1 ULB Raha misy olona iray manota satria tsy nijoro izy tamin'ny zavatra izay nilàna ny fijoroany valovolombelona, na efa nahita izany izy na nahare momban'izany, dia ho tompon'andraikitra izy. BSB BSB: “If someone sins by failing to testify when he hears a public charge about something he has witnessed, whether he has seen it or learned of it, he shall bear the iniquity.
2 ULB Na raha misy olona mikasika izay zavatra efa voatokan'Andriamanitra ho maloto, na ny fatin'ny bibidia maloto izany na ny fatin'ny biby fiompy izay efa maty, na biby mandady, na dia tsy nihevitra ny hikasika izany aza ilay olona, dia maloto sy meloka izy. BSB BSB: Or if a person touches anything unclean—whether the carcass of any unclean wild animal or livestock or crawling creature—even if he is unaware of it, he is unclean and guilty.
3 ULB Na raha mikasika ny fahalotoan'ny olona iray, na inona na inona izany fahalotoana izany, ary raha tsy mahafantatra izany izy, dia ho meloka izy rehefa mahalala ny momba izany. BSB BSB: Or if he touches human uncleanness—anything by which one becomes unclean—even if he is unaware of it, when he realizes it, he is guilty.
4 ULB Na raha misy olona mianiana mafy amin'ny molony hanao ratsy, na hanao ny tsara, na inona na inona ianianan'izany lehilahy izany mafy amin'ny fianianana, na dia tsy mahafantatra izany aza izy, rehefa mahalala ny momba izany izy, dia ho meloka, amin'ireo rehetra ireo. BSB BSB: Or if someone swears thoughtlessly with his lips to do anything good or evil—in whatever matter a man may rashly pronounce an oath—even if he is unaware of it, when he realizes it, he is guilty in the matter.
5 ULB Raha meloka amin'izany rehetra izany ny olona iray, dia tsy maintsy miaiky izay heloka rehetra nataony izy. BSB BSB: If someone incurs guilt in one of these ways, he must confess the sin he has committed,
6 ULB Dia aoka izy hitondra fanatitra noho ny heloka amin'i Yaveh nohon'ny fahotana izay efa vitany, biby vavy iray avy amin'ny ondry aman'osiny, na zanak'ondry na osy, ho an'ny fanatitra nohon'ny ota, ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho azy mahakasika ny fahotany. BSB BSB: and he must bring his guilt offering to the LORD for the sin he has committed: a female lamb or goat from the flock as a sin offering. And the priest will make atonement for him concerning his sin.
7 ULB Raha toa tsy mahavita mividy zanak'ondry izy, dia mahazo mitondra domoina roa na voromailala vantony roa ho an'i Yaveh izy ho fanatitra nohon'ny heloka nohon'ny fahotany, iray ho an'ny fanatitra nohon'ny ota ary iray hafa ho fanatitra dorana. BSB BSB: If, however, he cannot afford a lamb, he may bring to the LORD as restitution for his sin two turtledoves or two young pigeons—one as a sin offering and the other as a burnt offering.
8 ULB Aoka izy hitondra ireo any amin'ny mpisorona, izay hanolotra iray aloha ho an'ny fanatitra nohon'ny ota—hanolana ny lohan'izany izy nefa tsy hanala izany tanteraka amin'ny vatana. BSB BSB: He is to bring them to the priest, who shall first present the one for the sin offering. He is to twist its head at the front of its neck without severing it;
9 ULB Avy eo dia hamafy ampahany amin'ilay ràn'ny fanatitra nohon'ny ota eo amin'ny ilan'ny alitara izy, ary handraraka ny sisan'ny rà eo amin'ny fanambanin'ny alitara izy. Izany no fanatitra noho ny ota. BSB BSB: then he is to sprinkle some of the blood of the sin offering on the side of the altar, while the rest of the blood is drained out at the base of the altar. It is a sin offering.
10 ULB Manarak'izany dia aoka izy hanolotra ny vorona faharoa ho fanatitra dorana, araka ny voafaritra tao amin'ireo torolalana, ary hanao fanavotana ho azy noho ny ota izay efa vitany ny mpisorona, ka dia ho voavela ny helok'ilay olona. BSB BSB: And the priest must prepare the second bird as a burnt offering according to the ordinance. In this way the priest will make atonement for him for the sin he has committed, and he will be forgiven.
11 ULB Kanefa raha toa tsy mahatakatra domoina roa na voromailala roa izy, ho sorona noho ny fahotany dia aoka izy hitondra ampahafolon'efaha amin'ny koba tsara toto ho an'ny fanatitra noho ny ota. Aoka izy tsy hanisy diloilo na ditin-kazo manitra amin'izany, satria fanatitra noho ny ota izany. BSB BSB: But if he cannot afford two turtledoves or two young pigeons, he may bring a tenth of an ephah of fine flour as a sin offering. He must not put olive oil or frankincense on it, because it is a sin offering.
12 ULB Aoka izy hitondra izany any amin'ny mpisorona, ary haka iray tanana amin'izany ny mpisorona ho fanati-pahatsiarovana ary avy eo handoro izany eo amin'ny alitara, eo an-tampon'ireo fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. Izany no fanatitra nohon'ny ota. BSB BSB: He is to bring it to the priest, who shall take a handful from it as a memorial portion and burn it on the altar atop the food offerings to the LORD; it is a sin offering.
13 ULB Hanao fanonerana ho an'izay fahotana vitan'ny olona ny mpisorona, ary dia ho voavela izany olona izany. Ireo sisa avy amin'ny fanatitra dia ho an'ny mpisorona, tahaka ny amin'ny fanatitra voa.'" BSB BSB: In this way the priest will make atonement for him for any of these sins he has committed, and he will be forgiven. The remainder will belong to the priest, like the grain offering.”
14 ULB Dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
15 ULB "Raha misy olona mandika didy sy manota ireo zavatra izay an'i Yaveh, saingy nanao izany tsy nahy, dia aoka izy hitondra ny fanatiny nohon'ny heloka ho an'i Yaveh. Izany fanatitra izany dia tsy maintsy ondry lahy tsy misy kilema avy amin'ireo ondry aman'osy; ny lanjan'izany dia aoka ho tombanana amin'ny sekely volafotsy—ny sekelin'ny fitoerana masina—ho fanatitra nohon'ny heloka. BSB BSB: “If someone acts unfaithfully and sins unintentionally against any of the LORD’s holy things, he must bring his guilt offering to the LORD: an unblemished ram from the flock, of proper value in silver shekels according to the sanctuary shekel; it is a guilt offering.
16 ULB Aoka izy hanao izay mahafapo an'i Yaveh noho izay ratsy efa vitany mifandray amin'ny masina, ary aoka izy hanampy iray ampahadimy amin'izany ary hanome izany ho an'ny mpisorona. Dia hanao fanonerana ho azy amin'ny ondrilahin'ny fanatitra noho ny heloka ny mpisorona, ka dia ho voavela izany olona izany. BSB BSB: Regarding any holy thing he has harmed, he must make restitution by adding a fifth of its value to it and giving it to the priest, who will make atonement on his behalf with the ram as a guilt offering, and he will be forgiven.
17 ULB Raha misy olona manota sy manao izay zavatra efa nodidian'i Yaveh tsy ho atao, na dia tsy nahafantatra izany aza izy, dia mbola meloka izy ka tsy maintsy hilanja ny helony ihany. BSB BSB: If someone sins and violates any of the LORD’s commandments even though he was unaware, he is guilty and shall bear his punishment.
18 ULB Aoka izy hitondra ondry lahy iray tsy misy kilema avy amin'ireo ondry aman'osy, izay mendrika ny tombam-bidiny, ho fanatitra nohon'ny heloka ho an'ny mpisorona. Avy eo dia hanao fanonerana ho azy mahakasika ny fahotana izay efa vitany ny mpisorona, amin'izay tsy nahafantarany, ka dia ho voavela izy. BSB BSB: He is to bring to the priest an unblemished ram of proper value from the flock as a guilt offering. Then the priest will make atonement on his behalf for the wrong he has committed in ignorance, and he will be forgiven.
19 ULB Izany no fanatitra nohon'ny heloka, ary dia meloka tokoa izy eo anatrehan'i Yaveh." BSB BSB: It is a guilt offering; he was certainly guilty before the LORD.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.