1 ULB Ary nikatona avokoa ny fidirana rehetra nankao Jeriko noho ny tafik'Israely. Tsy nisy nivoaka ary tsy nisy niditra tao. BSB BSB: Now Jericho was tightly shut up because of the Israelites. No one went out and no one came in.
2 ULB Hoy Yaveh tamin'i Josoa hoe: "Indro, efa natolotro teo an-tananao Jeriko, ny mpanjakany, ary ireo miaramila voahomany. BSB BSB: And the LORD said to Joshua, “Behold, I have delivered Jericho into your hand, along with its king and its mighty men of valor.
3 ULB Aoka ianao hanao diabe manodidina ny tanàna, ny lehilahy mpiady no mandeha mihodidina ny tanàna indray mandeha. Aoka hanao izany mandritra ny enin'andro ianao. BSB BSB: March around the city with all the men of war, circling the city one time. Do this for six days.
4 ULB Mpisorona fito no hitondra trompetra fito vita amin'ny tandrok'osy eo anoloan'ny fiara. Amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy manao diabe manodidina ny tanàna impito ianareo, ary tsy maintsy mitsoka mafy ny trompetra ireo mpisorona. BSB BSB: Have seven priests carry seven rams’ horns in front of the ark. Then on the seventh day, march around the city seven times, while the priests blow the horns.
5 ULB Avy eo dia tsy maintsy mampaneno trompetra lavareny amin'ny tandrok'osy izy ireo, ka rehefa mandre ny feon-trompetra ianao dia tsy maintsy mihorakoraka amin'ny hiaka mafy ny vahoaka rehetra, ary hirodana ny mandan'ny tanàna. Tsy maintsy hanafika ireo miaramila, ary hizotra amin'ny hitsiny avy ny tsirairay." BSB BSB: And when there is a long blast of the ram’s horn and you hear its sound, have all the people give a mighty shout. Then the wall of the city will collapse and all your people will charge straight into the city.”
6 ULB Ary niantso an'ireo mpisorona i Josoa zanak'i Nona ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Ento ny fiaran'ny fifanekena, ary aoka hisy mpisorona fito hitondra trompetra tandrok'osy fito ho eo alohan'ny fiaran'ny fifaneken'i Yaveh." BSB BSB: So Joshua son of Nun summoned the priests and said, “Take up the ark of the covenant and have seven priests carry seven rams’ horns in front of the ark of the LORD.”
7 ULB Hoy izy tamin'ireo vahoaka hoe: "Mandehana ary manaova diabe manodidina ny tanàna, ary handeha eo alohan'ny fiaran'i Yaveh ireo lehilahy mitam-piadiana." BSB BSB: And he told the people, “Advance and march around the city, with the armed troops going ahead of the ark of the LORD.”
8 ULB Araka izay nolazain'i Josoa tamin'ny vahoaka, dia nitondra trompetra tandrok'osy fito teo anatrehan'i Yaveh ireo mpisorona fito. Raha nandroso iny izy ireo, dia nitsoka ny trompetra. Nanaraka azy ireo avy ao aoriana ny fiaran'ny fifaneken'i Yaveh. BSB BSB: After Joshua had spoken to the people, seven priests carrying seven rams’ horns before the LORD advanced and blew the horns, and the ark of the covenant of the LORD followed them.
9 ULB Nisy lehilahy mitam-piadiana nandeha teo anoloan'ireo mpisorona, ary nitsoka ny trompetrany izy ireo, fa nandeha niakatra avy ao aorian'izy ireo kosa ireo mpiambina ny vodi-lalana, ary nitsoka ny trompetran'izy ireo hatrany ireo mpisorona. BSB BSB: While the horns continued to sound, the armed troops marched ahead of the priests who blew the horns, and the rear guard followed the ark.
10 ULB Fa Josoa nandidy an'ireo vahoaka, nanao hoe: "Aza mihiaka. Aoka tsy hisy feo hivoaka amin'ny vavanareo ambara-pahatonga ny andro ilazako aminareo mba hihiaka. Amin'izany ihany ianareo vao hihiaka." BSB BSB: But Joshua had commanded the people: “Do not give a battle cry or let your voice be heard; do not let one word come out of your mouth until the day I tell you to shout. Then you are to shout!”
11 ULB Koa nataony nandeha nanodidina ny tanàna indray mandeha ny fiaran'i Yaveh tamin'io andro io. Ary dia niditra ny tobiny izy ireo, dia nitoetra tao an-toby nandritra ny alina. BSB BSB: So he had the ark of the LORD carried around the city, circling it once. And the people returned to the camp and spent the night there.
12 ULB Dia nifoha maraim-be i Josoa, ary nalain'ireo mpisorona ny fiaran'i Yaveh. BSB BSB: Joshua got up early the next morning, and the priests took the ark of the LORD.
13 ULB Nandeha mafy ary nitsoka ny trompetra ireo mpisorona fito, izay nitondra an'ireo trompetra fito tandrok'osy teo alohan'ny fiaran'i Yaveh. Nisy miaramila mitam-piadiana nandeha teo alohan'izy ireo. Fa rehefa nandeha avy taorian'ny fiaran'i Yaveh ireo mpiandry vodi-lalana, dia namoaka feo tsy miato ireo trompetra. BSB BSB: And the seven priests carrying seven rams’ horns kept marching ahead of the ark of the LORD and blowing the horns. The armed troops went in front of them and the rear guard followed the ark of the LORD, while the horns kept sounding.
14 ULB Nanao diabe nanodidina ny tanàna indray mandeha izy ireo tamin'ny andro faharoa ary niverina tany an-toby. Nanao izany nandritra ny enin'andro izy ireo. BSB BSB: So on the second day they marched around the city once and returned to the camp. They did this for six days.
15 ULB Tamin'ny andro fahafito no niaingan'izy ireo vao mangiran-dratsy, ary nanao diabe nanodidina ny tanàna araka ny fomban'izy ireo ihany izy ireo, fa impito tamin'ity indray mitoraka ity. Tamin'io andro io no nanaovan'izy ireo diabe impito nanodidina ny tanàna. BSB BSB: Then on the seventh day, they got up at dawn and marched around the city seven times in the same manner. That was the only day they circled the city seven times.
16 ULB Tamin'ny andro fahafito, tamin'ireo mpisorona nitsoka ireo trompetra tandrok'osy, no nandidian'i Josoa an'ireo vahoaka hoe: "Mihorakoraha! Fa efa nomen'i Yaveh anareo ny tanàna. BSB BSB: After the seventh time around, the priests blew the horns, and Joshua commanded the people, “Shout! For the LORD has given you the city!
17 ULB Natokana ho an'i Yaveh ho fandravana ny tanàna sy izay rehetra ao aminy. Rahaba mpivaro-tena irery ihany no ho velona—izy sy ireo rehetra miaraka aminy ao an-tranony—satria nanafina ireo lehilahy nirahintsika izy. BSB BSB: Now the city and everything in it must be devoted to the LORD for destruction. Only Rahab the prostitute and all those with her in her house will live, because she hid the spies we sent.
18 ULB Ny aminao kosa, miambena amin'ny fakàna ireo zavatra voatokana ho an'ny fandravana, mba tsy haka na inona na inona amin'izany ianao, rehefa avy nasianao marika ho ravana izany. Raha manao izany ianao, dia hahatonga ny tobin'Israely ho zavatra tsy maintsy ho ravana ka hitondra fikorontanana amin'izany. BSB BSB: But keep away from the things devoted to destruction, lest you yourself be set apart for destruction. If you take any of these, you will set apart the camp of Israel for destruction and bring disaster upon it.
19 ULB Ireo volafotsy, volamena, ary ireo zavatra rehetra vita amin'ny varahina sy vy dia voatokana ho an'i Yaveh. Tsy maintsy halefa ao amin'ny fitoeran-drakitr'i Yaveh ireo." BSB BSB: For all the silver and gold and all the articles of bronze and iron are holy to the LORD; they must go into His treasury.”
21 ULB Noringanin'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatra tanteraka izay rehetra tao amin'ilay tanàna—ny lehilahy sy vehivavy, ny tanora sy antitra, ny omby, ny ondry ary ireo boriky. BSB BSB: With the edge of the sword they devoted to destruction everything in the city—man and woman, young and old, oxen, sheep, and donkeys.
22 ULB Avy eo dia hoy Josoa tamin'ireo lehilahy roa nitsikilo tao amin'ilay tany hoe: "Mandehana any an-tranon'ilay mpivaro-tena. Ento mivoaka ilay vehivavy sy ireo rehetra miaraka aminy, araka ny nianiananareo taminy." BSB BSB: Meanwhile, Joshua told the two men who had spied out the land, “Go into the house of the prostitute and bring out the woman and all who are with her, just as you promised her.”
23 ULB Koa dia niditra ary nitondra an'i Rahaba nivoaka ireo tovolahy roa mpitsikilo. Nentin'izy ireo nivoaka ny rainy, ny reniny, ireo anadahiny, ary ireo havany izay niaraka taminy. Nentin'izy ireo tany amin'ny toerana iray ivelan'ny tobin'Israely izy ireo. BSB BSB: So the young spies went in and brought out Rahab, her father and mother and brothers, and all who belonged to her. They brought out her whole family and settled them outside the camp of Israel.
25 ULB Fa navelan'i Josoa ho velona i Rahaba mpivaro-tena, ny ankohonan-drainy, ary ireo rehetra niaraka taminy. Mitoetra any Israely mandrak'ankehitriny izy satria nanafina ireo lehilahy izay nirahin'i Josoa hitsikilo tao Jeriko. BSB BSB: And Joshua spared Rahab the prostitute, with her father’s household and all who belonged to her, because she hid the men Joshua had sent to spy out Jericho. So she has lived among the Israelites to this day.
26 ULB Ary tamin'izany fotoana izany dia nandidy azy ireo tamin'ny fianianana i Josoa, ary niteny hoe: "Voaozona eo imason'i Yaveh anie izay olona mamerina manorina ity tanàna ity, dia i Jeriko. Amin'ny ain'ny zanany lahimatoa no hametrahany fototra, ary amin'ny ain'ny zanany faralahy no hananganany ny vavahadiny." BSB BSB: At that time Joshua invoked this solemn oath: “Cursed before the LORD is the man who rises up and rebuilds this city, Jericho; at the cost of his firstborn he will lay its foundations; at the cost of his youngest he will set up its gates.”
27 ULB Koa dia nomba an'i Josoa i Yaveh, ary niely nanerana ny tany ny lazany. BSB BSB: So the LORD was with Joshua, and his fame spread throughout the land.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.