1 ULB Tamin'ny andro nanapahan'ireo mpitsara dia nisy mosary teo amin'ny tany, ary nisy lehilahy iray avy tao Betleheman'i Joda nandeha tany amin'ny tanin'i Moaba niaraka tamin'ny vadiny sy ireo zanany roa lahy. BSB BSB: In the days when the judges ruled, there was a famine in the land. And a certain man from Bethlehem in Judah, with his wife and two sons, went to reside in the land of Moab.
2 ULB Ny anaran'ilay lehilahy dia Elimeleka, ary ny anaran'ny vadiny dia Naomy. Ny anaran'ireo zanany roa lahy dia Malona sy Kiliona, izay Efratita avy any Betleheman'i Joda. Tonga tany amin'ny tanin'i Moaba izy ireo ary nonina tao. BSB BSB: The man’s name was Elimelech, his wife’s name was Naomi, and the names of his two sons were Mahlon and Chilion. They were Ephrathites from Bethlehem in Judah, and they entered the land of Moab and settled there.
3 ULB Ary maty i Elimeleka, vadin'i Naomy, ka izy sisa no tavela niaraka tamin'ny zanany roa lahy. BSB BSB: Then Naomi’s husband Elimelech died, and she was left with her two sons,
4 ULB Ireo zanany lahy ireo dia naka vady tamin'ireo vehivavin'i Moaba; ny anaran'ny anankiray dia i Orpa, ary ny anaran'ny iray dia Rota. Nipetraka tao nandritra ny folo taona izy ireo. BSB BSB: who took Moabite women as their wives, one named Orpah and the other named Ruth. And after they had lived in Moab about ten years,
5 ULB Avy eo dia maty i Malona sy Kilona, namela an'i Naomy tsy misy vadiny ary tsy misy ireo zanany roa. BSB BSB: both Mahlon and Chilion also died, and Naomi was left without her two sons and without her husband.
6 ULB Avy eo Naomy nanapa-kevitra ny handao an'i Moaba miaraka amin'ny vinantony vavy ary niverina tany Joda satria efa henony tao amin'ny faritr'i Moaba fa efa nanampy ny vahoakany izay nila fanampiana i Yaveh ary nanome sakafo azy ireo. BSB BSB: When Naomi heard in Moab that the LORD had attended to His people by providing them with food, she and her daughters-in-law prepared to leave the land of Moab.
7 ULB Dia nandao ny toerana izay niarahany tamin'ny vinantony vavy roa izy, ka nandeha nidina ny lalàna izy ireo mba hiverina amin'ny tanin'i Joda. BSB BSB: Accompanied by her two daughters-in-law, she left the place where she had been living and set out on the road leading back to the land of Judah.
8 ULB Hoy i Naomy tamin'ireo vinantony vavy roa hoe: "Mandehana, miverina, any amin'ny tranon-dreninareo, ianareo tsirairay avy. Yaveh anie hampiseho ny hatsaram-panahy eo aminareo, toy ny nampisehoanareo hatsaram-panahy tamin'ny maty sy tamiko. BSB BSB: Then Naomi said to her two daughters-in-law, “Go back, each of you to your mother’s home. May the LORD show you loving devotion, as you have shown to your dead and to me.
9 ULB Ny Tompo anie hanome anareo ka hahitanareo fiadanana, ianareo tsirairay avy ao amin'ny tranon'izay vady haf. "Ary nanoroka azy ireo izy, sady nanandratra ny feony izy ireo no nitomany. BSB BSB: May the LORD enable each of you to find rest in the home of your new husband.” And she kissed them as they wept aloud
10 ULB Hoy izy ireo taminy hoe: "Tsia! hiara-hiverina aminao ho any amin'ny vahoakanao izahay." BSB BSB: and said, “Surely we will return with you to your people.”
11 ULB Nefa i Naomy nilaza hoe: "Mandehana miverina, ry zanako vavy! Nahoana ianareo no handeha hanaraka ahy? Mbola hanana zazalahy ato an-kiboko ve aho ho anareo, ka ho lasa vadinareo izy ireo? BSB BSB: But Naomi replied, “Return home, my daughters. Why would you go with me? Are there still sons in my womb to become your husbands?
12 ULB Mandehana miverina, ry zanako vavy, zory ny lalanareo, fa efa antitra aho raha hanambady. Raha miteny aho hoe: 'Manantena aho fa hahazo vady anio alina,' ary hiteraka zazalahy, BSB BSB: Return home, my daughters. Go on, for I am too old to have another husband. Even if I thought there was hope for me to have a husband tonight and to bear sons,
13 ULB dia mbola hahandry azy ireo mandra-pahalehibehiny ve ianareo? Hahandry ve ianareo ary tsy hanambady lehilahy ankehitriny? Tsia, ry zanako vavy! Mampalahelo ahy indrindra izany, mihoatra noho ny alahelonareo ny amin'izany, satria ny tanan'i Yaveh no namely ahy." BSB BSB: would you wait for them to grow up? Would you refrain from having husbands? No, my daughters, it is much more bitter for me than for you, because the hand of the LORD has gone out against me.”
14 ULB Ary nanandratra ny feony ireo vinantony vavy sady nitomany indray. Nanoroka nanao veloma ny rafozany vavy i Orpa, fa i Rota nifikitra teo aminy. BSB BSB: Again they wept aloud, and Orpah kissed her mother-in-law goodbye, but Ruth clung to her.
15 ULB Hoy Naomy hoe: "Henoy, nody tany amin'ireo vahoakany sy ireo andriamaniny ny zaobavinao. Miverena miaraka amin'ny zaobavinao." BSB BSB: “Look,” said Naomi, “your sister-in-law has gone back to her people and her gods; follow her back home.”
16 ULB Nefa i Rota nilaza hoe: "Aza avela hanalavitra anao aho, fa izay alehanao, dia halehako; izay hijanonanao, dia hijanonako; ny vahoakanao dia ho vahoakako, ary ny Andriamanitrao dia ho Andriamanitro. BSB BSB: But Ruth replied: “Do not urge me to leave you or to turn from following you. For wherever you go, I will go, and wherever you live, I will live; your people will be my people, and your God will be my God.
17 ULB Izay toerana hahafatesanao, dia hahafatesako, ary any no handevenana ahy. Yaveh anie hanasazy ahy, ary mihoatra aza, raha ny fahafatesana fa tsy zavatra hafa ihany no mampisaraka antsika." BSB BSB: Where you die, I will die, and there I will be buried. May the LORD punish me, and ever so severely, if anything but death separates you and me.”
18 ULB Rehefa hitan'i Naomy fa tapa-kevitra handeha hiaraka aminy i Rota, dia nanajanona ny fiadian-kevitra taminy izy. BSB BSB: When Naomi saw that Ruth was determined to go with her, she stopped trying to persuade her.
19 ULB Dia nandeha izy roa mandra-pahatongan'izy ireo tao an-tanàn'i Betlehema. Izao no nitranga rehefa tonga tao Betlehema izy ireo, ny tao an-tanàna manontolo dia taitra tamin'izy ireo. Hoy ireo vehivavy hoe: Naomy ve ity? BSB BSB: So Naomi and Ruth traveled until they came to Bethlehem. When they entered Bethlehem, the whole town was stirred because of them, and the women of the town exclaimed, “Can this be Naomi?”
20 ULB Kanefa hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Aza antsoina hoe Naomy aho. Antsoy hoe Mara aho, satria nampitondra ahy ny mangidy indrindra ny Tsitoha. BSB BSB: “Do not call me Naomi,” she replied. “Call me Mara, because the Almighty has dealt quite bitterly with me.
21 ULB Nivoaka feno aho, nefa Yaveh nitondra ahy niverina tamin'ny tanam-polo tao an-trano. Noho izany nahoana ianareo no miantso ahy hoe Naomy, amin'ny fahitana ny fanamelohan'i Yaveh ahy, fa ilay Tsitoha dia nampahory ahy?" BSB BSB: I went away full, but the LORD has brought me back empty. Why call me Naomi? After all, the LORD has testified against me, and the Almighty has afflicted me.”
22 ULB Ary Naomy sy Rota ilay Moabita, vinantovaviny dia niverina tany amin'ny tanin'i Moaba. Tonga tao Betlehema izy ireo tamin'ny fiandohan'ny fijinjam-bary. BSB BSB: So Naomi returned from the land of Moab with her daughter-in-law Ruth the Moabitess. And they arrived in Bethlehem at the beginning of the barley harvest.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.