1 ULB Tamin'izany andro izany dia mbola tsy nisy mpanjaka tao Israely. Nitady faritra honenana ny fokon'ireo taranak'i Dana, satria tamin'izany andro izany dia tsy nahazo lova tamin'ireo fokon'Israely mihitsy izy ireo. BSB BSB: In those days there was no king in Israel, and the tribe of the Danites was looking for territory to occupy. For up to that time they had not come into an inheritance among the tribes of Israel.
2 ULB Naniraka lehilahy dimy tamin'ireo olona maro be tao amin'ny fokon'izy ireo ny vahoakan'i Dana, lehilahy izay mpiady efa za-draharaha avy amin'i Zora sy Estaola, mba handeha hiaodihaody an-tongotra amin'ilay tany, ary hizaha izany. Hoy izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Mandehana ka zahao ilay tany." Tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima izy ireo, tany amin'ny tranon'i Mika, ka nijanona tao izy ireo ny alina. BSB BSB: So the Danites sent out five men from their clans, men of valor from Zorah and Eshtaol, to spy out the land and explore it. “Go and explore the land,” they told them. The men entered the hill country of Ephraim and came to the house of Micah, where they spent the night.
3 ULB Rehefa nanakaiky ny tranon'i Mika izy ireo, dia nahafantatra ny firesak'ilay zatovo Levita. Koa dia nijanona izy ireo ary nanontany azy hoe: "Iza no nitondra anao taty? Inona no ataonao aty amin'ity toerana ity? Nahoana ianao no eto?" BSB BSB: And while they were near Micah’s house, they recognized the voice of the young Levite; so they went over and asked him, “Who brought you here? What are you doing in this place? Why are you here?”
4 ULB Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Izao no nataon'i Mika tamiko: Nokaramainy ho lasa mpisorony aho." BSB BSB: “Micah has done this and that for me,” he replied, “and he has hired me to be his priest.”
5 ULB Hoy izy ireo taminy hoe: "Mba anontanio re ny hevitr'Andriamanitra, mba hahafantaranay raha hahomby ny dia izay alehanay." BSB BSB: Then they said to him, “Please inquire of God to determine whether we will have a successful journey.”
6 ULB Hoy ilay mpisorona tamin'izy ireo hoe: "Mandehana am-piadanana. Hitarika anareo amin'ny lalana tokony alehanareo i Yaveh." BSB BSB: And the priest told them, “Go in peace. The LORD is watching over your journey.”
7 ULB Ary lasa ireo lehilahy dimy ka tonga tao Laisy, ary nahita izy ireo fa niaina am-piadanana ny vahoaka, tahaka ny fomba niainan'ireo Sidoniana, tsy voakorontana sy voaaro. Tsy nisy nambabo na nampahory azy ireo tamin'ny fomba rehetra tao amin'ilay tany. Nonina lavitra an'ireo Sidoniana izy ireo ary tsy nanana fifandraisana tamin'iza na iza. BSB BSB: So the five men departed and came to Laish, where they saw that the people were living securely, like the Sidonians, quiet and unsuspecting. There was nothing lacking in the land and no oppressive ruler. And they were far away from the Sidonians and had no alliance with anyone.
8 ULB Niverina tany amin'ny fokony any Zora sy Estaola izy ireo. Dia nanontany azy ireo ny havany hoe: "Inona no tatitrareo?" BSB BSB: When the men returned to Zorah and Eshtaol, their brothers asked them, “What did you find?”
9 ULB Hoy izy ireo hoe: "Avia! Andao hanafika azy ireo! Efa hitanay ilay tany ary tena tsara izany. Tsy hanao na inona na inona ve ianareo? Aza mitaredretra hanafika sy haka ilay tany. BSB BSB: They answered, “Come on, let us go up against them, for we have seen the land, and it is very good. Why would you fail to act? Do not hesitate to go there and take possession of the land!
10 ULB Rehefa mandeha ianareo, dia ho tonga any amin'ny vahoaka izay mihevitra fa tsy manana ahiahy izy ireo, ary midadasika ilay tany! Nomen'Andriamanitra anareo izany— dia toerana iray izay tsy ahitana tsy fahampiana ao amin'ilay tany." BSB BSB: When you enter, you will come to an unsuspecting people and a spacious land, for God has delivered it into your hand. It is a place where nothing on earth is lacking.”
11 ULB Nisy eninjato lahy avy amin'ny fokon'i Dana, mitàna fitaovam-piadiana, nivoaka avy tany Zora sy Estaola. BSB BSB: So six hundred Danites departed from Zorah and Eshtaol, armed with weapons of war.
12 ULB Niakatra izy ireo ary nitoby tao Kiriata-jearima, ao Joda. Izany no antony hiantsoan'ny olona io toerana io hoe Mahane-dana mandrak'ankehitriny; ao andrefan'i Kiriata-jearima izany. BSB BSB: They went up and camped at Kiriath-jearim in Judah. That is why the place west of Kiriath-jearim is called Mahaneh-dan to this day.
13 ULB Niala tao nankany amin'ny tany havoan'i Efraima izy ireo ary tonga tao amin'ny tranon'i Mika. BSB BSB: And from there they traveled to the hill country of Ephraim and came to Micah’s house.
14 ULB Dia hoy ireo lehilahy dimy izay nandeha mba hiaodihaody tany amin'ny firenen'i Laisy tamin'ireo havany hoe: "Fantatrareo ve fa ato amin'ireto trano ireto dia misy efoda, terafima, sarin-javatra voasokitra, ary sarin-javatra an'idina? Koa manapaha hevitra ankehitriny ny amin'izay ho ataonareo." BSB BSB: Then the five men who had gone to spy out the land of Laish said to their brothers, “Did you know that one of these houses has an ephod, household gods, a graven image, and a molten idol? Now think about what you should do.”
15 ULB Koa nivily tao izy ireo ary tonga tany amin'ny tranon'ilay zatovo Levita, tao an-tranon'i Mika, ary niarahaba azy izy ireo. BSB BSB: So they turned aside there and went to the home of the young Levite, the house of Micah, and greeted him.
16 ULB Ary ireo Danita eninjato, nanana fitaovam-piadiana, dia nitsangana teo amin'ny fidiran'ny vavahady. BSB BSB: The six hundred Danites stood at the entrance of the gate, armed with their weapons of war.
17 ULB Ireo lehilahy dimy izay nandeha hisafo ilay tany dia nankany ary naka ilay sarin-javatra voasokitra, ilay efoda, ireo terafima, ary ilay sarin-javatra an'idina, raha nijoro teo amin'ny fidirana eo amin'ny vavahady niaraka tamin'ny lehilahy eninjato mitondra fitaovam-piadiana ilay mpisorona. BSB BSB: And the five men who had gone to spy out the land went inside and took the graven image, the ephod, the household idols, and the molten idol, while the priest stood at the entrance of the gate with the six hundred armed men.
18 ULB Rehefa nankao amin'ny tranon'i Mika ireo ka naka ilay sary an'idina, efoda, ireo andriamanitry ny tokantrano, ary ilay sarin-jaratra voasokitra, dia hoy ilay mpisorona tamin'izy ireo hoe: "Inona izao ataonareo izao?" BSB BSB: When they entered Micah’s house and took the graven image, the ephod, the household idols, and the molten idol, the priest said to them, “What are you doing?”
19 ULB Hoy izy ireo taminy hoe: "Mangina! Ataovy eo amin'ny vavanao ny tananao ary andao hiaraka aminay, ary ho rainay sy mpisoronay ianao. Tsara kokoa ho anao ve ny ho mpisorona ho an'ny tranon'ny lehilahy iray, sa mpisorona ho an'ny foko iray sy fianakaviam-be iray ao Israely?" Faly ny fon'ilay mpisorona. BSB BSB: “Be quiet,” they told him. “Put your hand over your mouth and come with us and be a father and a priest to us. Is it better for you to be a priest for the house of one person or a priest for a tribe and family in Israel?”
20 ULB Nalainy ilay efoda, ireo terafima, sy ilay sarin-javatra voasokitra, ary lasa nanaraka ny vahoaka izy. BSB BSB: So the priest was glad and took the ephod, the household idols, and the graven image, and went with the people.
21 ULB Dia nitodika izy ireo ary lasa. Nataon'izy ireo teo alohany ireo zaza madinika, torak'izany koa ireo biby fiompy sy ny fananan'izy ireo. BSB BSB: Putting their small children, their livestock, and their possessions in front of them, they turned and departed.
22 ULB Rehefa lavitra tsara ny tranon'i Mika izy ireo, dia niara-nantsoina ireo lehilahy izay tao amin'ireo trano akaikin'ny tranon'i Mika, ary tratra niaraka tamin'ireo Danita izy ireo. BSB BSB: After they were some distance from Micah’s house, the men in the houses near Micah’s house mobilized and overtook the Danites.
23 ULB Niantso mafy ireo Danita izy ireo, dia nitodika izy ireo ary niteny tamin'i Mika hoe: "Nahoana ianareo no niara-nantsoina?" BSB BSB: When they called out after them, the Danites turned to face them and said to Micah, “What is the matter with you that you have called out such a company?”
24 ULB Hoy izy hoe: "Nangalarinareo ireo andriamanitra izay namboariko, nalainareo ny mpisoroko, ary lasa ianareo. Inona sisa no tavela ho ahy? Ahoana no hahafahanareo manontany ahy hoe: 'Inona no mahory anao?'" BSB BSB: He replied, “You took the gods I had made, and my priest, and went away. What else do I have? How can you say to me, ‘What is the matter with you?’”
25 ULB Hoy ny vahoakan'i Dana taminy hoe: "Tsy tokony hamela anay handre izay rehetra lazainao ianao, raha tsy izany dia hisy olona tezitra mafy hanafika anao, ary ho vonoina ianao sy ny fianakavianao." BSB BSB: The Danites said to him, “Do not raise your voice against us, or angry men will attack you, and you and your family will lose your lives.”
26 ULB Ary nanohy ny lalany ireo vahoakan'i Dana. Rehefa hitan'i Mika fa matanjaka loatra ho azy izy ireo, dia nivily izy ary niverina tany an-tranony. BSB BSB: So the Danites went on their way, and Micah turned to go back home, because he saw that they were too strong for him.
27 ULB Nalain'ny vahoakan'i Dana izay nataon'i Mika, torak'izany ny mpisorony, ary tonga tao Laisy izy ireo, tany amin'ny vahoaka izay tsy voaelingelina sy tsy manana ahiahy ka namono azy ireo tamin'ny sabatra izy ireo ary nandoro ilay tanàna. BSB BSB: After they had taken Micah’s idols and his priest, they went to Laish, to a quiet and unsuspecting people, and they struck them with their swords and burned down the city.
28 ULB Tsy nisy na iza na iza nanavotra azy ireo satria lalana lavitra an'i Sidona izany, ary tsy nanana fifandraisana tamin'iza na iza izy ireo. Tany amin'ny lohasaha izay akaikin'ny Beti-rehoba izany. Namerina nanangana ilay tanàna ireo Danita ka nonina tao. BSB BSB: There was no one to deliver them, because the city was far from Sidon and had no alliance with anyone; it was in a valley near Beth-rehob. And the Danites rebuilt the city and lived there.
31 ULB Ary dia nanompo ny sarin-javatra voasokitra izay nataon'i Mika izy ireo nandritra ny fotoana naha-tao Silo ny tranon'Andriamanitra. BSB BSB: So they set up for themselves Micah’s graven image, and it was there the whole time the house of God was in Shiloh.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.