1 ULB Andro maromaro taty aoriana, nandritra ny fotoam-pijinjam-bary, dia naka zanak'osy i Samsona ary nandeha namangy ny vadiny. Hoy izy tamin'ny tenany hoe: "Handeha ho any amin'ny efitranom-badiko aho." Nefa tsy namela azy niditra ny rainy. BSB BSB: Later on, at the time of the wheat harvest, Samson took a young goat and went to visit his wife. “I want to go to my wife in her room,” he said. But her father would not let him enter.
2 ULB Hoy ny rainy hoe: "Tena nihevitra aho fa nankahala azy ianao, ka nomeko ny namanao izy. Tsara noho izy ny zandriny vavy, sa tsy izany? Alaivo ho solony izy." BSB BSB: “I was sure that you thoroughly hated her,” said her father, “so I gave her to one of the men who accompanied you. Is not her younger sister more beautiful than she? Please take her instead.”
3 ULB Namaly azy ireo i Samsona hoe: "Amin'izany fotoana izany dia tsy hanan-tsiny eo imason'ireo Filistina aho raha manao izay mampalahelo azy ireo." BSB BSB: Samson said to them, “This time I will be blameless in doing harm to the Philistines.”
4 ULB Dia nandeha i Samsona ka nisambotra amboahaolo telonjato ary namatotra azy ireo tsiroaroa, isan-drambony. Avy eo dia naka fanilo izy ka namatotra ireo teo afovoan'ny rambo roa. BSB BSB: Then Samson went out and caught three hundred foxes. And he took torches, turned the foxes tail-to-tail, and fastened a torch between each pair of tails.
5 ULB Rehefa nandrehitra ny fanilo izy, dia namela ireo amboahaolo handeha eny amin'ny vary manirin'ireo Filistina, dia samy nodoran'izy ireo ny vary niangona sy ny vary naniry teny an-tsaha, niaraka tamin'ireo tanim-boaloboka sy ireo tanin'Oliva. BSB BSB: Then he lit the torches and released the foxes into the standing grain of the Philistines, burning up the piles of grain and the standing grain, as well as the vineyards and olive groves.
6 ULB Nanontany ireo Filistina hoe: "Iza no nanao izao?" Nolazaina tamin'izy ireo hoe: "Samsona, ilay vinanto lahin'ilay Timnita, no nanao izao satria naka ny vadin'i Samsona ilay Timinita ary nanome azy ho an'ny namany." Dia nandeha ireo Filistina ary nandoro azy sy ny rainy. BSB BSB: “Who did this?” the Philistines demanded. “It was Samson, the son-in-law of the Timnite,” they were told. “For his wife was given to his companion.” So the Philistines went up and burned her and her father to death.
7 ULB Ary Samsona nanao tamin'izy ireo hoe: "Raha izany no ataonareo, dia hamaly faty anareo aho, ary rehefa vita izany, vao hijanona aho." BSB BSB: And Samson told them, “Because you have done this, I will not rest until I have taken vengeance upon you.”
8 ULB Ary notapatapahiny tamin'ny famonoana lehibe, ny valahany sy fen'izy ireo. Ary nidina izy ka nonina tao anaty lava-bato tao amin'ny hantsan'i Etama. BSB BSB: And he struck them ruthlessly with a great slaughter, and then went down and stayed in the cave at the rock of Etam.
9 ULB Ary niakatra ireo Filistina ka niomana ho amin'ny ady tany Joda ary nanangana ny tafik'izy ireo tany Lehy. BSB BSB: Then the Philistines went up, camped in Judah, and deployed themselves near the town of Lehi.
10 ULB Ireo lehilahin'i Joda nilaza hoe: "Nahoana ianareo no niakatra hanafika anay?" Hoy izy ireo hoe: "Manafika izahay mba hahafahanay misambotra an'i Samsona, ary hanao aminy tahaka izay nataony taminay." BSB BSB: “Why have you attacked us?” said the men of Judah. The Philistines replied, “We have come to arrest Samson and pay him back for what he has done to us.”
11 ULB Ary nisy olon'i Joda telo arivo nidina tao amin'ny lava-baton'ny hantsan'i Etama, ary niteny tamin'i Samsona izy ireo hoe: "Moa ve ianao tsy mahafantatra fa ireo Filistina no mpanapaka eo amintsika? Inona izao nataonao taminay izao?" Namaly azy ireo i Samsona hoe: "Izay nataon'izy ireo tamiko, dia toy izany ihany koa no nataoko tamin'izy ireo." BSB BSB: In response, three thousand men of Judah went to the cave at the rock of Etam, and they asked Samson, “Do you not realize that the Philistines rule over us? What have you done to us?” “I have done to them what they did to me,” he replied.
12 ULB Hoy izy ireo tamin'i Samsona: "Nidina izahay mba hamatotra anao sy hanolotra anao eo am-pelatanan'ireo Filistina. Ary Samsona niteny tamin'izy ireo hoe: "Mianiana amiko fa tsy ianareo no hamono ahy." BSB BSB: But they said to him, “We have come down to arrest you and hand you over to the Philistines.” Samson replied, “Swear to me that you will not kill me yourselves.”
13 ULB Hoy izy ireo taminy hoe: "Tsia, hamatotra anao amin'ny tady fotsiny izahay ary hanolotra anao eo amin'izy ireo. Mampanantena izahay fa tsy hamono anao." Dia namatotra azy tamin'ny tady roa vaovao izy ireo ary nitondra azy niakatra avy tao amin'ny vato. BSB BSB: “No,” they answered, “we will not kill you, but we will tie you up securely and hand you over to them.” So they bound him with two new ropes and led him up from the rock.
14 ULB Rehefa tonga tany Lehy izy, dia nihorakoraka ireo Filistina raha vao nifanena taminy. Tonga taminy tamin-kery ny Fanahin'i Yaveh. Ireo tady teo amin'ny sandriny dia tonga tahaka ny lamba rongony may, ka nilatsaka avy teny amin'ny tanany. BSB BSB: When Samson arrived in Lehi, the Philistines came out shouting against him. And the Spirit of the LORD came mightily upon him. The ropes on his arms became like burnt flax, and the bonds broke loose from his hands.
15 ULB Nahita valanoranon'ampondra vaovao i Samsona, ka naka izany ary namono arivo lahy tamin'izany. BSB BSB: He found the fresh jawbone of a donkey, reached out his hand and took it, and struck down a thousand men.
16 ULB Ary Samsona nilaza hoe: "Tamin'ny valanoranon'ampondra no namonoko arivo lahy, isan'antontany avy." BSB BSB: Then Samson said: “With the jawbone of a donkey I have piled them into heaps. With the jawbone of a donkey I have slain a thousand men.”
17 ULB Rehefa tapitra ny tenin'i Samsona, dia natsipiny ilay valanorano, ary niantsoiny hoe Ramata Lehy ilay toerana. BSB BSB: And when Samson had finished speaking, he cast the jawbone from his hand; and he named that place Ramath-lehi.
18 ULB Nangetaheta mafy i Samsona ka niantso an'i Yaveh ary niteny hoe: "Nanome an'ity fandresena lehibe ity tamin'ny mpanomponao Ianao. Kanefa ankehitriny kosa moa ve ho fatin'ny hetaheta aho ka ho lavo eo an-tanan'ireo izay tsy voafora?" BSB BSB: And being very thirsty, Samson cried out to the LORD, “You have accomplished this great deliverance through Your servant. Must I now die of thirst and fall into the hands of the uncircumcised?”
19 ULB Nanasaraka ilay toerana babangoana izay tany Lehy ka nisy rano nivoaka. Rehefa nisotro izy, dia niverina ny heriny ary velombelona indray izy. Koa nantsoiny hoe En-Hakore ilay toerana, ary izany dia any Lehy mandrak'ankehitriny. BSB BSB: So God opened up the hollow place in Lehi, and water came out of it. When Samson drank, his strength returned, and he was revived. That is why he named it En-hakkore, and it remains in Lehi to this day.
20 ULB Nitsara an'Israely nandritra ny roapolo taona i Samsona tamin'ny andron'ireo Filistina. BSB BSB: And Samson judged Israel for twenty years in the days of the Philistines.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.