1 ULB Raha misy mitondra fanatitra voa ho an'i Yaveh, dia aoka ho koba tsara toto ny fanatiny, ary handraraka diloilo eo amin'izany sy hametraka ditin-kazo manitra eo amin'izany izy. BSB BSB: “When anyone brings a grain offering to the LORD, his offering must consist of fine flour. He is to pour olive oil on it, put frankincense on it,
2 ULB Hitondra ny fanatitra eo amin'ireo mpisorona zanak'i Arona izy, dia haka koba tsara toto eran'ny tanana miaraka amin'ny diloilo sy ditin-kazo manitra eo amin'izany ny mpisorona. Dia handoro ny fanatitra eo amin'ny alitara ho fanati-pahatsiarovana ny mpisorona. Hamoka hanitra malefaka ho an'i Yaveh izany; ho fanatitra natao tamin'ny afo ho Azy. BSB BSB: and bring it to Aaron’s sons the priests. The priest shall take a handful of the flour and oil, together with all the frankincense, and burn this as a memorial portion on the altar, a food offering, a pleasing aroma to the LORD.
3 ULB Izay rehetra tavela amin'ireo fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ireo zanany lahy. Masina tokoa avy amin'ireo fanatitra ho an'i Yaveh natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh izany. BSB BSB: The remainder of the grain offering shall belong to Aaron and his sons; it is a most holy part of the food offerings to the LORD.
4 ULB Raha manolotra fanatitra voa tsy misy lalivay izay nandrahoina tamin'ny lafaoro ianao, dia aoka ho mofo malemy vita tamin'ny koba tsara toto miharo diloilo izany, na mofo mafy tsy misy lalivay, izay voahosotra diloilo. BSB BSB: Now if you bring an offering of grain baked in an oven, it must consist of fine flour, either unleavened cakes mixed with oil or unleavened wafers coated with oil.
5 ULB Raha nandrahoina tamin'ny lasitra vy fisaka ny fanatitra voa, dia aoka ho avy amin'ny koba tsara toto tsy misy lalivay izay miharo diloilo izany. BSB BSB: If your offering is a grain offering prepared on a griddle, it must be unleavened bread made of fine flour mixed with oil.
6 ULB Hozarainao izany ary handrarahanao diloilo eo aminy. Izany no fanatitra dorana. BSB BSB: Crumble it and pour oil on it; it is a grain offering.
7 ULB Raha nandrahoina tamin'ny lasitra ny fanatitra voa anao, dia aoka atao amin'ny koba tsara toto sy diloilo izany. BSB BSB: If your offering is a grain offering cooked in a pan, it must consist of fine flour with oil.
8 ULB Aoka hitondra fanatitra voa natao tamin'ireo zavatra ireo ho an'i Yaveh ianao, ary izany dia hatolotra eo amin'ny mpisorona, izay hitondra izany eo amin'ny alitara. BSB BSB: When you bring to the LORD the grain offering made in any of these ways, it is to be presented to the priest, and he shall take it to the altar.
9 ULB Avy eo dia haka sasany amin'ny fanatitra voa ho fanati-pahatsiarovana ny mpisorona, ary handoro izany eo amin'ny alitara izy. Ho fanatitra natao tamin'ny afo izany, ary hahatonga hanitra ankasitrahana ho an'i Yaveh. BSB BSB: The priest is to remove the memorial portion from the grain offering and burn it on the altar as a food offering, a pleasing aroma to the LORD.
10 ULB Izay ambin'ny fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ireo zanany lahy. Masina dia masina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Yaveh izany. BSB BSB: But the remainder of the grain offering shall belong to Aaron and his sons; it is a most holy part of the food offerings to the LORD.
11 ULB Tsy hisy fanatitra voa ho atolotrao ho an'i Yaveh ka hisy lalivay, satria tsy tokony handoro masirasira, na tantely, ho fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh ianao. BSB BSB: No grain offering that you present to the LORD may be made with leaven, for you are not to burn any leaven or honey as a food offering to the LORD.
12 ULB Hanolotra ireo ho fanatitra voaloham-bokatra ho an'i Yaveh ianao, saingy tsy hampiasaina hamoahana hanitra malefaka eo amin'ny alitara ireo. BSB BSB: You may bring them to the LORD as an offering of firstfruits, but they must not go up on the altar as a pleasing aroma.
13 ULB Aoka hanome tsiro ny tsirairay amin'ny fanatitra voa amin'ny sira ianao. Aoka tsy ho adinonao mihitsy amin'ny fanatitra voa ny siran'ny faneken'Andriamanitrao. Manolora sira amin'ireo fanatitrao rehetra. BSB BSB: And you shall season each of your grain offerings with salt. You must not leave the salt of the covenant of your God out of your grain offering; you are to add salt to each of your offerings.
14 ULB Raha manolotra fanatitra voa amin'ny voaloham-bokatra ho an'i Yaveh ianao, dia manolora voa vaovao izay natono tamin'ny afo sy nopotehina ho sakafo avy eo. BSB BSB: If you bring a grain offering of firstfruits to the LORD, you shall offer crushed heads of new grain roasted on the fire.
15 ULB Dia aoka hanisy diloilo sy ditin-kazo manitra ao amin'izany ianao. Izany no fanatitra voa. BSB BSB: And you are to put oil and frankincense on it; it is a grain offering.
16 ULB Ary handoro ny ampahan'ny voa voatoto sy diloilo ary ditin-kazo manitra ho fanati-pahatsiarovana ny mpisorona. Izany no fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. BSB BSB: The priest shall then burn the memorial portion of the crushed grain and the oil, together with all its frankincense, as a food offering to the LORD.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.