1 ULB Hoy ireo lehilahin'i Efraima tamin'i Gideona hoe: "Inona izao zavatra nataonao taminay izao? Tsy niantso anay ianao raha nandeha niady tamin'ny Midiana." Nifamaly mafy taminy izy ireo. BSB BSB: Then the men of Ephraim said to Gideon, “Why have you done this to us? Why did you fail to call us when you went to fight against Midian?” And they contended with him violently.
2 ULB Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Inona moa no vitako ankehitriny raha oharina aminareo? Moa ve ny fanangonam-boalobok'i Efraima tsy tsara kokoa mihoatra ny fiotazam-boalobok'i Abiezera? BSB BSB: But Gideon answered them, “Now what have I accomplished compared to you? Are not the gleanings of Ephraim better than the grape harvest of Abiezer?
3 ULB Andriamanitra efa nanome fandresena anareo teo anatrehan'ireo andrian'ny Midiana__dia Oreba sy Zeba! Inona moa no vitako mihoatra izay vitanareo?" Nilefy ny fahatezeran'izy ireo taminy rehefa niteny izany izy. BSB BSB: God has delivered Oreb and Zeeb, the two princes of Midian, into your hand. What was I able to do compared to you?” When he had said this, their anger against him subsided.
4 ULB Tonga teo amin'i Jordana i Gideona ary nita izany, izy sy ireo lehilahy telonjato izay niaraka taminy. Reraka loatra izy ireo, nefa dia mbola nanohy ny fanenjehana ihany. BSB BSB: Then Gideon and his three hundred men came to the Jordan and crossed it, exhausted yet still in pursuit.
5 ULB Hoy izy tamin'ireo olona tao Sokota hoe: "Mba omeo mofo ireo olona manaraka ahy, satria reraka loatra izy ireo, ary izaho hanenjika an'i Zebaha sy Zalamona, mpanjakan'i Midiana. BSB BSB: So Gideon said to the men of Succoth, “Please give my troops some bread, for they are exhausted, and I am still pursuing Zebah and Zalmunna, the kings of Midian.”
6 ULB Dia hoy ireo manam-pahefana hoe: "Moa ve eo am-pelatananao ny tanan'i Zebaha sy Zalmona ankehitriny? Nahoana no tokony hanome mofo ho an' ireo miaramilanao izahay? BSB BSB: But the leaders of Succoth asked, “Are the hands of Zebah and Zalmunna already in your possession, that we should give bread to your army?”
7 ULB Hoy Gideona hoe: "Rehefa omen'i Yaveh fandresena izahay manoloana an'i Zebaha sy Zalamona, dia ho triariko amin'ny tsilo avy any an'efitra sy raketa ny hoditrareo." BSB BSB: “Very well,” Gideon replied, “when the LORD has delivered Zebah and Zalmunna into my hand, I will tear your flesh with the thorns and briers of the wilderness!”
8 ULB Niakatra avy tao izy mba ho any Penoela ary niteny tahaka izany tamin'ny olona tao ihany koa, fa ny olona tao Penoela namaly azy tahaka ireo famalin'ny olona tao Sokota. BSB BSB: From there he went up to Penuel and asked the same from them, but the men of Penuel gave the same response as the men of Succoth.
9 ULB Niteny tamin'ny olon'i Penoela ihany koa izy nanao hoe: "Rehefa tafaverina am-pilaminana indray aho, dia harodako ity tilikambo ity." BSB BSB: So Gideon told the men of Penuel, “When I return in triumph, I will tear down this tower!”
10 ULB Ary niaraka tamin'ireo miaramilany tao Karkora i Zebaha sy Zalamona, tokony ho lehilahy dimy arivo sy iray alina eo, izay sisa rehetra tamin'ny tafikin'ny vahoaka antsinanana manontolo, satria nisy lehilahy 120. 000 lavo izay voaofana hiady amin'ny sabatra. BSB BSB: Now Zebah and Zalmunna were in Karkor with their army of about fifteen thousand men—all that were left of the armies of the people of the east. A hundred and twenty thousand swordsmen had already fallen.
11 ULB Niakatra ilay lalan'ny mpitoetra an-day i Gideona, nandalo tao Noha sy Jogbeha. Nandresy ireo tafika fahavalo izy, satria tsy nanampo ny fanafiana izy ireo. BSB BSB: And Gideon went up by way of the caravan route east of Nobah and Jogbehah, and he attacked their army, taking them by surprise.
12 ULB Nandositra i Zebaha sy Zalmona, ary raha nanenjika azy ireo i Gideona, dia voasambony ireo mpanjaka roan'i Midiana—i Zebaha sy Zalmona—ary nampihorohorony ny tafik'izy ireo manontolo. BSB BSB: When Zebah and Zalmunna fled, Gideon pursued and captured these two kings of Midian, routing their entire army.
13 ULB Gideona, zanaka lahin'i Joasy, dia niverina avy tany amin'ny ady ary nandalo teo lalan'i Heresa. BSB BSB: After this, Gideon son of Joash returned from the battle along the Ascent of Heres.
14 ULB Nihaona tamina zatovolahy iray avy amin'ny mponina tao Sokota izy ary nitady torohevitra taminy. Nolazain'ilay tovolahy azy ny mombamomba ireo mpitariky ny Sokota sy ireo loholona tao, fito amby fitopolo lahy izy ireo. BSB BSB: There he captured a young man of Succoth and interrogated him. The young man wrote down for him the names of the seventy-seven leaders and elders of Succoth.
15 ULB Ary tonga tao amin'ireo lehilahin'i Sokota i Gideona ka nanao hoe: "Indreo Zebaha sy Zalmona, izay nanesoanareo ahy sy nilazanareo hoe: 'Efa nandresy an'i Zebaha sy Zalmona ve ianao? Tsy fantatray fa tokony hanome mofo an'ireo tafikao izahay.'" BSB BSB: And Gideon went to the men of Succoth and said, “Here are Zebah and Zalmunna, about whom you taunted me, saying, ‘Are the hands of Zebah and Zalmunna already in your possession, that we should give bread to your weary men?’”
16 ULB Nalain'i Gideona ireo loholona tao amin'ilay tanàna, ary nofaiziny tamin'ireo tsilo avy tany an'efitra sy raketa ireo lehilahin'ny Sokota. BSB BSB: Then he took the elders of the city, and using the thorns and briers of the wilderness, he disciplined the men of Succoth.
17 ULB Avy eo dia narodany ny tilikambo tao Penoela ary novonoiny ny lehilahy tao amin'izany tanàna izany. BSB BSB: He also pulled down the tower of Penuel and killed the men of the city.
18 ULB Dia hoy i Gideona tamin'i Zebaha sy Zalmona hoe: "Lehilahy tahaka ny ahoana no novonoinareo tao Tabara?" Namaly izy ireo hoe: "Tahaka anao ihany izy ireo. Ny tsirairay tamin'izy ireo dia toy ny zanaka mpanjaka avokoa." BSB BSB: Next, Gideon asked Zebah and Zalmunna, “What kind of men did you kill at Tabor?” “Men like you,” they answered, “each one resembling the son of a king.”
19 ULB Hoy Gideona hoe: "Rahalahiko izy ireo, zanaka lahin'ny reniko. Raha velona koa Yaveh, raha namonjy azy ireo ho velona ianareo, dia tsy namono anareo aho. BSB BSB: “They were my brothers,” Gideon replied, “the sons of my mother! As surely as the LORD lives, if you had let them live, I would not kill you.”
20 ULB Hoy izy tamin'i Jatera (lahimatoany) hoe: "Mitsangàna ary vonoy izy ireo!" Fa ilay tovolahy tsy nanatsoaka ny sabatrany fa natahotra, satria mbola zazalahy kely izy. BSB BSB: So he said to Jether, his firstborn, “Get up and kill them.” But the young man did not draw his sword; he was fearful because he was still a youth.
21 ULB Dia hoy Zebaha sy Zalmona hoe: "Mitsangana ianao ary vonoy izahay! Fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny." Nitsangana Gideona ary namono an'i Zehaba sy Zalmona. Nesoriny ihany koa ny ravaka sarim-bolan-tsinana izay teo am-bozon'ny ramevan'izy ireo. BSB BSB: Then Zebah and Zalmunna said, “Get up and kill us yourself, for as the man is, so is his strength.” So Gideon got up and killed Zebah and Zalmunna, and he took the crescent ornaments from the necks of their camels.
22 ULB Hoy ny lehilahin'Israely tamin'i Gideona hoe: "Manapaha anay—ianao, ny zanakao lahy, ary ny zafikelinao lahy— satria ianao no nanavotra anay teo amin'ny tanan'i Midiana." BSB BSB: Then the Israelites said to Gideon, “Rule over us—you and your son and grandson—for you have saved us from the hand of Midian.”
23 ULB Hoy Gideona tamin'izy ireo hoe: "Tsy hanapaka anareo aho, na ny zanako lahy koa aza dia tsy hanapaka anareo. Fa Yaveh no hanapaka anareo. BSB BSB: But Gideon replied, “I will not rule over you, nor will my son. The LORD shall rule over you.”
24 ULB Nilaza tamin'izy ireo i Gideona hoe: "Aoka aho hanao fangatahana aminareo: dia ny hanomezanareo ahy ireo kavina avy norobainy." (Nanana kavina volamena ireo Medianita satria Isimaelita izy ireo.) BSB BSB: Then he added, “Let me make a request of you, that each of you give me an earring from his plunder.” (For the enemies had gold earrings because they were Ishmaelites.)
25 ULB Namaly izy ireo hoe: "An-kafaliana no hanomezanay ireo anao." Namelatra lamba izy ireo ary samy nanipy ireo firavaka avy norobainy ny lehilahy rehetra. BSB BSB: “We will give them gladly,” they replied. So they spread out a garment, and each man threw an earring from his plunder onto it.
26 ULB Ny lanjan'ny kavim-bolamena izay nangatahiny dia sekely volamena 1. 700. Izany fandrobana izany dia niampy ny ravaka sarim-bolan-tsinana, ireo firavaka, ny akanjo volomparasy izay nanaovan'ireo mpanjakan'ny Midiana, ary niampy ny rojo izay nanodidina ny vozon'ny ramevan'izy ireo. BSB BSB: The weight of the gold earrings he had requested was 1,700 shekels, in addition to the crescent ornaments, the pendants, the purple garments of the kings of Midian, and the chains from the necks of their camels.
27 ULB Nanamboatra efoda avy amin'ireo kavina i Gideona ary napetrany tao an-tanànany, tao Ofra izany, ary nampijangajanga ny tenany tamin'ny fanompoana izany teo ny Israely rehetra. Lasa fandrika ho an'i Gideona sy ho an'ireo izay tao an-tranony izany. BSB BSB: From all this Gideon made an ephod, which he placed in Ophrah, his hometown. But soon all Israel prostituted themselves by worshiping it there, and it became a snare to Gideon and his household.
28 ULB Ka dia resy teo anatrehan'ny vahoakan'Israely ireo Midiana ary tsy nanarina ny lohan'izy ireo intsony izy ireo. Ary nilamina nandritra ny efapolo taona ny tany tamin'ny andron'i Gideona. BSB BSB: In this way Midian was subdued before the Israelites and did not raise its head again. So the land had rest for forty years in the days of Gideon,
29 ULB Jerobala, zanaka lahin'i Joasy, nandeha ka nipetraka tao an-tranony. BSB BSB: and he—Jerubbaal son of Joash—returned home and settled down.
30 ULB Nanana zanaka fitopolo lahy izay taranany i Gideona, satria maro vady izy. BSB BSB: Gideon had seventy sons of his own, since he had many wives.
31 ULB Ny vaditsindranony, izay tao Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ary Gideona nanome azy ny anarana hoe: Abimeleka. BSB BSB: His concubine, who dwelt in Shechem, also bore him a son, and he named him Abimelech.
32 ULB Gideona, zanaka lahin'i Joasy, dia maty rehefa tratra antitra tsara ary nalevina tao Ofra tao amin'ny fasan'i Joasy rainy, fokon'ny Abiezrita. BSB BSB: Later, Gideon son of Joash died at a ripe old age and was buried in the tomb of his father Joash in Ophrah of the Abiezrites.
33 ULB Ary raha vao maty i Gideona, niverina indray ireo zanak'Israely ary nampijangajanga ny tenany tamin'ny fanompoana an'ireo Bala. Nataon'izy ireo ho andriamaniny i Bala-berita. BSB BSB: And as soon as Gideon was dead, the Israelites turned and prostituted themselves with the Baals, and they set up Baal-berith as their god.
34 ULB Ary ny vahoakan'Israely dia tsy nahatsiaro ny hanome voninahitra an'i Yaveh, Andriamanitr'izy ireo, izay nanavotra azy ireo teo amin'ny tanan'ireo fahavalo rehetra manodidina. BSB BSB: The Israelites failed to remember the LORD their God who had delivered them from the hands of all their enemies on every side.
35 ULB Tsy nitandrina ny fampanantenany tamin'ny tranon'i Jerobala (na Gideona) izy ireo, mba ho valin'ny soa rehetra nataony tamin'Israely. BSB BSB: They did not show kindness to the house of Jerubbaal (that is, Gideon) for all the good things he had done for Israel.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.