1 ULB Efa lasa maloto ny volamena; endrey ny fiovan'ny volamena madio indrindra! Ireo vato masina dia niparitaka teny an-joron-dalana rehetra. BSB BSB: How the gold has become tarnished, the pure gold has become dull! The gems of the temple lie scattered on every street corner.
2 ULB Ireo zanaka sarobidin'i Ziona dia mendrika ny lanjan'izy ireo amin'ny volamena madio, fa ankehitriny izy ireo dia tsy mendrika noho ireo siny tanimanga, asa-tanan'ireo mpanefy tanimanga izy ireo! BSB BSB: How the precious sons of Zion, once worth their weight in pure gold, are now esteemed as jars of clay, the work of a potter’s hands!
3 ULB Na ny amboahaolo aza manolotra ny tratrany mba hampinonoana ireo zanany, nefa ny zanakavavin'ny oloko dia efa lasa lozabe, toy ny ostritsa any amin'ny tany efitra BSB BSB: Even jackals offer their breasts to nurse their young, but the daughter of my people has become cruel, like an ostrich in the wilderness.
4 ULB Ny lelan'ny zaza minono dia miraikitra amin'ny lanilaniny noho ny hetaheta; mangataka sakafo ny ankizy, saingy tsy misy ho azy ireo. BSB BSB: The nursing infant’s tongue clings in thirst to the roof of his mouth. Little children beg for bread, but no one gives them any.
5 ULB Ireo izay nihinana sakafo lafo vidy ankehitriny dia mosarena eny an-dalana; ireo izay nobeazina nitafy akanjo volomparasy, dia mandry eny amin'ny fako misavoana ankehitriny. BSB BSB: Those who once ate delicacies are destitute in the streets; those brought up in crimson huddle in ash heaps.
6 ULB Ny famaizana ny zanakavavin'ny oloko dia lehibe noho ny an'i Sodoma, fa noravana tao anatin'ny fotoana fohy izany ary tsy nisy nanandra-tanana mba hanampy azy. BSB BSB: The punishment of the daughter of my people is greater than that of Sodom, which was overthrown in an instant without a hand turned to help her.
7 ULB Ireo mpitarika azy dia nadio kokoa noho ny oram-panala, fotsy kokoa noho ny ronono; ny vatan'izy ireo dia mena midorehitra noho ny haran-dranomasina, ny tenan'izy ireo dia toy ny safira. BSB BSB: Her dignitaries were brighter than snow, whiter than milk; their bodies were more ruddy than rubies, their appearance like sapphires.
8 ULB Ny endrik'izy ireo ankehitriny dia maizina noho ny molaly; tsy fantatra eny an-dalana izy ireo. Ny hoditr'izy ireo dia niraikitra tamin'ny taolan'izy ireo; lasa maina toy ny hazo izany. BSB BSB: But now their appearance is blacker than soot; they are not recognized in the streets. Their skin has shriveled on their bones; it has become as dry as a stick.
9 ULB Ireo izay novonoina tamin'ny sabatra dia sambatra kokoa noho ireo izay matin'ny hanoanana, izay osa, nolefonina tamin'ny tsy fahampian'ny vokatra avy any an-tsaha. BSB BSB: Those slain by the sword are better off than those who die of hunger, who waste away, pierced with pain because the fields lack produce.
10 ULB Ny tanan'ireo vehivavy malemy fanahy dia efa nahandro ireo zanany ihany; lasa sakafon'izy ireo nandritry ny fotoana nandravana ny zanakavavin'ny oloko izy ireo. BSB BSB: The hands of compassionate women have cooked their own children, who became their food in the destruction of the daughter of my people.
11 ULB Naneho ny hatezerany rehetra i Yaveh; nandrotsaka ny fahatezerany masiaka Izy. Nandrehitra afo tao Ziona mba handevonana ny fiorenany Izy. BSB BSB: The LORD has exhausted His wrath; He has poured out His fierce anger; He has kindled a fire in Zion, and it has consumed her foundations.
12 ULB Tsy nino ireo mpanjakan'ny tany, ary tsy nino ny mponin'izao tontolo izao, fa afaka niditra tamin'ireo vavahadin'i Jerosalema ireo fahavalo na mpanohitra. BSB BSB: The kings of the earth did not believe, nor any people of the world, that an enemy or a foe could enter the gates of Jerusalem.
13 ULB Nitranga izany noho ny fahotan'ireo mpaminaniny sy ny helok'ireo mpisorony izay efa nandatsaka ny ràn'ny marina tao afovoany. BSB BSB: But this was for the sins of her prophets and the guilt of her priests, who shed the blood of the righteous in her midst.
14 ULB Nirenireny, jamba, teny amin'ireo lalana izy ireo. Tena voaloto indrindra tamin'izany rà izany izy ireo ka tsy nisy navela mba hikasika ny akanjon'izy ireo. BSB BSB: They wandered blind in the streets, defiled by this blood, so that no one dared to touch their garments.
15 ULB "Mialà! ry Maloto!" hoy ny hiakiakan'ny olona tamin'izy ireo. "Mialà! Mialà! Aza mikasika!" Ka nirenireny izy ireo; hoy ny vahoaka teo amin'ireo firenena hoe: "Tsy mahazo mijanona eto intsony izy ireo." BSB BSB: “Go away! Unclean!” men shouted at them. “Away, away! Do not touch us!” So they fled and wandered. Among the nations it was said, “They can stay here no longer.”
16 ULB Yaveh mihitsy no nanaparitaka azy ireo; tsy nijery azy ireo intsony Izy. Tsy manome voninahitra ireo mpisorona izy ireo, ary tsy naneho sitraka tamin'ireo loholona. BSB BSB: The presence of the LORD has scattered them; He regards them no more. The priests are shown no honor; the elders find no favor.
17 ULB Pahina ny masonay, miandry vasoka izay hanampy anay; avy amin'ireo tilikambo fiambenanay no nijerenay ny firenena izay tsy afaka namonjy anay. BSB BSB: All the while our eyes were failing as we looked in vain for help. We watched from our towers for a nation that could not save us.
18 ULB Nanaraka ireo dianay izy ireo, tsy afaka nandeha tamin'ireo lalanay izahay. Akaiky ny fiafaranay ary voaisa ireo andronay, efa ho tonga ny fiafaranay. BSB BSB: They stalked our every step, so that we could not walk in our streets. Our end drew near, our time ran out, for our end had come!
19 ULB Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ireo voromahery eny an-danitra. Nanenjika anay teny an-tendrombohitra izy ireo ary nanao otrika ho anay tany an-tany efitra. BSB BSB: Those who chased us were swifter than the eagles in the sky; they pursued us over the mountains and ambushed us in the wilderness.
20 ULB Ny fofonaina eo amin'ny vavoronay dia—ilay voahosotr'i Yaveh—Izy ilay voasambotra tao an-davak'izy ireo; ilay nolazaina hoe: "Ao ambanin'ny alony no hahavelona anay amin'ny firenena rehetra." BSB BSB: The LORD’s anointed, the breath of our life, was captured in their pits. We had said of him, “Under his shadow we will live among the nations.”
21 ULB Mifalia sy miravoravoa, ry zanakavavin'i Edoma, ianao izay monina any amin'ny tanin'i Oza. Fa ho anao ihany koa no handrosoana ny kapoaka; ho mamo ianao ary hampitanjaka ny tenanao. BSB BSB: So rejoice and be glad, O Daughter of Edom, you who dwell in the land of Uz. Yet the cup will pass to you as well; you will get drunk and expose yourself.
22 ULB Ry zanakavavin'i Ziona, efa hifarana ny famaizana anao, tsy hanitatra ny sesitaninao Izy. Kanefa ry zanakavavin'i Edoma, hanafay Izy; tsy hanarona ireo fahotanao izy. BSB BSB: O Daughter of Zion, your punishment is complete; He will not prolong your exile. But He will punish your iniquity, O Daughter of Edom; He will expose your sins.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.