1 ULB Ary Elimeleka, vadin'i Naomy, dia nanana havana akaiky, i Boaza, izay nanan-karena, sy lehilahy nanam-pahefana. BSB BSB: Now Naomi had a relative on her husband’s side, a prominent man of noble character from the clan of Elimelech, whose name was Boaz.
2 ULB Rota, ilay Moabita, niteny tamin'i Naomy hoe: "Ankehitriny avelao aho handeha ary hitsimpona izay sisa tavela amin'ireo salohim-bary eny an-tsaha. Hanaraka izay olona hahitako fitia eo imasony aho." Koa hoy i Naomy taminy hoe: "Mandehana, ry zanako vavy." BSB BSB: And Ruth the Moabitess said to Naomi, “Please let me go into the fields and glean heads of grain after someone in whose sight I may find favor.” “Go ahead, my daughter,” Naomi replied.
3 ULB Dia lasa i Rota ary nitsimpona izay sisa tavela teny amin'ny saha rehefa avy nojinjain'izy ireo izany. Ary sendra tonga teo amin'ny anjara sahan'i Boaza, izay havan'i Elimeleka izy. BSB BSB: So Ruth departed and went out into the field and gleaned after the harvesters. And she happened to come to the part of the field belonging to Boaz, who was from the clan of Elimelech.
4 ULB Ary indro, Boaza tonga avy tany Betlehema ary niteny tamin'ireo mpijinja hoe: "Ho aminareo anie i Yaveh." Namaly azy izy ireo hoe: "Hitahy anao anie i Yaveh." BSB BSB: Just then Boaz arrived from Bethlehem and said to the harvesters, “The LORD be with you.” “The LORD bless you,” they replied.
5 ULB Ary Boaza niteny tamin'ny mpanompony izay nanara-maso ireo mpijinja hoe: "Zanak'iza moa io tovovavy io?" BSB BSB: And Boaz asked the foreman of his harvesters, “Whose young woman is this?”
6 ULB Ilay mpanompo mpanara-maso ny mpijinja namaly ary niteny hoe: "Tovovavy Moabita niara-niverina tamin'i Naomy avy any amin'ny tanin'i Moaba io. BSB BSB: The foreman answered, “She is the Moabitess who returned with Naomi from the land of Moab.
7 ULB Niteny tamiko izy hoe: 'Mba avelao re aho hitsimpona izay ambiny eo an-tsaha rehefa avy mijinja ny vokatra ireo mpiasa.' Koa dia tonga teto izy ka nanohy nanomboka tamin'ny maraina ka hatramin'izao, fa naka-aina kely tao an-trano izy." BSB BSB: She has said, ‘Please let me glean and gather among the sheaves after the harvesters.’ So she came out and has continued from morning until now, except that she rested a short time in the shelter.”
8 ULB Dia hoy Boaza tamin'i Rota: "Mihaino ahy ve ianao, anaka? Aza mandeha mitsimpona any amin'ny saha hafa; aza mandao ny sahako. Fa kosa, mijanòna eto ka miaraha-miasa amin'ireo tovovavy mpiasako. BSB BSB: Then Boaz said to Ruth, “Listen, my daughter. Do not go and glean in another field, and do not go away from this place, but stay here close to my servant girls.
9 ULB Eo amin'ny saha izay hijinjan'ny zatovo ihany no afantohy ny masonao ka manaraha avy aorian'ireo vehivavy hafa. Tsy efa niteny ireo zatovo tsy hikasika anao ve aho? Na oviana na oviana ianao no mangetaheta, dia afaka mankeo amin'ny sinin-drano ianao ary misotro ny rano izay nantsakain'ireo zatovo." BSB BSB: Let your eyes be on the field they are harvesting, and follow along after these girls. Indeed, I have ordered the young men not to touch you. And when you are thirsty, go and drink from the jars the young men have filled.”
10 ULB Dia niankohoka teo anatrehan'i Boaza izy, nampikasika ny lohany tamin'ny tany. Hoy izy taminy: "Nahoana no dia nahita fitia teo imasonao aho, ka miahy ahy ianao, izaho izay mpivahiny?" BSB BSB: At this, she fell on her face, bowing low to the ground, and said to him, “Why have I found such favor in your eyes that you should take notice of me, even though I am a foreigner?”
11 ULB Namaly i Boaza ka niteny taminy hoe: "Voatatitra taty amiko, izay rehetra nataonao hatramin'ny nahafatesan'ny vadinao. Nandao ny rainao, ny reninao, ary ny tany nilatsahan'ny tavoninao ianao mba hanaraka ny rafozam-bavinao ka handeha ho any amin'ny vahoaka izay tsy fantatrao. BSB BSB: Boaz replied, “I have been made fully aware of all you have done for your mother-in-law since the death of your husband, how you left your father and mother and the land of your birth, and how you came to a people you did not know before.
12 ULB Andriamanitra anie hamaly fitia anao nohon'ny asanao. Enga anie ianao handray ny tambiny feno avy amin'i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Israely, izay nahitanao fialofana tao ambany elany." BSB BSB: May the LORD repay your work, and may you receive a rich reward from the LORD, the God of Israel, under whose wings you have taken refuge.”
13 ULB Dia hoy izy avy eo: "Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompoko, fa nampionona ahy ianao, ary niteny tamin'ny fahatsoram-po tamiko, na dia tsy isan'ireo mpanompo vavinao aza aho." BSB BSB: “My lord,” she said, “may I continue to find favor in your eyes, for you have comforted and spoken kindly to your maidservant, though I am not like one of your servant girls.”
14 ULB Tamin'ny ora fisakafoana dia hoy Boaza tamin'i Rota: "Avia eto, ary mihinana amin'ny mofo, ka atsobohy ao amin'ny divay marikivy ny sombi-mofonao." Dia nipetraka teo akaikin'ireo mpijinja izy, ary nanolotra vary voaendy ho azy izy. Nihinana izy ambara-pahavokiny ary navelany ny ambin'izany. BSB BSB: At mealtime Boaz said to her, “Come over here; have some bread and dip it into the vinegar sauce.” So she sat down beside the harvesters, and he offered her roasted grain, and she ate and was satisfied and had some left over.
15 ULB Raha iny izy nitsangana hanangona voa iny, dia nandidy ireo tovolahiny i Boaza, nanao hoe: "Aoka izy hanangona ny voa na dia eo amin'ireo amboara aza, ary aza miteny azy tsy hanao izany. BSB BSB: When Ruth got up to glean, Boaz ordered his young men, “Even if she gathers among the sheaves, do not insult her.
16 ULB Ary manipaza salohim-bary maromaro avy amin'ny amboara ho azy ihany, dia avelao izany mba ho angoniny, ary aza mibedy azy." BSB BSB: Rather, pull out for her some stalks from the bundles and leave them for her to gather. Do not rebuke her.”
17 ULB Koa dia nitsimpona teny an-tsaha izy mandra-paharivan'ny andro. Avy eo dia nively ireo salohim-bary izay voaangony izy, ary vary hordea teo ho eo amin'ny iray efaha izany. BSB BSB: So Ruth gathered grain in the field until evening. And when she beat out what she had gleaned, it was about an ephah of barley.
18 ULB Nampiakariny izany ka nankany an-tanàna izy. Avy eo dia hitan'ny rafozam-baviny ireo voaangony. Nitondra vary nendasina ambin'ilay sakafony ihany koa i Rota ka nanome izany ho azy. BSB BSB: She picked up the grain and went into the town, where her mother-in-law saw what she had gleaned. And she brought out what she had saved from her meal and gave it to Naomi.
19 ULB Hoy ny rafozam-baviny taminy hoe: "Taiza ianao no nitsimpona androany? Taiza ianao no nandeha niasa? Ho tahiana anie ny lehilahy izay nanampy anao." Dia nolazain'i Rota tamin'ny rafozam-baviny ny momba ilay lehilahy izay nanana ilay saha niasany. Hoy izy hoe: "Boaza no anaran'ilay lehilahy izay tompon'ny tany niasako androany." BSB BSB: Then her mother-in-law asked her, “Where did you glean today, and where did you work? Blessed be the man who noticed you.” So she told her mother-in-law where she had worked. “The name of the man I worked with today is Boaz,” she said.
20 ULB Hoy Naomy tamin'ny vinantovaviny hoe: "Ho tahian'i Yaveh, ilay tsy nahafoy ny fahitsiany tamin'ny velona sy ny maty anie izy." Hoy i Naomy taminy: "Havantsika akaiky ilay lehilahy, anankiray amin'ny havana mpanavotra antsika." BSB BSB: Then Naomi said to her daughter-in-law, “May he be blessed by the LORD, who has not withdrawn His kindness from the living or the dead.” Naomi continued, “The man is a close relative. He is one of our kinsman-redeemers.”
21 ULB Hoy i Rota Moabita hoe: "Hoy tokoa izy tamiko hoe: 'Tokony hifanakaiky amin'ny zatovolahiko hatrany ianao ambara-pahavitan'izy ireo ny fijinjam-bokatro rehetra."' BSB BSB: Then Ruth the Moabitess said, “He also told me, ‘Stay with my young men until they have finished gathering all my harvest.’”
22 ULB Hoy i Naomy tamin'i Rota vinantovaviny hoe: "Tsara izany, ry zanako vavy, ny handehananao miaraka amin'ireo mpiasany vavy, mba tsy hisy hanjo anao any amin'ny saha hafa." BSB BSB: And Naomi said to her daughter-in-law Ruth, “My daughter, it is good for you to work with his young women, so that nothing will happen to you in another field.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.