2 ULB Dia hoy Yaveh: "Hanafika i Joda. Indro, efa nomeko azy ireo ny fifehezana ity tany ity." BSB BSB: “Judah shall go up,” answered the LORD. “Indeed, I have delivered the land into their hands.”
3 ULB Ireo lehilahin'i Joda niteny tamin'ireo lehilahin'i Simeona, rahalahan'izy ireo hoe: "Miakara miaraka aminay any amin'ny faritaninay izay voatendry ho anay fa isika miaraka no afaka miady amin'ireo Kananita. Handeha hiaraka aminareo toy izany any amin'ny faritany izay voatendry ho anareo izahay." Ka nanaraka azy ireo ny fokon'i Simeona. BSB BSB: Then the men of Judah said to their brothers the Simeonites, “Come up with us to our allotted territory, and let us fight against the Canaanites. And we likewise will go with you to your territory.” So the Simeonites went with them.
4 ULB Nanafika ny lehilahin'i Joda, ary nomen'i Yaveh azy ireo ny fandresena an'ireo Kananita sy ireo Perezita. Namono lehilahy iray alina tamin'izy ireo tany Bezeka izy ireo. BSB BSB: When Judah attacked, the LORD delivered the Canaanites and Perizzites into their hands, and they struck down ten thousand men at Bezek.
5 ULB Nahita an'i Adonia Bezeka tany Bezeka izy ireo, ary niady tamin'izy ireo ka nandresy ireo Kananita sy ireo Perezita. BSB BSB: And there they found Adoni-bezek and fought against him, striking down the Canaanites and Perizzites.
6 ULB Fa nitsoaka i Adonia Bezeka, ary nenjehin'izy ireo izy ka tratrany, ary notapahin'izy ireo ny ankihiben-tanany sy ny ankihiben-tongony. BSB BSB: As Adoni-bezek fled, they pursued him, seized him, and cut off his thumbs and big toes.
7 ULB Dia hoy i Adonia Bezeka: "Mpanjaka fitopolo, izay tapaka ny ankihiben-tanany sy ny ankihiben-tongotr'izy ireo, no nanangona ny sakafon'izy ireo tao ambanin'ny latabatro. Tahaka izay efa nataoko, dia toy izany ihany koa no nataon'Andriamanitra tamiko." Nentin'izy ireo tany Jerosalema izy, ary maty tany. BSB BSB: Then Adoni-bezek said, “Seventy kings with their thumbs and big toes cut off have gathered the scraps under my table. As I have done to them, so God has repaid me.” And they brought him to Jerusalem, where he died.
8 ULB Niady tamin'ny tanànan'i Jerosalema ireo lehilahin'i Joda ary naka izany. Nanafika izany tamin'ny lela-tsabatra izy ireo ary nandoro ny tanàna. BSB BSB: Then the men of Judah fought against Jerusalem and captured it. They put the city to the sword and set it on fire.
9 ULB Taorian'izany, nidina hiady amin'ireo Kananita izay nitoetra tany amin'ny tany havoana, tany Negeva, sy tany andrefan'ny tendrombohitra mitandavana ireo lehilahin'i Joda. BSB BSB: Afterward, the men of Judah marched down to fight against the Canaanites living in the hill country, in the Negev, and in the foothills.
10 ULB Nandroso nanohitra ireo Kananita izay nipetraka tany Hebrona i Joda (ny anaran'i Hebrona teo aloha dia i Kiriata Arba), ary nandresy an'i Sesay, Ahimana, ary Talmay izy ireo. BSB BSB: Judah also marched against the Canaanites who were living in Hebron (formerly known as Kiriath-arba), and they struck down Sheshai, Ahiman, and Talmai.
11 ULB Avy teny no nandroso nanohitra ireo mponin'ny Debira ireo lehilahin'i Joda (ny anaran'i Debira teo aloha dia i Kiriaty Sefera). BSB BSB: From there they marched against the inhabitants of Debir (formerly known as Kiriath-sepher).
12 ULB Hoy i Kaleba: "Na iza na iza manafika an'i Kiriaty Sefera ary maka izany, dia homeko azy i Aksa, zanako vavy, mba ho vadiny." BSB BSB: And Caleb said, “To the man who strikes down Kiriath-sepher and captures it, I will give my daughter Acsah in marriage.”
13 ULB Otniela, zanaka lahin'i Kenaza (zandry lahin'i Kaleba) nisambotra an'i Debira, ka dia nomen'i Kaleba azy i Aksa, zanany vavy, mba ho vadiny. BSB BSB: So Othniel son of Caleb’s younger brother Kenaz captured the city, and Caleb gave his daughter Acsah to him in marriage.
14 ULB Tsy ela dia tonga tany amin'i Otniela i Aksa, ary nandrisika azy hangataka amin'ny rainy mba hanome saha iray azy izy. Raha niala tamin'ny ampondrany izy, dia nanontany azy Kaleba hoe: "Inona no azoko atao anao?" BSB BSB: One day Acsah came to Othniel and urged him to ask her father for a field. When she got off her donkey, Caleb asked her, “What do you desire?”
15 ULB Ary hoy izy taminy: "Omeo tso-drano aho. Satria efa nomenao ahy ny tany Negeva, dia omeo loharano ihany koa aho." Ka dia nomen'i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany. BSB BSB: “Give me a blessing,” she answered. “Since you have given me land in the Negev, give me springs of water as well.” So Caleb gave her both the upper and lower springs.
16 ULB Ny taranaky ny rafozan-dahin'i Mosesy ilay Kenita dia niakatra avy tany amin'ny Tanànan-drofia niaraka tamin'ny vahoakan'i Joda, nankany an'efitr'i Joda, izay tany Negeva, mba hiaina miaraka amin'ny vahoakan'i Joda akaikin'i Arada. BSB BSB: Now the descendants of Moses’ father-in-law, the Kenite, went up with the men of Judah from the City of Palms to the Wilderness of Judah in the Negev near Arad. They went to live among the people.
17 ULB Ny lehilahin'i Joda nandeha niaraka tamin'ireo lehilahin'i Simeona rahalahin'izy ireo ary nanafika ireo Kananita izay nonina tany Zefata izy ireo ary noravan'izy ireo tanteraka izany. Ny anaran'ilay tanàna dia nantsoina hoe Horma. BSB BSB: Then the men of Judah went with their brothers the Simeonites, attacked the Canaanites living in Zephath, and devoted the city to destruction. So it was called Hormah.
18 ULB Nosamborin'ny vahoakan'i Joda ihany koa i Gaza sy ireo tany manodidina azy, Askelona sy ny tany manodidina azy, ary Ekrona sy ny tany manodidina azy. BSB BSB: And Judah also captured Gaza, Ashkelon, and Ekron—each with its territory.
19 ULB Niaraka tamin'ireo vahoakan'i Joda i Yaveh ary naka ny tany havoana izy ireo, nefa tsy afaka nandroaka ireo mponin'ny tany lemaka nohon'ny fananan'izy ireo kalesy vy. BSB BSB: The LORD was with Judah, and they took possession of the hill country; but they could not drive out the inhabitants of the plains because they had chariots of iron.
20 ULB Nomena an'i Kaleba i Hebrona (araka ny efa nolazain'i Mosesy), ary noroahiny tao ireo zanaka telo lahin'i Anaka. BSB BSB: Just as Moses had promised, Judah gave Hebron to Caleb, who drove out the descendants of the three sons of Anak.
22 ULB Ny ankohonan'i Josefa dia niomana hanafika an'i Betela, ary nomba azy ireo i Yaveh. BSB BSB: The house of Joseph also attacked Bethel, and the LORD was with them.
23 ULB Naniraka lehilahy hitsikilo an'i Betela izy ireo (ilay tanàna izay nantsoina hoe Lozy teo aloha). BSB BSB: They sent spies to Bethel (formerly known as Luz),
24 ULB Nahita lehilahy nivoaka ny tanàna ireo mpitsikilo, dia hoy izy ireo taminy: "Mba asehoy anay re, ny fomba hidirana ao amin'ny tanàna, dia ho tsara fanahy aminareo izahay." BSB BSB: and when the spies saw a man coming out of the city, they said to him, “Please show us how to get into the city, and we will treat you kindly.”
25 ULB Dia nasehony azy ireo ny lalana mankao amin'ny tanàna, ka dia nanafika ny tanàna tamin'ny lelan-tsabatra izy ireo, nefa navelan'izy ireo nandeha ilay lehilahy sy ny fianakaviany. BSB BSB: So the man showed them the entrance to the city, and they put the city to the sword but released that man and all his family.
26 ULB Avy eo dia nankany amin'ny tanin'ireo Hetita ilay lehilahy ka nanorina tanàna ary nantsoiny hoe Lozy izany, izay anarany mandrak'androany. BSB BSB: And the man went to the land of the Hittites, built a city, and called it Luz, which is its name to this day.
27 ULB Tsy noroahin'ireo vahoakan'ny Manase ireo vahoaka nitoetra tany amin'ny tanànan'i Beta Sana sy ireo zana-bohiny, na Tanasa sy ireo zana-bohiny, na ireo izay nonina tany Dora sy ireo zana-bohiny, na ireo izay nonina tao Ibleama sy ireo zana-bohiny, na ireo izay nonina tany Megido sy ireo zana-bohiny, satria efa tapa-kevitra ny hitoetra amin'izany tany izany ireo Kananita. BSB BSB: At that time Manasseh failed to drive out the inhabitants of Beth-shean, Taanach, Dor, Ibleam, Megiddo, and their villages; for the Canaanites were determined to dwell in that land. 28 ULB Rehefa lasa natanjaka i Israely, dia noteren'izy ireo hanompo azy ireo tamin'ny asa mafy ireo Kananita, nefa tsy mbola nandroaka azy ireo tanteraka izy ireo. BSB BSB: When Israel became stronger, they pressed the Canaanites into forced labor, but they never drove them out completely.
29 ULB Tsy noroahin'i Efraima ireo Kananita izay nonina tany Gezera, ka dia nonina tany Gezera teo amin'izy ireo hatrany ireo Kananita. BSB BSB: Ephraim also failed to drive out the Canaanites living in Gezer; so the Canaanites continued to dwell among them in Gezer.
30 ULB Tsy noroahin'i Zebolona ny vahoaka nipetraka tany Kitrona, na ny vahoaka nipetraka tany Nahalola, ary dia nitoetra teo amin'izy ireo hatrany ireo Kananita, nefa noteren'i Zebolona hanompo azy ireo tamin'ny asa mafy ireo Kananita. BSB BSB: Zebulun failed to drive out the inhabitants of Kitron and Nahalol; so the Canaanites lived among them and served as forced laborers.
31 ULB Tsy noroahin'i Asera ny vahoaka nitoetra tany Ako, na ny vahoaka nitoetra tany Sidona, na ireo izay nitoetra tany Alaba, Akziba, Helba, Afika, na Rehoba. BSB BSB: Asher failed to drive out the inhabitants of Acco, Sidon, Ahlab, Achzib, Helbah, Aphik, and Rehob.
32 ULB Ka dia nitoetra teo amin'ireo Kananita ny fokon'i Asera (ireo izay efa nitoetra tao amin'ilay tany), satria tsy nandroaka azy ireo izy ireo. BSB BSB: So the Asherites lived among the Canaanite inhabitants of the land, because they did not drive them out.
33 ULB Tsy noroahin'ny fokon'i Naftaly ireo izay nitoetra tany Beta Semesa, na ireo izay nitoetra tany Beta Anata. Ka dia nitoetra teo amin'ireo Kananita ny fokon'i Naftaly (ny vahoaka izay efa nitoetra tamin'izany tany izany). Na izany aza, noterena tanatin'ny asa mafy ho an'i Naftaly ireo mponin'i Beta Semesa sy Beta Anata. BSB BSB: Naphtali failed to drive out the inhabitants of Beth-shemesh and Beth-anath. So the Naphtalites also lived among the Canaanite inhabitants of the land, but the inhabitants of Beth-shemesh and Beth-anath served them as forced laborers.
34 ULB Noteren'ireo Amorita hitoetra any amin'ny tany havoana ny fokon'i Dana, ary tsy navelany nidina tany amin'ny lemaka izy ireo. BSB BSB: The Amorites forced the Danites into the hill country and did not allow them to come down into the plain.
35 ULB Ka dia nonina tao an-tendrombohitr'i Heresa, tany Aijalona, ary tany Salbima ireo Amorita, nefa ny miaramila maherin'ny ankohonan'i Josefa nandresy azy ireo, ary dia noteren'izy ireo hanompo azy amin'ny asa mafy izy ireo. BSB BSB: And the Amorites were determined to dwell in Mount Heres, Aijalon, and Shaalbim. But when the house of Joseph grew in strength, they pressed the Amorites into forced labor.
36 ULB Nihitatra avy tany amin'ny havoan'i Akrabima any Sela niakatra hatrany amin'ny tany havoana ny sisin-tanin'ireo Amorita. BSB BSB: And the border of the Amorites extended from the Ascent of Akrabbim to Sela and beyond.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.