1 ULB Ary ny lehilahin'Israely nanao fampanantenana tao Mizpa hoe: "Tsy hisy amintsika hanome ny zanany vavy hanambady Benjamita." BSB BSB: Now the men of Israel had sworn an oath at Mizpah, saying, “Not one of us will give his daughter in marriage to a Benjamite.”
2 ULB Dia nankany Betela ny vahoaka ka nitoetra tany teo anatrehan'Andriamanitra hatramin'ny hariva, ary nitomany mafy tamin'ny feo avo izy ireo. BSB BSB: So the people came to Bethel and sat there before God until evening, lifting up their voices and weeping bitterly.
3 ULB Hoy izy ireo niantso mafy: "Nahoana, ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, no dia nitranga tamin'ny Israely izao, ka tsy ho eto aminay intsony ny iray amin'ireo fokonay ankehitriny?" BSB BSB: “Why, O LORD God of Israel,” they cried out, “has this happened in Israel? Today in Israel one tribe is missing!”
4 ULB Nifoha maraina ny vahoaka ny ampitson'iny ka nanangana alitara teo ary nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. BSB BSB: The next day the people got up early, built an altar there, and presented burnt offerings and peace offerings.
5 ULB Hoy ny vahoakan'Israely hoe: "Iza tamin'ireo fokon'Israely no tsy niakatra tao amin'ny fiangonana tany amin'i Yaveh?" Satria nanao fampanantenana lehibe tokoa izy ireo mahakasika ny olona izay tsy niakatra teo amin'i Yaveh tany Mizpa. Hoy izy ireo hoe: "Tena hovonoina ho faty izy." BSB BSB: The Israelites asked, “Who among all the tribes of Israel did not come to the assembly before the LORD?” For they had taken a solemn oath that anyone who failed to come up before the LORD at Mizpah would surely be put to death.
6 ULB Nanana fangoraham-po tamin'i Benjamina rahalahin'izy ireo ny vahoakan'Israely. Hoy izy ireo hoe: "Voafongotra tsy ho eo amin'ny Israely ny foko iray ankehitriny. BSB BSB: And the Israelites grieved for their brothers, the Benjamites, and said, “Today a tribe is cut off from Israel.
7 ULB Iza no hanome vady ireo sisa tavela, satria efa nanao fampanantenana tamin'i Yaveh isika fa tsy hamela azy ireo hanambady ireo zanantsika vavy?" BSB BSB: What should we do about wives for the survivors, since we have sworn by the LORD not to give them our daughters in marriage?”
8 ULB Hoy izy ireo hoe: "Iza tamin'ireo fokon'i Israely no tsy niakatra tany amin'i Yaveh tany Mizpa?" Fantatra fa tsy nisy olona tonga tao amin'ny fiangonana ny avy tany Jabesy Gileada. BSB BSB: So they asked, “Which one of the tribes of Israel failed to come up before the LORD at Mizpah?” And, in fact, no one from Jabesh-gilead had come to the camp for the assembly.
9 ULB Fa rehefa niainga tamin'ny fomba nirindra ny vahoaka, indro, tsy nisy tonga teo ireo mponin'i Jabesy Gileada. BSB BSB: For when the people were counted, none of the residents of Jabesh-gilead were there.
10 ULB Naniraka roa arivo sy iray alina tamin'ireo lehilahy be herim-po indrindra miaraka amin'ny toromarika ny fiangonana mba handeha any Jabesy Gileada ka hanafika azy ireo, ary hamono azy ireo, eny fa na dia ny zaza amam-behivavy aza. BSB BSB: So the congregation sent 12,000 of their most valiant men and commanded them: “Go and put to the sword those living in Jabesh-gilead, including women and children.
11 ULB "Izao no ataovy: tsy maintsy vonoinareo ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa niara-nandry tamina lehilahy." BSB BSB: This is what you are to do: Devote to destruction every male, as well as every female who has had relations with a man.”
12 ULB Nahita tovovavy efajato izay mbola tsy niara-nandry tamina lehilahy tamin'ireo velona tao Jabesy Gileada ireo lehilahy, ka nentin'izy ireo tany an-toby tany Silo, tany Kanàna izy ireo. BSB BSB: So they found among the inhabitants of Jabesh-gilead four hundred young women who had not had relations with a man, and they brought them to the camp at Shiloh in the land of Canaan.
13 ULB Nandefa hafatra tamin'ireo vahoakan'i Benjamina izay tany amin'ny harambaton'i Rimona ny fiangonana manontolo fa nanolotra fihavanana ho azy ireo izy ireo. BSB BSB: Then the whole congregation sent a message of peace to the Benjamites who were at the rock of Rimmon.
14 ULB Niverina tamin'izany andro izany ireo Benjamita ary nomena azy ireo ny vehivavin'i Jabesy Gileada, nefa tsy ampy ho azy rehetra ireo ny vehivavy. BSB BSB: And at that time the Benjamites returned and were given the women who were spared from Jabesh-gilead. But there were not enough women for all of them.
15 ULB Nanenina tamin'izay nitranga tamin'i Benjamina ny vahoaka, satria nozarazarain'i Yaveh ireo fokon'Israely. BSB BSB: The people grieved for Benjamin, because the LORD had made a void in the tribes of Israel.
16 ULB Dia hoy ireo mpitarika ny fiangonana hoe: "Hataontsika ahoana ny hanomezana vady ho an'ireo Benjamita izay sisa tavela, satria efa novonoina ireo vehivavin'ny Benjamina?" BSB BSB: Then the elders of the congregation said, “What should we do about wives for those who remain, since the women of Benjamin have been destroyed?”
17 ULB Hoy izy ireo hoe: "Tsy maintsy misy lova ho an'ireo sisa velon'i Benjamina, mba tsy hisy foko voaringana amin'ny Israely. BSB BSB: They added, “There must be heirs for the survivors of Benjamin, so that a tribe of Israel will not be wiped out.
18 ULB Tsy afaka manome vady avy amin'ireo zanakay vavy ho azy ireo izahay, satria nanao fampanantenana ireo vahoakan'Israely hoe: 'Voaozona izay manome vady an'i Benjamina.'" BSB BSB: But we cannot give them our daughters as wives.” For the Israelites had sworn, “Cursed is he who gives a wife to a Benjamite.”
19 ULB Dia hoy izy ireo hoe: "Fantatrareo fa isan-taona dia misy andro firavoravoana ho an'i Yaveh any Silo (avaratr'i Betela, atsinanan'ny lalana miakatra avy any Betela mankany Sekema, ary atsimon'i Lebona)." BSB BSB: “But look,” they said, “there is a yearly feast to the LORD in Shiloh, which is north of Bethel east of the road that goes up from Bethel to Shechem, and south of Lebonah.”
20 ULB Nandidy ireo lehilahin'ny Benjamina izy ireo, nanao hoe: "Mandehana ka miafena ary miandrasa ao amin'ny tanim-boaloboka. BSB BSB: So they commanded the Benjamites: “Go, hide in the vineyards
21 ULB Miandrasa ny fotoana izay hivoahan'ireo zazavavy avy any Silo handihy, dia mivoaha faingana avy ao amin'ny tanim-boaloboka ka misambora vady avy amin'ireo zazavavy avy any Silo ny tsirairay avy aminareo, avy eo dia miverena any amin'ny tanin'i Benjamina. BSB BSB: and watch. When you see the daughters of Shiloh come out to perform their dances, each of you is to come out of the vineyards, catch for himself a wife from the daughters of Shiloh, and go to the land of Benjamin.
22 ULB Rehefa tonga hanohitra antsika ireo rain'izy ireo na ireo anadahin'izy ireo, dia hiteny isika hoe: 'Anehoy famindram-po izahay! Avelao izy ireo hijanona satria tsy mba nahazo vady ho an'ny lehilahy tsirairay nandritra ny ady izahay. Tsy manan-tsiny ianareo, satria tsy nomenareo azy ireo ny zanakareo vavy." BSB BSB: When their fathers or brothers come to us to complain, we will tell them, ‘Do us a favor by helping them, since we did not get wives for each of them in the war. Since you did not actually give them your daughters, you have no guilt.’”
23 ULB Nataon'ny vahoakan'i Benjamina izany. Nalain'izy ireo tamin'ireo zazavavy izay nandihy ny isan'ny vady izay nilain'izy ireo ka dia nentin'izy ireo ho vadiny izy ireo. Lasa izy ireo ary niverina tany amin'ny toeran -dovan'izy ireo. Nahorin'izy ireo indray ny tanàna sy nipetraka tao amin'izany. BSB BSB: The Benjamites did as instructed and carried away the number of women they needed from the dancers they caught. They went back to their own inheritance, rebuilt their cities, and settled in them.
24 ULB Dia nandao izany toerana izany ka nandeha nody ny vahoakan'i Israely, samy any amin'ny foko sy ny fianakaviany avy, ary samy any amin'ny lovany avy. BSB BSB: And at that time, each of the Israelites returned from there to his own tribe and clan, each to his own inheritance.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.