2 ULB Koa nisy afo nivoaka avy teo anatrehan'i Yaveh ary nandevona azy ireo, ary maty teo anoloan'i Yaveh izy ireo. BSB BSB: So fire came out from the presence of the LORD and consumed them, and they died in the presence of the LORD.
3 ULB Avy eo Mosesy niteny tamin'i Arona hoe: "Izao no noresahan'i Yaveh rehefa niteny Izy hoe: 'Hanambara ny fahamasinako amin'ireo izay tonga manakaiky Ahy Aho. Homem-boninahitra eo anatrehan'ny vahoaka rehetra Aho.'" Tsy niteny na inona na inona i Arona. BSB BSB: Then Moses said to Aaron, “This is what the LORD meant when He said: ‘To those who come near Me I will show My holiness, and in the sight of all the people I will reveal My glory.’” But Aaron remained silent.
4 ULB Niantso an'i Misaela sy Elzafana, zanaka lahin'i Oziela rahalahin-drain'i Arona i Mosesy, ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Mankanesa ety ary ento eny ivelan'ny toby tsy ho eo anatrehan'ny tabernakely ireo rahalahinareo." BSB BSB: Moses summoned Mishael and Elzaphan, sons of Aaron’s uncle Uzziel, and said to them, “Come here; carry the bodies of your cousins outside the camp, away from the front of the sanctuary.”
5 ULB Koa nanatona akaiky izy ireo ary nitondra azy ireo mbola nanao ny akanjo lava maha-mpisorona azy ireo teny ivelan'ny toby, araka ny efa nolazain'i Mosesy. BSB BSB: So they came forward and carried them, still in their tunics, outside the camp, as Moses had directed.
6 ULB Avy eo i Mosesy dia niteny tamin'i Arona sy Eleazara ary Itamara, ireo zanany lahy hoe: "Aza avela hisaritaka ny volo eo an-dohanareo, ary aza rovitina ny akanjonareo, mba tsy ho faty ianareo, ary mba tsy ho tezitra amin'ny fiangonana rehetra Yaveh. Fa avelao ireo havanareo, ny taranak'Israely rehetra, mba hisaona an'ireo izay nodoran'ny afon'i Yaveh. BSB BSB: Then Moses said to Aaron and his sons Eleazar and Ithamar, “Do not let your hair become disheveled and do not tear your garments, or else you will die, and the LORD will be angry with the whole congregation. But your brothers, the whole house of Israel, may mourn on account of the fire that the LORD has ignited.
7 ULB Aoka tsy handeha ivelan'ny fidirana ao amin'ny lay fihaonana ianareo, raha tsy izany dia ho faty ianareo, satria aminareo ny diloilo fanosoran'i Yaveh." Koa nanao araka ny tenin'i Mosesy izy ireo. BSB BSB: You shall not go outside the entrance to the Tent of Meeting, or you will die, for the LORD’s anointing oil is on you.” So they did as Moses instructed.
8 ULB Niresaka tamin'i Arona i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Aaron,
9 ULB "Aza misotro divay na zava-pisotro mahery, ianao, na ireo zanakao lahy izay sisa miaraka aminao, rehefa mankany amin'ny lay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo. Ho lalàna maharitra ho an'ireo taranaky ny vahoakanao izany, BSB BSB: “You and your sons are not to drink wine or strong drink when you enter the Tent of Meeting, or else you will die; this is a permanent statute for the generations to come.
10 ULB mba hanavahana ny masina sy ny tsy masina, ary ny maloto sy ny madio, BSB BSB: You must distinguish between the holy and the common, between the clean and the unclean,
11 ULB ka mba hampianatra ny vahoakan'Israely ireo lalàna rehetra izay nandidin'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy ianao." BSB BSB: so that you may teach the Israelites all the statutes that the LORD has given them through Moses.”
12 ULB Niresaka tamin'i Arona sy Eleazara ary Itamara, zanany lahy sisa tavela i Mosesy hoe: "Alaivo ny fanatitra hohanina izay tavela avy tamin'ireo fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, ary hano miaraka amin'ny lalivay eo ankilan'ny alitara izany, satria masina indrindra izany. BSB BSB: And Moses said to Aaron and his remaining sons, Eleazar and Ithamar, “Take the grain offering that remains from the food offerings to the LORD and eat it without leaven beside the altar, because it is most holy.
13 ULB Aoka ianareo hihinana izany ao amin'ny toerana masina, satria anjaranao sy anjaran'ireo zanakao lahy tamin'ireo fanatitra vita tamin'ny afo ho an'i Yaveh izany, fa izany no nandidiana ahy ho lazaina aminao. BSB BSB: You shall eat it in a holy place, because it is your share and your sons’ share of the food offerings to the LORD; for this is what I have been commanded.
14 ULB Ny tratrany izay mihevaheva sy ny feny izay aseho an'i Yaveh, dia aoka ho haninareo eny amin'ny toerana madio eken'Andriamanitra. Ianao sy ireo zanako lahy ary ireo zanako vavy dia tokony mihinana ireo anjara ireo, fa efa nomena ho anjaranao sy anjaran'ireo zanakao lahy avy amin'ny soron'ny fanati-pihavanan'ny vahoakan'Israely ireo. BSB BSB: And you and your sons and daughters may eat the breast of the wave offering and the thigh of the contribution in a ceremonially clean place, because these portions have been assigned to you and your children from the peace offerings of the sons of Israel.
15 ULB Ny feny izay aseho sy ny tratrany izay mihevaheva, dia tsy maintsy entin'izy ireo miaraka amin'ny sabora natao tamin'ny afo, mba hahevaheva eo anatrehan'i Yaveh. Ho anao sy ireo zanakao lahy miaraka aminao toy ny anjara mandrakizay ireo, araka ny nandidin'i Yaveh." BSB BSB: They are to bring the thigh of the contribution and the breast of the wave offering, together with the fat portions of the food offerings, to wave as a wave offering before the LORD. It will belong permanently to you and your children, as the LORD has commanded.”
16 ULB Avy eo Mosesy nanontany momba ilay osy natao fanatitra nohon'ny ota, ary nahita fa may izany. Koa tezitra tamin'i Eleazara sy Itamara, zanaka lahin'i Arona sisa tavela izy; hoy izy hoe: BSB BSB: Later, Moses searched carefully for the goat of the sin offering, and behold, it had been burned up. He was angry with Eleazar and Ithamar, Aaron’s remaining sons, and asked,
17 ULB "Nahoana ianareo no tsy nihinana ilay fanatitra nohon'ny ota teo amin'ny faritry ny tabernakely, fa izany no masina indrindra, ary efa nomen'i Yaveh anareo mba hanesorana ny heloky ny fivondronana izany, mba ho fanonerana ho azy ireo teo anatrehany? BSB BSB: “Why didn’t you eat the sin offering in the holy place? For it is most holy; it was given to you to take away the guilt of the congregation by making atonement for them before the LORD.
18 ULB Indro, ny ràny dia tsy nentina tao anatin'ny tabernakely, izay tokony nohaninareo tao amin'ny faritry ny tabernakely, araka ny nandidiko." BSB BSB: Since its blood was not brought inside the holy place, you should have eaten it in the sanctuary area, as I commanded.”
19 ULB Avy eo Arona namaly an'i Mosesy hoe: "Indro, androany no nanaovan'izy ireo ny fanatitra nohon'ny otany sy ny fanatitra dorany teo anatrehan'i Yaveh, ary izany zavatra izany dia nitranga tamiko androany. Raha nihinana ilay fanatitra nohon'ny ota aho androany, moa ve nankasitrahina teo imason'i Yaveh izany?" BSB BSB: But Aaron replied to Moses, “Behold, this very day they presented their sin offering and their burnt offering before the LORD. Since these things have happened to me, if I had eaten the sin offering today, would it have been acceptable in the sight of the LORD?”
20 ULB Rehefa ren'i Mosesy izany, dia afapo izy. BSB BSB: And when Moses heard this explanation, he was satisfied.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.