1 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh indray ny vahoakan'i Israely, ka natolony teo an-tanan'ireo Filistina nandritra ny efapolo taona izy ireo. BSB BSB: Again the Israelites did evil in the sight of the LORD, so He delivered them into the hand of the Philistines for forty years.
2 ULB Nisy lehilahy iray avy any Zora, avy amin'ny fianakavian'ireo Danita, Manoa no anarany. Tsy afaka nitoe-jaza ny vadiny ka dia tsy niteraka izy. BSB BSB: Now there was a man from Zorah named Manoah, from the clan of the Danites, whose wife was barren and had no children.
3 ULB Niseho tamin-dravehivavy ny anjelin'i Yaveh ka nanao taminy hoe: "Indro ankehitriny, tsy afaka nitoe-jaza ianao, ary tsy niteraka, nefa hitoe-jaza ianao ary hiteraka zazalahy. BSB BSB: The angel of the LORD appeared to the woman and said to her, “It is true that you are barren and have no children; but you will conceive and give birth to a son.
4 ULB Ary mitandrema mba tsy hisotro divay na zava-pisotro mahery, ary aza mihinana zavatra maloto. BSB BSB: Now please be careful not to drink wine or strong drink, and not to eat anything unclean.
5 ULB Indro, hitoe-jaza ianao ary hiteraka zazalahy. Tsy hisy hareza ampiasaina amin'ny lohany, satria Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza, ary izy no hanomboka hanafaka ny Israely eo an-tanan'ireo Filistina." BSB BSB: For behold, you will conceive and give birth to a son. And no razor shall touch his head, because the boy will be a Nazirite to God from the womb, and he will begin the deliverance of Israel from the hand of the Philistines.”
6 ULB Ary tonga ravehivavy ka niteny tamin'ny vadiny hoe: "Nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tamiko, ary toy ny anjelin'Andriamanitra ny fahitana azy, tena mampitahotra. Tsy nanontany azy izay niaviany aho, ary tsy nilaza tamiko ny anarany izy. BSB BSB: So the woman went and told her husband, “A man of God came to me. His appearance was like the angel of God, exceedingly awesome. I did not ask him where he came from, and he did not tell me his name.
7 ULB Dia hoy izy tamiko hoe: "Indro! Hitoe-jaza, ary hiteraka zazalahy ianao. Koa noho izany dia aza misotro divay na zava-pisotro mahery, ary aza mihinana sakafo izay ambaran'ny lalàna fa maloto, satria ny zaza dia ho Nazarita ho an'Andriamanitra manomboka amin'ny fotoana maha ao am-bohoka azy ka hatramin'ny andro hahafatesany." BSB BSB: But he said to me, ‘Behold, you will conceive and give birth to a son. Now, therefore, do not drink wine or strong drink, and do not eat anything unclean, because the boy will be a Nazirite to God from the womb until the day of his death.’”
8 ULB Dia nivavaka tamin'i Yaveh i Manoa ka nanao hoe: "Tompo o, mba avelao ilay lehilahin'Andriamanitra nirahinao hiverina aminay indray mba hampianarany anay izay tokony ataonay amin'ny zaza izay ho teraka tsy ho ela." BSB BSB: Then Manoah prayed to the LORD, “Please, O Lord, let the man of God You sent us come to us again to teach us how to raise the boy who is to be born.”
9 ULB Namaly ny vavak'i Manoa i Yaveh, ka tonga tamin-dravehivavy indray ny anjelin'Andriamanitra raha nipetraka tany an-tsaha izy. Nefa tsy niaraka taminy i Manoa vadiny. BSB BSB: And God listened to the voice of Manoah, and the angel of God returned to the woman as she was sitting in the field; but her husband Manoah was not with her.
10 ULB Koa nihazakazaka mafy ravehivavy ary nilaza ny vadiny hoe: "Indro! Niseho tamiko ilay lehilahy_ilay tonga tamiko indray andro iny!" BSB BSB: The woman ran quickly to tell her husband, “Behold, the man who came to me the other day has reappeared!”
11 ULB Dia nitsangana i Manoa ka nanaraka am- badiny. Rehefa tonga teo amin'ilay lehilahy izy, dia hoy izy hoe: "Ianao ve ilay lehilahy niresaka tamin'ny vadiko?" Dia hoy ralehilahy hoe: "Izaho no izy." BSB BSB: So Manoah got up and followed his wife. When he came to the man, he asked, “Are you the man who spoke to my wife?” “I am,” he said.
12 ULB Ka dia hoy i Manoa hoe: "Ankehitriny ho tanteraka anie ireo teninao. Inona no ho fitsipika ho an'ilay zaza, ary inona no ho asany?" BSB BSB: Then Manoah asked, “When your words come to pass, what will be the boy’s rule of life and mission?”
13 ULB Hoy ny anjelin'i Yaveh tamin'i Manoa hoe: "Tsy maintsy hanao am-pitandremana ny zava-drehetra izay nolazaiko taminy izy. BSB BSB: So the angel of the LORD answered Manoah, “Your wife is to do everything I told her.
14 ULB Tsy afaka mihinana na inona na inona izay avy amin'ny voaloboka izy, ary aza avela misotro divay na zava-pisotro mahery; aza avela mihinana sakafo izay ambaran'ny lalàna fa maloto izy. Tokony hankato ny zavatra rehetra nandidiako azy ho ataony izy." BSB BSB: She must not eat anything that comes from the vine, nor drink any wine or strong drink, nor eat anything unclean. She must do everything I have commanded her.”
15 ULB Hoy i Manoa tamin'ilay anjelin'i Yaveh hoe: "Mba mijanona kelikely re, mba hanome fotoana anay hikarakarana zanak'osy ho anao." BSB BSB: “Please stay here,” Manoah said to the angel of the LORD, “and we will prepare a young goat for you.”
16 ULB Hoy ilay anjelin'i Yaveh tamin'i Manoa hoe: "Na dia hijanona aza aho, dia tsy hihinana ny sakafonao akory. Fa raha manomana fanatitra dorana ianao, dia atolory ho an'i Yaveh izany." (Tsy fantatr'i Manoa fa anjelin'i Yaveh izy.) BSB BSB: And the angel of the LORD replied, “Even if I stay, I will not eat your food. But if you prepare a burnt offering, offer it to the LORD.” For Manoah did not know that it was the angel of the LORD.
17 ULB Dia hoy i Manoa tamin'ilay anjelin'i Yaveh hoe: "Iza no anaranao, mba hahafahanay manome voninahitra anao rehefa tanteraka ireo teninao?" BSB BSB: Then Manoah said to the angel of the LORD, “What is your name, so that we may honor you when your word comes to pass?”
18 ULB Dia hoy ilay anjelin'i Yaveh taminy hoe: "Nahoana no manontany ny anarako ianao? Mahafinaritra izany!" BSB BSB: “Why do you ask my name,” said the angel of the LORD, “since it is beyond comprehension?”
19 ULB Ary nalain'i Manoa niaraka tamin'ny fanatitra hohanina ny zanak'osy ka natolony teo ambony vatolampy ho an'i Yaveh ireo. Nanao zava-mahagaga izy raha iny nijery iny i Manoa sy ny vadiny. BSB BSB: Then Manoah took a young goat and a grain offering and offered them on a rock to the LORD. And as Manoah and his wife looked on, the LORD did a marvelous thing.
20 ULB Rehefa niakatra avy teo amin'ny alitara nankany an-danitra ny lela afo, dia niakatra tao anatin'ny lela afon'ny alitara ilay anjelin'i Yaveh. Nahita izany i Manoa sy ny vadiny ary nampiakohoka ny tavan'izy ireo tamin'ny tany. BSB BSB: When the flame went up from the altar to the sky, the angel of the LORD ascended in the flame. When Manoah and his wife saw this, they fell facedown to the ground.
21 ULB Tsy niseho tamin'i Manoa sy ny vadiny intsony ilay anjelin'i Yaveh. Ary fantatr'i Manoa fa anjelin'i Yaveh izy. BSB BSB: And when the angel of the LORD did not appear again to Manoah and his wife, Manoah realized that it had been the angel of the LORD.
22 ULB Hoy i Manoa tamin'ny vadiny hoe: "Ho faty tokoa isika, satria niseho tamintsika Andriamanitra!" BSB BSB: “We are going to die,” he said to his wife, “for we have seen God!”
23 ULB Nefa hoy ny vadiny taminy hoe: "Raha te hamono antsika Andriamanitra, dia tsy nandray ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina nomentsika azy Izy. Tsy tokony nampiseho antsika ireny zavatra rehetra ireny Izy, na namela antsika handre zavatra toy izany amin'izao fotoana izao." BSB BSB: But his wife replied, “If the LORD had intended to kill us, He would not have accepted the burnt offering and the grain offering from our hands, nor would He have shown us all these things or spoken to us this way.”
24 ULB Taty aoriana dia niteraka zazalahy ravehivavy, ary nataony hoe Samsona ny anarany. Nihalehibe ny zaza ary nitahy azy i Yaveh. BSB BSB: So the woman gave birth to a son and named him Samson. The boy grew, and the LORD blessed him.
25 ULB Nanomboka nanetsika azy tany Mahana-dana ny Fanahin'Andriamanitra, teo anelanelan'i Zora sy Estaola. BSB BSB: And the Spirit of the LORD began to stir him at Mahaneh-dan, between Zorah and Eshtaol.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.