1 ULB Nanarona ny zanakavavin'i Ziona tao ambanin'ny rahon'ny fahatezerany ny Tompo. Nariany avy eny an-danitra tamin'ny tany ny famirapiratan'Israely. Tsy nahatsiaro ny fitoeran-tongony Izy tamin'ny andron'ny fahatezerany. BSB BSB: How the Lord has covered the Daughter of Zion with the cloud of His anger! He has cast the glory of Israel from heaven to earth. He has abandoned His footstool in the day of His anger.
2 ULB Efa nitelina sy tsy nanana antra tamin'ny tanàn'i Jakoba rehetra ny Tompo. Tamin'ny andron'ny fahatezerany no nandravany ireo tanàna mimandan'ny zanakavavin'i Joda; tamin'ny fahafaham-baraka no nanjerany ny fanjakana sy ireo mpanapany tamin'ny tany. BSB BSB: Without pity the Lord has swallowed up all the dwellings of Jacob. In His wrath He has demolished the fortified cities of the Daughter of Judah. He brought to the ground and defiled her kingdom and its princes.
3 ULB Tamin'ny fahatezerana mafy no nanapahany ny tandrok'Israely rehetra. Nalàny teo anoloan'ny fahavalony ny tanany ankavanana. Nodorany tahaka ny afo midedadeda izay mandrapaka ny zava-drehetra manodidina azy i Jakoba. BSB BSB: In fierce anger He has cut off every horn of Israel and withdrawn His right hand at the approach of the enemy. He has burned in Jacob like a flaming fire that consumes everything around it.
4 ULB Tahaka ny fahavalo no nanenjanany ny tsipìkany tamintsika, vonona ny hitifitra ny ankavanany. Novonoiny ireo rehetra izay tena nankasitraka Azy tao amin'ny lain'ny zanakavavin'i Ziona; narotsany tahaka ny afo ny hatezerany. BSB BSB: He has bent His bow like an enemy; His right hand is positioned. Like a foe He has killed all who were pleasing to the eye; He has poured out His wrath like fire on the tent of the Daughter of Zion.
5 ULB Nanjary toy ny fahavalo ny Tompo. Nateliny i Israely. Nateliny avokoa ny lapany rehetra. Efa noravany ireo fiarovany mafy. Nampitomboiny ny fisaonana sy ny fitomaniana teo amin'ny zanaka vavin'i Joda. BSB BSB: The Lord is like an enemy; He has swallowed up Israel. He has swallowed up all her palaces and destroyed her strongholds. He has multiplied mourning and lamentation for the Daughter of Judah.
6 ULB Namely ny tabernakeliny tahaka ny trano bongo an-jaridaina Izy. Noravany ny fitoeran'ny fiangonana manetriketrika. Efa nampanadino ny fiangonana manetriketrika sy ny Sabata tao Ziona i Yaveh, fa efa nataony tsinontsinona tamin'ny tsy fahamendrehan'ny fahatezerany ny mpanjaka sy ny mpisorona. BSB BSB: He has laid waste His tabernacle like a garden booth; He has destroyed His place of meeting. The LORD has made Zion forget her appointed feasts and Sabbaths. In His fierce anger He has despised both king and priest.
7 ULB Nanary ny alitarany ny Tompo ary nandà ny fitoerany masina. Nomeny teo an-tanan'ny fahavalo ny mandan'ireo lapany. Nanandratra hiaka tao an-tranon'i Yaveh, toy ny amin'ny androm-panasana voatondro izy ireo. BSB BSB: The Lord has rejected His altar; He has abandoned His sanctuary; He has delivered the walls of her palaces into the hand of the enemy. They have raised a shout in the house of the LORD as on the day of an appointed feast.
8 ULB Nanapan-kevitra ny hanimba ny mandan'ny tanànan'ny zanakavavin'i Ziona i Yaveh. Nenjaniny ny tady fandrefesana ary tsy nihazona ny tanany tsy handrava ny manda Izy. Nampitomany ny tovon-tany sy ny manda Izy; niara-nirodana ireo. BSB BSB: The LORD determined to destroy the wall of the Daughter of Zion. He stretched out a measuring line and did not withdraw His hand from destroying. He made the ramparts and walls lament; together they waste away.
9 ULB Nianjera tamin'ny tany ireo vavahadiny; narodany sy novakiany ny hidin'ireo vavahadiny. Ny mpanjakany sy ireo andriany dia teo amin'ireo firenena, tsy nisy intsony ny lalàna tsy nahita fahitana avy tamin'i Yaveh ireo mpaminaniny. BSB BSB: Her gates have sunk into the ground; He has destroyed and shattered their bars. Her king and her princes are exiled among the nations, the law is no more, and even her prophets find no vision from the LORD.
10 ULB Nipetraka tamim-pahanginana tamin'ny tany ireo loholon'ny zanakavavin'i Ziona. Nanipy vovoka teo an-dohany izy ireo ary nanao lamba fisaonana. Nanondrika ny lohany tamin'ny tany ireo virijinin'i Jerosalema. BSB BSB: The elders of the Daughter of Zion sit on the ground in silence. They have thrown dust on their heads and put on sackcloth. The young women of Jerusalem have bowed their heads to the ground.
11 ULB Pahin'ny ranomaso avy aminy ireo ny masoko; mangotika ny vavoniko; niraraka tamin'ny tany ny tao anatiko nohon'ny faharinganan'ny zanaka vavin'ny oloko, ny faharerahan'ireo ankizy sy ny zaza eny amin'ireo lalan'ny tanàna. BSB BSB: My eyes fail from weeping; I am churning within. My heart is poured out in grief over the destruction of the daughter of my people, because children and infants faint in the streets of the city.
12 ULB Hoy izy ireo amin'ny reniny: "Aiza ny vary sy ny divay?" raha reraka tahaka ny olona maratra eny amin'ny lalan'ny tanàna izy ireo, niraraka teny an-tratran'ireo reniny ny ain'izy ireo. BSB BSB: They cry out to their mothers: “Where is the grain and wine?” as they faint like the wounded in the streets of the city, as their lives fade away in the arms of their mothers.
13 ULB Inona no azoko lazaina aminao, ry zanakavavin'i Jerosalema? Amin'ny inona ianao no ampitahaiko, mba ahafahako mampionona anao, ry zanaka vavy virijinin'i Ziona? Ny ratranao dia lehibe tahaka ny ranomasina. Iza no afaka hanasitrana anao? BSB BSB: What can I say for you? To what can I compare you, O Daughter of Jerusalem? To what can I liken you, that I may console you, O Virgin Daughter of Zion? For your wound is as deep as the sea. Who can ever heal you?
14 ULB Efa nahita fahitana diso sy tsy mendrika ho anao ireo mpaminaninao. Tsy nampiharihary ny helokao mba hamerenana ny harenao izy ireo, fa nanome teny diso sy mamitaka ho anao izy ireo. BSB BSB: The visions of your prophets were empty and deceptive; they did not expose your guilt to ward off your captivity. The burdens they envisioned for you were empty and misleading.
15 ULB Ireo rehetra izay mandalo eny an-dalana dia miteha-tanana anao. Misitrisitra sy mihifikifi-doha amin'ny zanakavavin'i Jerosalema izy ireo sady miteny hoe: "Fa tsy ity ve ilay tanàna izay nantsoin'izy ireo hoe 'Ilay fahatsarana tonga lafatra,' 'Ilay Fifaliana ho an'ny tany rehetra'?" BSB BSB: All who pass by clap their hands at you in scorn. They hiss and shake their heads at the Daughter of Jerusalem: “Is this the city that was called the perfection of beauty, the joy of all the earth?”
16 ULB Manoka-bava sy maneso anao ny fahavalonao rehetra. Manao fihomehy maneso sy mihidy vazana izy ireo sady miteny hoe: "Efa natelinay izy! Ity ilay fotoana efa nandrasanay! Niaina mba hijery izany izahay!" BSB BSB: All your enemies open their mouths against you. They hiss and gnash their teeth, saying, “We have swallowed her up. This is the day for which we have waited. We have lived to see it!”
17 ULB Nataon'i Yaveh izay nokasainy atao. Nanatanteraka ny teniny Izy. Noravainy tsy nisy hantra ianao, fa nanome alalana ny fahavalo mba hifaly eo aminao Izy; nasandrany ny tandrok'ireo fahavalonao. BSB BSB: The LORD has done what He planned; He has accomplished His decree, which He ordained in days of old; He has overthrown you without pity. He has let the enemy gloat over you and exalted the horn of your foes.
18 ULB Nitaraina tamin'ny Tompo ny fon'izy ireo, dia ireo mandan'ny zanakavavin'i Ziona! Arotsaho tahaka ny renirano andro aman'alina ny ranomasonao. Aza manome fitsaharana ho an'ny tenanao, fitsaharana ho an'ny masonao. BSB BSB: The hearts of the people cry out to the Lord. O wall of the Daughter of Zion, let your tears run down like a river day and night. Give yourself no relief, and your eyes no rest.
19 ULB Mifohaza, mitalahoa amin'ny alina, dia amin'ny fiandohan'ny fiambenana alina! Araraho tahaka ny rano eo anatrehan'ny tavan'ny Tompo ny fonao. Asandrato ho Azy ny tananao ho an'ny ain'ireo zanakao izay reraky ny hanoanana eo an-joron-dalana rehetra." BSB BSB: Arise, cry out in the night from the first watch of the night. Pour out your heart like water in the presence of the Lord. Lift up your hands to Him for the lives of your children who are fainting from hunger on the corner of every street.
21 ULB Samy mandry eo amin'ny vovok'ireo lalana ny tanora sy ny antitra. Lavon'ny sabatra ireo tovovaviko sy ireo tovolahiko; novonoinao tsy misy hantra izy ireo. BSB BSB: Both young and old lie together in the dust of the streets. My young men and maidens have fallen by the sword. You have slain them in the day of Your anger; You have slaughtered them without compassion.
22 ULB Nantsoinao, tahaka ny niantsoanao ny olona ho amin'ny andro firavoravoana, nanodidina ahy rehetra ny horohoroko, tamin'ny andron'ny fahatezeran'i Yaveh dia tsy nisy afa-nandositra na tafavoaka velona; ireo izay efa nokarakaraiko sy nobeaziko, dia noringanin'ny fahavaloko. BSB BSB: You summoned my terrors on every side, as for the day of an appointed feast. In the day of the LORD’s anger no one escaped or survived; my enemy has destroyed those I nurtured and reared.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.