1 ULB Niakatra avy tao Gilgala hankany Bokima anjelin'i Yaveh, ary nanao hoe: "Nitondra anareo niakatra avy tao Egypta Aho, ary nitondra anareo tany amin'ny tany nianianako homena ireo razanareo. Hoy aho: 'Tsy handrava ny fanekeko aminareo mihitsy Aho. BSB BSB: Now the angel of the LORD went up from Gilgal to Bochim and said, “I brought you up out of Egypt and led you into the land that I had promised to your fathers, and I said, ‘I will never break My covenant with you,
2 ULB Aza manao fanekena amin'ireo izay mipetraka ao amin'ity tany ity ianareo. Aoka horavanareo ny alitaran'izy ireo.' Nefa tsy nihaino ny feoko ianareo. Fa inona ity nataonareo? BSB BSB: and you are not to make a covenant with the people of this land, but you shall tear down their altars.’ Yet you have not obeyed My voice. What is this you have done?
3 ULB Koa ankehitriny aho dia milaza fa: 'Tsy handroaka ireo Kananita eo anatrehanareo Aho, fa ho lasa tsilo eo anilanareo izy ireo, ary ireo andriamaniny dia ho lasa fandrika ho anareo.'" BSB BSB: So now I tell you that I will not drive out these people before you; they will be thorns in your sides, and their gods will be a snare to you.”
4 ULB Raha niteny ireo teny ireo tamin'ny vahoakan'i Israely rehetra ny anjelin'Andriamanitra, dia nihiaka sy nitomany ny vahoaka. BSB BSB: When the angel of the LORD had spoken these words to all the Israelites, the people lifted up their voices and wept.
5 ULB Nantsoin'izy ireo hoe Bokima izany toerana izany. Nanolotra fanatitra ho an'i Yaveh tao izy ireo. BSB BSB: So they called that place Bochim and offered sacrifices there to the LORD.
6 ULB Ary rehefa naniraka ny vahoaka tamin'ny lalan'izy ireo Josoa, dia nankany amin'ny toerana voatendry ny vahoakan'i Israely tsirairay, mba haka ny tanin'izy ireo. BSB BSB: After Joshua had dismissed the people, the Israelites went out to take possession of the land, each to his own inheritance.
7 ULB Nanompo an'i Yaveh nandritra ny androm-piainan'i Josoa sy ireo loholona izay mbola velona taoriany ny vahoaka, ary ireo izay nahita ny asa lehiben'i Yaveh rehetra nataony ho an'Israely. BSB BSB: And the people served the LORD throughout the days of Joshua and of the elders who outlived him, who had seen all the great works that the LORD had done for Israel.
8 ULB Josoa zanaka lahin'i Nona mpanompon'i Yaveh, dia maty teo amin'ny faha-110 taonany. BSB BSB: And Joshua son of Nun, the servant of the LORD, died at the age of 110.
9 ULB Nandevina azy tao amin'ny faritanin'ny tany nanendrena azy tao Timnata-heresa izy ireo, tao amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny Tendrombohitr'i Gasa. BSB BSB: They buried him in the land of his inheritance, at Timnath-heres in the hill country of Ephraim, north of Mount Gaash.
10 ULB Izany taranaka rehetra izany ihany koa dia nangonina ho amin'ny razan'izy ireo. Nisy taranaka hafa nitombo taorian'izy ireo izay tsy nahafantatra an'i Yaveh na izay nataony tamin'ireo Israely. BSB BSB: After that whole generation had also been gathered to their fathers, another generation rose up who did not know the LORD or the works that He had done for Israel.
11 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh vahoakan'Israely ary nanompo an'i Bala izy ireo. BSB BSB: And the Israelites did evil in the sight of the LORD and served the Baals.
12 ULB Nisaraka tamin'i Yaveh izy ireo, ny Andriamanitry ny razan'izy ireo, izay nitondra azy ireo nivoaka avy tao amin'ny tany Egypta. Nanaraka ireo andriamani-kafa izy ireo, ireo tena andriamanitr'ireo vahoaka izay nanodidina azy ireo, ary niankohoka tamin'ireo. Nanetsika ny fahatezeran'i Yaveh izy ireo satria BSB BSB: Thus they forsook the LORD, the God of their fathers, who had brought them out of the land of Egypt, and they followed after various gods of the peoples around them. They bowed down to them and provoked the LORD to anger,
13 ULB nisaraka tamin'i Yaveh ary nanompo an'i Bala sy ireo Astarta. BSB BSB: for they forsook Him and served Baal and the Ashtoreths.
14 ULB Nirehitra tamin'i Israely ny hatezeran'i Yaveh, ary nomeny an'ireo mpanafika izay nangalatra ny fananan'izy ireo taminy izy ireo. Namidiny ho andevo ireo izay voatazona tamin'ny herin'ny fahavalo manodidina azy ireo, mba tsy hahafahan'izy ireo intsony miaro ny tenany amin'ireo fahavalony. BSB BSB: Then the anger of the LORD burned against Israel, and He delivered them into the hands of those who plundered them. He sold them into the hands of their enemies all around, whom they were no longer able to resist.
15 ULB Na taiza na taiza nandehanan'Israely niady, ny tanan'i Yaveh dia nanohitra azy ireo mba handresy azy ireo, araka ny nianianany tamin'izy ireo ary tao anaty fahoriana mahatsiravina izy ireo. BSB BSB: Wherever Israel marched out, the hand of the LORD was against them to bring calamity, just as He had sworn to them. So they were greatly distressed.
16 ULB Ary Yaveh nanandratra mpitsara, izay namonjy azy ireo tamin'ny tanan'ireo izay nangalatra ny fananan'izy ireo. BSB BSB: Then the LORD raised up judges, who saved them from the hands of those who plundered them.
17 ULB Nefa tsy nihaino ireo mpitsarany izy ireo. Tsy nahatoky tamin'i Yaveh izy ireo ary nanolotra ny tenany toy ny mpijangajanga tamin'ireo andriamani-kafa sy nanompo ireo. Nivily faingana tamin'ny lalana niainan'ireo razany izy ireo_ireo izay nankatò ny didin'i Yaveh_nefa tsy mba nanao toy izany izy ireo. BSB BSB: Israel, however, did not listen to their judges. Instead, they prostituted themselves with other gods and bowed down to them. They quickly turned from the way of their fathers, who had walked in obedience to the LORD’s commandments; they did not do as their fathers had done.
18 ULB Rehefa nanandratra mpitsara ho azy ireo i Yaveh, nanampy ireo mpitsara i Yaeh ary namonjy azy ireo tamin'ny tanan'ireo fahavalon'izy ireo tamin'ny andro rehetra niainanan'ireo mpitsara. Nangoraka azy ireo Yaveh raha nisento noho ireo izay nampahory sy nampijaly azy ireo izy ireo. BSB BSB: Whenever the LORD raised up a judge for the Israelites, He was with that judge and saved them from the hands of their enemies while the judge was still alive; for the LORD was moved to pity by their groaning under those who oppressed them and afflicted them.
19 ULB Fa rehefa maty ny mpitsara, dia niala sy nanao ireo zavatra izay ratsy kokoa noho ny nataon'ireo razany aza izy ireo. Nanaraka ireo andriamani-kafa mba hanompo sy hidera azy izy ireo. Nandà ny hiala tamin'ireo fanaony ratsy rehetra na tamin'ireo lalan'ny ditrany izy ireo. BSB BSB: But when the judge died, the Israelites became even more corrupt than their fathers, going after other gods to serve them and bow down to them. They would not give up their evil practices and stubborn ways.
20 ULB Nirehitra tamin'i Israely ny hatezeran'i Yaveh; hoy Izy: "Satria ity firenena ity dia nandrava ireo tenin'ny fanekeko izay napetrako ho an'ireo razany_satria tsy nihaino ny feoko izy ireo_ BSB BSB: So the anger of the LORD burned against Israel, and He said, “Because this nation has transgressed the covenant I laid down for their fathers and has not heeded My voice,
21 ULB Izaho, manombok'izao, dia tsy handroaka eo anoloan'izy ireo na ny iray amin'ireo firenena izay navelan'i Josoa rehefa maty izy. BSB BSB: I will no longer drive out before them any of the nations Joshua left when he died.
22 ULB Hanao izany Aho mba hahafahako mitsapa ny Israely, na hitandrina ny lalan'i Yaveh sy handeha amin'izany izy ireo na tsia, toy ny nitandreman'ny razan'izy ireo izany." BSB BSB: In this way I will test whether Israel will keep the way of the LORD by walking in it as their fathers did.”
23 ULB Izany no antony nandaozan'i Yaveh ireo firenena ireo sy tsy nandroahany azy ireo faingana tao ary nanomezany azy ireo teo an-tanan'i Josoa. BSB BSB: That is why the LORD had left those nations in place and had not driven them out immediately by delivering them into the hand of Joshua.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.