1 ULB Nankany amin'ny havan-dreniny tany Sekema i Abimeleka zanak'i Jerobala ary niteny tamin'izy ireo sy ny fianakaviam-ben'ny ankohonan-dreniny rehetra hoe: BSB BSB: Now Abimelech son of Jerubbaal went to his mother’s brothers at Shechem and said to them and to all the clan of his mother,
2 ULB "Mba lazao re izao, mba ho ren'ny mpitarika rehetra ao Sekema: 'Inona no mety kokoa aminareo: manana ny zanak'i Jerobala fitopolo lahy hanapaka eo aminareo, sa iray ihany no manapaka eo aminareo?' Tsarovy fa nofo sy rànareo aho." BSB BSB: “Please ask all the leaders of Shechem, ‘Is it better for you that seventy men, all the sons of Jerubbaal, rule over you, or just one man?’ Remember that I am your own flesh and blood.”
3 ULB Niresaka tamin'ireo mpitarik'i Sekema ho azy ireo havan-dreniny, ary nanaiky ny hanaraka an'i Abimeleka izy ireo, satria hoy izy ireo hoe: "Rahalahintsika izy." BSB BSB: And when his mother’s brothers spoke all these words about him in the presence of all the leaders of Shechem, their hearts were inclined to follow Abimelech, for they said, “He is our brother.”
4 ULB Nomen'izy ireo volafotsy madinika fitopolo avy tao an-tranon'i Bala-berita izy, ary nampiasain'i Abimeleka hanakaramana ireo lehilahy mpandika lalàna sady sahisahy ratsy izay nanaraka azy izany. BSB BSB: So they gave him seventy shekels of silver from the temple of Baal-berith, with which Abimelech hired some worthless and reckless men to follow him.
5 ULB Nankany an-tranon'ny rainy tany Ofra i Abimeleka, ary novonoiny teo ambonin'ny vato iray ireo rahalahiny fitopolo, dia ireo zanak'i Jerobala. Jotama no sisa tavela, dia ilay zanak'i Jerobala faralahy, satria niafina izy. BSB BSB: He went to his father’s house in Ophrah, and on one stone murdered his seventy brothers, the sons of Jerubbaal. But Jotham, the youngest son of Jerubbaal, survived, because he hid himself.
6 ULB Niara-tonga ny mpitarik'i Sekema sy Beta-milo rehetra ka nandeha ary nanao an'i Abimeleka ho mpanjaka, teo anilan'ny hazo terebinta akaikin'ny andry izay any Sekema. BSB BSB: Then all the leaders of Shechem and Beth-millo gathered beside the oak at the pillar in Shechem and proceeded to make Abimelech their king.
7 ULB Rehefa nolazaina ny mikasika izany i Jotama, dia nandeha izy ary nitsangana teo an-tampon'ny Tendrombohitra Gerizima. Niantsoantso izy ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Henoy aho, ianareo mpitarik'i Sekema, mba hihainoan'Andriamanitra anareo. BSB BSB: When this was reported to Jotham, he climbed to the top of Mount Gerizim, raised his voice, and cried out: “Listen to me, O leaders of Shechem, and may God listen to you.
8 ULB Indray andro dia nivoaka ny hazo mba hanosotra mpanjaka iray ho eo amin'izy ireo. Satria hoy izy ireo tamin'ny hazon'oliva hoe: "Manjakà aminay.' BSB BSB: One day the trees set out to anoint a king for themselves. They said to the olive tree, ‘Reign over us.’
9 ULB Nefa hoy ny hazon'oliva tamin'izy ireo: "Tokony hafoiko ve ny diloiloko, izay ampiasaina hanomezam-boninanahitra ireo andriamanitra sy ny olombelona, mba hahafahako mandeha miverina, ka hitsingevangevana eny amin'ny hazo hafa fotsiny ihany?' BSB BSB: But the olive tree replied, ‘Should I stop giving my oil that honors both God and man, to hold sway over the trees?’
10 ULB Hoy ireo hazo tamin'ilay aviavy: 'Avia ka manjakà aminay.' BSB BSB: Then the trees said to the fig tree, ‘Come and reign over us.’
11 ULB Fa hoy kosa ilay aviavy tamin'ireo: 'Tokony hafoiko ve ny hamamiko sy ny voa tsarako, mba hahafahako miverina ka hitsingevangevana eo amin'ireo hazo hafa fotsiny ihany?' BSB BSB: But the fig tree replied, ‘Should I stop giving my sweetness and my good fruit, to hold sway over the trees?’
12 ULB Hoy ireo hazo tamin'ilay voaloboka: 'Avia ka manjakà aminay.' BSB BSB: Then the trees said to the grapevine, ‘Come and reign over us.’
13 ULB Hoy ilay voaloboka tamin'izy ireo hoe: 'Tokony hafoiko ve ny divay vaovaoko, izay mampifaly ny andriamanitra sy ny olombelona, ka hiverina ary hitsingevangevana eo amin'ireo hazo hafa?' BSB BSB: But the grapevine replied, ‘Should I stop giving my wine that cheers both God and man, to hold sway over the trees?’
14 ULB Dia hoy ny hazo rehetra tamin'ny tsilon-draketa: 'Avia ka manjakà aminay.' BSB BSB: Finally all the trees said to the thornbush, ‘Come and reign over us.’
15 ULB Hoy ny tsilon-draketa tamin'ireo hazo: 'Raha tena te hanosotra ahy ho mpanjaka eo aminareo ianareo, dia avia ary mitadiava fiarovana eo amban'ny aloko. Raha tsy izany, dia aoka hivoaka avy ao amin'ny tsilon-draketa ny afo ary aoka izany handoro ny sederan'i Libanona.' BSB BSB: But the thornbush replied, ‘If you really are anointing me as king over you, come and find refuge in my shade. But if not, may fire come out of the thornbush and consume the cedars of Lebanon.’
16 ULB Ankehitriny ary, raha nanao ny marina sy mahitsy ianareo, tamin'ny nanaovanareo an'i Abimeleka ho mpanjaka, ary raha nanao ny tsara mahakasika an'i Jerobala sy ny ankohonany, ary raha nanafay azy araka izay mendrika azy ianareo— BSB BSB: Now if you have acted faithfully and honestly in making Abimelech king, if you have done well by Jerubbaal and his family, and if you have done to him as he deserves—
17 ULB —ary mihevitra fa niady ho anareo ny raiko, nanao vy very ny ainy, ary namonjy anareo tamin'ny tanan'i Midiana— BSB BSB: for my father fought for you and risked his life to deliver you from the hand of Midian,
18 ULB fa ankehitriny ianareo dia efa nitsangana hanohitra ny ankohonan-draiko ary namono ireo zanany lahy, dia olona fitopolo, teo ambony vato iray izany. Ary nataonareo mpanjaka eo amin'ireo mpitarik'i Sekema i Abimeleka, zanaky ny mpanompo vaviny, satria havanareo izy. BSB BSB: but you have risen up against my father’s house this day and killed his seventy sons on a single stone, and you have made Abimelech, the son of his maidservant, king over the leaders of Shechem because he is your brother—
19 ULB Raha nanao ny marina sy mahitsy tamin'i Jerobala sy ny ankohonany ianareo, dia tokony hiravoravo amin'i Abimeleka, ary hamela azy hiravoravo aminareo. BSB BSB: if you have acted faithfully and honestly toward Jerubbaal and his house this day, then may you rejoice in Abimelech, and he in you.
20 ULB Fa raha tsy izany, dia aoka hisy afo hivoaka avy ao amin'i Abimeleka ka handoro ny olon'i Sekema sy Beta-milo. Aoka hisy afo hivoaka avy ao amin'ireo olon'i Sekema sy Beta-milo, mba handoro an'i Abimeleka." BSB BSB: But if not, may fire come from Abimelech and consume the leaders of Shechem and Beth-millo, and may fire come from the leaders of Shechem and Beth-millo and consume Abimelech.”
21 ULB Nandositra ka nitsoaka i Jotama, ary nandeha tany Bera izy. Nonina tany izy satria lavitra an'i Abimeleka rahalahiny izany. BSB BSB: Then Jotham ran away, escaping to Beer, and he lived there for fear of his brother Abimelech.
22 ULB Nanapaka teo amin'Israely nandritra ny telo taona i Abimeleka. BSB BSB: After Abimelech had reigned over Israel for three years,
23 ULB Dia nandefa fanahy ratsy teo amin'i Abimeleka sy ireo mpitarik'i Sekema Andriamanitra. Namadika ny toky izay nananan'izy ireo tamin'i Abimeleka ireo mpitarik'i Sekema. BSB BSB: God sent a spirit of animosity between Abimelech and the leaders of Shechem and caused them to treat Abimelech deceitfully,
24 ULB Nanao izany Andriamanitra mba ho voavaly faty ny herisetra natao tamin'ireo zanak'i Jerobala fitopolo lahy, ary ho voatazona ho tompon'antoka ireo olon'i Sekema satria nanampy azy namono an'ireo rahalahiny izy ireo. BSB BSB: in order that the crime against the seventy sons of Jerubbaal might come to justice and their blood be avenged on their brother Abimelech and on the leaders of Shechem, who had helped him murder his brothers.
25 ULB Koa dia nametraka olona hiandry teo an-tampon-kavoana ireo mpitarika mba hahafahan'izy ireo mamely azy tampoka, ary norobain'izy ireo avokoa ireo izay nandalo teo amin'izy ireo teo amin'izany lalana izany. Voatatitra tany amin'i Abimeleka izany. BSB BSB: The leaders of Shechem set up an ambush against Abimelech on the hilltops, and they robbed all who passed by them on the road. So this was reported to Abimelech.
26 ULB Dia tonga niaraka tamin'ireo havany i Gala zanak'i Ebeda ary nankany Sekema. Nanana fitokisana taminy ny mpitarik'i Sekema. BSB BSB: Meanwhile, Gaal son of Ebed came with his brothers and crossed into Shechem, and the leaders of Shechem put their confidence in him.
27 ULB Nivoaka tany an-tsaha izy ireo ary nanangona voaloboka avy tao amin'ny tanim-boaloboka, ary dia nohitsakitsahiny izany. Nanao firavoravoana tao an-tranon'ny andriamaniny izy ireo, izay nihinanan'izy ireo sy nisotroany, ary nanozonan'izy ireo an'i Abimeleka. BSB BSB: And after they had gone out into the fields, gathered grapes from their vineyards, and trodden them, they held a festival and went into the house of their god; and as they ate and drank, they cursed Abimelech.
28 ULB Hoy i Gala, zanak'i Ebeda hoe: "Iza moa i Abimeleka, ary iza i Sekema, no dia tokony hanompo azy isika? Moa tsy zanak'i Jerobala ve izy? Moa tsy Zebola ve no lefiny? Tompoy ny olon'i Hamora, dia ny rain'i Sekema izany! Nahoana isika no tokony hanompo an'i Abimeleka? BSB BSB: Then Gaal son of Ebed said, “Who is Abimelech, and who is Shechem, that we should serve him? Is he not the son of Jerubbaal, and is not Zebul his officer? You are to serve the men of Hamor, the father of Shechem. Why should we serve Abimelech?
29 ULB Iriako mba teo ambany fifehezako ity vahoaka ity! Dia ho nesoriko i Abimeleka. Dia niteny tamin'i Abimeleka aho hoe: 'Antsoy ny tafikao rehetra."' BSB BSB: If only this people were under my authority, I would remove Abimelech; I would say to him, ‘Muster your army and come out!’”
30 ULB Rehefa nandre ny tenin'i Gala zanak'i Ebeda rehetra i Zebola, manam-boninanihitry ny tanàna, dia nirehitra ny fahatezerany. BSB BSB: When Zebul the governor of the city heard the words of Gaal son of Ebed, he burned with anger.
31 ULB Nandefa iraka tany amin'i Abimeleka izy mba hamitahana, nanao hoe: "Indro, Gala zanak'i Ebeda sy ireo havany dia ho avy any Sekema, ary manainga ny tanàna hanohitra anao izy ireo. BSB BSB: So he covertly sent messengers to Abimelech to say, “Look, Gaal son of Ebed and his brothers have come to Shechem and are stirring up the city against you.
32 ULB Ankehitriny ary, dia mifohaza mandritra ny alina, ianao sy ireo miaramila miaraka aminao, ka manomàna fanafihana tampoka any an-tsaha. BSB BSB: Now then, tonight you and the people with you are to come and lie in wait in the fields.
33 ULB Ary amin'ny maraina, vantany vao mihiratra ny masoandro, dia mifohaza vao maraina ary manaova rodobe eny amin'ny tanàna. Rehefa mivoaka hanohitra anao izy sy ireo olona miaraka aminy, dia manaova izay afakao amin'izy ireo." BSB BSB: And in the morning at sunrise, get up and advance against the city. When Gaal and his men come out against you, do to them whatever you are able.”
34 ULB Koa dia nifoha nandritra ny alina i Abimeleka, sy ireo lehilahy rehetra izay niaraka taminy, ary nametraka fanafihana tampoka hanohitra an'i Sekema izy ireo—nizara ho antoko efatra izany. BSB BSB: So Abimelech and all his troops set out by night and lay in wait against Shechem in four companies.
35 ULB Nivoaka i Gala zanak'i Ebeda ary nitsangana teo amin'ny fidirana teo amin'ny vavahadin'ny tanàna. Nivoaka avy tao amin'ny toerana fiafenany i Abimeleka sy ireo lehilahy niaraka taminy. BSB BSB: Now Gaal son of Ebed went out and stood at the entrance of the city gate just as Abimelech and his men came out from their hiding places.
36 ULB Rehefa hitan'i Gala ireo lehilahy, dia hoy izy tamin'i Zebola hoe: "Indreo, misy olona midina avy any an-tampon-kavoana!" Hoy Zebola taminy hoe: "Toy ny olona ny fahitanao ireo aloka eo amin'ny havoana." BSB BSB: When Gaal saw the people, he said to Zebul, “Look, people are coming down from the mountains!” But Zebul replied, “The shadows of the mountains look like men to you.”
37 ULB Dia niteny indray i Gala ka nanao hoe: "Indreo, misy olona midina eo afovoan'ny tany, ary misy antoko iray tonga avy eo amin'ny hazo terebintan'ireo mpanandro." BSB BSB: Then Gaal spoke up again, “Look, people are coming down from the center of the land, and one company is coming by way of the Diviners’ Oak.”
38 ULB Dia hoy Zebola taminy: "Aiza ary ireo teny mieboebonao ankehitriny, ianao ilay niteny hoe: 'Iza moa i Abimeleka no tokony ho tompointsika?' Moa ve tsy nanamavo ireo lehilahy ireo ianao? Mivoaha izao ka miadia amin'izy ireo." BSB BSB: “Where is your gloating now?” Zebul replied. “You said, ‘Who is Abimelech that we should serve him?’ Are these not the people you ridiculed? Go out now and fight them!”
39 ULB Nivoaka i Gala ary nitarika ireo lehilahin'i Sekema, ary niady tamin'i Abimeleka izy ireo. BSB BSB: So Gaal went out before the leaders of Shechem and fought against Abimelech,
40 ULB Nanenjika azy i Abimeleka, ary nandositra teo anoloany i Gala. Maro no lavon'ny ratra mahafaty teo anoloan'ny fidirana teo am-bavahadin'ny tanàna. BSB BSB: but Abimelech pursued him, and Gaal fled before him. And many Shechemites fell wounded all the way to the entrance of the gate.
41 ULB Nitoetra tany Amora i Abimeleka. Noteren'i Zebola hivoaka an'i Sekema i Gala sy ireo havany. BSB BSB: Abimelech stayed in Arumah, and Zebul drove Gaal and his brothers out of Shechem.
42 ULB Ny ampitso dia nivoaka ho any an-tsaha ireo vahoakan'i Sekema, ary voatatitra tany amin'i Abimeleka izany. BSB BSB: The next day the people of Shechem went out into the fields, and this was reported to Abimelech.
43 ULB Naka ireo vahoakany izy, nizara azy ireo ho antoko telo, ary nanomana fanafihana tampoka tany an-tsaha izy ireo. Nitazana izy ka nahita ny olona nivoaka avy any an-tanàna ary nanafika izy ka nahafaty azy ireo. BSB BSB: So he took his men, divided them into three companies, and lay in wait in the fields. When he saw the people coming out of the city, he rose up against them and attacked them.
44 ULB Nanafika ary nanampina ny fidirana teo amin'ny vavahadin'ny tanàna i Abimeleka sy ireo antoko niaraka taminy. Ireo antoko roa hafa dia nanafika an'ireo rehetra tany an-tsaha ary namono azy ireo. BSB BSB: Then Abimelech and the companies with him rushed forward and took their stand at the entrance of the city gate. The other two companies rushed against all who were in the fields and struck them down.
45 ULB Niady hanohitra ny tanàna rehetra tamin'izany tontolo andro izany i Abimeleka. Nambabo ny tanàna izy, ary nahafaty an'ireo vahoaka izay tao amin'izany. Narodany ny mandan'ny tanàna ka nandrarahany sira izany. BSB BSB: And all that day Abimelech fought against the city until he had captured it and killed its people. Then he demolished the city and sowed it with salt.
46 ULB Rehefa nandre ny momba izany ireo mpitarika teo amin'ny tilikambon'i Sekema, dia niditra tao amin'ny fiarovana mafin'ny tranon'i El-berita izy ireo. BSB BSB: On hearing of this, all the leaders in the tower of Shechem entered the inner chamber of the temple of El-berith.
47 ULB Nolazaina tamin'i Abimeleka fa niara-nivory tao amin'ny tilikambon'i Sekema ny mpitarika rehetra. BSB BSB: And when Abimelech was told that all the leaders in the tower of Shechem were gathered there,
48 ULB Nandeha niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona i Abimeleka, izy sy ireo lehilahy rehetra niaraka taminy. Naka famaky i Abimeleka ary nanapaka rantsan-kazo. Napetrany teo an-tsorony izany ary nibaiko ireo lehilahy niaraka taminy izy hoe: "Izay hitanareo ataoko, faingàna ka manaova tahaka ny nataoko." BSB BSB: he and all his men went up to Mount Zalmon. Abimelech took his axe in his hand and cut a branch from the trees, which he lifted to his shoulder, saying to his men, “Hurry and do what you have seen me do.”
49 ULB Koa dia nikapa rantsan-kazo ny olon-drehetra ary nanaraka an'i Abimeleka. Navangongon'izy ireo teo amin'ny rindrin'ny tilikambo izany, ary nodoran'izy ireo, hany ka maty ihany koa ny olona rehetra tao amin'ny tilikambon'i Sekema, dia lehilahy sy vehivavy manodidina ny arivo izany. BSB BSB: So each man also cut his own branch and followed Abimelech. Then they piled the branches against the inner chamber and set it on fire above them, killing everyone in the tower of Shechem, about a thousand men and women.
50 ULB Dia nankany Tebeza i Abimeleka, ary nitoby tandrifin'i Tebeza izy ka nambabo izany. BSB BSB: Then Abimelech went to Thebez, encamped against it, and captured it.
51 ULB Saingy nisy tilikambo mafy tao amin'ny tanàna, ary vaky nandositra nankao amin'izany ireo lehilahy sy vehivavy ary ireo mpitarika ny tanàna rehetra ka nihidy tao. Avy eo dia niakatra teny an-tafon'ilay tilikambo izy ireo. BSB BSB: But there was a strong tower inside the city, and all the men, women, and leaders of the city fled there. They locked themselves in and went up to the roof of the tower.
52 ULB Nankany amin'ilay tilikambo i Abimeleka ka niady tamin'izany, ary niakatra nanakaiky ny varavaran'ny tilikambo izy mba handoro azy. BSB BSB: When Abimelech came to attack the tower, he approached its entrance to set it on fire.
53 ULB Saingy nisy vehivavy nandatsaka vato fikosoham-bary teo amin'ny lohan'i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany. BSB BSB: But a woman dropped an upper millstone on Abimelech’s head, crushing his skull.
54 ULB Avy eo dia niantso faingana an'ilay tovolahy izay mpitondra ny fiadiany izy, ary niteny taminy hoe: "Avoahy ny sabatrao dia vonoy aho, mba tsy hisy hilaza ny amiko hoe: 'Vehivavy no namono azy."' Ka notrobaran'ilay tovolahy izy, ary maty. BSB BSB: He quickly called his armor-bearer, saying, “Draw your sword and kill me, lest they say of me, ‘A woman killed him.’” So Abimelech’s armor-bearer ran his sword through him, and he died.
55 ULB Rehefa hitan'ireo olon'Israely fa maty i Abimeleka, dia nody izy ireo. BSB BSB: And when the Israelites saw that Abimelech was dead, they all went home.
56 ULB Koa dia namaly faty ny faharatsian'i Abimeleka izay nataony tamin-drainy tamin'ny namonoany ireo rahalahiny fitopolo Andriamanitra. BSB BSB: In this way God repaid the wickedness that Abimelech had done to his father in murdering his seventy brothers.
57 ULB Naverin'Andriamanitra teo amin'ny lohan'izy ireo ihany ny faharatsian'ireo olon'i Sekema ary nanody azy ireo ny ozon'i Jotama zanak'i Jerobala. BSB BSB: And God also brought all the wickedness of the men of Shechem back upon their own heads. So the curse of Jotham son of Jerubbaal came upon them.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.