1 ULB Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
2 ULB "Lazao ny vahoakan'Israely hoe: 'Raha misy olona manota nefa tsy naniry ny hanota, nanao ireo zavatra izay nandidian'i Yaveh mba tsy ho atao, ary raha manao zavatra izay voarara izy, dia tsy maintsy atao ireto manaraka ireto. BSB BSB: “Tell the Israelites to do as follows with one who sins unintentionally against any of the LORD’s commandments and does what is forbidden by them:
3 ULB Raha toa ka ny mpisoronabe no manota ka mitondra fanamelohana eo amin'ny vahoaka, dia aoka izy hanolotra vantotr'omby lahy tsy misy kilema ho an'i Yaveh ho fanatitra nohon'ny ota. BSB BSB: If the anointed priest sins, bringing guilt on the people, he must bring to the LORD a young bull without blemish as a sin offering for the sin he has committed.
4 ULB Aoka izy hitondra omby lahy eo amin'ny fidiran'ny trano ao amin'ny lay fihaonana eo anatrehan'i Yaveh, hametraka ny tanany eo amin'ny lohany, ary hamono ilay ombilahy eo anatrehan'i Yaveh. BSB BSB: He must bring the bull to the entrance to the Tent of Meeting before the LORD, lay his hand on the bull’s head, and slaughter it before the LORD.
5 ULB Ilay mpisorona voahosotra dia haka sombiny amin'ny ràn'ilay ombilahy ary hitondra izany ho ao amin'ny lay fihaonana. BSB BSB: Then the anointed priest shall take some of the bull’s blood and bring it into the Tent of Meeting.
6 ULB Hanatsoboka ny tanany ao amin'ilay rà ilay mpisorona ka hamafy im-pito avy izany eo anatrehan'i Yaveh, eo anoloan'ny lamban'ny fitoerana masina indrindra. BSB BSB: The priest is to dip his finger in the blood and sprinkle some of it seven times before the LORD, in front of the veil of the sanctuary.
7 ULB Avy eo ilay mpisorona dia haka amin'ilay rà ho eo amin'ireo tandrok'ilay alitaran'ny dinti-kazo manitra eo anatrehan'i Yaveh, izay ao amin'ny lay fihaonana, ary handraraka ny sisa rehetra ambon'ny ràn'ilay ombilahy any amin'ny fanambanin'ilay alitara izy ho fanatitra dorana, izay eo amin'ny fidiran'ny lay fihaonana. BSB BSB: The priest must then put some of the blood on the horns of the altar of fragrant incense that is before the LORD in the Tent of Meeting. And he is to pour out the rest of the bull’s blood at the base of the altar of burnt offering at the entrance to the Tent of Meeting.
8 ULB Hanala ny sabora rehetra amin'ilay omby atao fanatitra nohon'ny ota izy; ilay sabora izay mandrakotra ny faritra anatiny, ny sabora rehetra izay miraikitra amin'ny faritra anaty, BSB BSB: Then he shall remove all the fat from the bull of the sin offering—the fat that covers the entrails, all the fat that is on them,
9 ULB ireo voany roa sy ny sabora izay eo amin'ireo, izay akaikin'ny valahina, ary ny ila-atiny, miaraka amin'ireo voa—hanala izany rehetra izany Izy. BSB BSB: both kidneys with the fat on them near the loins, and the lobe of the liver, which he is to remove with the kidneys—
10 ULB Ho esoriny daholo izany rehetra izany, tahaka ny nanesorany izany tamin'ilay omby natao soron'ny fanati-pihavanana. Avy eo ilay mpisorona dia handoro ireo ampahany ireo eo amin'ny alitara ho fanatitra dorana. BSB BSB: just as the fat is removed from the ox of the peace offering. Then the priest shall burn them on the altar of burnt offering.
11 ULB Ny hoditr'ilay omby sy izay hena tavela, miaraka amin'ny lohany sy ireo tongony ary ireo tao anatiny sy ny zeziny, BSB BSB: But the hide of the bull and all its flesh, with its head and legs and its entrails and dung—
12 ULB ny ambin'ny vatan'ilay omby rehetra—ho entiny ivelan'ny toby avokoa ireo ampahany ireo ho any amin'ilay toerana izay efa nodiovin'izy ireo ho Ahy, izay nandrarahan'izy ireo lavenona; handoro ireo ampahany ireo eo ambonin'ny kitay izy ireo. Aoka ireo ampahany ireo ho doran'izy ireo eo amin'ilay nandrarahan'izy ireo ireo lavenona. BSB BSB: all the rest of the bull—he must take outside the camp to a ceremonially clean place where the ashes are poured out, and there he must burn it on a wood fire on the ash heap.
13 ULB Raha manota tsy nahy ny fiangonan'Israely rehetra, ary tsy mahafantatra ny fiangonana fa nanota izy ireo ary nanao izay nandraran'i Yaveh tsy ho atao, ary raha meloka izy ireo, BSB BSB: Now if the whole congregation of Israel strays unintentionally and the matter escapes the notice of the assembly so that they violate any of the LORD’s commandments and incur guilt by doing what is forbidden,
14 ULB dia rehefa fantatra ny ota nataon'izy ireo, dia aoka ny fiangonana hanolotra vantotr'omby ho fanatitra nohon'ny ota ary hitondra izany eo anoloan'ny trano lay fihaonana. BSB BSB: when they become aware of the sin they have committed, then the assembly must bring a young bull as a sin offering and present it before the Tent of Meeting.
15 ULB Ireo loholon'ny fiangonana dia hametraka ny tanan'izy ireo eo amin'ny lohan'ilay omby anoloan'i Yaveh, ary ho vonoina eo anoloan'i Yaveh ilay omby lahy. BSB BSB: The elders of the congregation are to lay their hands on the bull’s head before the LORD, and it shall be slaughtered before the LORD.
16 ULB Ny mpisorona voahosotra dia hitondra sombiny amin'ilay ràn'ilay omby ho any amin'ny trano lay fihaonana, BSB BSB: Then the anointed priest is to bring some of the bull’s blood into the Tent of Meeting,
17 ULB ary hanatsoboka ny tanany ao amin'ilay rà ary hamafy izany im-pito eo anoloan'i Yaveh, eo anoloan'ilay lamba. BSB BSB: and he is to dip his finger in the blood and sprinkle it seven times before the LORD in front of the veil.
18 ULB Hanosotra sombiny amin'ilay rà eo amin'ireo tandroky ny alitara izay eo anoloan'i Yaveh izy, izay ao amin'ny trano lay fihaonana, ary handraraka ilay rà rehetra eo amin'ny fanambanin'ny alitara ho fanatitra dorana, izay eo amin'ny fidiran'ny trano lay fihaonana. BSB BSB: He is also to put some of the blood on the horns of the altar that is before the LORD in the Tent of Meeting, and he must pour out the rest of the blood at the base of the altar of burnt offering at the entrance to the Tent of Meeting.
19 ULB Hanala ny sabora rehetra eo amin'izany izy ary handoro izany eo amin'ny alitara. BSB BSB: And he is to remove all the fat from it and burn it on the altar.
20 ULB Izany no aoka ataony amin'ilay omby. Tahaka ny efa nataony tamin'ilay omby natao fanatitra nohon'ny ota, no ho ataony amin'io omby io, ary ilay mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny vahoaka, ka ho voavela izy ireo. BSB BSB: He shall offer this bull just as he did the bull for the sin offering; in this way the priest will make atonement on their behalf, and they will be forgiven.
21 ULB Ho entiny ivelan'ny toby ilay omby ary handoro izany tahaka ny nandorany ilay omby voalohany izy. Izany no fanatitra nohon'ny ota ho an'ny fiangonana. BSB BSB: Then he is to take the bull outside the camp and burn it, just as he burned the first bull. It is the sin offering for the assembly.
22 ULB Rehefa manota tsy nahy ny mpanapaka, amin'ny fanaovana ny iray amin'ireo zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh mba tsy atao, ka meloka izy, BSB BSB: When a leader sins unintentionally and does what is prohibited by any of the commandments of the LORD his God, he incurs guilt.
23 ULB dia hampahafantarina azy ny ota izay nataony, aoka izy hitondra osy, osilahy tsy misy kilema ho sorony. BSB BSB: When he becomes aware of the sin he has committed, he must bring an unblemished male goat as his offering.
24 ULB Hametraka ny tanany eo amin'ny lohan'ilay osy izy ary hamono izany eo amin'ny toerana izay namonoan'izy ireo ny fanatitra dorana eo anoloan'i Yaveh. Fanatitra nohon'ny ota izany. BSB BSB: He is to lay his hand on the head of the goat and slaughter it at the place where the burnt offering is slaughtered before the LORD. It is a sin offering.
25 ULB Ny mpisorona dia haka ilay ràn'ilay fanatitra nohon'ny ota amin'ny tanany ary hametraka izany eo amin'ireo tandroky ny alitara ho fanatitra dorona, ary handraraka ny ràn'izany eo amin'ny fanambanin'ny alitaran'ny fanatitra dorana izy. BSB BSB: Then the priest is to take some of the blood of the sin offering with his finger, put it on the horns of the altar of burnt offering, and pour out the rest of the blood at the base of the altar.
26 ULB Ho dorany eo amin'ny alitara ny sabora rehetra, tahaka ilay sabora tamin'ny soron'ny fanati-pihavanana. Ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny mpanapaka mahakasika ny otany, ary dia ho voavela ilay mpanapaka. BSB BSB: He must burn all its fat on the altar, like the fat of the peace offerings; thus the priest will make atonement for that man’s sin, and he will be forgiven.
27 ULB Raha misy iray amin'ireo sarambabem-bahoaka manota tsy nahy, amin'ny fanaovana ireo zavatra nandidian'i Yaveh azy ireo tsy ho atao, ary rehefa fantany ny helony, BSB BSB: And if one of the common people sins unintentionally and does what is prohibited by any of the LORD’s commandments, he incurs guilt.
28 ULB dia ho ampahafantarina azy ny ota izay nataony, ary hitondra osy iray, osivavy tsy misy kilema ho sorony izy, ho an'ny ota izay nataony. BSB BSB: When he becomes aware of the sin he has committed, he must bring an unblemished female goat as his offering for that sin.
29 ULB Hametraka ny tanany eo amin'ny lohan'ilay fanatitra nohon'ny ota izy ary hamono ilay fanatitra nohon'ny ota eo amin'ny toeran'ny fanatitra dorana. BSB BSB: He is to lay his hand on the head of the sin offering and slaughter it at the place of the burnt offering.
30 ULB Ny mpisorona dia handray sombiny amin'ilay rà amin'ny tanany ary hametraka izany eo amin'ny tandroky ny alitara ho fanatitra dorana. Handraraka ny ambin'ilay rà rehetra eo amin'ny fanambanin'ny alitara izy. BSB BSB: Then the priest is to take some of its blood with his finger, put it on the horns of the altar of burnt offering, and pour out the rest of the blood at the base of the altar.
31 ULB Hanala ny sabora rehetra izy, tahaka ny nanesorana ny sabora tamin'ny soron'ny fanati-pihavanana. Ho doran'ny mpisorona eo amin'ny alitara izany mba hamoaka fofona manitra ho an'i Yaveh. Hanao fanavotana ho an'ilay olona ilay mpisorona, ary ho voavela izy. BSB BSB: Then he is to remove all the fat, just as it is removed from the peace offering, and the priest is to burn it on the altar as a pleasing aroma to the LORD. In this way the priest will make atonement for him, and he will be forgiven.
32 ULB Raha mitondra zanak'ondry ho ataony sorona ho fanatitra nohon'ny ota ilay lehilahy, dia hitondra ondry vavy tsy misy kilema izy. BSB BSB: If, however, he brings a lamb as a sin offering, he must bring an unblemished female.
33 ULB Hametraka ny tanany eo amin'ny lohan'ilay fanatitra nohon'ny ota izy ary hamono izany ho fanatitra nohon'ny ota eo amin'ny toerana izay hamonoan'izy ireo ny fanatitra dorana. BSB BSB: And he is to lay his hand on the head of the sin offering and slaughter it as a sin offering at the place where the burnt offering is slaughtered.
34 ULB Ny mpisorona dia haka ny sombiny amin'ilay ràn'ny fanatitra nohon'ny ota amin'ny ratsan--tanany ary hametraka izany eo amin'ireo tandroky ny alitara ho fanatitra dorana, ary ho ararany eo amin'ny fanambanin'ny alitara avokoa ny ràn'izany. BSB BSB: Then the priest is to take some of the blood of the sin offering with his finger, put it on the horns of the altar of burnt offering, and pour out the rest of its blood at the base of the altar.
35 ULB Hanala ny sabora rehetra izy, tahaka ny nanesorana ny saboran'ilay zanak'ondry tamin'ny soron'ny fanati-pihavanana, ary ho doran'ny mpisorona eo amin'ny alitara eo ambonin'ny fanatitr'i Yaveh natao tamin'ny afo izany. Hanao fanavotana ho azy ny mpisorona nohon'ny ota izay nataony, ary ho voavela ilay lehilahy. BSB BSB: And he shall remove all the fat, just as the fat of the lamb is removed from the peace offerings, and he shall burn it on the altar along with the food offerings to the LORD. In this way the priest will make atonement for him for the sin he has committed, and he will be forgiven.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.