1 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh ny vahoakan'Israely, ary natolony teo an-tanan'i Midiana nandritra ny fito taona izy ireo. BSB BSB: Again the Israelites did evil in the sight of the LORD; so He delivered them into the hand of Midian for seven years,
2 ULB Nampahory ny Israely ny fahefan'i Midiana. Nohon'ny amin'ny Midiana, dia nanao fialofana ho azy ireo tao amin'ny zohy teny amin'ny havoana, tany an-dava-bato, ary tao amin'ny fiarovana mafy ny vahoakan'Israely. BSB BSB: and the hand of Midian prevailed against Israel. Because of the Midianites, the Israelites prepared shelters for themselves in the mountains, caves, and strongholds.
3 ULB Ary isaky ny namboly ireo vokany ny Israelita, dia nanafika azy ireo ny Midianita sy ny Amalekita ary ny olona avy any atsinanana. BSB BSB: Whenever the Israelites planted their crops, the Midianites, Amalekites, and other people of the east would come up and invade them,
4 ULB Nametraka ny tafiny teo amin'ny tany izy ireo ary namotika ireo vokatra, teny amin'ny lalana rehetra mankany Gaza. Tsy namela sakafo ho an'ny Israely, na ondry, na biby fiompy, na ampondra izy ireo. BSB BSB: encamping against them as far as Gaza and destroying the produce of the land. They left Israel with no sustenance, neither sheep nor oxen nor donkeys.
5 ULB Isaky ny miakatra izy ireo sy ny biby fiompiny ary ny lainy, dia toy ny andiam-balala ny fiavin'izy ireo, ary tsy tambo isaina na ny olona na ireo ramevany. Nanafika ny tany mba hamotehana izany izy ireo. BSB BSB: For the Midianites came with their livestock and their tents like a great swarm of locusts. They and their camels were innumerable, and they entered the land to ravage it.
6 ULB Tena nampaosa an'ireo Israelita tokoa ny Midiana hany ka niantso mafy an'i Yaveh ny vahoakan'Israely. BSB BSB: Israel was greatly impoverished by Midian, and the Israelites cried out to the LORD.
7 ULB Rehefa niantso mafy an'i Yaveh ny vahoakan'Israely nohon'ny amin'i Midiana, dia nandefa mpaminany ho an'ny vahoakan'Israely i Yaveh. Hoy ny mpaminany tamin'izy ireo hoe: BSB BSB: Now when the Israelites cried out to the LORD because of Midian,
8 ULB "Izao no lazain'i Yaveh, Andriamanitr'Israely: 'Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho; nitondra anareo nivoaka avy tao amin'ny trano fanandevozana Aho. BSB BSB: He sent them a prophet, who told them, “This is what the LORD, the God of Israel, says: I brought you up out of Egypt, out of the house of slavery.
9 ULB Namonjy anareo teo amin'ny tanan'ny Egyptiana, sy teo amin'ny tanan'ireo rehetra izay nampahory anareo Aho. Nandroaka azy ireny teo anoloanareo, sy nanome ny taniny ho anareo Aho. BSB BSB: I delivered you out of the hands of Egypt and all your oppressors. I drove them out before you and gave you their land.
10 ULB Hoy Izaho taminareo hoe: "Izaho no Yaveh Andriamanitrareo; nandidy anareo tsy hanompo ny andriamanitry ny Amorita, any amin'ny tany honenanareo Aho." Nefa tsy nankatò ny feoko ianareo.'" BSB BSB: And I said to you: ‘I am the LORD your God. You must not fear the gods of the Amorites, in whose land you dwell.’ But you did not obey Me.”
11 ULB Ary tonga ny anjelin'i Yaveh ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta tao Ofra, izay an'i Joasy (ilay Abiezrita), raha nanasaraka ny vary tamin'ny fivelezana izany tamin'ny tany, teo amin'ny famiazana divay i Gideona, zanak'i Joasy_mba hanafenana izany amin'ireo Midianita. BSB BSB: Then the angel of the LORD came and sat down under the oak in Ophrah that belonged to Joash the Abiezrite, where his son Gideon was threshing wheat in a winepress to hide it from the Midianites.
12 ULB Niseho taminy ilay anjelin'i Yaveh ka niteny taminy hoe: "Momba anao i Yaveh, ry mpiady mahery!'" BSB BSB: And the angel of the LORD appeared to Gideon and said, “The LORD is with you, O mighty man of valor.”
13 ULB Hoy Gideona taminy: "Indrisy, ry tompoko, raha momba anay i Yaveh, nahoana no mitranga aminay izao rehetra izao? Aiza ireo asa mahagaga izay nolazain'ny razanay taminay, tamin'izy ireo niteny hoe: "Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta ve i Yaveh?' Nefa ankehitriny dia efa nahafoy anay ka nanolotra anay teo an-tanan'i Midiana i Yaveh." BSB BSB: “Please, my Lord,” Gideon replied, “if the LORD is with us, why has all this happened to us? And where are all His wonders of which our fathers told us, saying, ‘Has not the LORD brought us up out of Egypt?’ But now the LORD has forsaken us and delivered us into the hand of Midian.”
14 ULB Nijery azy Yaveh ka niteny hoe: "Mandehana amin'izao hery efa hanananao izao. Afaho eo an-tanan'i Midiana i Israely. Tsy efa naniraka anao ve Aho?" BSB BSB: The LORD turned to him and said, “Go in the strength you have and save Israel from the hand of Midian. Am I not sending you?”
15 ULB Hoy Gideona taminy: "Ahoana re ry Tompo no hamonjeko an'Israely? Indro, ny fianakaviako no marefo indrindra ao amin'i Manase, ary izaho no farany tsy manan-danja indrindra ao an-tranon'ny raiko." BSB BSB: “Please, my Lord,” Gideon replied, “how can I save Israel? Indeed, my clan is the weakest in Manasseh, and I am the youngest in my father’s house.”
16 ULB Hoy Yaveh taminy: "Homba anao Aho, ary handresy ny tafiky ny Midianita manontolo tahaka ny olona iray ianao." BSB BSB: “Surely I will be with you,” the LORD replied, “and you will strike down all the Midianites as one man.”
17 ULB Hoy Gideona taminy, raha mahita fitia aminao aho, dia omeo famantarana aho fa ianao tokoa no miteny amiko. BSB BSB: Gideon answered, “If I have found favor in Your sight, give me a sign that it is You speaking with me.
18 ULB Aza miala eto re, mandra-piaviko eto aminao hitondra ny fanomezana ary hametraka izany eo anoloanao." Hoy i Yaveh: "Hiandry Aho mandra-piverinao." BSB BSB: Please do not depart from this place until I return to You. Let me bring my offering and set it before You.” And the LORD said, “I will stay until you return.”
19 ULB Ary lasa i Gideona ka nanomana zanak'osy ary avy tamin'ny lafarinina eran'ny efaha no nanaovany mofo tsy misy masirasira. Nataony tao anaty harona ny hena, ary nataony tao anaty vilany ny rony dia nentiny teo aminy teo ambanin'ny hazo terebinta, ary nasehony azy ireo. BSB BSB: So Gideon went in and prepared a young goat and unleavened bread and an ephah of flour. He placed the meat in a basket and the broth in a pot and brought them out to present to Him under the oak.
20 ULB Hoy ny anjelin'Andriamamanitra taminy: "Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira ka apetraho eo ambonin'ity vatolampy ity ireo, ary araraho ho eo amin'ireo ny rony." Dia izany no nataon'i Gideona. BSB BSB: And the angel of God said to him, “Take the meat and the unleavened bread, lay them on this rock, and pour out the broth.” And Gideon did so.
21 ULB Ary ny anjelin'i Yaveh naninjitra ny tendron'ny tehina tamin'ny tanany. Tamin'izany no nikasihany ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; nisy afo niakatra avy tao amin'ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Avy eo dia lasa ny anjelin'i Yaveh ka tsy nahita azy intsony i Gideona. BSB BSB: Then the angel of the LORD extended the tip of the staff that was in his hand and touched the meat and the unleavened bread. And fire flared from the rock and consumed the meat and the unleavened bread. Then the angel of the LORD vanished from his sight.
22 ULB Ary Gideona nahafantatra fa anjelin'i Yaveh izy. Hoy Gideona hoe: "Oh, ry Yaveh Andriamanitra! Fa nifanatri-tava tamin'ny anjelin'i Yaveh aho!" BSB BSB: When Gideon realized that it was the angel of the LORD, he said, “Oh no, Lord GOD! I have seen the angel of the LORD face to face!”
23 ULB Hoy Yaveh taminy: "Fiadanana anie ho anao! Aza matahotra, fa tsy ho faty ianao." BSB BSB: But the LORD said to him, “Peace be with you. Do not be afraid, for you will not die.”
24 ULB Ary nanorina alitara ho an'i Yaveh teo i Gideona. Nantsoiny hoe: "Yaveh dia fiadanana" izany. Mandraka androany dia mbola mitsangana ao Ofran'ny fokon'i Abiezrita izany. BSB BSB: So Gideon built an altar to the LORD there and called it The LORD Is Peace. To this day it stands in Ophrah of the Abiezrites.
25 ULB Ary tamin'izany alina izany dia hoy Yaveh taminy: "Alaivo ny omby lahin-drainao, dia ny omby lahy faharoa izay efa fito taona, ravao ny alitaran'i Bala izay an'ny rainao, ary tapaho ny Aseraha izay eo anilan'izany. BSB BSB: On that very night the LORD said to Gideon, “Take your father’s young bull and a second bull seven years old, tear down your father’s altar to Baal, and cut down the Asherah pole beside it.
26 ULB Manangana alitara ho an'i Yaveh Andriamanitrao eo amin'ny tampon'ity toerana fialofana ity, dia aoreno araka ny tokony ho izy izany. Atolory ho fanatitra dorana ny omby lahy faharoa, amin'ny fampiasana ny hazo avy amin'ny Aseraha izay nokapainao." BSB BSB: Then build a proper altar to the LORD your God on the top of this stronghold. And with the wood of the Asherah pole you cut down, take the second bull and offer it as a burnt offering.”
27 ULB Ka dia naka folo tamin'ireo mpanompony i Gideona ary nanao araka izay nolazain'i Yaveh taminy. Ary satria natahotra loatra ny ankohonan-drainy sy ireo lehilahy tao an-tanàna ny hanao izany mandritra ny andro izy, dia nataony nandritra ny alina izany. BSB BSB: So Gideon took ten of his servants and did as the LORD had told him. But because he was too afraid of his father’s household and the men of the city, he did it by night rather than in the daytime.
28 ULB Nony maraina rehefa nifoha ny lehilahy tao an-tanàna, dia efa rava ny alitaran'i Bala, ary ny Aseraha teo anilany dia voakapa, ary ny omby lahy faharoa dia natao fanatitra teo amin'ny alitara izay vao naorina. BSB BSB: When the men of the city got up in the morning, there was Baal’s altar torn down, with the Asherah pole cut down beside it and the second bull offered up on the newly built altar.
29 ULB Ny lehilahy teo an-tanàna dia nifampiresaka hoe: "Iza no nanao izao?" Rehefa niresaka tamin'ny hafa izy ireo ka nikaroka izay valiny, dia hoy izy ireo: "Gideona zanak'i Joasy no nanao izao zavatra izao." BSB BSB: “Who did this?” they said to one another. And after they had investigated thoroughly, they were told, “Gideon son of Joash did it.”
30 ULB Ary hoy ireo lehilahy tao an-tanàna tamin'i Joasy hoe: "Avohay ny zanakao mba hovonoina ho faty, satria noravany ny alitaran'i Bala, ary satria nokapainy ny Aseraha teo anilan'izany." BSB BSB: Then the men of the city said to Joash, “Bring out your son. He must die, because he has torn down Baal’s altar and cut down the Asherah pole beside it.”
31 ULB Hoy i Joasy tamin'ireo rehetra izay nanohitra azy hoe: "Hifona ny zava-misy ho an'i Bala ve ianareo? Hamonjy azy ve ianareo? Na iza na iza hifona ho azy, dia aoka izy ho vonoina ho faty raha mbola maraina koa. Raha andriamanitra i Bala, aoka izy hiaro ny tenany rehefa noravan'ny olona ny alitarany." BSB BSB: But Joash said to all who stood against him, “Are you contending for Baal? Are you trying to save him? Whoever pleads his case will be put to death by morning! If Baal is a god, let him contend for himself with the one who has torn down his altar.”
33 ULB Ary ny Midianita sy ny Amalekita ary ny olona rehetra avy any atsinanana dia niara-nivory. Niampita an'i Jordana izy ireo ary nitoby teo amin'ny Lohasahan'i Jezirela. BSB BSB: Then all the Midianites, Amalekites, and other people of the east gathered together, crossed over the Jordan, and camped in the Valley of Jezreel.
34 ULB Fa tonga tamin'i Gideona ny fanahin'i Yaveh. Nitsoka ny trompetra, niantso ny fianakaviam-ben'i Abiezrita i Gideona, mba hanarahan'izy ireo azy. BSB BSB: So the Spirit of the LORD came upon Gideon, who blew the ram’s horn and rallied the Abiezrites behind him.
35 ULB Nandefa iraka eran'i Manase manontolo izy, ary izy ireo koa, dia voahantso mba hanaraka azy. Nandefa iraka ho an'i Asera, Zebolona, ary Naftaly ihany koa izy, ary niakatra mba hihaona aminy izy ireo. BSB BSB: Calling them to arms, Gideon sent messengers throughout Manasseh, as well as Asher, Zebulun, and Naphtali, so that they came up to meet him.
36 ULB Hoy Gideona tamin'Andriamanitra: "Raha nihevitra ny hampiasa ahy hamonjy an'Israely Ianao, araka izay nolazainao_ BSB BSB: Then Gideon said to God, “If You are going to save Israel by my hand, as You have said,
37 ULB Indro, izaho mametraka ny volon'ondry eo amin'ny famoloana. Raha misy ando eo amin'ny volon'ondry, ka maina eo amin'ny tany rehetra, dia ho fantatro fa hampiasa ahy mba hamonjy an'Israely Ianao, araka izay nolazainao." BSB BSB: then behold, I will place a fleece of wool on the threshing floor. If there is dew only on the fleece and all the ground is dry, then I will know that You are going to save Israel by my hand, as You have said.”
38 ULB Toy izao no niseho_nifoha maraina be i Gideona ny ampitso, niara-nofihazany ny volon'ondry, ary nisy ando nivoaka tamin'ny volon'ondry, ampy nahafeno lovia iray ny rano. BSB BSB: And that is what happened. When Gideon arose the next morning, he squeezed the fleece and wrung out the dew—a bowlful of water.
39 ULB Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra hoe: "Aza tezitra amiko, fa mbola hiteny indray mandeha aho. Avelao re aho mba hanandrana hampiasa indray mandeha ny volon'ondry. Ho maina ny volon'ondry amin'io fotoana io, ary aoka ho feno ando ny tany manodidina azy." BSB BSB: Then Gideon said to God, “Do not be angry with me; let me speak one more time. Please allow me one more test with the fleece. This time let it be dry, and the ground covered with dew.”
40 ULB Nanao izay nangatahiny Andriamanitra tamin'izany alina izany. Ny volon'ondry dia maina, ary feno ando teo amin'ny tany rehetra nanodidina izany. BSB BSB: And that night God did so. Only the fleece was dry, and dew covered the ground.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.