1 ULB Ary nivoaka toy ny olona iray ireo olon'Israely, avy any Dana ka hatrany Beri-sheba, anisan'izany ihany koa ny tanin'i Gileada, ary niara-nivory teo anatrehan'i Yaveh tany Mizpa izy ireo. BSB BSB: Then all the Israelites from Dan to Beersheba and from the land of Gilead came out, and the congregation assembled as one man before the LORD at Mizpah.
2 ULB Ireo lehiben'i vahoaka rehetra, ny fokon'Israely rehetra, nandray ny toeran'izy ireo tao amin'ny fiangonan'ny vahoakan'Andriamanitra—lehilahy 400. 000 mandeha tongotra, izay vonona hiady amin'ny sabatra. BSB BSB: The leaders of all the people and all the tribes of Israel presented themselves in the assembly of God’s people: 400,000 men on foot, armed with swords.
3 ULB Ary ren'ireo olon'i Benjamina fa niakatra tany Mizpa ireo vahoakan'Israely. Ireo olon'Israely nilaza hoe: "Lazao anay hoe ahoana no nahatonga izao zava-dratsy izao." BSB BSB: (Meanwhile the Benjamites heard that the Israelites had gone up to Mizpah.) And the Israelites asked, “Tell us, how did this wicked thing happen?”
4 ULB Ilay Levita, vadin-dravehivavy iray izay novonoina, namaly hoe: "Nankany Gibea any amin'ny faritra izay an'i Benjamina aho, izaho sy ny vaditsindranoko, mba handany ny alina. BSB BSB: So the Levite, the husband of the murdered woman, answered: “I and my concubine came to Gibeah in Benjamin to spend the night.
5 ULB Nandritra ny alina, dia nanafika ahy ireo mpitarik'i Gibea, nanodidina ilay trano ary nikasa ny hamono ahy. Nosamboriny sy naolan'izy ireo ny vaditsindranoko, ka maty izy. BSB BSB: And during the night, the men of Gibeah rose up against me and surrounded the house. They intended to kill me, but they abused my concubine, and she died.
6 ULB Nalaiko ny vaditsindranoko ary nokapakapaiko ny vatany, ary nalefako tany amin'ny faritry ny lovan'Israely tsirairay ireo, satria nanatanteraka faharatsiana sy fanafintohinana tahaka izany tany Israely izy ireo. BSB BSB: Then I took my concubine, cut her into pieces, and sent her throughout the land of Israel’s inheritance, because they had committed a lewd and disgraceful act in Israel.
7 ULB Ankehitriny, ianareo Israelita rehetra, omeo ny hevitrareo ary manoroa hevitra etoana." BSB BSB: Behold, all you Israelites, give your advice and verdict here and now.”
8 ULB Niara-nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra, ary hoy izy ireo hoe: "Tsy hisy aminay hankany amin'ny lainy, ary tsy hisy aminay hiverina ao an-tranony! BSB BSB: Then all the people stood as one man and said, “Not one of us will return to his tent or to his house.
9 ULB Fa ankehitriny kosa dia izao no tsy maintsy ataontsika an'i Gibea: hanafika azy ireo araka ny hitarihan'ny filokana antsika isik. BSB BSB: Now this is what we will do to Gibeah: We will go against it as the lot dictates.
10 ULB Haka lehilahy folo amin'ny zato manerana ny fokon'Israely rehetra isika, sy zato amin'ny arivo, ary arivo amin'ny iray alina, mba haka vatsy ho an'ireo olona ireo, ka rehefa tonga any Gibea any Benjamina izy ireo, dia hosaziana amin'ny ratsy izay nataon'izy ireo tany Israely." BSB BSB: We will take ten men out of every hundred from all the tribes of Israel, and a hundred out of every thousand, and a thousand out of every ten thousand, to supply provisions for the army when they go to Gibeah in Benjamin to punish them for the atrocity they have committed in Israel.”
11 ULB Noho izany dia niangona hanohitra ny tanàna, toy ny olona iray, ireo miaramilan'Israely rehetra. BSB BSB: So all the men of Israel gathered as one man, united against the city.
12 ULB Nandefa lehilahy tany amin'ny fokon'i Benjamina ireo fokon'Israely, nilaza hoe: "Inona izao ratsy nataonareo teo aminareo izao? BSB BSB: And the tribes of Israel sent men throughout the tribe of Benjamin, saying, “What is this wickedness that has occurred among you?
13 ULB Noho izany, omeo anay ireo lehilahy ratsy fanahy any Gibea ireo, mba hahafahanay mamono ho faty azy ireo, ary mba hanalanay tanteraka izany ratsy izany amin'i Israely." Fa i Benjamina dia tsy te-handre ny tenin'ireo rahalahiny, ireo olon'Israely. BSB BSB: Hand over the wicked men of Gibeah so we can put them to death and purge Israel of this evil.” But the Benjamites refused to heed the voice of their fellow Israelites.
14 ULB Ary niara-nivoaka ny tanàna ireo olon'i Benjamina mba hivonona hiady amin'ny olon'Israely. BSB BSB: And from their cities they came together at Gibeah to go out and fight against the Israelites.
15 ULB Ary niara-nentina avy tao amin'ny tanànan'izy ireo ny olon'Israely mba hiady amin'ny miaramila enina arivo sy roa alina izay efa voaofana hiady amin'ny sabatra. Ankoatr'izay, dia nisy lehilahy fitonjato voafidy avy amin'ireo mponin'i Gibea. BSB BSB: On that day the Benjamites mobilized 26,000 swordsmen from their cities, in addition to the 700 select men of Gibeah.
16 ULB Teo amin'ireo miaramila rehetra dia nisy lehilahy fito arivo voafidy izay kavia. Ny tsirairay tamin'izy ireo dia mahavita mitoraka singam-bolo amin'ny vaton'antsamotady ka tsy mivena. BSB BSB: Among all these soldiers there were 700 select left-handers, each of whom could sling a stone at a hair without missing.
17 ULB Ny vahoakan'Israely, raha tsy isaina ireo avy amin'i Benjamina, dia miisa 400. 000 olona, izay voaomana hiady amin'ny sabatra. Ireo rehetra ireo dia lehilahy mpiady. BSB BSB: The Israelites, apart from Benjamin, mobilized 400,000 swordsmen, each one an experienced warrior.
18 ULB Nitsangana ireo olon'Israely, nandeha tany Betela, ary nangataka torohevitra tamin'Andriamanitra; Nanontany izy ireo hoe: "Iza no hanafika voalohany an'ireo olon'i Benjamina ho anay?" ary Yaveh nilaza hoe: "Joda no hanafika voalohany." BSB BSB: The Israelites set out, went up to Bethel, and inquired of God, “Who of us shall go up first to fight against the Benjamites?” “Judah will be first,” the LORD replied.
19 ULB Nifoha maraina ireo olon'Israely ary namindra ny tobiny akaikin'i Gibea. BSB BSB: The next morning the Israelites set out and camped near Gibeah.
20 ULB Niakatra hiady amin'i Benjamina ireo olon'Israely. Nametraka ireo toerana amin'ny ady tany Gibea izy ireo. BSB BSB: And the men of Israel went out to fight against Benjamin and took up their battle positions at Gibeah.
21 ULB Nivoaka avy any Gibea ireo olon'i Benjamina, ary namono lehilahin'ny tafik'Israely roa arivo sy roa alina taminizany andro izany. BSB BSB: And the Benjamites came out of Gibeah and cut down 22,000 Israelites on the battlefield that day.
22 ULB Fa nampahery tena ny olon'Israely ary namorona filaharana teo amin'ilay toerana izay nilaharan'izy ireo tamin'ny andro voalohany izy ireo. BSB BSB: But the Israelite army took courage and again took their battle positions in the same place where they had arrayed themselves on the first day.
23 ULB Ary niakatra ireo olon'Israely ka nitomany teo anoloan'Yaveh mandra-pahariva ny andro izy ireo, ary nitady lalana tamin'Yaveh izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Moa ve tokony handeha hiady amin'ireo rahalahinay izahay, ireo olon'i Benjamina?" Ary Yaveh nilaza hoe: "Tafiho izy ireo!" BSB BSB: They went up and wept before the LORD until evening, inquiring of Him, “Should we again draw near for battle against our brothers the Benjamites?” And the LORD answered, “Go up against them.”
24 ULB Ka nandeha nanohitra ireo miaramilan'i Benjamina ireo olon'Israely ny andro faharoa. BSB BSB: On the second day the Israelites advanced against the Benjamites.
25 ULB Tamin'ny andro faharoa, dia nivoaka nanohitra azy ireo tany Gibea i Benjamina ary namono lehilahy valo arivo sy iray alina avy tamin'ny olon'Israely. Izy rehetra dia lehilahy voaomana hiady amin'ny sabatra. BSB BSB: That same day the Benjamites came out against them from Gibeah and cut down another 18,000 Israelites, all of them armed with swords.
26 ULB Dia nandeha niakatra ho any Betela avokoa ireo miaramilan'Israely sy ireo vahoaka rehetra ka nitomany, ary nipetraka teo anoloan'i Yaveh tany izy ireo ary nifady hanina mandra-pahariva tamin'izany andro izany ary nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Yaveh. BSB BSB: Then the Israelites, all the people, went up to Bethel, where they sat weeping before the LORD. That day they fasted until evening and presented burnt offerings and peace offerings to the LORD.
27 ULB Nanontany an'i Yaveh ireo olon'Israely—satria tany ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra tamin'izany andro izany, BSB BSB: And the Israelites inquired of the LORD. (In those days the ark of the covenant of God was there,
28 ULB ary nanompo teo anatrehan'ny fiara i Fineasy zanak'i Eliazara zanaka lahin'i Arona tamin'izany andro izany—"Tokony hivoaka hiady amin'ny olon'i Benjamina, rahalahinay, indray mandeha koa ve izahay sa hijanona?" Hoy Yaveh hoe: "Tafiho, satria hanampy anareo handresy azy ireo Aho rahampitso." BSB BSB: and Phinehas son of Eleazar, the son of Aaron, served before it.) The Israelites asked, “Should we again go out to battle against our brothers the Benjamites, or should we stop?” The LORD answered, “Fight, for tomorrow I will deliver them into your hand.”
29 ULB Koa dia nametraka olona tany amin'ny toerana miafina nanodidina an'i Gibea i Israely. BSB BSB: So Israel set up an ambush around Gibeah.
30 ULB Niady tamin'ireo olon'i Benjamina ireo olon'Israely tamin'ny andro fahatelo, ary nametraka ny filaharan'ady nanohitra an'i Gibea izy ireo araka izay efa nataony teo aloha. BSB BSB: On the third day the Israelites went up against the Benjamites and arrayed themselves against Gibeah as they had done before.
31 ULB Nandeha ka niady tamin'ireo vahoaka ny olon'i Benjamina, ary voaroaka niala ny tanàna izy ireo. Nanomboka namono ny sasany tamin'ireo vahoaka izy ireo. Teo amin'ny olon'Israely telopolo teo no maty tany an-tsaha sy teny an-dalana. Ny iray tamin'ireo lalana dia niakatra nankany Betela, ary ny iray hafa dia nankany Gibea. BSB BSB: The Benjamites came out against them and were drawn away from the city. They began to attack the people as before, killing about thirty men of Israel in the fields and on the roads, one of which led up to Bethel and the other to Gibeah.
32 ULB Dia hoy ny olon'i Benjamina hoe: "Resy izy ireo ary nandositra lavitra antsika, toy ny tamin'ny voalohany ihany." Saingy hoy ireo miaramilan'Israely hoe: "Andeha isika hihazakazaka hiverina ka handroaka azy ireo hiala amin'ny tanàna ho eny an-dalana." BSB BSB: “We are defeating them as before,” said the Benjamites. But the Israelites said, “Let us retreat and draw them away from the city onto the roads.”
33 ULB Dia nitsangana avy teo amin'ny toeran'izy ireo ny olon'Israely rehetra ary nanao filaharan'ady tany Bala-tamara. Dia nihazakazaka nivoaka avy tao amin'ny fitoerany ireo miaramilan'Israely izay niafina tao amin'ny toerana fiafenana tao Mare-gibea. BSB BSB: So all the men of Israel got up from their places and arrayed themselves at Baal-tamar, and the Israelites in ambush charged from their positions west of Gibeah.
34 ULB Indreo nisy lehilahy voafantina iray alina avy any Israely nivoaka hanohitra an'i Gibea, ary namaivay ny ady, fa tsy nahalala ireo Benjamita fa nananontanona azy ireo ny loza. BSB BSB: Then 10,000 select men from all Israel made a frontal assault against Gibeah, and the battle was fierce. But the Benjamites did not realize that disaster was upon them.
35 ULB Nandresy an'i Benjamina teo anoloan'Israely i Yaveh. Tamin'izany andro izany, dia nahafaty olon'i Benjamina 25. 100 ireo miaramilan'Israely. Ireo rehetra maty dia ireo izay efa vaomana hiady amin'ny sabatra. BSB BSB: The LORD defeated Benjamin in the presence of Israel, and on that day the Israelites slaughtered 25,100 Benjamites, all armed with swords.
36 ULB Ary hitan'ireo miaramilan'i Benjamina fa resy izy ireo. Nanome lalana an'i Benjamina ireo olon'Israely, satria nahatoky ireo olona izay napetrak'izy ireo tany amin'ny fitoerana niafina tany ivelan'i Gibea izy ireo. BSB BSB: Then the Benjamites realized they had been defeated. Now the men of Israel had retreated before Benjamin because they were relying on the ambush they had set against Gibeah.
37 ULB Dia nitsangana ireo lehilahy niafina ka nirifatra tany Gibea faingana, ary tamin'ny sabatr'izy ireo no namonoany ny olona rehetra izay nonina tao an-tanàna. BSB BSB: The men in ambush rushed suddenly against Gibeah; they advanced and put the whole city to the sword.
38 ULB Ny famantarana nifanarahana teo amin'ireo miaramialan'Israely sy ireo lehilahy niafina mangingina dia hisy rahon-tsetroka lehibe hiakatra avy ao an-tanàna. BSB BSB: The men of Israel had arranged a signal with the men in ambush: When they sent up a great cloud of smoke from the city,
39 ULB Rehefa lasa ny famantarana dia nilavo lefona tamin'ny ady ireo miramilan'Israely. Ary nanomboka nanafika i Benjamina ka nahafaty olon'Israely manodidina ny telopolo, ary hoy izy ireo hoe: "Azo antoka fa resy eo anatrehantsika izy ireo, tahaka ny tamin'ny ady voalohany." BSB BSB: the men of Israel would turn in the battle. When the Benjamites had begun to strike them down, killing about thirty men of Israel, they said, “They are defeated before us as in the first battle.”
40 ULB Rehefa nanomboka nisy andrin-drahona nivoaka avy tao amin'ny tanàna, dia nitodika ireo Benjamita ka nahita setroka nananika ny lanitra avy eo amin'ny tanàna manontolo. BSB BSB: But when the column of smoke began to go up from the city, the Benjamites looked behind them and saw the whole city going up in smoke.
41 ULB Dia nivadika taminizy ireo ny olon'Israely. Raiki-tahotra ireo lehilahin'i Benjamina, fa hitan'izy ireo fa tonga tamin'izy ireo ny loza. BSB BSB: Then the men of Israel turned back on them, and the men of Benjamin were terrified when they realized that disaster had come upon them.
42 ULB Noho izany dia nandositra an'ireo olon'Israely izy ireo, nitsoaka tany amin'ny lalana mankany an'efitra. Nefa nahatratra azy ireo ny ady. Nivoaka ny tanàna ireo miaramilan'Israely ka nahafaty azy ireo teny amin'izay nitsanganany. BSB BSB: So they fled before the men of Israel toward the wilderness, but the battle overtook them, and the men coming out of the cities struck them down there.
43 ULB Nihodidina an'ireo Benjamita izy ireo, nanao haza-lambo azy ireo ary nanosiosy azy ireo tany Noaha, tany amin'ny lalan'ny ilany antsinanan'i Gibea. BSB BSB: They surrounded the Benjamites, pursued them, and easily overtook them in the vicinity of Gibeah on the east.
44 ULB Valo arivo sy iray alina no olona maty avy tao amin'ny fokon'i Benjamina, ny rehetra tamin'izy ireo dia lehilahy niavaka tamin'ny ady. BSB BSB: And 18,000 Benjamites fell, all men of valor.
45 ULB Nihodina izy ireo ary nandositra nizotra nankany an'efitra tany amin'ny vatolampin'i Rimona. Nahafaty olona dimy arivo hafa tamin'izy ireo ny Israelita teny an-dalana. Nanenjika azy ireo hatrany izy ireo, ary nanaraka azy ireo akaiky tany an-dalana nankany Gidoma, ary tany no namonoan'izy ireo olona roa arivo fanampiny. BSB BSB: Then the Benjamites turned and fled toward the wilderness to the rock of Rimmon, and Israel cut down 5,000 men on the roads. And they overtook them at Gidom and struck down 2,000 more.
46 ULB Dimy arivo sy roa alina ireo miaramilan'i Benjamina rehetra lavo tamin'izany andro izany—dia lehilahy izay voaomana hiady amin'ny sabatra; izy rehetra dia niavaka tamin'ny ady. BSB BSB: That day 25,000 Benjamite swordsmen fell, all men of valor.
47 ULB Nefa lehilahy eninjato no nihodina ka nandositra tany an'efitra, nankany amin'ny vatolampin'i Rimona. Nitoetra tany amin'ny vatolampin'i Rimona nandritra ny efa-bolana izy ireo. BSB BSB: But 600 men turned and fled into the wilderness to the rock of Rimmon, where they stayed four months.
48 ULB Niverina hanohitra ireo olon'i Benjamina ireo miaramilan'Israely ary nanafika sy namono azy ireo—ny tanàna manontolo, ireo biby fiompy, ary ireo zavatra rehetra izay hitan'izy ireo. Nodoran'izy ireo ihany koa ireo tanàna rehetra teny amin'ny lalan'izy ireo. BSB BSB: And the men of Israel turned back against the other Benjamites and put to the sword all the cities, including the animals and everything else they found. And they burned down all the cities in their path.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.