1 ULB Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: And the LORD said to Moses,
2 ULB "Raha misy olona manota ary mandika ny lalàna manohitra an'i Yaveh, toy ny hoe mifampiraharaha ambadika miaraka amin'ny namany mahakasika ny zavatra izay nankinina taminy, raha mamitaka izy na mandroba azy, na nampahory ny namany, BSB BSB: “If someone sins and acts unfaithfully against the LORD by deceiving his neighbor in regard to a deposit or security entrusted to him or stolen, or if he extorts his neighbor
3 ULB na nahita zavatra izay noverezin'ny namany ka mandainga ny amin'izany, ary mianiana amin'ny lainga, na ny amin'ireo zavatra tahaka ny hanotan'ny olona, BSB BSB: or finds lost property and lies about it and swears falsely, or if he commits any such sin that a man might commit—
4 ULB dia, raha manota izy ka meloka, dia tsy maintsy hamerina izay rehetra nalainy tamin'ny alalan'ny fandrobana na fampahoriana na naka izay nankinina taminy na zavatra very ka hita indray. BSB BSB: once he has sinned and becomes guilty, he must return what he has stolen or taken by extortion, or the deposit entrusted to him, or the lost property he found,
5 ULB Na nandainga ny amin'ny zava-drehetra izy, dia tsy maintsy hamerina manontolo izany ary tsy maintsy hanampy iray am-pahadimy honerana amin'izay tompon'izany, amin'ny andro izay naha meloka azy. BSB BSB: or anything else about which he has sworn falsely. He must make restitution in full, add a fifth of the value, and pay it to the owner on the day he acknowledges his guilt.
6 ULB Dia tsy maintsy hitondra ny fanati-panonerany ho an'i Yaveh izy: ondry lahy tsy misy kilema avy amin'ny ondry aman'osy izay mendrika ny tombam-bidiny, ho fanati-panonerana ho an'ny mpisorona. BSB BSB: Then he must bring to the priest his guilt offering to the LORD: an unblemished ram of proper value from the flock.
7 ULB Hanao fanavotana ho azy eo anoloan'i Yaveh ny mpisorona, ary ho voavela amin'izay rehetra nahatonga azy ho meloka amin'ny ny nataony izy." BSB BSB: In this way the priest will make atonement for him before the LORD, and he will be forgiven for anything he may have done to incur guilt.”
8 ULB Dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
9 ULB "Didio i Arona sy ireo zanany, lazao hoe: 'Izao no lalàn'ny fanatitra dorana: Tsy maintsy eo ambony fatan'ny alitara mandritra ny alina manontolo mandra-paraina ny fanatitra dorana, ary ny afon'ny alitara dia havela hirehitra hatrany. BSB BSB: “Command Aaron and his sons that this is the law of the burnt offering: The burnt offering is to remain on the hearth of the altar all night, until morning, and the fire must be kept burning on the altar.
10 ULB Hanao ny akanjo rongony fotsiny ny mpisorona, ary hanao ny atin'akanjo rongony fotsiny ihany koa izy. Haka ireo lavenona izay tavela taorian'ny nandevenan'ny afo ny fanatitra dorana eo ambony alitara izy, ary hametraka ireo lavenona eo akaikin'ny alitara. BSB BSB: And the priest shall put on his linen robe and linen undergarments, and he shall remove from the altar the ashes of the burnt offering that the fire has consumed and place them beside it.
11 ULB Hanala ireo fitafiny izy ary hampiditra ireo akanjony hafa mba hitondrana ireo lavenona hivoaka ny toby ho any amin'ny toerana izay madio. BSB BSB: Then he must take off his garments, put on other clothes, and carry the ashes outside the camp to a ceremonially clean place.
12 ULB Ny afo eo amin'ny alitara dia havela hirehitra hatrany. Aoka tsy hivoaka izany, ary ireo mpisorona dia handoro hazo eo ambonin'izany isa-maraina. Handamina ny fanatitra dorana araka izay takiana amin'izany izy, ary handoro ny saboran'ny fanati-pihavanana izy. BSB BSB: The fire on the altar shall be kept burning; it must not be extinguished. Every morning the priest is to add wood to the fire, arrange the burnt offering on it, and burn the fat portions of the peace offerings on it.
13 ULB Avela hirehitra eo ambony alitara mandrakariva ny afo. Aoka tsy hivoaka izany. BSB BSB: The fire shall be kept burning on the altar continually; it must not be extinguished.
14 ULB Izao no lalàn'ny fanatitra voa. Hanolotra izany eo anoloan'i Yaveh manoloana ny alitara ireo zanaka lahin'i Arona. BSB BSB: Now this is the law of the grain offering: Aaron’s sons shall present it before the LORD in front of the altar.
15 ULB Haka koba tsara toto eraky ny tanana amin'ny fanatitra voa sy amin'ny diloilo ary ditin-kazo manitra izay eo ambonin'ny fanatitra voa ny mpisorona, ary handoro izany eo ambony alitara mba hamoaka fofona manitra tahaka ny fanati-pahatsiarovana izany. BSB BSB: The priest is to remove a handful of fine flour and olive oil, together with all the frankincense from the grain offering, and burn the memorial portion on the altar as a pleasing aroma to the LORD.
16 ULB Hihinana izay sisa amin'ny fanatitra i Arona sy ireo zanany lahy. Tsy maintsy hohanina tsy misy lalivay ao amin'ny fitoerana masina izany. Hihinana ao amin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana izy ireo. BSB BSB: Aaron and his sons are to eat the remainder. It must be eaten without leaven in a holy place; they are to eat it in the courtyard of the Tent of Meeting.
17 ULB Aoka tsy handrahoina miaraka amin'ny lalivay izany. Nomeko ho anjaran'izy ireo amin'ny fanatitro natao tamin'ny afo izany. Masina indrindra izany, tahaka ny fanatitra nohon'ny ota ary fanati-panonerana izany. BSB BSB: It must not be baked with leaven; I have assigned it as their portion of My food offerings. It is most holy, like the sin offering and the guilt offering.
18 ULB Fa mandritra ireo fotoana rehetra hatongavan'ireo taranakao fara mandimby, ireo taranaka lahy sasany avy amin'i Arona dia aoka hihinana izany tahaka ny fizaràny, nalaina avy tamin'ireo fanatitr'i Yaveh natao tamin'ny afo. Na iza na iza mikasika izany dia ho tonga masina."' BSB BSB: Any male among the sons of Aaron may eat it. This is a permanent portion from the food offerings to the LORD for the generations to come. Anything that touches them will become holy.”
19 ULB Ka niteny tamin'i Mosesy indray i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
20 ULB "Izao no fanatitr'i Arona sy ireo zanany lahy, izay homen'izy ireo an'i Yaveh amin'ny andro izay hanosorana ireo zanaka lahy rehetra: ny ampahafolon'ny efaha iray amin'ny koba tsara toto ho fanatitra voa fanao mahazatra, antsasany amin'izany amin'ny maraina ary ny antsasany amin'izany amin'ny hariva. BSB BSB: “This is the offering that Aaron and his sons must present to the LORD on the day he is anointed: a tenth of an ephah of fine flour as a regular grain offering, half of it in the morning and half in the evening.
21 ULB Ho vita amin'ny menaka anaty lasitra mofo izany. Rehefa vonto menaka izany, dia ho entinao miditra. Voaendy no hanoloranao ny fanatitra voa mba hamoaka hanitra malefaka ho an'i Yaveh. BSB BSB: It shall be prepared with oil on a griddle; you are to bring it well-kneaded and present it as a grain offering broken in pieces, a pleasing aroma to the LORD.
22 ULB Ny zanaka lahin'ny mpisoronabe izay tonga ho mpisoronabe vaovao amin'ireo zananilahy no hanolotra izany. Araka ny efa nandidiana hatrizay, dia hodorana ho an'i Yaveh avokoa izany. BSB BSB: The priest, who is one of Aaron’s sons and will be anointed to take his place, is to prepare it. As a permanent portion for the LORD, it must be burned completely.
23 ULB Ny fanatitra voan'ny mpisorona dia ho dorana manontolo. Aoka tsy ho hoanina izany." BSB BSB: Every grain offering for a priest shall be burned completely; it is not to be eaten.”
24 ULB Niteny tamin'i Mosesy indray i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: And the LORD said to Moses,
25 ULB "Mitenena amin'i Arona sy ireo zanany lahy, manao hoe: "Izao no lalàn'ny fanatitra noho ny fahotana: Ny fanatitra nohon'ny fahotana dia tsy maintsy vonoina eo amin'ny toerana izay namonoana ny fanatitra dorana eo anoloan'i Yaveh. Izany no masina indrindra. BSB BSB: “Tell Aaron and his sons that this is the law of the sin offering: In the place where the burnt offering is slaughtered, the sin offering shall be slaughtered before the LORD; it is most holy.
26 ULB Ny mpisorona izay hanolotra izany ho an'ny fahotana dia hihinana izany. Tsy maintsy hohanina any amin'ny fitoerana masina ao amin'ny kianjan'ny tranolay fihaonana izany. BSB BSB: The priest who offers it shall eat it; it must be eaten in a holy place, in the courtyard of the Tent of Meeting.
27 ULB Na iza na iza mikasika ny henan'izany dia ho tonga masina, ary raha misy rà mifafy amin'ny akanjo, dia tsy maintsy sasana any amin'ny toerana masina ny faritra izay nipitihany. BSB BSB: Anything that touches its flesh will become holy, and if any of the blood is spattered on a garment, you must wash it in a holy place.
28 ULB Fa ny vilany tanimanga izay nampangotrahana izany dia hovakiana. Raha nampangotrahana tanaty vilany varahina izany, dia aoka hokosehina sy hosasana madio amin'ny rano izany. BSB BSB: The clay pot in which the sin offering is boiled must be broken; if it is boiled in a bronze pot, the pot must be scoured and rinsed with water.
29 ULB Ny lehilahy sasany amin'ireo mpisorona dia mahazo mihinana amin'izany satria masina indrindra izany. BSB BSB: Any male among the priests may eat it; it is most holy.
30 ULB Fa raha misy fanatitra nohon'ny fahotana ka entina ao amin'ny trano-lay fihaonana mba hanaovana fanonerana ny ràny dia aoka tsy hohanina. Aoka hodorana izany. BSB BSB: But no sin offering may be eaten if its blood has been brought into the Tent of Meeting to make atonement in the Holy Place; it must be burned.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.