1 ULB Taorian'ny nahafatesan'i Ehoda, dia nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh indray ny vahoakan'Israely. BSB BSB: After Ehud died, the Israelites again did evil in the sight of the LORD.
3 ULB Niantso vonjy mafy tamin'i Yaveh ny vahoakan'Israely, satria nanana kalesy vy sivinjato Sisera ary nampahory ny vahoakan'Israely tamin-kery nandritra ny roapolo taona izy. BSB BSB: Then the Israelites cried out to the LORD, because Jabin had nine hundred chariots of iron, and he had harshly oppressed the Israelites for twenty years.
4 ULB Ary Debora, mpaminany vavy (vadin'i Lapidota), no nitarika ny fitsarana tao Israely tamin'izany fotoana izany. BSB BSB: Now Deborah, a prophetess, the wife of Lappidoth, was judging Israel at that time.
5 ULB Zatra nipetraka teo ambany rofian'i Debora anelanelan'i Rama sy Betela tao amin'ny tany havoanan'i Efraima izy, ary ny vahoakan'Israely nankany aminy mba hametraka ireo fifandiran'izy ireo taminy. BSB BSB: And she would sit under the Palm of Deborah between Ramah and Bethel in the hill country of Ephraim, where the Israelites would go up to her for judgment.
6 ULB Naniraka an'i Baraka zanaka lahin'i Abinoama avy any Kadesy ao Naftaly izy. Hoy izy taminy: "Yaveh, ry Andriamanitr'Israely, mandidy anao hoe: 'Mandehana any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà lehilahy iray alina avy ao Naftaly sy Zebolona. BSB BSB: She summoned Barak son of Abinoam from Kedesh in Naphtali and said to him, “Surely the LORD, the God of Israel, is commanding you: ‘Go and march to Mount Tabor, taking with you ten thousand men of Naphtali and Zebulun.
7 ULB Hanatsoaka an'i Sisera, mpitari-tafik'i Jabina Aho, mba hihaona aminao eo amin'ny renirano Kisona, miaraka amin'ireo kalesiny sy ireo tafiny, ary hanome anao fandresena azy ireo Aho." BSB BSB: And I will draw out Sisera the commander of Jabin’s army, his chariots, and his troops to the River Kishon, and I will deliver him into your hand.’”
8 ULB Hoy Baraka taminy: "Raha miaraka amiko ianao, dia handeha aho, nefa raha tsy miaraka amiko ianao, dia tsy handeha aho. BSB BSB: Barak said to her, “If you will go with me, I will go; but if you will not go with me, I will not go.”
9 ULB Hoy izy: "Hiaraka aminao tokoa aho. Na izany aza, ny lalana izay andehananareo dia tsy hitarika anareo any amin'ny voninahitrareo, fa hivarotra an'i Sisera eo an-tanan'ny vehivavy i Yaveh." Dia niakatra Debora ary niaraka tamin'i Baraka nankany Kadesy. BSB BSB: “I will certainly go with you,” Deborah replied, “but the road you are taking will bring you no honor, because the LORD will be selling Sisera into the hand of a woman.” So Deborah got up and went with Barak to Kedesh,
10 ULB Niantso ireo lehilahin'i Zebolona sy Naftaly mba hiaraka ho any Kadesy i Baraka. Lehilahy iray alina no nanaraka azy, ary niaraka taminy i Debora. BSB BSB: where he summoned Zebulun and Naphtali. Ten thousand men followed him, and Deborah also went with him.
11 ULB Ary Hebera (ilay Kenita) nisaraka tamin'ireo Kenita_taranak'i Hobaba izy ireo (rafozan-dahin'i Mosesy) _ary nanorina ny lainy teo amin'ny terebinta tany Zananima akaikin'i Kadesy izy. BSB BSB: Now Heber the Kenite had moved away from the Kenites, the descendants of Hobab the father-in-law of Moses, and had pitched his tent by the great tree of Zaanannim, which was near Kedesh.
12 ULB Rehefa nolazain'izy ireo tamin'i Sisera fa niakatra tany an-tendrombohitra Tabara i Baraka zanaka lahin'i Abinoama, BSB BSB: When Sisera was told that Barak son of Abinoam had gone up Mount Tabor,
13 ULB dia niantso mafy ireo kalesiny rehetra i Sisera, kalesy vy sivinjato, ary ireo miaramila rehetra izay niaraka taminy, hatreo Harosetan'ny Jentilisa ka hatrany amin'ny Renirano Kisona. BSB BSB: he summoned all nine hundred of his iron chariots and all the men with him, from Harosheth-hagoyim to the River Kishon.
14 ULB Hoy Debora tamin'i Baraka: "Mandehana! Fa ity no andro izay nanomezan'i Yaveh fandresena anareo eo amin'i Sisera. Moa ve tsy mitarika anareo i Yaveh?" Dia nidina avy teny an-tendrombohitra Tabara niaraka tamin'ireo lehilahy iray alina nanaraka azy i Baraka. BSB BSB: Then Deborah said to Barak, “Arise, for this is the day that the LORD has delivered Sisera into your hand. Has not the LORD gone before you?” So Barak came down from Mount Tabor with ten thousand men following him.
15 ULB Nampifanjevon'i Yaveh ireo tafik'i Sisera, ireo kalesiny rehetra, ary ireo tafiny rehetra. Nanafika azy ireo ny lehilahin'i Baraka ka nidina tamin'ny kalesiny i Sisera ary nitsoaka an-tongotra. BSB BSB: And in front of him the LORD routed with the sword Sisera, all his charioteers, and all his army. Sisera abandoned his chariot and fled on foot.
16 ULB Fa nenjehin'i Baraka hatrany Harosetan'ny Jentilisa ireo kalesy sy ny tafika, ary ny tafik'i Sisera manontolo dia novonoina tamin'ny lelan-tsabatra, ary tsy nisy niangana na dia lehilahy iray aza. BSB BSB: Then Barak pursued the chariots and army as far as Harosheth-hagoyim, and the whole army of Sisera fell by the sword; not a single man was left.
17 ULB Nefa Sisera nandositra an-tongotra tany amin'ny lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita, satria nihavana i Jabina mpanjakan'i Hazora, sy ny ankohonan'i Hebera Kenita. BSB BSB: Meanwhile, Sisera had fled on foot to the tent of Jael, the wife of Heber the Kenite, because there was peace between Jabin king of Hazor and the house of Heber the Kenite.
18 ULB Nivoaka hihaona amin'i Sisera i Jaela ary nanao taminy hoe: "Mivilia, ry tompoko, mivilia aty amiko ary aza matahotra." Dia nivily tany aminy izy ka niditra tao amin'ny lainy, ary norakofany tamin'ny bodofotsy izy. BSB BSB: Jael went out to greet Sisera and said to him, “Come in, my lord. Come in with me. Do not be afraid.” So he entered her tent, and she covered him with a blanket.
19 ULB Hoy izy taminy: "Mba omeo rano kely ho sotroina re aho, fa mangetaheta." Nanokatra kitapon-dronono hoditra izy ary nanome azy ho sotroina, avy eo dia norakofany indray izy. BSB BSB: Sisera said to her, “Please give me a little water to drink, for I am thirsty.” So she opened a container of milk, gave him a drink, and covered him again.
20 ULB Hoy izy taminy: "Mitsangàna eo am-baravaran'ny lay. Raha misy olona tonga ary manontany anao hoe: 'Misy olona ve ato?', dia teneno hoe: 'Tsia'." BSB BSB: “Stand at the entrance to the tent,” he said, “and if anyone comes and asks you, ‘Is there a man here?’ say, ‘No.’”
21 ULB Ary Jaela (vadin'i Hebera) naka tsatokan-day sy tantanana teny an-tanany ary niditra an-tsokosoko tao aminy, fa tao anaty torimaso lalina izy, ary nively ny tsatokan-day tamin'ny tantanana teo amin'ny faritry ny lohany izy ary nitsatoka taminy izany ka nirodana tamin'ny tany, dia maty izy. BSB BSB: But as he lay sleeping from exhaustion, Heber’s wife Jael took a tent peg, grabbed a hammer, and went silently to Sisera. She drove the peg through his temple and into the ground, and he died.
22 ULB Raha nanenjika an'i Sisera i Baraka, dia naniry ny hivoaka hihaona aminy i Jaela ary nanao taminy hoe: "Avia, hasehoko anao ny lehilahy tadiavinao." Dia niaraka niditra taminy izy, ary indro Sisera maty nitsirara, miaraka amin'ny tsatokan-day teo anilan'ny lohany. BSB BSB: When Barak arrived in pursuit of Sisera, Jael went out to greet him and said to him, “Come, and I will show you the man you are seeking.” So he went in with her, and there lay Sisera dead, with a tent peg through his temple.
23 ULB Ka tamin'izany andro izany no nandresen'Andriamanitra an'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, teo anoloan'ny vahoakan'Israely. BSB BSB: On that day God subdued Jabin king of Canaan before the Israelites.
24 ULB Ny herin'ny vahoakan'Israely dia nihanatanjaka hatrany nanoloana ny mpanjakan'i Kanana, mandra-pandringanan'izy ireo azy. BSB BSB: And the hand of the Israelites grew stronger and stronger against Jabin king of Canaan until they destroyed him.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.