1 ULB Nidina tany Timna i Samsona, ary nahita vehivavy iray tany izy, izay iray amin'ireo zanaka vavin'ireo Filistina. BSB BSB: One day Samson went down to Timnah, where he saw a young Philistine woman.
2 ULB Rehefa niverina izy, dia niteny tamin'ny ray sy reniny hoe: "Nahita vehivavy iray tao Timna aho, iray amin'ireo zanaka vavin'ireo Filistina. Ary alaivo mba ho vadiko izy." BSB BSB: So he returned and told his father and mother, “I have seen a daughter of the Philistines in Timnah. Now get her for me as a wife.”
3 ULB Hoy ny ray sy reniny taminy hoe: "Moa ve tsy misy vehivavy amin'ireo zanaka vavin'ny havanao, na amin'ireo vahoakanao rehetra? Haka vady avy amin'ireo Filistina tsy mifora ve ianao?" Hoy i Samsona tamin'ny rainy hoe: "Alaivo ho ahy izy, fa rehefa nijery azy aho, dia mahafinaritra ahy izy." BSB BSB: But his father and mother replied, “Can’t you find a young woman among your relatives or among any of our people? Must you go to the uncircumcised Philistines to get a wife?” But Samson told his father, “Get her for me, for she is pleasing to my eyes.”
4 ULB Fa ny ray sy reniny dia tsy nahalala fa avy amin'i Yaveh izany zavatra izany, satria naniry ny hanangana ady amin'ireo Filistina Izy (satria tamin'izany fotoana izany dia ireo Filistiana no nanjaka tao Israely). BSB BSB: (Now his father and mother did not know this was from the LORD, who was seeking an occasion to move against the Philistines; for at that time the Philistines were ruling over Israel.)
5 ULB Ary nidina tany Timna niaraka tamin'ny ray sy reniny i Samsona, ary nankany amin'ny tanim-boalobok'i Timna izy ireo. Ary, indro, nisy liona tanora iray nanatona ary nierona taminy. BSB BSB: Then Samson went down to Timnah with his father and mother and came to the vineyards of Timnah. Suddenly a young lion came roaring at him,
6 ULB Tonga tampoka taminy ny Fanahin'i Yaveh, ary dia nosamahiny mora toy ny manasamaka zanak'osy ilay liona, ary tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Nefa tsy nolazainy tamin'ny rainy na ny reniny izay nataony. BSB BSB: and the Spirit of the LORD came powerfully upon him, and he tore the lion apart with his bare hands as one would tear a young goat. But he did not tell his father or mother what he had done.
7 ULB Nandeha izy ary niresaka tamin'ilay vehivavy, ary rehefa nijery azy izy, dia nahafinaritra an'i Samsona izy. BSB BSB: Then Samson continued on his way down and spoke to the woman, because she was pleasing to his eyes.
8 ULB Andro vitsivitsy taty aoriana rehefa niverina haka vady azy izy, dia nivily lalana izy mba hijery ny fatin'ilay liona. Ary, indro, nisy andian-tantely sy tantely teo amin'ny sisa tavela tamin'ny vatan'ilay liona. BSB BSB: When Samson returned later to take her, he left the road to see the lion’s carcass, and in it was a swarm of bees, along with their honey.
9 ULB Nangoniny teny an-tanany ilay tantely dia nandeha izy, sady nandeha izy no nihinana. Rehefa tonga tany amin'ny rainy sy ny reniny izy, dia nanomeny ampahany izy ireo, ary nihinana. Nefa tsy nolazainy azy ireo fa nalainy teny amin'ny sisa tavela tamin'ny vatan'ilay liona ilay tantely. BSB BSB: So he scooped some honey into his hands and ate it as he went along. And when he returned to his father and mother, he gave some to them and they ate it. But he did not tell them that he had taken the honey from the lion’s carcass.
10 ULB Nidina tany amin'izay nisy an'ilay vehivavy ny rain'i Samsona, ary nanao fanasana tany i Samsona, satria izany ny fomban'ny tovolahy. BSB BSB: Then his father went to visit the woman, and Samson prepared a feast there, as was customary for the bridegroom.
11 ULB Raha vao hitan'ny havan'ilay vehivavy izy, dia nitondran'izy ireo telopolo tamin'ireo namany mba hiaraka aminy. BSB BSB: And when the Philistines saw him, they selected thirty men to accompany him.
12 ULB Hoy i Samsona tamin'izy ireo hoe: "Avelao aho anio hiteny ankamantatra aminareo. Raha misy iray aminareo mahita izany ary miteny amiko ny valiny mandritra ny fito andro fanasana, dia homeko rongony fotsy madinika telopolo sy akanjo fisolo telopolo. BSB BSB: “Let me tell you a riddle,” Samson said to them. “If you can solve it for me within the seven days of the feast, I will give you thirty linen garments and thirty sets of clothes.
13 ULB Fa raha tsy mahalaza amiko ny valiny ianareo, dia homenareo rongony fotsy madinika sy akanjo fisolo telopolo isa aho." Hoy izy ireo taminy hoe: "Lazao anay ny ankamantatrao, mba hahafahanay mandre izany." BSB BSB: But if you cannot solve it, you must give me thirty linen garments and thirty sets of clothes.” “Tell us your riddle,” they replied. “Let us hear it.”
14 ULB Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Avy ao amin'ny mpihinana no misy zavatra fihinana; avy ao amin'ny matanjaka no misy zavatra malefaka." Saingy tsy nahita ny valiny tao anatin'ny telo andro ireo vahiny nasainy. BSB BSB: So he said to them: “Out of the eater came something to eat, and out of the strong came something sweet.” For three days they were unable to explain the riddle.
15 ULB Tamin'ny andro fahefatra dia hoy izy ireo tamin'ny vadin'i Samsona hoe: "Fitaho ny vadinao mba hilazany aminay ny valin'ilay ankamantatra, raha tsy izany dia hodoranay ianao sy ny tranon'ny rainao. Nasainareo taty mba ho ampahantraina angaha izahay?" BSB BSB: So on the fourth day they said to Samson’s wife, “Entice your husband to explain the riddle to us, or we will burn you and your father’s household to death. Did you invite us here to rob us?”
16 ULB Nanomboka nitomany teo anatrehany ny vadin'i Samsona; hoy izy hoe: "Halanao aho! tsy tia ahy ianao! Nanao ankamantatra tamin'ny sasany tamin'ireo vahoakako ianao, fa tsy nilaza tamiko ny valiny." Hoy Samsona taminy hoe: "Jereo aho, raha tsy nilaza tamin'ny raiko na ny reniko aho, dia tokony hiteny aminao ve?" BSB BSB: Then Samson’s wife came to him, weeping, and said, “You hate me! You do not really love me! You have posed to my people a riddle, but have not explained it to me.” “Look,” he said, “I have not even explained it to my father or mother, so why should I explain it to you?”
17 ULB Nitomany nandritra ny fito andro naharetan'ny fanasana izy. Tamin'ny andro fahafito dia nolazainy taminy ilay valiny satria nanery mafy azy izy. Dia nolazainy tamin'ny havan'ny vahoakany ilay valiny. BSB BSB: She wept the whole seven days of the feast, and finally on the seventh day, because she had pressed him so much, he told her the answer. And in turn she explained the riddle to her people.
18 ULB Nialohan'ny niletehan'ny masoandro tamin'ny andro fahafito dia ireo lehilahy teo an-tanàna taminy hoe: "Inona no mamy mihoatra ny tantely? Inona no matanjaka mihoatra ny liona?" Hoy i Samsona tamin'izy ireo hoe: "Raha tsy niray tsikombakomba tamin'ny vadiko ianareo, dia tsy nahita ny valin'ny ankamantatro." BSB BSB: Before sunset on the seventh day, the men of the city said to Samson: “What is sweeter than honey? And what is stronger than a lion?” So he said to them: “If you had not plowed with my heifer, you would not have solved my riddle!”
19 ULB Ary tonga tampoka tamin-kery tao amin'i Samsona ny Fanahin'i Yaveh. Nidina tao Askelona i Samsona ary namono telopolo tamin'ny lehilahin'izy ireo. Nalainy ny zavatra nobaboin'izy ireo, ary nomeny ireo izay nanazava ilay ankamantatra ny akanjon'izy ireo. Tamim-pahatezerana mafy, dia niakatra tany amin'ny tranon'ny rainy izy. BSB BSB: Then the Spirit of the LORD came mightily upon him, and he went down to Ashkelon, killed thirty of their men, took their apparel, and gave their clothes to those who had solved the riddle. And burning with anger, Samson returned to his father’s house,
20 ULB Natolotra ny namany akaiky azy indrindra ny vadin'i Samsona. BSB BSB: and his wife was given to one of the men who had accompanied him.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.