1 ULB Ilay tanàna izay feno olona tamin'izany dia mitoetra irery ankehitriny. Lasa tahaka ny mpitondratena izy, na dia firenena nahery aza. Izy no andriambavy teo amin'ireo firenena, saingy noterena ho amin'ny fanandevozana ankehitriny. BSB BSB: How lonely lies the city, once so full of people! She who was great among the nations has become a widow. The princess of the provinces has become a slave.
2 ULB Mitomany sy midradradradra izy amin'ny alina, ary mandrakotra ny takolany ireo ranomasony. Tsy nisy tamin'ireo tia azy mba nampionona azy. Namadika azy ny namany rehetra. Lasa fahavalony izy ireo. BSB BSB: She weeps aloud in the night, with tears upon her cheeks. Among all her lovers there is no one to comfort her. All her friends have betrayed her; they have become her enemies.
3 ULB Taorian'ny fahantrana sy fahoriana, dia nalefa ho sesitany i Joda. Miaina eo amin'ireo firenena izy ary tsy mahita fitsaharana. Ireo mpanenjika azy rehetra dia nanahatratra azy tao amin'ny fahakiviany. BSB BSB: Judah has gone into exile under affliction and harsh slavery; she dwells among the nations but finds no place to rest. All her pursuers have overtaken her in the midst of her distress.
4 ULB Misaona ireo lalan'i Ziona satria tsy misy na iray aza tonga amin'ireo fanasana voatondro. Lao ny vavahadiny rehetra. Misento ireo mpisorony. Malahelo mafy ireo virijininy ary izy tenany dia ao anatin'ny fahoriana tanteraka. BSB BSB: The roads to Zion mourn, because no one comes to her appointed feasts. All her gates are deserted; her priests groan, her maidens grieve, and she herself is bitter with anguish.
5 ULB Lasa tompony ireo fahavalony; niroborobo ireo fahavalony. Nampahorian'i Yaveh izy noho ireo fahotany maro. Ireo zanany kely dia lasan-ko babo any amin'ny fahavalony. BSB BSB: Her foes have become her masters; her enemies are at ease. For the LORD has brought her grief because of her many transgressions. Her children have gone away as captives before the enemy.
6 ULB Niala tamin'ny zanakavavin'i Ziona ny hatsaran-tarehy. Lasa tahaka ny serfa izay tsy mahita ahitra ireo zanak'andriany, ary mandeha tsy misy hery eo anoloan'ny mpanenjika azy izy ireo. BSB BSB: All the splendor has departed from the Daughter of Zion. Her princes are like deer that find no pasture; they lack the strength to flee in the face of the hunter.
7 ULB Amin'ireo androm-pahoriany sy tsy hananany fialofana, dia hahatsiaro ireo harena sarobidy rehetra izay nananany tamin'ny androny fahiny i Jerosalema. Rehefa lavo teo an-tanan'ireo fahavalony ny olony, dia tsy nisy nanampy azy. Nahita azy ireo fahavalony ary niomehy tamin'ny faharavany. BSB BSB: In the days of her affliction and wandering Jerusalem remembers all the treasures that were hers in days of old. When her people fell into enemy hands she received no help. Her enemies looked upon her, laughing at her downfall.
8 ULB Nanota be Jerosalema, noho izany, dia nalaim-baraka tahaka ny zavatra maloto izy. Ireo rehetra nanome voninahitra azy dia manao tsinontsinona azy ankehitriny hatramin'ny nahitan'izy ireo ny fitanjahany. Misento izy ary miezaka mihodina. BSB BSB: Jerusalem has sinned greatly; therefore she has become an object of scorn. All who honored her now despise her, for they have seen her nakedness; she herself groans and turns away.
9 ULB Tonga naloto tao ambany zipony izy. Tsy nihevitra ny ho aviny izy. Nahatsiravina ny fianjerany. Tsy nisy na iza na iza nankahery azy. Nitaraina izy hoe: "Jereo ny fahoriako, ry Yaveh, fa nanjary tena lehibe ny fahavalo. BSB BSB: Her uncleanness stains her skirts; she did not consider her end. Her downfall was astounding; there was no one to comfort her. Look, O LORD, on my affliction, for the enemy has triumphed!
10 ULB Nametraka ny tanany teo amin'ireo harena sarobidy rehetra ny fahavalo. Efa nahita ireo firenena niditra tao amin'ny fitoerana masiny izy, na dia efa nobaikonao tsy hiditra ao amin'ny toeran'ny fiangonanao aza izy ireo. BSB BSB: The adversary has seized all her treasures. For she has seen the nations enter her sanctuary—those You had forbidden to enter Your assembly.
11 ULB Misento avokoa ireo olony rehetra raha nitady mofo izy ireo. Natakalo mofo ireo harena sarobidy mba hampiverina ny ain'izy ireo. Jereo, ry Yaveh, ka diniho aho, satria tonga zava-poana aho. BSB BSB: All her people groan as they search for bread. They have traded their treasures for food to keep themselves alive. Look, O LORD, and consider, for I have become despised.
12 ULB Tsy misy dikany aminareo ve, ianareo rehetra izay mandalo? Jereo ka aoka ho hitanao raha misy alahelon'olona tahaka ny alahelo izay mianjady amiko, hatrizay nampijalian'i Yaveh ahy tamin'ny andron'ny hasiakan'ny fahatezerany. BSB BSB: Is this nothing to you, all you who pass by? Look around and see! Is there any sorrow like mine, which was inflicted on me, which the LORD made me suffer on the day of His fierce anger?
13 ULB Avy any amin'ny avo no nandefasany ny afo tamin'ireo taolako, ary nahazo azy izany. Namelatra harato ho an'ny tongotro Izy ary nampiverina ahy. Nataony lao sy reraka foana aho. BSB BSB: He sent fire from on high, and it overpowered my bones. He spread a net for my feet and turned me back. He made me desolate, faint all the day long.
14 ULB Ny ziogan'ireo fandikan-dalàko dia niara-nafatony tamin'ny alalan'ny tanany. Nampifandraisina ireo ary napetraka teo an-tsoroko. Nandavo ny heriko izy. Nomen'ny Tompo ho eo an-tanan'izy ireo aho, ka tsy tafatsangana. BSB BSB: My transgressions are bound into a yoke, knit together by His hand; they are draped over my neck, and the Lord has broken my strength. He has delivered me into the hands of those I cannot withstand.
15 ULB Nampisamboaravoara ireo lehilahy maheriko izay niaro ahy ny Tompo. Efa niantso ny fiangonana hanohitra ahy izy mba hamotika ireo lehilahiko matanjaka. Nanitsakitsaka ny zanakavavy virijinin'i Joda tao amin'ny famiazam-boaloboka ny Tompo. BSB BSB: The Lord has rejected all the mighty men in my midst; He has summoned an army against me to crush my young warriors. Like grapes in a winepress, the Lord has trampled the Virgin Daughter of Judah.
16 ULB Mitomany aho noho ireo zavatra ireo. Ny masoko, mikoriana amin'ny masoko ny rano satria lavitra ahy ireo mpankahery izay tokony hampitraka ny fiainako. Lao ireo zanako satria nandresy ny fahavalo. BSB BSB: For these things I weep; my eyes flow with tears. For there is no one nearby to comfort me, no one to revive my soul. My children are destitute because the enemy has prevailed.
17 ULB Namelatra ny tanany i Ziona; tsy nisy na iza na iza nankahery azy. Nibaiko i Yaveh fa ireo izay manodidina an'i Jakoba dia tokony ho fahavalony. Zava-maloto amin'izy ireo i Jerosalema. BSB BSB: Zion stretches out her hands, but there is no one to comfort her. The LORD has decreed against Jacob that his neighbors become his foes. Jerusalem has become an unclean thing among them.
18 ULB Marina i Yaveh, fa izaho no nikomy hanohitra ny didiny. Mihainoa, ianareo ry olona rehetra, ary jereo ny alaheloko. Lasan-ko babo ireo virijiniko sy ireo olo-maheriko. BSB BSB: The LORD is righteous, yet I rebelled against His command. Listen, all you people; look upon my suffering. My young men and maidens have gone into captivity.
19 ULB Miantso ireo namako aho, nefa namitaka ahy izy ireo. Maty tao an-tanàna ireo mpisoroko sy ireo loholoko, raha nitady sakafo hampody ny ainy izy ireo. BSB BSB: I called out to my lovers, but they have betrayed me. My priests and elders perished in the city while they searched for food to keep themselves alive.
20 ULB Indro, ry Yaveh, fa ao anaty fahoriana aho, ary mangotika ny vavoniko, torotoro ao anatiko ny foko, satria tena nikomy tokoa aho. Eny ivelany, dia mampahory ny reny ny sabatra, tsy misy afa-tsy fahafatesana ao an-trano. BSB BSB: See, O LORD, how distressed I am! I am churning within; my heart is pounding within me, for I have been most rebellious. Outside, the sword bereaves; inside, there is death.
21 ULB Nandre ny fitarainako izy ireo, nefa tsy nisy nankahery ahy. Nandre ny fahoriako ireo fahavaloko rehetra ary faly izy ireo fa vitanao izany. Efa nitondra ny andro nampanantenainao Ianao; ary aoka izy ireo ho lasa tahaka ahy ankehitriny. BSB BSB: People have heard my groaning, but there is no one to comfort me. All my enemies have heard of my trouble; they are glad that You have caused it. May You bring the day You have announced, so that they may become like me.
22 ULB Aoka ny faharatsian'izy ireo rehetra ho tonga eo anoloanao. Ataovy tahaka ny nanaovanao ahy noho ireo fahotako rehetra izy ireo. Maro ny fitarainako ka reraka ny foko. BSB BSB: Let all their wickedness come before You, and deal with them as You have dealt with me because of all my transgressions. For my groans are many, and my heart is faint.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.