1 ULB Raha misy olona manolotra sorona, izay fanati-pihavanana amin'ny iray amin'ireo biby avy amin'ny andian'omby, na lahy na vavy, dia aoka izy hanome biby tsy misy kilema eo anoloanan'i Yaveh. BSB BSB: “If one’s offering is a peace offering and he offers an animal from the herd, whether male or female, he must present it without blemish before the LORD.
2 ULB Hametraka ny tanany eo an-dohan'ny fanatiny izy ary hamono izany eo ambaravaran'ny lay fihaonana. Ary ireo zanaka lahin'i Arona mpisorona hamafy ny ràn'izany amin'ireo lafin'ny alitara. BSB BSB: He is to lay his hand on the head of the offering and slaughter it at the entrance to the Tent of Meeting. Then Aaron’s sons the priests shall splatter the blood on all sides of the altar.
3 ULB Hanolotra soron'ny fanati-pihavanana amin'ny afo ho an'i Yaveh ilay lehilahy. Ny sabora izay mandrakotra na mifandray amin'ny taovany, BSB BSB: From the peace offering he is to bring a food offering to the LORD: the fat that covers the entrails, all the fat that is on them,
4 ULB sy ireo voa roa sy ny sabora izay eo amin'izy ireo amin'ny alalan'ny valahiny, ary ny ilan'ny atiny, miaraka amin'ny voany—dia ho esoriny izany rehetra izany. BSB BSB: both kidneys with the fat on them near the loins, and the lobe of the liver, which he is to remove with the kidneys.
5 ULB Ireo zanaka lahin'i Arona dia handoro izany eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra dorana, izay ambonin'ny kitay efa mirehitra. Hamoaka hanitra malefaka ho an'i Yaveh izany; ho fanatitra dorana natao ho Azy amin'ny alalan'ny afo izany. BSB BSB: Then Aaron’s sons are to burn it on the altar atop the burnt offering that is on the burning wood, as a food offering, a pleasing aroma to the LORD.
6 ULB Raha toa ka avy amin'ny ondry aman'osy no soron'ny fanati-pihavanan'ilay lehilahy ho an'i Yaveh; na lahy na vavy, dia tsy maintsy manolotra sorona tsy misy kilema izy. BSB BSB: If, however, one’s peace offering to the LORD is from the flock, he must present a male or female without blemish.
7 ULB Raha manolotra zanak'ondry ho ataony sorona izy, dia tsy maintsy atolony eo anoloan'i Yaveh izany. BSB BSB: If he is presenting a lamb for his offering, he must present it before the LORD.
8 ULB Hametraka ny tanany eo an-dohan'ny sorony sy hamono izany eo anoloan'ny lay fihaonana izy. Ary hamafy ny ràny amin'ny sisin'ny alitara ireo zanaka lahin'i Arona. BSB BSB: He is to lay his hand on the head of his offering and slaughter it in front of the Tent of Meeting. Then Aaron’s sons shall splatter its blood on all sides of the altar.
9 ULB Hanolotra ny soron'ny fanati-pihavanana ho fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh ilay lehilahy. Ny sabora, ny rambo matavy manontolo dia hotapahina manakaiky ny taolan-damosina, ary ny sabora izay mandrakotra ireo taovany sy ireo sabora rehetra izay manakaiky ireo taovany, BSB BSB: And from the peace offering he shall bring a food offering to the LORD consisting of its fat: the entire fat tail cut off close to the backbone, the fat that covers the entrails, all the fat that is on them,
10 ULB ary ireo voa roa sy ny sabora izay ao anatin'ireo, izay ao anatin'ny valahiny, ary ny ila-atiny, miaraka amin'ireo voa—dia ho esoriny izany rehetra izany. BSB BSB: both kidneys with the fat on them near the loins, and the lobe of the liver, which he is to remove with the kidneys.
11 ULB Dia handoro izany rehetra izany eo amin'ny alitara ho fanatitra dorana hohanina ho an'i Yaveh ny mpisorona. BSB BSB: Then the priest is to burn them on the altar as food, a food offering to the LORD.
12 ULB Raha toa ka osilahy no fanatitr'ilay lehilahy, dia hanolotra izany eo anoloan'i Yaveh izy. BSB BSB: If one’s offering is a goat, he is to present it before the LORD.
13 ULB Aoka izy hametraka ny tanany eo an-dohan'ny osilahy ary hamono izany manoloana ny lay fihaonana. Dia hamafy ny ràn'izany amin'ny lafin'ny alitara ireo zanaka lahin'i Arona. BSB BSB: He must lay his hand on its head and slaughter it in front of the Tent of Meeting. Then Aaron’s sons shall splatter its blood on all sides of the altar.
14 ULB Hanolotra ny sorony natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh ilay lehilahy. Hanaisotra ny sabora izay mandrakotra ireo faritra anaty izy, ary ny sabora rehetra manakaiky ireo faritra anaty. BSB BSB: And from his offering he shall present a food offering to the LORD: the fat that covers the entrails, all the fat that is on them,
15 ULB Hanaisotra ny voa roa sy ireo sabora izay miaraka amin'ireo izy, izay akaikin'ny valahina, ary ny ila-atiny miaraka amin'ny voa. BSB BSB: both kidneys with the fat on them near the loins, and the lobe of the liver, which he is to remove with the kidneys.
16 ULB Handoro izany rehetra izany eo ambony alitara ho fanatitra hohanina natao tamin'ny afo ny mpisorona, mba hamoaka hanitra malefaka. An'i Yaveh ny sabora rehetra. BSB BSB: Then the priest is to burn the food on the altar as a food offering, a pleasing aroma. All the fat is the LORD’s.
17 ULB Ho lalàna mandrakizay eo amin'ny taranakareo fara mandimby amin'izay toerana rehetra honenanareo izany, dia aoka tsy hihinana sabora na rà ianareo."' BSB BSB: This is a permanent statute for the generations to come, wherever you live: You must not eat any fat or any blood.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.