin'ireo vahoakan'Israely hoe: "Rehefa manontany an'ireo rainy ny taranakareo amin'ny fotoana ho avy hoe: 'Inona ireo vato ireo?' BSB BSB: Then Joshua said to the Israelites, “In the future, when your children ask their fathers, ‘What is the meaning of these stones?’
22 ULB Teneno ny zanakareo hoe: 'Teo no niampitan'i Israely an'ny Jordana tamin'ny tany maina.' BSB BSB: you are to tell them, ‘Israel crossed the Jordan on dry ground.’
23 ULB Nohamainin'i Yaveh Andriamanitrareo ho anareo ny reniranon'ny Jordana, mandra-piampitanareo, tahaka ny nataon'i Yaveh Andriamanitrareo tamin'ilay Ranomasina Mena, izay nohamaininy ho antsika mandra-piampitantsika, BSB BSB: For the LORD your God dried up the waters of the Jordan before you until you had crossed over, just as He did to the Red Sea, which He dried up before us until we had crossed over.
24 ULB mba hahafantaran'ny olona rehetra eto an-tany fa mahery ny tanan'i Yaveh, ary mba hanomezanareo voninahitra an'i Yaveh Andriamanitrareo mandrakizay." BSB BSB: He did this so that all the peoples of the earth may know that the hand of the LORD is mighty, and so that you may always fear the LORD your God.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.