1 ULB Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
2 ULB "Miresaha amin'ny fiangonan'ny vahoakan'Israely manontolo ary lazao azy ireo hoe: 'Masìna ianareo, fa Izaho Yaveh Andriamanitrareo dia masina. BSB BSB: “Speak to the whole congregation of Israel and tell them: Be holy because I, the LORD your God, am holy.
3 ULB Aoka ny tsirairay hanaja ny reniny sy ny rainy, ary tandremo ny Sabatako, Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. BSB BSB: Each of you must respect his mother and father, and you must keep My Sabbaths. I am the LORD your God.
4 ULB Aza miodina mankany amin'ny sampinareo zava-poana, na manao andriamanitra vy ho anareo. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. BSB BSB: Do not turn to idols or make for yourselves molten gods. I am the LORD your God.
5 ULB Raha manatitra soron'ny fanati-pihavanana amin'i Yaveh ianareo, aoka ianareo hanatitra izany mba ho ekena. BSB BSB: When you sacrifice a peace offering to the LORD, you shall offer it for your acceptance.
6 ULB Aoka ho hanina amin'ny andro hanateranareo azy izany, na amin'ny ampitson'iny. BSB BSB: It shall be eaten on the day you sacrifice it, or on the next day; but what remains on the third day must be burned up.
7 ULB Raha misy zavatra tsy lany mandra-pahatongan'ny andro fahatelo, dia aoka ho dorana izany. Maloto izany raha mbola hanina amin'ny andro fahatelo. Aoka tsy ho ekena izany, BSB BSB: If any of it is eaten on the third day, it is tainted and will not be accepted.
8 ULB fa ny tsirairay izay mihinana izany dia hitondra ny helony satria efa nanala baraka izay zava-masin'i Yaveh izy. Aoka ho esorina eo amin'ny vahoakany izany olona izany. BSB BSB: Whoever eats it will bear his iniquity, for he has profaned what is holy to the LORD. That person must be cut off from his people.
9 ULB Raha mijinja ny vokatry ny taninareo ianareo, dia aoka ianareo tsy hijinja tanteraka ny zoron'ny sahanareo, na koa hanangona vokatrareo rehetra. BSB BSB: When you reap the harvest of your land, you are not to reap to the very edges of your field or gather the gleanings of your harvest.
10 ULB Aoka ianareo tsy hanangona ny voaloboka rehetra amin'ny tanim-boalobokareo, na hanangona ny voaloboka izay milatsaka amin'ny tany eo amin'ny tanim-boalobokareo. Aoka havelanareo izy ireny ho an'ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. BSB BSB: You must not strip your vineyard bare or gather its fallen grapes. Leave them for the poor and the foreigner. I am the LORD your God.
11 ULB Aza mangalatra. Aza mandainga. Aza mifamitaka. BSB BSB: You must not steal. You must not lie or deceive one another.
12 ULB Aza mianiana lainga amin'ny Anarako na maniratsira ny Anaran'ny Andriamanitrareo. Izaho no Yaveh. BSB BSB: You must not swear falsely by My name and so profane the name of your God. I am the LORD.
13 ULB Aza mampahory ny mpiara-monina aminareo na mandroba azy. Aoka tsy hijanona miaraka aminareo amin'ny alina manontolo ka hatramin'ny maraina ny karaman'ny mpikarama. BSB BSB: You must not defraud your neighbor or rob him. You must not withhold until morning the wages due a hired hand.
14 ULB Aza manozona ny marenina na mametraka sakana manafintohina eo anolohan'ny jamba. Fa kosa, aoka ianareo hatahotra ny Andriamanitrareo. Izaho no Yaveh. BSB BSB: You must not curse the deaf or place a stumbling block before the blind, but you shall fear your God. I am the LORD.
15 ULB Aza disoina ny fitsarana. Aza mizaha tavan'olona satria mahantra izy, ary aza mizaha tavan'olona satria olona ambony izy. Fa kosa, tsarao araka ny fahamarinana ny mpiara-monina aminareo. BSB BSB: You must not pervert justice; you must not show partiality to the poor or favoritism to the rich; you are to judge your neighbor fairly.
16 ULB Aza mivezivezy manaparitaka fosafosa eo amin'ny vahoakanareo, fa katsaho izay hiarovanareo ny ain'ny mpiray monina aminareo. Izaho no Yaveh. BSB BSB: You must not go about spreading slander among your people. You must not endanger the life of your neighbor. I am the LORD.
17 ULB Aza mankahala ny rahalahinareo amin'ny fonareo. Aoka ianareo hiteny mafy an-kitsi-po ny mpiray monina aminareo mba tsy hifampizaranareo ota noho ny aminy. BSB BSB: You must not harbor hatred against your brother in your heart. Directly rebuke your neighbor, so that you will not incur guilt on account of him.
19 ULB Tandremo ireo didiko. Aza manandrana mampanaraka ny bibinareo amin'ny karazam-biby hafa. Aza manakambana karazam-boa samihafa raha mamboly amin'ny tanim-boly. Aza mitondra akanjo natao tamin'ny akora roa karazana izay nampifangaroana. BSB BSB: You are to keep My statutes. You shall not crossbreed two different kinds of livestock; you shall not sow your fields with two kinds of seed; and you shall not wear clothing made of two kinds of material.
20 ULB Na iza na iza miara-mandry amin'ny andevo vavy izay voafofo ho vady, nefa tsy novidiam-panavotana na nomena ny fahafahana, dia aoka izy ireo hosaziana. Aoka tsy ho vonoina izy ireo satria tsy olona afaka izy. BSB BSB: If a man lies carnally with a slave girl promised to another man but who has not been redeemed or given her freedom, there must be due punishment. But they are not to be put to death, because she had not been freed.
21 ULB Aoka hitondra ny fanatitra nohon'ny heloka ho an'i Yaveh eo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana ny lehilahy iray_ondry lahy iray ho fanatitra nohon'ny heloka. BSB BSB: The man, however, must bring a ram to the entrance to the Tent of Meeting as his guilt offering to the LORD.
22 ULB Dia hanao fanavotana ho azy ny mpisorona miaraka amin'ilay ondry lahy ho fanatitra nohon'ny heloka eo anolohan'i Yaveh, nohon'ny ota izay nataony. Ary dia ho voavela ny fahotana vitany. BSB BSB: The priest shall make atonement on his behalf before the LORD with the ram of the guilt offering for the sin he has committed, and he will be forgiven the sin he has committed.
23 ULB Raha tonga eo amin'ny tany ianareo ary mamboly ireo karazan-kazo fihinam-boa, dia aoka ianareo hamela ny voa izay vokarin'izy ireo mba ho voarara tsy ho hanina. Aoka ho voarara ny voa ho anareo mandritra ny telo taona. Aoka tsy hohanina izany. BSB BSB: When you enter the land and plant any kind of tree for food, you shall regard the fruit as forbidden. For three years it will be forbidden to you and must not be eaten.
24 ULB Fa amin'ny taona fahefatra dia ho masina avokoa ny voa rehetra, ho fanati-piderana ho an'i Yaveh. BSB BSB: In the fourth year all its fruit must be consecrated as a praise offering to the LORD.
25 ULB Amin'ny taona fahadimy dia afaka hihinana ny voa ianareo, satria niandry ianareo mba hafahan'ireo hazo mamokatra bebe kokoa. Izaho no Yaveh. BSB BSB: But in the fifth year you may eat its fruit; thus your harvest will be increased. I am the LORD your God.
26 ULB Aza mihinana hena raha mbola misy rà izany. Aza manontany ny fanahy momban'ny ho avy, ary aza mikatsaka ny hifehy ny hafa amin'ny hery mihoatry ny natoraly. BSB BSB: You must not eat anything with blood still in it. You must not practice divination or sorcery.
27 ULB Aza manaraka ny fahazaran'ny mpanompo sampy tahaka ny fanaratana ny sisin'ny lohanareo na manongotra ny sisiny avy amin'ny volom-bavanareo. BSB BSB: You must not cut off the hair at the sides of your head or clip off the edges of your beard.
28 ULB Aza mandidy ny vatanareo ho an'ny maty na manisy marika tombokavatsa amin'ny tenanareo. Izaho no Yaveh. BSB BSB: You must not make any cuts in your bodies for the dead or put tattoo marks on yourselves. I am the LORD.
29 ULB Aza manala baraka ny zanakareo vavy amin'ny fanaovana azy ho mpijangajanga, fa ho lavo amin'ny fijangajangana ny firenena ary ho feno faharatsiana ny tany. BSB BSB: You must not defile your daughter by making her a prostitute, or the land will be prostituted and filled with depravity.
30 ULB Aoka ianareo hitandrina ny Sabatako ary hanome voninahitra ny fitoerana masin'ny taberakeliko. Izaho no Yaveh. BSB BSB: You must keep My Sabbaths and have reverence for My sanctuary. I am the LORD.
31 ULB Aza mihodina ho any amin'ireo izay miresaka amin'ny maty na amin'ny fanahy. Aza mitady azy ireo, fa raha tsy izany handoto anareo izy ireo. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. BSB BSB: You must not turn to mediums or spiritists; do not seek them out, or you will be defiled by them. I am the LORD your God.
32 ULB Aoka ianareo hitsangana manoloana ny olona fotsy volo ary hanome voninahitra ny olona antitra. Aoka ianareo hatahotra ny Andriamanitrareo. Izaho no Yaveh. BSB BSB: You are to rise in the presence of the elderly, honor the aged, and fear your God. I am the LORD.
34 ULB Aoka ho tahaka ny tera-tany Israelita monina eo aminareo ireo vahiny izay monina miaraka aminareo, ary aoka ho tiavinareo tahaka ny tenanareo izy, satria efa mba vahiny ihany ianareo tany amin'ny tany Egypta. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. BSB BSB: You must treat the foreigner living among you as native-born and love him as yourself, for you were foreigners in the land of Egypt. I am the LORD your God.
35 ULB Aza mampiasa fandrefesana diso raha mandrefy halavana, lanja, na habetsahana. BSB BSB: You must not use dishonest measures of length, weight, or volume.
36 ULB Aoka ianareo hampiasa mizàna marina, vato mizàna marina, efaha marina, ary hina marina. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo nivoaka ny tany Egypta. BSB BSB: You shall maintain honest scales and weights, an honest ephah, and an honest hin. I am the LORD your God, who brought you out of the land of Egypt.
37 ULB Hankatoavy ireo didiko rehetra sy ny lalàko rehetra, ary hataovy ireny. Izaho no Yaveh.'" BSB BSB: You must keep all My statutes and all My ordinances and follow them. I am the LORD.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.